Fanontaniana ho anareo lhl

21. rakekely ( 21/12/2005 05:40)
raha tena tia ianao, dia zavatra tsotra fotsiny ihany, mahay manaja ny tenanao aloha, fa io no tena zava-dehibe indrindra, izany hoe mamatatra ny mahasarobidy ny tenanao izay vao afaka manaja ny hafa, ary miainga avy amin'izay ny fanajana ny olon-tiana:*,
Zava-dehibe ny fitiavana ka tsy kilalao, noho izany raha tena tia dia maharesy ny fakam-panahy maro ka afaka mifanaja tsara.Miainga avy amin'izany indray ny fanomezana teny mamy, zavatra ho fahatsiarovana, fizarana ny hafaliana sy ny fahoriana.:lol::lol:
22. cutie ( 21/12/2005 05:44)
hendry be rakekely zany :)
23. nyaina ( 21/12/2005 06:03)
tsara be ilay hevitry rakalakely an tena milay tsara fa tohozo fa ny mampalahelo indraindray dia ianao manao izany amin'ny olotianao nefa izy manao ny ataony dia lasa victime ny tena ko !
24. Herimiafina ( 21/12/2005 06:14)
Izay indrindra, fifampitaizana ilay izy, kanefa izao ny tadidio.
Raha miray toerana ny mpifankatia dia CONTEXTE iray no iainan'izy roa ka mandeha tsara ny fisedrana fa raha vao misara-toerana de Contextes roa samy hafa no ianany ka maro ny FACTEURS mihatra amin'ny tsirairay ary tsy mitovy, hany kah matetika mitarika fisarahana izany.
25. Vehivavy ( 21/12/2005 08:34)
Misaotra anareo namaly aloha, misy lesona bdb azo tsohaina mihitsy. Za manokana aloha fantatro fa tena tia azy aho,mahatohatra fakampanahy foana ary mbola manaja azy hatramin'izao.Ny resaka mail, téléphone aloha d saika isan'andro izy tsy maintsy manoratra foana d indray mande isakerinandro manao webcam zay ary rehefa sendra sahirana b am asa iz ohatra ka ts misy fotoana d ts maints miantso milaza fa ts afaka nanoratra d sady miresaka eo zay, za koa moa miantso azy rehefa afaka. Tsy hoe tsy mahatoky azy aho akory fa indraindray tsy maintsy mba lasa ihany ny fisainana vokatr'ilay halavirantoerana, izahay moa efa tsy misy amantaonany intsony vao hiaona fa efa amambolana d ny saina foana no amboarina fa mila tsy ho zaka tsinona ny alahelo indraindray. Nisy fotoana koa aza iz miresaka amiko am phone d mitomany d za koa lasa mitomany avy eo, d indray mande izy niditra hopitaly fa nihetsika ny aretimpony fa nanao palpitations be, ny anabaviny no niantso ana nampandre, ka aminareo v tokony hatoky ny fitiavany marina aho ra izay no fandehany ? Ra ny ahy aloha d na d loin de mes yeux aza izy d akaikiny foko foana ka d asa re ! :?
26. sonwin ( 21/12/2005 08:56)
raha nifankatia tsara ianareo tamin'ny fotoana nifandaozana, ary azo antoka fa afaka ny hiara-hiaina, dia matokia azy fa fialantsin'n'ireo olona nahita ny akanga tsara soratra ny hoe loin des yeux loin du coeur. Manana faharetana dia mahareza.Mirary soa
27. erfan ( 21/12/2005 10:35)
Tsara zany refa mbola mifandray tsara nareo fa aza de alefa lavitra ko ny saina, manjary miteraka doute fotsiny. Eritrereto we enao aza mba azo itokisana de naona izy no tsy oh zay koa? Manjary mi-se toturer fotsiny ra hanontany tena lava eo we tia ary izy any sa tsy tia? Tonga de izy anontaniana refa tonga ao an-tsainao le ahiahy !
28. Vehivavy ( 21/12/2005 10:59)
Misaotra betsaka an'i erfan sy sonwin fa tena mankahery tokoa ny teninareo,milamindamina indray ny saina mahare izany. Ny ahiahy akory angamba ts d misy satria za matoky azy, ka d enga anie mba hateza ilay fiarahana ! D mirary soa ho anareo koa.
29. Vehivavy ( 21/12/2005 11:02)
Misaotra betsaka an'i erfan sy sonwin fa tena mankahery tokoa ny teninareo,milamindamina indray ny saina mahare izany. Ny ahiahy akory angamba ts d misy satria za matoky azy, ka d enga anie mba hateza ilay fiarahana ! D mirary soa ho anareo koa.
30. Veloo ( 21/12/2005 15:25)
vehivavy, vehivavy marina ianao, vitsy ny ol otranao indrindra fa amin'izao andro ihainan-tsika izao. ka dia mahereza re... nanana doute aho satria ny ankizy ankehitriny dia tsy mba hanana an'izany fisainana izany intsony juste oe "lavitrin'ny maso lavitrin'ny fo"
31. diamondra27 ( 21/12/2005 19:35)
refa zatra an'io njy de refa akaikinao izy de lasa tsy tinjy tsony
32. Veloo ( 21/12/2005 19:56)
zany ve?
33. Vehivavy ( 21/12/2005 20:26)
Veloo:

vehivavy, vehivavy marina ianao, vitsy ny ol otranao indrindra fa amin'izao andro ihainan-tsika izao. ka dia mahereza re... nanana doute aho satria ny ankizy ankehitriny dia tsy mba hanana an'izany fisainana izany intsony juste oe "lavitrin'ny maso lavitrin'ny fo"



Misaotra betsaka re, misy namana iray tao aloha tao nilaza hoe fialantsin'ny nahita ny akanga tsara soratra izany hoe "lavitry ny maso lavitry ny fo", ary tena marina mihitsy izany satria rehefa tena tia tokoa ts manana eritreritra toy izany, misy madama namako izay nilaza tamiko indray mandeha hoe ny atao hoe "amour avec un grand A" hozy indray mande eo amin'ny fiainana ihany ka mahaiza manararotra. Mahereza koa ianao d mazotoa e !:wink:
34. Vehivavy ( 21/12/2005 20:27)
diamondra27:

refa zatra an'io njy de refa akaikinao izy de lasa tsy tinjy tsony



Tsy azoko tsara ny tianao ho lazaina ?
35. Vehivavy ( 21/12/2005 20:27)
diamondra27:

refa zatra an'io njy de refa akaikinao izy de lasa tsy tinjy tsony



Tsy azoko tsara ny tianao ho lazaina ?
36. Veloo ( 21/12/2005 20:54)
vehivavy a miciiiii njy ko an :-*
37. vegas ( 21/12/2005 23:28)
Herimiafina> Satria tsy ny fiantsoana telephone lava be no ahazoana miteny olona oe tena tia. Mety marina nen'ialahy fa saingy oe tsy izany kosa no asina jereny. Hijery marina anie zao izy zao raha lava na fohy, de eo elah fa namitaka.
Mety tsy manana possibilité iantsona elaela le bandy nefa tia azy. Eo koa ny bandy miasa amin'ny operateur telephonique afaka miantso gratos ka tanjemo ra sipa: tsy ny appel ela mintsy no itsarana fitiavana olona.
38. akamatiana ( 22/12/2005 03:16)
marina zany vegas:-D
39. vegas ( 22/12/2005 06:31)
Akamatiana> ze rehetra efa noteneniko tamin'la koa anie marina daolo e lol.
40. xxx ( 22/12/2005 13:19)
lavitry ny maso ,lavitry ny fo ,t@ za tany dago de nisy niaraka tamiko efa ela zay no nifankafantatra,nankaty an-dafy anefa izy de mbola niaraka izahay nefa avy eo an ,ny elanelan-tany no nampisaraka anay,ela tsy nifankahita mivantana de maty ilay fitiaavana.nefa izahay nifampiantso,nifanoratra ,mampiasa ireny webcam ireny.Avy eo aho niaraka t@ olon-kafa.De nankaty an-dafy za,coincidence fa niray université za sy ilay niaraka tamiko taloha Nefa izahay tsy niverina niaraka intsony ,tsy aiko na misy sipany any ambadika any na tsia fa pr un mec c normal.Za koa anefa izao aty an-dafy izao tsy mahatsiaro ho tia an'ilay navelako any Dago sady tsy misy miaraka amiko!Ny tiako holazaina de izao ,sarotra be ny mikolokolo fitiavana rehefa tsy hita maso ilay olona .Na tia aza enao an !mety hoe tsy reciproque ilay izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0079