JOYEUX NOEL ET BONNE ANNEE ARAHABA E

1. tafita ( 19/12/2005 19:16)
Mamangy anareo , na de hoe tsy hita lasy
Fa ato anaty taratasy
Ary de mirary soa ka manoratra kely
Hankalaza ny NOELY
Ho an'ny namana rehetra ato anaty serasera
Na lahika na mon Père
Mirary soa ho anareo tsy misy avakavaka
Mbola arahiko vavaka
Tsy hoan'ny Noely ihany aza fa mbola ampiako hoe
BONNE ANNEE
Samy ho tratry ny taona mitsingeringerina
No averimberina
Ny fahasoavan'Andriamanitra homba sy hitahy
Noho ny asan'ny FANAHY
Ka izao fety lehibe , ankalazana ny Noely
De i Jesoa Zazakely
Hitondra soa ho anareo tsirairay avy
Na lahy na vavy
Ka mamaky ity hafatra tolorako ny soa ,
Mba ho sambatra avokoa
Ka hiadam-pinaritra mandritra ny taona
Tsy hanaonao foana
Fa samy hiezaka hanatsara izay efa vita
Hoy ny namana tafita
Ka de JOYEUX NOEL ary koa BONNE ANNEE
Ho anareo rehetra anie
Fa ato amin'ny namana de mahatsiaro tafaray
Mpinamana hatrizay
Ka firarian-tsoa , arahina ARAHABA
No ventesiko eo am-bava
Ilay fahasambarana ary koa ny fiadanana
Ho anareo rehetra namana
KA JOYEUX NOEL sy BONNE ANNEE daholo e
NY FIADANANA SY NY HAFALIANA VOKATRY NY NOELY IZAO HOMBA ANTSIKA TSIRAIRAY AVY

tafita
2. Veloo ( 19/12/2005 19:30)
Tafita dia joyeux Noel ko njy... lava lotra ilay izy fa tsara ka :wink:
3. Bariry ( 19/12/2005 19:32)
Enao kouh :):):):):):)
4. Fiffi ( 19/12/2005 20:39)
Misaotra anao dia ho torak'izany koa e!:):)
5. akamatiana ( 19/12/2005 21:06)
tafita:-*:-*:-*

Iny any eh!! ny namana tafita
zah nanontany tena we taiza ise no tsy hita
Faly zah fa tonga indray izy
sady mbola mirary soa ho an'ny lebe sy ankizy

Dia manaova fety sambatsa jiaby
d samy ho tsatsy ny 2006 tsika mianakavy
6. cutie ( 19/12/2005 21:19)
tafita, joyeux noel
de ampitao any @ le namako iny koa :-)
7. vale ( 19/12/2005 21:35)
tafita> misaotra betsaka aky t@ tononkalo, dia manoroka mamy be andry koa e! asmy hanao fety sambatra daholo eee!:-*:-*:-*(l)
8. marozevo ( 20/12/2005 00:06)
Tsy vitan'ny fisaorana fotsiny no atolotra an'i tafita, fa arahina fankasitrahana lalina dia lalina tokoa. Sady kanto ny tononkalo no mameno fo rahateo. Tena hetsaka izay iantefany ka mirary soa indrindra ho anao.
Fa hono h'o aho : Mba azoko adika ho tahiry ve io tononkalonao io ?
9. Ralay ( 20/12/2005 01:08)
Dia isika rehetra koa e Merci:lol:=D
10. dadabe ( 20/12/2005 01:18)
inona marina aloha ilay hoe Noely e? :-w:-w
11. Veloo ( 20/12/2005 01:36)
ahaaaaaaaaaaa:-w:-w:-w
12. hesham ( 20/12/2005 01:57)
tratry ny krismasy sy taombaovao daholo koa isika rehetra dia mankasitraka an`i tafita fa mahafinaritra na dia ny fahatsiarovanao anay namana fotsiny ary dia mirary soa ho anao sy ny fianakavaianao.Misaotra ooooo(l)
13. jennifer2 ( 20/12/2005 02:02)
Merci akia tafita a!:-*:-*:-*
14. hesham ( 20/12/2005 02:50)
zay koa jennifer de mangalatahaka ana fona tsssss , mbola aiza aki ze anaovako anji :-D:-D:-D
15. Fanja1 ( 20/12/2005 06:29)
joyeux noel antsika rehetra ô!!!!!!!!! manaova fety sambatra daholo:-*
16. ariel ( 20/12/2005 16:30)
merci akia tafita fa tsara be lay tononkalonao io a! de ianao koa torak'izany manaova fety sambatra,ho antsika rehetra ato @ namana serasera bonne fê^te daholo e!
17. ravakamalala ( 20/12/2005 21:42)
hesham sy jennyfer2> noely ny andro fa miombona amin izay. zaraina roa herimiafina, fonosina papié kadô, asina né dia asaina aterin i dadabe noely any!:-D:-D
ka misafidy nareo roa iza no maka ny tapany havia sa havanana? sa tapany ambony sy ambany?:-P

merci tafita, fa adinonao ny xxx , toa tsy mba nahazo firariantsoa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2337