fanetre-tena ...

41. Herimiafina ( 21/12/2005 01:48)
bichette:

(miala tsiny raha amin'ny teny vahiny)

le courage de'admettre votre erreur vous libèrera de votre frustration tandis que votre entêtement ou la peur vous maintiendront prisonnier de vos illusions


Ny fanekena ny fahadisoana natao dia endrika fanetrentena tokoa, tsy fanambaniana tena velively izay fa kosa fiezahana hahafantatra fa mbola betsaka ny zavatra tsy takatry ny tena, fa point kely ao anatin'ny univers lehibe de lehibe iray ny tena ary tsy miaina irery sanatriavina fa miankina amin'ny zavatra maro, tsy andriamanitra izany ny tena.

Mampivoatra ny fahalalana ny fahadisoana satria raha tsy fantatry ny olona hoe diso ny ataony dia tohizany foana toy ny zavatra normale fanaony.

Maro ny endrika isehoan'ny "tsy fanekena fahadisoana" ohatra:
-ilay miteny hoe ny hafa foana no diso, na koa
-ilay hoe j'ai toujours raison, na koa
-ilay mi-justifier hadisoana iray (ny famonoana olona, ny lainga, ny fijangajangana, sns)....sns....

Ny fahadisoana anefa dia fianarana.

Maro ireo Ray amandReny no tonga dia manome tsiny ny zanany raha vao nanao fahadisoana izy, maro ny manasazy izay diso, tezitra amin'ireo tsy manaja fotoana, sns.

Hany ka lasa menatra ny olona miaiky ny fahadisoana nataony satria nampianarina tsy hahafantatra intsony izany fahadisoana izany izy.

Tadidio fa ny fibebahana dia tsy ilay fifonana fotsiny amin'Andriamanitra tsy akory fa misy zavatra iray lehibe ao ambadika: ny fahafantarana sy fanekena ilay fahadisoana natao.

Maro mantsy ny mifona nefa tsy hainy akory hoe inona moa ny heloka sy fahadisoana vitako.



42. cutie ( 21/12/2005 04:44)
Mpandefa : Veloo [ Valio ] 21-12-2005 00:32:53
Lohateny : Re : fanetre-tena ...
cutie a tsy aiko aky bosara a ,,, hay-njy ve?

bonsoir ny dikany :-*
43. mamzelkely ( 21/12/2005 05:44)
veloo< ny teny gas njay ts very zany kaaa don' be afraid hihihi lengako zany e mbô manala za ka :-D:-D:-D
44. Veloo ( 21/12/2005 16:29)
cutie a tssssssssss ahitan-javatra ato kle :-D:-D:-D:-*
mamzel a ko nareo lasa lavitra knou :-D:-D:-*
45. Herimiafina ( 21/12/2005 23:20)
Ny tena zava-dehibe dia ny fanekena ny Heloka vita izany, fa raha tsy izany tsy tena mibebaka akory.8)
46. cutie ( 22/12/2005 00:17)
veloo, efa hain-jy izy zao :-*
47. Veloo ( 22/12/2005 19:30)
cutie a miciiiiiiii:-D:-*
48. adam ( 09/01/2006 07:14)
raha ny dikany ara-bakteny aloha mietry+ tena marina le hoe mandefitra .oh manaiky hampianarina fa tsy ho mpampianatra foana ;?manaiky hanompo fa tsy ho tompoina foana ;miala amin'ny maha ianao anao mihitsy ianao de maka toerana ambanimbany kely miandry asandratra vao miroso fa tsy manandra-tena jereo tsara ny ohabolana mlgs hoe: tsy midera tena ho tsara nify anoloana ka mitsako alohan'ny vazana
sambatra ny vadinareo raha tena manana io toetra io nareo:lol::lol::lol:
49. dadabe ( 09/01/2006 07:27)
hummmmm:-w
50. Angolaina ( 11/01/2006 10:28)
Tena samy manana ny atao hoe fanetre-tena ny olona ato an ! :lol:
51. marozevo ( 11/01/2006 23:45)
Lohalika sy laferana, hoy ny fiteny, ka izay mandefitra ihany no mandina.

Dia nampiany koa hoe : Ny tsihy no fola-mandefitra fa ny olombelona tsy mba fola-mandefitra.

Dia hoy i Kristy : izay manandran-tena dia hahetry, fa izay manetry tena dia hasandratra.

Ho ela velona e
52. bichette ( 12/01/2006 09:00)


hoy herimiafina

Ny fanekena ny fahadisoana natao dia endrika fanetrentena tokoa, tsy fanambaniana tena velively izay fa kosa fiezahana hahafantatra fa mbola betsaka ny zavatra tsy takatry ny tena, fa point kely ao anatin'ny univers lehibe de lehibe iray ny tena ary tsy miaina irery sanatriavina fa miankina amin'ny zavatra maro, tsy andriamanitra izany ny tena.

Mampivoatra ny fahalalana ny fahadisoana satria raha tsy fantatry ny olona hoe diso ny ataony dia tohizany foana toy ny zavatra normale fanaony.

Maro ny endrika isehoan'ny "tsy fanekena fahadisoana" ohatra:
-ilay miteny hoe ny hafa foana no diso, na koa
-ilay hoe j'ai toujours raison, na koa
-ilay mi-justifier hadisoana iray (ny famonoana olona, ny lainga, ny fijangajangana, sns)....sns....

Ny fahadisoana anefa dia fianarana.

Maro ireo Ray amandReny no tonga dia manome tsiny ny zanany raha vao nanao fahadisoana izy, maro ny manasazy izay diso, tezitra amin'ireo tsy manaja fotoana, sns.

Hany ka lasa menatra ny olona miaiky ny fahadisoana nataony satria nampianarina tsy hahafantatra intsony izany fahadisoana izany izy.

Tadidio fa ny fibebahana dia tsy ilay fifonana fotsiny amin'Andriamanitra tsy akory fa misy zavatra iray lehibe ao ambadika: ny fahafantarana sy fanekena ilay fahadisoana natao.

Maro mantsy ny mifona nefa tsy hainy akory hoe inona moa ny heloka sy fahadisoana vitako


miombon-kevitra :-*
53. dadabe ( 14/01/2006 07:53)
ahan
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2684