tanindrana manampahaizana.

1. fijo ( 16/12/2005 21:58)
azafady miala fondro amin'ny tany masina fa tsy misy fanambaniana ny holazaiko eto fa milaza ny zavatra hitako aho.
maro ny tanindrana no mahay sy tena misaina tokoa(za lehibe tany ka hitako izany)nefa dia mampalahelo,fa ireo tsy dia mankaiza sy tia barofo foana no mba lasa solontena hitam bahoaka.hany ka mahatonga ny olona sasany hievitra fa tsy misy manampahaizana ireo fa tia ady sy seza fotsiny.
koa maninona raha mba mivondrona ireo olokendry sy mahay ireo,mba manatsara io toejavatra io,fa mandiso fisainana.
novalian'i fijo ny 01/02/2006 20:05
2. dadabe ( 17/12/2005 02:56)
:roll: fijo a! mba ataovy hoe: olona mipetraka ivelan'antananarivo sy fianaratsoa tampotanana fa sao dia io indray no hitsikeran'ny olona anao eo :roll:
3. ndrena ( 17/12/2005 04:55)
Ny fahaizana kosa tsy miankina @ hoe tanindrana sy tsy tanindrana e.Ny sain'ny ts11 no mitondra an'io,ary tsy lavina fa maro nu olona avy aty afovoan-tany no dondrona sy tsy tafavoaka @ asa izay ataony.Marina ny tenin'i fijo hoe tsy fanimbazimbana fa matetika mantsy dia diso fijery foana ny olona raha vao miresaka hoe tanindrana,nefa maro @ ireny no manampahaizana,tompon'andraikitra ambony eto @ fanjakana,mpandraharaha,dokotera...........
4. jajaf401 ( 17/12/2005 06:48)
zaho indray mba tanindrana ihany fa saingy zao ny zava-misy aty aminay eh, ny politika hafa ny tompony, misy critère iny, fa ny technique hafa indray; ka ny manampahaizany sasany dia any @ lafiny technique no manahirana azy fa tsy politika,
Satria lasa sarotra angamba ny politika dia tsy dia mahavarina ny sasany, angamba hoy aho ah!
5. Mifenty ( 17/12/2005 08:50)
Asio fanazavana tsara alou ny tiana tenenina e.

Tanindrana????
zé tsy mipetraka ivelan'ny afovoan-tany tahaka ny tenin'i bedada ve,
sa izay otranay oe efa mipetraka ao afovoan-tany nefa zanaky ny avany am cote,
sa oe ireo inn???


Manam-pahaizana???
inn no tian'i fijo tenenina am lé oe manam-pahaizana. Satria samy manana ny fahaizany.
Mahay manao baolina= manam-pahaizana izay,
Mahay mandrebireby vahoaka= manampahaizana izay,
Mahay milalao fitiavana= manam-pahaizana izay,
Maha tsy aiko koa = manam-pahaizana koa;

Sa oe refa tsy manana diploma otran fijo d tsy manam-pahaizana?


Ary aza manambanimbany lamozika fa tssss
6. jentilisa ( 17/12/2005 09:39)
Le resaka anie tsy tokony hiditra amin'ny resaka toy izany fa ny mahatonga izany dia favoritisme foana e!

Matoa tsy dia miova loatra ny mpanao politika satria ireo no "napetraky" ny mpanjanatany! jereo avokoa anie ny olona tsirairay sy ny rohim-pihavanany e!

Izay no tena olana! Hafa mihitsy no tena tokony ho mpanao politika ary izay vaovao saro-tafiditra amin'ny sehatra izany!
7. Ragadona ( 17/12/2005 10:14)
Le hoe avy atsy avy aroa ty alo mbola tantara be hoantsika gasy eo amin ny sehatra fitondrana e. Samy mampihatra an io dhl na mpanohitra na mpitondra. Mpanohitra : miady mafy hoan ny quota regional, izay mitombina satria efa samy manana manam pahaizana fa tsy toy ny tam fanjanahan tn ntsony, nefa koa matetika ny sentiment d'appartenance ethnique no voizina be loatra ka hadino hoe fampandrosoana anie izy ity e. Mpitondra : tsara ny mivoy hoe compétence fa tsy fiaviana, nefa koa manararaotra ny mpitondra manome vahana ny mpiray fiaviana aminy satria fantany fa raha mikitika azy amin io ny mpanohitra, dia ny olona no hitsikera ny mpanohitra avy hatrany hoe racistes satria sarotra hoan ny sarambabe ny mahita ilay fikafika misoko mangina. Mahomby ny tactique n ny mpitondra amin io.Firifiry moa amin zao reo fianakams n ny mpitondra tondrotondroina ho solotenan gasy atsy na aroa any ivelany any nefa ... mba alaivo renseignements mangina any moa. Mbola mila ezaka isika rehetra e. Indrisy anefa fa mbola vitsy ny afaka manaiky ny madilana eo amin ny fomba fijeriny
8. jentilisa ( 17/12/2005 12:46)
Misy mihitsy izany ao anaty minisitera iray izany fa foko iray no misy ao!
9. vale ( 17/12/2005 18:20)
Fijo> hi-"réagir" kely aho satry tena diso tokoa ny fihevitra hoe tanindrana tsy manam-pahaizana! Fa ny filoha Ratsiraka angaha moa tsy tanindrana??? Ny tenanay ihany koa dia efa nonina tany anindran-tany fa tena mahasahy milaza fa olona misaina ary tsy tia fiatsaram-belatsihy ny olona any!!! Fa satry betsaka ireo miakatra mamonjy mianatra ao an-drenivohitra dia heverina fa ny avy any foana no manam-pahaizana? Tena diso be izay ! :evil:
10. aly ( 18/12/2005 16:55)
Na anindrana na avovoantany dia misy mahay nisy dondrona fa ny mpanoa politika dia hafa satria taritary sy havana aloha vao fahaizana. jereo ireo minisitra teo aloha sy ankehitriny. mitovy daholo na avy aiza na avy aiza. ny asa vita no vavolombelona fa tsy ny kabary sy fahaizana miteny.
11. Stone ( 18/12/2005 17:41)
Ny mahasadaikatra dia manambady olon-kafa na io metis-sinoa-karana na vazaha na malama ny ankamarozany ry zalahy rehefa tafita!
12. vale ( 18/12/2005 19:01)
Mbola fanampin'izany asa raha misy mahatadidy an'Atoa RESAMPA minisitra taloha, tanindrana koa izy (ary tohina ny tenako raha misy manana fihevitra hafahafa satry dadatoako iny! maharary ahy!!!) ny tiko tenenina dia misy ny tanindrana tonga eo @ fitondrana fa tsy ny avy ao anivon-tany ihany! ary matoa izy tonga eo @ io toerany io aloha voalohany indrindra dia compétent, fa izay fomba fiasany indray iny samy manana ny azy! izay no maha-politika ny politika!samy manana ny politikany eee!
13. Stone ( 19/12/2005 03:45)
aleo angamba hajanona ity resaka ity noho ireo prejugé na stereotype mbola misy ao an-tsain'ny pokona (izay tokony tsy hisy intsony)
14. mandrindra ( 19/12/2005 09:11)
ny fomba fisainana tokony hajanona voalohany dia ny fanavahana hoe tanindrana sy afovoantany.
15. vale ( 19/12/2005 12:54)
mandrindra:

ny fomba fisainana tokony hajanona voalohany dia ny fanavahana hoe tanindrana sy afovoantany.



mandrindra> izay indrindra mantsy!!! samy olombelona manana ati-doha afaka ampiasaina na tanindrana na mainty na mavo na fotsy na mena hoditra! maninona no mbola misy ihany izany fampitahana izany? ny nataon'ny mpanjanan-tany taloha aza efa nandreraka ny hoe: zarazarao anjakàna ka @ izao efa mahazo ny fahaleovan-tena izao indray ve vao isika samy isika indray no hifampizarazara?:twisted:gasy IRAY ihany na avy aiza misy azy na faritra avy aiza! samy manana ny lafitsarany sy ny lafiratsiny avokoa!:wink:
16. jamal ( 20/12/2005 14:14)
OK vale sy mandrindra.Mila hajanona mihitsy aloha lé za anivontany za tanindrana.Any mihitsy no facteur de blocage ny dago.
17. fijo ( 20/12/2005 20:33)
vale,an,mamakia tsara ny voalazako ery ambony,fa tsy misy filazana mihintsy ao fa tsy mahay ny tanindrana.ny voalazako dia ireo tsy dia mahay sy tia barofo foana no lasa solontena avy any anindrana hita(matetika).mijereva tsara fa tsy miety ny mitsara vilana.avereno vakiana io nosoratako io.ary i jajaf izao dia nahazo tsara ny tiako nambara.ary marina tokoa io voalazany io,fa ny manampahaizana dia lasa any amin'ny asa teknika fa tsy niditra tany amin'ny politika,ka izay mihintsy no nanimba le izy.marihako fa io zavatra nolazaiko io,dia maro koa ny tanindrana manampahaizana mahatsikaritra azy.
laviko ny filazana hoe tsy tokony hiteny intsony hoe tanindrana sy tanivo.ny tsy fahasahiana milaza ny zavatra toa izay no vao miha manamaibo azy.ZA KOSA DIA TSY MANOMPA NA MANIMBAZIMBA NY FIAVIANA;
za tsy hiditra amin'ny hoe inona no atao hoe tanindrana sy tanivo.satria samy manana ny famaritany azy io.ka samia mandray azy araka izay tiany.
omeko ohatra ianareo.jajaf izao milaza hoe za tanindrana.ary marina izany.tsy misy koa ny maharatsy izany.
tamin'ny andron'ny AREMA,nefa raha nangataka boursa hoaty ivelany ny tenako,(mbola nisy ny CSR)tamin'izany,dia izao no nahazo ahy.nanantona CSR avy any mahajanga aho,dia nalefan'i le io tany amin'i tompokolahy razakaboana,satria hono za tsy tanindrana fa lehibe tany fotsiny.(izay mihintsy no filaza azy tamiko.)dia tonga tany amin'ingahy razakaboana ary aho.dia nilaza indray io rangahy io,fa za dia:"tsy zanak'i merina intsony satria efa mihoatra ny 20 taona no niainako tany anindrana"
ka izay no tsyhilazako hoeinona no atao hoe tanindrana sy tanivo.
ary farany ,tsy manelingelina ny saiko mihintsy ny milaza hoe iry avy any anindrana ity avy any anivontany,satria anie any anindrana dia izay koa no filaza azy e.isika ao ampovoan tany no sadaikatra raha miteny izany satria nampitahorina foana fa "racista "raha miteny izany.fa ry zareo tsy racista ve raha miteny izany?
amiko tsy misy fanavahana izany fa filazana ny zava misy.
18. vale ( 20/12/2005 21:11)
jamal:

OK vale sy mandrindra.Mila hajanona mihitsy aloha lé za anivontany za tanindrana.Any mihitsy no facteur de blocage ny dago.



hihihi jamal> zà aloha dia sady tsy momba ny atsy na ny aroa fa mba te hilaza ny zava-misy fotsiny!!!
fijo>:wink:
19. fijo ( 21/12/2005 20:02)
mino ah fa efa nojeren'i vale tsara le resako an. tsy tiako mantsy raha ny teniko no hampisy olana amin'ny zavatra toa an'iznay.
za dia niara lehibe tamin'y ankizy tanindrana foana hatr'izay.ary bandy tany majunga no namorona io PSko FIJO io.
za tsy mba nanana olana tamindry zalahy,fa ny bandy merina sasany kosa aloha dia nahita olana e.misy tsy fitoviam pisainana koa mantsy eo.ny bandy avy ao tana rehefa tonga any amin'ny sisiny tia misehoseho izay,ka io tsy tantin'ny bandy any.ary tsy tana irery no manao io toetra io fa diego koa dia manao azy ary dia tena halan'ny bandy any tokoa.
20. Duddy ( 26/12/2005 05:44)
raha tsy mbola eo ny mfm aza mankeny @ 13 mai araho ny tantara depuis 13 mai 72
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.308