nanao ahoana ny 17 dec 05 tao Analakely?

1. jentilisa ( 17/12/2005 09:53)
Mba mety hahaliana antsika ihany angamba io toe-draharaha iray io. Nankalazaina dia nankalazaina manko izy io teto Antananarivo teto. Indrindra moa fa tamin'ny sehatry ny haino amna-jery azony nanapariahana izany.

Izaho dia tsy nahatratra ny voalohany fa naheno kosa indrindra fa ny avy amin'ny radio izany.
Vory lanona tokoa ny vahoaka tao. FBe ny miaramila sy ny zandary tao fa tsy nihetsika ry zareo...hitandro ny filaminana tokoa angamba no ahatongavany tao.

Iny ary fa nisy depiote iray tonga! avy hatrany dia nifanenjehan'ireto vahoaka vory lanona ireto ranamana io ka vaky loha mihitsy raha tsy nisy nanavotra haingana.

Niala tany koa ny iray ( Faharo angaha izy izany) fa dia toy ny nahazo ilay depiote voalohany teo koa no nahazo azy. Sady noesorin'ireo olona ireo ny samboady milaza ny mahaolomboafidy azy.

Niala avy tany amin'izay andriamatoa Zafy Albert: horakoraka amin'izay ny an'ny olona tonga teo sady efa vonombonona...soa ihany fa teo ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy nanavotra ilay filoham-pirenena teo aloha fa raha tsy izany dia asa izay nahazo azy!

Tao anaty olona tao amin'izay...teo aho no tonga tany... no nahenoako fitenenana hoe aiza ilay Ramasy adolphe niseho nandrava ny vavahadin'ny fitsarana omaly e?

Dia hatreo ihany no azo tantaraina!
Nampalahelo ny zava-nitranga...mirary fanasitranana ho an'ny marary! toa nisy nampidirina hopitaly mihitsy hono.

Ankoatra izay dia nitohy sahala amin'ireny hoe tsy nisy na inona na inona ireny ny fetin'ny ankizy nameno ny kianjan'Analakely!

Raha misy moa ny te-hanontany dia tsy ho haiko satria ny mampita ihany no mba mahamaika e!

Raha voavaly ve moa tsy tsara!

Mila tsiny kosa aho raha mandainga ilay radio fa ny fiandrasan'ny olona an'i Ramasy Adolphe aloha toa hitakitako ihany...
novalian'i fijo ny 22/12/2005 20:49
2. sonwin ( 17/12/2005 12:09)
merci amin'ny vaovao jentilisa an!
3. jentilisa ( 17/12/2005 12:34)
tsilia-tsofina indray ity ( renseignement) mba hampisy sira ny adi-hevitra raha tokony hisy izany.

Re teny ho eny izany fa olona efa voakarama avokoa ireo olona namono ny olomboafidy sy olo-malaza nankany Analakely ireo; anisan'izany i Olala mpisolovava malaza.

Dia 15 000 Ariary isan-olona hono ny karamany!

Tsilia-tsofina (reseignement) indray io ka azo inoana na tsia!

Ny maro tamin'ireo olona ireo hoe na mpiasan'ny fivondronana na MJP ( Mouvement Des Jeunes Patriotes).

Dia asanareo na hino ianareo na tsia!
4. Bariry ( 17/12/2005 14:40)

Merci amin'ny vao2 jentilisa ah. manja eh:D
5. Stone ( 17/12/2005 14:49)
Tsy i Olala ve no tena voakarama e!
Asa ohatr'inona no omen'i Pierrot an'i lery ? Mety efa maromaro angamba izao ny trano efa vitan'ilery an!

6. joda ( 17/12/2005 16:43)
mbola honohono ireo vaovao ireo fa ny tena marina dia ny internet @ alatsinainy e
7. Nickovy ( 17/12/2005 17:05)
Misaotra betsaka Jentlisa ah! Mana-namana manana ananreo any dago fa izahay aty alavitra dia nitaintaina fotsiny satria toa dia efa tena anjana be ery ny filazan'ny Gazety indrindra ny Tribune ny mety hisian'ny fifandonana goavana. Dia samy miandry isika eh! Mirary soa daholo.
8. vale ( 17/12/2005 17:50)
Misaotra be dia be jentilisa a! fa tiko anontaniana ange fetin'ny inona ilay 17 déc??? misaotra!:wink:
9. lapino ( 17/12/2005 19:01)
Tena ohatra ny mahita sary amin'ny tele izany mihitsy amin'ny fitantaran'i jentilisa an'le izy! :)

Milay e! ^:^
10. jentilisa ( 18/12/2005 08:44)
Misy moa ny miteny hoe honohono izay nolazaiko. Tsy maninona izany.

Tsy maintsy nataoko ary ny nanara-baovao nanenjika hijery ny tele azoko nojerena rehetra na dia tara aza aho no nirava.

Tamin\'ny sivy ora araka ny nasehon\'ny mpanao gazety dia toy ireny tsy misy na inona na inona ireny mihitsy teo an-toerana. Toy ny isan\'andro ny zava-nitranga...nilalao ny ankizy nitsanagatsangana ny maro. Nihananakaiky ny tokony ho tamin\'ny 10 tany ho any, nihamaro amin\'izay ireo olona tonga teo anoloana\'ny lapan\'ny tanàna. Tsy navelan\'ny miaramila sy ny zandary hohitsahina manko ny bozaka nasolo ny lapan\'ny tanàna ho an\'izay efa taty Antananarivo.
Nihevitra ary ireto mpitarika ny mpanohitra fa hahomby ny zavatra natao ny dia ny \"fitsangatsanganana\" hatao eny amin\'ny jianjan\'ny 13 mey. Tsy hisy tsinona ny kabary ary tsy hisy ny filaharana iraisana fa Fijoroana eny amin\'ny kianjan\'ny 13 mey no fanehoana fa efa mijaly ny vahoaka ary tena sahirana tokoa.
Senatera avy any amin\'ny faritry toliary no tonga voalohany. Tonga dia nisy olona maromaro nisakana azy tsy handingana ny anoloan\'ny kianja fivoriana. Nampidirin\'ilay io ny samboady milaza fa olom-boafidy izy...kanjo izay no vao maika nahatezitra ny olona izay tena maro tokoa\' mety hahatratra 2000 na mihoatra raha ny fijery azy amin\'ny tele. Natositosiky ny olona izy niditra ny fiarany sady nosintonin-dry zareo ny samboady toy ny manambara hoe tsy mendrika anareo itony fanehoam-boninahitra itony. Fa na dia teo anoloan \'ny fiarany aza izy saiky tsy tafiditra ihany fa nisy nisintona sy nidaroka ihany.
Ny tonga faharoa kosa raha ny fijery azy dia andriamatoa Faharo...izy ho tena nahazo daroka sy totohondry indrindra ary nisy namingana ka daroka toy ireny mpanendaka tratra ireny no nanaovan\'ny olona azy tao. Raha tsy teo ny miaramila sy ny zandary dia maty tao ranamana io.

Dia tonga ihany koa andriamatoa Olala sy Ramasy adolphe ka nifanenjejhan\'ny olana fa tsy tratrany satria nanao 100 angamba i Ramasy adolphe no tsy nahatratraran\'ny olona azy fa izy no tena nandrasan\'ny maro noho ny zesta nataony tao amin\'ny lapan\'ny fitsarana omalin\'iny.
( Olala angamba mbola tany anaty fiara tonga dia lasa satria ny mpanao gazety no nahita azy)
Zafy Albert ihany koa soa ihany va voaaron\'ny miaramila mialoha raha raha tsy izany dia nandevina filoham-pirenenan teo aloha isika.

Nampalahelo ny nijery an\'i Daniel Ramaromisa izay efa manjoko sy tsy afaka nandeha mafy intsony narovana fatratra ihany koa. rehefa nanontanian\'ny mpanao gazety moa izy tao anatin\'ny fiaran\'ny zandarimaria...tsy hoe entina migadra ireo fa hiarovana azy izany, dia namaly izy hoe jereo tsara fa tsy niteny izahay na nikabary.

Fa ny nahazo an\'i Harinaivo Rasamoela koa...Voakendan\'ny olona teo izy aloha fa rehefa hitan\'ny olona hoe be loatra izany camera izany dia toy ny voakenda teo ihany aloha izy. Asa foana teo izay nitranga fa afa-nandositra ihany ny lehilahy na dia efa nifanenjehana eran\'Analakely aza. Tao amin\'ny Fivarotan\'ny fujifilm izy no afaka niafina fa raha tsy izany dia nitohy ny film visa B mety ho nivadika orera indray.

Na izany aza dia nisy ny tena vakiloha nampidirina hopitaly mihitsy, nolazaina moa fa mpiambina ny filoha teo aloha Zafy albert izy io.

Ny nahatsiakiky faraparany holazaiko eto dia ny baiko nataon\'ny miaramila iray hoe tsy azo hitsahiana io bozaka io ho\'aho; hay ny nandrenesan\'ny maro azy tao dia hoe tsy azo kitihina (hitsahina) i Reboza ( depiote AVI) izay naneho nivantana fa manohitra izao fitondrana izao. Hazakazaka fitadiavana azy izao fa samy tsy nahita moa ny rehetra.

Radio ( fréquence plus) iray tsy hay na nandrangitra na ahoana no niteny fa nisy solontenan\'ny 3FN iray boeing avy any toamasina tonga tao. Saingy rehefa nahita ny zava-nitranga dia tezitra sady lasa nody avy hatrany sady nilaza ny hamaly faty! TSy fantatra ny tohin\'izay teny izay.

Vomarika toy izany fa na dia AVI izay heverina ho mpanohana amin\'ny ankapobeny aza no misy mafana fo amin\'ny fanoherana sy famelezana be fahatany dia araky ny olona hatrany izany ary dia nandrasany ny andro hanehoany azy.

Raha ny momba ilay hoe voakarama indray raha ny hita tamin\'ny tele dia maro loatra ireo olona nanenjika ary dia sarotra ny hanamarina na handiso azy.

Izay ry zareo no hitako tamin\'ny tele ka njarantsika ny mamakafaka.
Tsarovy fa ny gazety tsy amintsy samy hanana ny filazany fa ireo no hitako tamin\'ny tele.

faraparany, very ny elo lavan\'Atoa Faharo tamin\'ny zavatra nahazo azy, tsy teny aminy intsony manko ny elony rehefa niditra ny fiaran\'ny zandarimaria izy.

Hatreo aloha! Hanohitra ny \"fihetseham-bahoaka\" ve ny parlemantera roa tonta? Asa indray izay mety mbola ho tohiny amin\'ny 22 desambra izay hitsarana an\'Atoa Voninahitsy , hisy ve ny 2eme tour?

Jentilisa
11. jennifer2 ( 18/12/2005 18:03)
Mahaloiana izy zany! Tena nijery film aho teo am-pamakiana azy.
Merci jentilisa a!
12. Stone ( 18/12/2005 18:52)
tokony ho mailo ihany ny fanjakana satria tsy maintsy hamalifaty rizalahy, ka mety avadiny adim-poko indray.
13. Stone ( 18/12/2005 18:57)
tokony ho mailo ihany ny fanjakana satria tsy maintsy hamalifaty rizalahy, ka mety avadiny adim-poko indray.
14. jentilisa ( 19/12/2005 06:01)
Sarotra ny hivadihany ho adim-poko aloha raha ny fijeriko azy satria na tanivo na tanindrana voadaroka daholo tao. manaraka izany dia ahitsy kely fa mpiambina an'i Ramasy ADolphe ilay tena rapa tantaraka tamin'ny lohany fa tsy mpiambina an'i Zafy Albert. Voalaza ihany koa fa tsy nisaraka tamin'Atoa Zafy Albert mihitsy Atoa Tabera saingy tsy fantatry ny olona loatra fa tst be vava loatra.

Radio teo indray no nahenoako ihany koa hoe Morondava aza hay tsy "vakin-dry zareo" ka inona no itetatetany hidirana Antananarivo.

Ny nahavariana ihany koa dia MBS irery ihany no niteny hoe andian'olona ireny nanenjika ireny fa ny hafa rehetra no miteny hoe Vahoaka!
Entina hiarovan-tena eo anatrehan'izao tonotolo izao angamba izany!
15. jentilisa ( 19/12/2005 07:20)
nisy koa moa ny niteny hoe tvplus koa nila za hoe andian'olona.

Fa ny zavatra tsara marihina ho antsika kosa angamba dia ny tamin'ny fotoana nisamborana an'i Voninahitsy Jean Eugene!

Tamin'io andro io indrindra manko no niatrika ny depoite ny minisitry ny fitsarana ka fanivaivana tsy misy toy izany no nataon'ireo depoite "bevava" ireo. Ny nanonmbohany ny ankamaroany ny teniny dia hoe Tsy miarahaba anao aho ramatoa minisitra ( satria tsy mendrika izany ianao rehefa nisambotra ny namanay).

Fiteny mendrika avy amina depoite ve izany?
16. mandrindra ( 19/12/2005 09:06)
Raha ny fihainoko azy avy aty aloha dia nisy mpaniraka ary nisy mpitarika ireny andian'olona nahatonga ny korontana ireny, satria ny biby tsy mandeha raha tsy misy lohany. Ny tsy fantatra dia hoe iza no nandefa azy? ny mpitondra ve? sa film noeritreretindry zalahy mpanohitra koa io maba handranintana ny vahoaka?
17. jentilisa ( 20/12/2005 08:03)
Ity misy zavatra tantaraina eto kely. Fony ny 3FN tany toamasina dia tsy nahazo olona loatra ry zareo. Natao ny fanaratsiana handrangitana ny miaramila sy ny zandary teo fa ehe! tsy taitran'izany ny mpitandro ny filaminana, ny asany eo dia ny hisoroka ny feborda fotsiny. Nahita hevitra indray ry zareo heo andeha isika hanao carnaval hitety tanàna. Dia natao tokoa...nanaraka fotsiny ny miaramila fa tsy nibahana mihitsy...dia faly ery hoe vaky barazy e! vaky barazy! nitady gidraka mihitsy ny mpanohitra tamin'io fotoana io fa tsy nety nihetsika namaly ny miaramila!

Farany! iny Ramasy Adolphe fa nanatona ilay kolonely komandin'ireo mpitandro ny filaminana ireo...nompaompainy teo rangahy io mba "hisamborana" azy saingy tsy namaly mihitsy ilay kolonely.

Dikany tsy nahovoka ny hisian'ny gidraka tamin'ny mpitandro ny filaminana...ny alahelon'ny mpitandro ny filaminana manamboninahitra voaompaompa nandritra ny 10 miniotra raha kely dia tsy nisy mapanao gazety mihitsy teo mba hitatitra izany...

Ny hany mba mety ho hitantsika dia ilay tany diego indray kosa izay nakan'ilay mpiambina ny mpitarika ny mpanohitra an-keriny ny basin'ilay miaramila iray...mba haahtaitra ny hafa hampiasa ny basiny!

Ny faritra rehetra saiky nanaovany izany afa-tsy tao Fianarantsoa irery ihany...
Dia fantaro amin'ny alalan'izany hoe inona ny tanjona kendren'ireto mpanohitra ireto!

loharano azo itokiana no nahazoako ireo vaovao ireo!
18. lapino ( 20/12/2005 08:36)
Farany! iny Ramasy Adolphe fa nanatona ilay kolonely komandin'ireo mpitandro ny filaminana ireo...nompaompainy teo rangahy io mba "hisamborana" azy saingy tsy namaly mihitsy ilay kolonely.

Tia tanindrazana izany olona izany :roll::?!
19. Ragadona ( 20/12/2005 09:15)
Misy kajikajy manokana mety ho antony tsy nanaovany an io tao Fianarantsoa ve sa tsy nahita miaramila hompaina izy tao ?
20. fijo ( 20/12/2005 20:10)
ny tao fianarantsoa dia tsy sahy nitady ady izy satria navelan'i pety hanao fivoriana.nefa kosa dia nomarihan'i pety fa tsy momba ny tetezamita ny tenany.
ilay fihantsiana aloha efa hita foana io e,efa nazavaiko ny antony.fa satria tsy mahazo olona dia ady no atao mba hisarihana ny sain'ny mpijery.saingy efa hian'ny olona io fika io ka tsy mety mahomby.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559