ravitoto sy voanio

1. rurik ( 20/12/2005 13:16)
saika mba anotany aho ry reto sao mba misy afaka manome resetin'na ravitoto sy voanio azafady , te hahandro nefa tsy mahay , misaotra betsaka.
novalian'i Sorate ny 10/01/2006 07:27
2. vale ( 20/12/2005 13:44)
salut rurik: ity izany ny mba ifampizaraiko aminao fa io samy manana ny secret keliny avy na izany azae fa ity ny haiko> ravitoto 1/2kg+henakisoa na omby 1kg ; ronono na voanio (lait de coco) 1 boaty kely! + oignons 2 lehibe+ voatabia roa lehibe, menaka fanendy 4 na telo sotro lehibe
teteho ny oignons + voatabia
afanao ny menaka tokony sotro lehibe
endaso ny oigon arotsahy ny voatabia avy eo
arotsahy ny hena voatetika asio rano tokony 2litatra! jerijereo matetika ka tapohy foana ny rano araky izay mampalemy ny hena, tsy avela ho ritra ny rano fa atao manasasaka ny hena!
Arotsahy ny "lait de coco" avelao hangotraka 30mn farafakeliny!
Vita! mazotoa rurik!
3. vale ( 20/12/2005 13:46)
rurik: azafady hadinoko ny ravitoto!!!hihihi arotsaka miarka @ hena!:wink::-D:miam:mazoto e!
4. Fanja1 ( 20/12/2005 14:02)
rurik raha asiana voanio aza atao henakisoa fa mavesatra be mihintsy , tsy te hihinana intsony njy avy eo, aleo hen'omby mahia afangaro aminy. mazoto
5. rurik ( 20/12/2005 14:16)
misaotra betsaka tena hazoto homanatokoa efa nividy ravitoto aho fa tongava hihina ny nahandroko ry vale sy Fanja1 an
misaotra betsaka :-*:-*
6. pissoa ( 20/12/2005 14:31)
vale ah, ilay faty alevina indray no hadino hoy ny fitenenana an!
de misaotra kou @ le resety na de tsy izaho aza no nangataka
7. Fanja1 ( 20/12/2005 16:30)
rurik antsohy zahay refa vonona hihinana e:-*
8. Herimiafina ( 20/12/2005 16:55)
Ary nareo ve efa mba nisy nanandrana le ravitoto sy amalona? hummm, favy an, miam miam. (l)
9. zouzou ( 20/12/2005 17:21)
Herimiafina:

Ary nareo ve efa mba nisy nanandrana le ravitoto sy amalona? hummm, favy an, miam miam. (l)


tsy tafaraka samy malama ve izany ry herimiafina

10. Herimiafina ( 20/12/2005 17:54)
zouzou, ka le kitozan'amalona ireny anie no ampiasaina e, de andrahoina mitokana aloha izay vao hafangaro de asiana voanio ihany koa, favy an, hehe:-D:-D
11. mirana5 ( 20/12/2005 18:42)
recette vaovao tokoa zany ravitoto sy amalona asiana voanio zany é!!!!!
12. Herimiafina ( 20/12/2005 18:58)
Fa matetika tsy de tian'ny sipa izy io fa matavy loatra hono e, kanefa zah nihinana tany Diego fa favy an, tsy misy ohatr'izany, hehehehe:-D:-D:-D:-D
13. vale ( 20/12/2005 20:16)
rurik:

misaotra betsaka tena hazoto homanatokoa efa nividy ravitoto aho fa tongava hihina ny nahandroko ry vale sy Fanja1 an
misaotra betsaka :-*:-*



:wink:mazotoa rurik à!(l)
14. vale ( 20/12/2005 20:18)
pissoa:

vale ah, ilay faty alevina indray no hadino hoy ny fitenenana an!
de misaotra kou @ le resety na de tsy izaho aza no nangataka


pissoa> hihihihihi:wink::wink::wink:
15. vale ( 20/12/2005 20:21)
Herimiafina:

zouzou, ka le kitozan'amalona ireny anie no ampiasaina e, de andrahoina mitokana aloha izay vao hafangaro de asiana voanio ihany koa, favy an, hehe:-D:-D


mmmh tsy ratsy koa izany an!:miam:
16. Veloo ( 20/12/2005 21:15)
o ry kala hery a tsssssssssss zany ve afaka mifangaro kle beurrrrrrrrrkkkk
17. zoara ( 20/12/2005 21:43)
tsy andrahona ela loatra izany ny coco fa lasa maimbo solika voanio ny sakafo,20 à 25 mn d'efa ampy.zany hoe juste avant la fin de cuisson.zah ndray punch coco no harosoko @ fety
18. Herimiafina ( 20/12/2005 22:41)
Veloo:

o ry kala hery a tsssssssssss zany ve afaka mifangaro kle beurrrrrrrrrkkkk

Mba lazao hoe ny antony tsy azo hampifangaroana an'ireo ry Veloo malala an!!!! Asivo termes gastronomika kely klou fa zah tsy convaincu raha tsy izay, hehehehehe:-D:-D:-D:-D

19. hesham ( 20/12/2005 23:22)
Ity in1 ny ahy fandrahoako azy .
Kikisako ny coco 1 na totoko @ machine raha aty asiako rano eraky ny kopy dia fiazako rano matimaty, tsy ariana iny faikany iny tampohako rano 2 kopy eo ho eo koa in1 dia fiazako koa iny atokatokana le ranony volohany sy ranony faharoa .
Andrahona halemy tsara otran`ny mahandro hena ritra reny ny hena matavitavy tsara . Atao ritra an . asio ny sosy votabia sy tongolo , tongolo gasy ary sakamalao kely hainao ihany ze antonony e .
Arotsaho amin`ilay hena ritra amizay ary ilay ranony faharoa dia arotsahy manaraka azy ilay ravitoto , efa hitanao fa masaka tsara reo zavatra reo dia zay vao arotsaka ilay ranony nofihazana voalohany dia avela hangotraka 5 a 10 mn dia mazotoa eeee.

20. vale ( 21/12/2005 00:10)
rurik:

misaotra betsaka tena hazoto homanatokoa efa nividy ravitoto aho fa tongava hihina ny nahandroko ry vale sy Fanja1 an
misaotra betsaka :-*:-*



rurik> saptra mialoha e! mmmh! miam miam!:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2709