adi-poko

1. rasera ( 20/12/2005 19:16)
io foana no atao fitaovana. Efa nilaozan'ny toetr andro izany hoe i Ramaromisa izany afaka miantso ny fanampian'ny vahoakan' ampefiloha hiaro azy satria voavono teto antananarivo, torak 'izany koa i ôlàlà tokony hiantso ireo teny @ 13 mai 1972 koa Ny antony dia satria nisy solombavam bahoaka niantso ny any aminy mba ho tony fa tsy hanao adi-poko. Toa midika izany fa nohon ny fahendreny dia tsy hisy akory izany nefa tokony ho tsapany fa ny fahendren ny olona no tsy hahatanteraka izany ady izany. Tsy zazakely intsony ny malagasy ary izany no mampiavaka azy @ firenena sasany ao afrika. Ny ady hiantrehana dia ny mondialisation aiza ny toerana hisy antsika rahatrizay, fa tsy hoe aiza ny toerana hisy ny mpanao politika rahatrizay. Hajao ny demokrasia. Tsy hisy firenena "demokratika" ka hamela olona mitetika hanongam panjakana hamela azy ireo hanao fihetsehana. Satria lanim bahoaka dia avelao ho tapitra ny fotoana nametrahana azy ireo eo dia @ manaraka rehefa tsy tian ny olona izy dia miala indray mety ho soloinareo asa! Tolory anay aloha ny programanareo sy ny olona tianareo hanatanteraka izany dia ho hita eo raha lanin'ny be sy ny maro na tsia. Fa tsy hoe rehefa tsy avela hitetika hanongam panjakana dia tsy misy demokrasia izany.
novalian'i fijo ny 10/01/2006 21:30
2. fijo ( 20/12/2005 19:35)
rasera an,isika anie efa mahatsapa an'io e,fa ry zareo mpanao politika no mbola tsy mahatsapa ny ilain'ny olona.eo no misy olana.
3. Stone ( 21/12/2005 00:07)
Ilay hoe adim-poko dia midika foana hoe "merina vs cotiers", fa tsy misy mihitsy hoe"Betsimisaraka vs Antakarana", asa loatra izay tena hankahalana ity merina ity? Sapo kosa dia fialonana?
4. sonwin ( 21/12/2005 09:11)
mahagaga....
5. eprom ( 21/12/2005 10:52)
Stone:

Ilay hoe adim-poko dia midika foana hoe "merina vs cotiers", fa tsy misy mihitsy hoe"Betsimisaraka vs Antakarana", asa loatra izay tena hankahalana ity merina ity? Sapo kosa dia fialonana?

Efa nisy ka. Ohatra hoe "zafisoro vs antefasy". Fa saingy any @ sisiny ireny de tsy hita loatra.

6. Duddy ( 21/12/2005 12:42)
Rehefa miady ny Foko( mon coeur)dia reraka ny saiko
reraka ho azy ny vatana
miakatra ny tension
noho izany:"TSY TSARA NY ADIM-POKO"
Amen!
7. Duddy ( 21/12/2005 12:48)
Stone:

Ilay hoe adim-poko dia midika foana hoe "merina vs cotiers", fa tsy misy mihitsy hoe"Betsimisaraka vs Antakarana", asa loatra izay tena hankahalana ity merina ity? Sapo kosa dia fialonana?


Sahy milaza ko ve ra-Stone fa hoe tsisy Merina tsy tia "cotiers" e! Saingy le miady mifamono no tsy atao fa ny "tsy fitiavana" any am-po any ngamba samy manana na ny cotier na ny merina.

Le tsy sahy mifamono no mampiavaka ny gasy fa tsy hoe le "mifankatia" akory.Tsy mifankatia zany ny gasy fa mpiatsara ivelatsihy. Amiko de io no tena mampiavaka azy aty Afrika! Sa ahoana hoy tenisany?
8. Duddy ( 21/12/2005 12:55)
Stone:

Ilay hoe adim-poko dia midika foana hoe "merina vs cotiers", fa tsy misy mihitsy hoe"Betsimisaraka vs Antakarana", asa loatra izay tena hankahalana ity merina ity? Sapo kosa dia fialonana?


Ny "betsimisaraka sy ny Antakarana ra-Stone no tsy miady a! Fa ankoatry ny "Zafisoro sy ny Antefasy" voa-kôzy etsy ambony de efa nisy koa ny hoe "Sud-est" sy Betsimisaraka, vao t@ 2002 zany.Ny Antandroy sy ny Antesaka ko tsy mifankahazo hatry ny fahiny sns sisa tsy voatanisa.

Fa zao kosa lesy e: betsaka ny sud-est no mirevy merina, ary miaro ny merina foana refa misy blem any @ sisiny any a!

:wink::lol:8O:):D:o8):P:wink::P:P
9. jajaf401 ( 21/12/2005 13:55)
Misy ihany izy izany le aza, 8O8O8O
10. jentilisa ( 21/12/2005 14:09)
tany toamasina angamba ny tian-ko lazaina...tsy izany no tena marina fa hoe ny "vahiny" mifampiaro avokoa...
11. Stone ( 21/12/2005 15:35)
Misy marina ny teninao ra Duddy ! Tokony ahitsy nge izay diso noteneniko e! Izay koa no tena anton'ity serasera ity.
12. Ragadona ( 21/12/2005 15:45)
Za zao merina de ny akamako be dia be no betsileo, ary ny fianakaviana mifandray be amin ny fianakaviako zao be betsileo ary tsy hoe namanamana mifanolo bodirindrina fotsiny zany fa tena namana be, dia ahoana ? Tsy hoe akory tsy misy ny olana eo amin ny fiaraha monina, saingy refa mifanditra amin dRakoto aho ka miady zahay dia tsy noho ny maha betsileo azy na maha merina ahy no antom pifandirana, ka tsy tokony hoterena hoe antony ara poko, na ara.. na ara.. na ara........... refa misy olana
13. jonivato ( 21/12/2005 16:58)
Misy foana io Ragadona fa ny anao zany marivo loatra zany jerenao zany, tsy mbola eo relation teneninanao zany no ahitanao an'izany fa any @ sehatra ambonimbony kokoa fa mba alefaso lavidavitra ny fomba fijery eh!!!!!!!
Raha efa tonga amizay mifanolo-bodirindrina zay moa izy zay enao vao hilaza misy tsy efa loza, fa kosa hoy ranamana iray izay hoe t@ zaho nitady bourse exterieur e, sns, eny no isehoany matetika, de jerevo koa ny situation eny @ université, surtout @ filière mba tsaratsara eto tananarive de analysez tsara ny resultats des selections de dossiers lors de pré-inscription sy examen fa ho hitanao mi-domine io, ary tsy eto tana ihany fa eran'ny faritany, fa tsy misy hilaza kosa eny an-dalambe hoe zahay manavakavaka, lainga zany; fa ny atao no hita,
Voalavo nangala-bary io, ka afosan'ny tainy ihany!!!!
:-D
14. Ragadona ( 21/12/2005 18:14)
Tsy mbola niainako lalina alo le izy e, sady zavatra hoatr'izany koa ve no irosoanareo lalina ka aiza no tsy hihitsoka, hototofana aza hanaovana an izany. Ny ahy alo aleoko alefa lavitra amin ny zvtr hafa ny fisainana toy izay horerahako amin io e, sady to mande ihany le fiainana ko
15. fijo ( 21/12/2005 19:55)
duddy,misy ary marina io voalazanao io;
fa ny zavatra tsapako koa za lehibe tany,dia ny antesaka sy ny sakalava dia miaro ny merina foana.
ny sakalava moa dia efa hatramin'ny androndradama no efa nisy io fifandraisana tamin'ny merina io.ary hatramin'izao le izy dia voatahiry foana.
mampalahelo nefa dia izay no zavamisy any e
16. dadabe ( 22/12/2005 01:46)
tsy misy ambara
17. fijo ( 22/12/2005 04:26)
karakarao bebe ary e
18. rasera ( 22/12/2005 21:16)
Efa misokatra ny adi hevitra ny yokony hisy dia ny firaisan-kinan-tsika tsy an-kanavaka mba hirosona @ mondialisation.Jereo i Chine 20 taona lasa mbola tsy haninona, nefa raha io resaka foko io any, ny fitenenana fotsiny ega mid=sy firy, ny antsika efa hatry ny ela no iray, nefa jereo ny toerana misy azy izao dia ampitahao aminy ny antsika, izy miadu hampandroso ny ekonomia isika miady @ firazanana, na mivantana eny @ haino aman-jery na ankolaka mifampiatsara ivela-tsihy.
19. xxx ( 22/12/2005 22:01)
Raha hoe racisme no tenenina, dia ny olona nge saika raciste daholo n'aiza n'aiza erantany e! na ianao io aza angamba. fa izany hoe tokony mifanaja sy mifandevitra fotsiny, dia mandeha io.
Tsy ilaina ny mifandrangitra.
20. Ragadona ( 23/12/2005 08:33)
Ny foko amiko réalité, tsy azo lavina ary ho ahy manokana ireharehako aza ary tsy hoafeniko mihitsy satria anisan ny maha izy ahy iny.Saingy eo amin ny toe tsaina iainana azy no mba tokony atao mifanaraka amin ny taon jato iainana fa tsy le mbola tany amin ny 18 na 19 e siècle tany. Ary ny mahagaga dia ireo mba avaram pianarana ndray no taraiky be amin ny toe-tsaina tokony handraisana an io firazanana io fa ireo olona tsy dia nianatra loatra no toa mahay miara monina tsara ao anatin ny fahasamihafana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1476