tanindrana manampahaizana.

21. fijo ( 27/12/2005 21:40)
hi hi hi inona ihany ary ty resaka mafana ity kle.marina fa mangatsiaka be aty izao fa tsssss
22. pitchou ( 30/12/2005 21:57)
ary toa misy sahirana mafy maheno ny hoe tanindrana na anivontany? zà koa aloha d sady lehibe tany no nipetraka niasa tany!
hay nisy kely ihany ka: adala hono aho nandeha niasa tany nefa ao tana izao fatratra! 8O! fa rizareo hono aleony lavitra mifindra monina mankany tana rehefa handranto fahaizana sy rehefa manam-pahaizana! tsy mamorona aho fa resaka tena nifanaovana imbetsaka tokoa izany an!
Ko inona moa izany fa toa tsy misy tia sy tafapetraka eo @ tany niaviany ny tsirairay raha vao mahita okaz e! toy izany koa izao raha jeretsika lavilavitra: nareo gasy nifindra monina any an-dafy ireo! rehefa hiresaka anay aty hoe, "rizareo any dago"
23. fijo ( 31/12/2005 04:44)
ka io izay tsy hita ihany no mahamanina e.aty izao tsy misy masikita dia izay no tianay.aty izao mangatsiaka mamirifiry dia mafana no tadiavinay.fa raha ny any amintsika no resahana dia mahagaga tokoa,fa ry zareo avy any amin'ny sisiny,raha vao mianatra,dia efa manomboka miala any aminy.ary izay no tsy mampandroso ny azy,satria manabe voa ny ao tana ao daholo.
24. ido ( 04/01/2006 13:57)
mampihomehy nareo. 10 taona aho nipetraka tany diego. avy eo mitety faritra maro nony niasa. fivondronana 5( fiantsoana azy taloha) sisa no tsy hitako eto Mcar, dia izao no tsoa-kevitra azoko omena : ny ankamaroan'ny olona avy any anindrantany dia manahirana ny miara_miaina sy miara-monina aminy. avy any hoy aho fa tsy hoe any satria na efa mipetraka eto tanà aza izy dia mbola hita ihany ny toetrany tena ... (tsy hitako izay vocabulaire ampiasaina). Sady izay donto ihany no manavaka ê!
25. fijo ( 04/01/2006 18:56)
oka fa misy misaina sy hendry ireo.ary mahafinaritra ny miara miaina aminy rehefa tena sendra le milamina ianoa.fa ny olana dia maro no tsy nianatra ka mora rebireben'ny hafa izay te ahazo laka
26. pitchou ( 05/01/2006 18:00)
tsy misy olona tonga d manahirana izany kosa ny miara-miaina aminy fa mety ianao koa ange no manao ze tsy hampisento azy aminao e! mety tsy nanaiky ny fomba fiainany ianao f tedavinao izy no tsy maintsy hanaraka ze tianao!
27. fijo ( 05/01/2006 22:02)
izay mihintsy koa no misy matetika.ilay mpiavy mihevitra foana fa izy no mahay be sy tokony harahana,toa ny ankizy avy aty ihany io e.mihevitra foana matetika ny ankizy avy aty fa izy no mahalala zavatra be.ekeko fa mety ho marina izay,fa le fahalalana ve,mifanaraka amin'izay zavatra misy sy fisainana misy eo amin'ilay toerana????
28. pitchou ( 06/01/2006 18:34)
fijo> fahalalana mikasika inona kay? hihihi
29. fijo ( 06/01/2006 19:49)
ohatra,ny ankizy nianatra ekonomia avy aty izao.mazava hoazy fa ekonomia mikasika ny tany manana indostria no tena hainy sy niainany,ka raha tonga any mada izy ,tsy azo hamparina be fahatany any izay nianarana taty.
30. rasera ( 07/01/2006 15:54)
Raha tiana handroso ny tanana dia olona tokony mitovy firehana politika no miara miasa torak'izany koa ny mpanohitra. ka rehefa malagasy na avy aiza na avy aiza dia manana izay zo izay. Ny ady amin'ny mondialisation dia mitaky olona mahiratra satria ao dia tsy fihetsem-po no hiadivana fa tombon-tsoa. ohatry ny mpano fanatanjahantena io tsy hoe tsy misy avy aby aminay ao kanefa malagasy dia tsy tianay izany ny ekipa kanefa hevero ary hoe boxe no atao, tsy maintsy izay mahay no alefa. Dia atao volley indray ny isan'ny mpilalao aza 6 monja, ka atao iray isam-paritra izany ny ekipa nasionaly ? Izao no mampalahelo ny "avara-pianarana" no mivoy io fa any ambanivohitra lavitra any tsy misy an'izany fanavakavahana izany.
31. fijo ( 10/01/2006 21:32)
ka resaka tombotsoa io.izay no mahatonga ilay fanavakavahana
32. pitchou ( 13/01/2006 16:39)
marina raha misy masikita eo raha tsy hisy ho azy ny fanavakavahana!!!!:-w
33. fijo ( 13/01/2006 19:44)
izay indray aloha.... aleo ho hita vao resahana
34. khery ( 23/01/2006 19:05)
ndao ary mba ho resahina indray ny tanivo manampahaizana e!
35. fijo ( 24/01/2006 21:47)
arosoy ary ny hevitrao e
36. pitchou ( 25/01/2006 10:07)
tanivon'ny inona klou e! tanivon'ny riaka?
37. fijo ( 25/01/2006 21:25)
miandry izay arosony isika e
38. xxx ( 28/01/2006 23:26)
Iza moa no tanivo e! sao dia mba tanavo na tambawaks?
39. xxx ( 31/01/2006 16:40)
Ary raha mifangaro izany dia ahoana,
Araka ny tantara ohatra dia ny razamben'ny Antehiroka dia olona avy any amorontsiraka niavy ary nonina teto imerina. Tanindrana ve izany ny olona avy eny Ambohimanarina sy Ambohobao?
I Hagamainty koa ohatra, izay razamben'ny eny Ilafy dia avy any Sud-Est niakatra.
40. fijo ( 01/02/2006 20:05)
efa tanivo izy izany ko.ny tsimihety koa anie ka merina nivadika e.fa efa tanindrana izy izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3482