analyse

1. vetsoko ( 13/12/2005 15:01)
après analyse sy recoupement dia ireto no voahangoko,(mpanao gazety aty ampita ny tenako):
.50 000 eo ho eo no mpivavaka tao @ fpvm
.16 no isan'ny sampana ary au moins misy 200 ny membres isaky ny sampana,ny sasany aza 1000(fefi...)
.Samy manana ny andraikiny ireo sampana ireo:ao ny mitaiza ny tanora tsy hifoka sy tsy hisotro;ao ny mitaiza ankizikely hivavaka;ao ny manofana tanora vanona ho @ tokantrano;ao ny tanora fifohazana;ary ireo rehetra ireo dia manao tafika masina manerana an'i madagasikara isan-taona.
.misy asam-pifohazana ao isan'andro ary maro no sitrana sy mahazo fahasoavana ary mijoro vavolombelona.
.manana toby eny ivato ny fpvm hitsaboana ireo izay ts sitram-panafody fa voagejan'ny hery hafa (satana),sy ireo tsy salama ara-tsaina.
Raha fintinina dia nampivavaka ny malagasy ity fiangonana ity,mitaiza sy mi- encadrer ny tanora izay andraikitra tsy vitan'ny fanjakana malagasy hatrizay,misy fanasitranana sy fahagagana maro samy hafa;NY FANONTANIANA APETRAKA DIA IZAO:TSY MANKASITRAKA IZANY REHETRA IZANY VE IZANY NY FANJAKANA MALAGASY IZAY MISY AMIN'IZAO FOTOANA IZAO,IZAY FANJAKANA TOA HOE NAHORINA T@ FIVAVAHANA?????
novalian'i pissoa ny 19/12/2005 13:51
2. Veloo ( 13/12/2005 15:52)
vetsoko a,

Mila mitandrina tsara isika, za aloha tsy mahalala ny any dago e.. fa izao fotsiny ataovy mihitsy ny analyse-nao tena arakin'ny baiboly mihitsy ve ilay izy?
satria mantsy dia ho be ny pisandoka izay miteny oe mahay manasitrana...
ka mila mailo isika an :-*
3. hery ( 13/12/2005 16:38)
Tsy resaka baiboly kah :-) raha resaka baiboly sy resaka fankasitrahana asa soa dia tsy idiran'ny fanjakana mihitsy.
Raha ny fanjakana no miditra dia resaka lalàna izay.
Izany hoe ny analizy dia tsy tokony mivoaka amin'ny hoe marina ara-pinoana ve, na hoe manao ny tsara ara-pinoana ve... fa tokony amin'ilay hoe nanao ny tsara ara-dalàna ve ary manana ny rariny ara-dalàna.
Ireo fanontaniana momba ny ara-dalàna ireo anefa dia ny fitsarana no mikarakara azy fa tsy pasitera... dia ny fitsarana no afaka miteny hoe akatona ny fiangonana... na sokafana amin'izay ny fiangonana.


4. Veloo ( 13/12/2005 16:40)
hery a misaotra lesy a za zany efa tsy mahay teny gasy intsony kle :oops::oops::oops:
5. Ragadona ( 13/12/2005 16:52)
Tandremo zany mitady tsy hahay teny gasy zany ry veloo fa loza a, sao d mba sendra le vazaha tia linguitique reny ka anontaniany hoe ahoana ny firafitry ny teninareo d kofina eo ...
6. Veloo ( 13/12/2005 19:51)
:-D:-D:-D iza no mahita :-D:-D:-D
7. marozevo ( 14/12/2005 00:23)
Ao anatin'ny analyse tokony hatao koa, rehefa nanao ihany ianao ry "vetsoko", dia ny tena antony marina, na ny zava-nitranga marina, no tsara atao analyse. Eo no ahitana na noho ny ASA SOA na noho ny FAHALAVOANA no antony nanakatonana azy io.
8. bnoty ( 14/12/2005 06:04)
mampalahelo tokoa aloha ny zava-misy @zao fotoana izao, tena misy mihintsy ny antony nahatonga ny fanakatonana ary izay antony izay dia be dia be loatra ny resaka heno kanefa mbola mino sy manantena ny fahendren\'ny fanjakana malagasy izay mandàla ny fahamasinana sy ny fahamarinana mba hanadihady ny tena marina ary tsy hihaino feondakilosy tokana fa kosa mba hamaha ny olana ary hilaza ny zava-marina na mbola hovohana ny fpvm na tsy hovohana intsony!
9. ravatorano ( 14/12/2005 07:29)
ny tena olana anie amizao fotoana izao dia toa t&afiditra lalina eo amin ny fitondra na ny fomba fitondra ny fanjakana ny fivavahana hany ka raha vaomisy fanapahakevitra kely indrindra ka mikasika ny fivavahana dia tena manahirana b
Sarotra io ary izay no hanasarahana amin ny tena izy ny rafitry ny fiangonana sy ny fanjakana tokony tsy hifampijabaka ireo.
10. naritsimba ( 14/12/2005 07:35)
Raha ny zava-misy marina nahatonga ny fanakatonana ny FPVM dia vokatry ny fidirana ankeriny nataon'ireo mpiangona ao @ FPVM t@ ireo fiangonana FJKM sasantsany tany @ Faritra Atsimo Atsinanana.
Fitarainana no nataon'ny FJKM fa anjaran'ny fanjakana no mandray fepetra mifandraika @ izany fa ny FJKM tsy manana zo hanidy fiangonana akory.

Ity misy zavatra somary mampihomehy kanefa zava nisy:
Raha ny zavatra hita dia eto @ manodidina an'Antananarivo any @ faritra Andramasina ao @ toerana atao hoe Ambohibemanjaka dia tena nisy io zavatra io satria ne dadaben'ilay olona no nanolotra ny tany hanaovana fiangoanana FJKM t@ izany fotoana, nony injay nivadika FPVM ny sasany t@ ireo fianakaviana taty aoriana dia nozarainy roa ny tao anaty fiangonana aloha ka ny ilany nataony hoe io an'i FJKM ary ny ilany nalainy ka nataony FPVM. Tato aoriana dia niala tao anatin'ny trano fiangonana r'izareo fa dia nofefeny indray ny tokontanim'piangonana no nofefen'drizareo izany hoe nozarainy roa ka ny ilany FPVM ny ilany FJKM.
Koa aoka tsy isika no hitsara fa aleo anjaran'ny fitsarana no mamoaka izay didy heveriny fa mety.

Misaotra tompoko.
11. chipie1 ( 14/12/2005 08:28)
koungà mou misy mitsara eo ry naritsimba fa ady hevitra no hatao !!!
12. naritsimba ( 14/12/2005 10:21)
chipie1> 1- ny tiako lazaina @ le hoe mitsara dia ny fiheverana hoe: satria Filoha lefitry ny FJKM ny filoham-pirenena @ izao fotoana izao.
2- Ny voalazan'i vetsoko ery am-boalohany hoe :

Ny fandraisako an'io dia hoe nahoana no nakaton'ny fanjakana ny FPVM nefa mba naorina araka ny fivavahana ihany ny fanjakana Malagasy misy @ izao fotoana izao.
1-Raha izany izay mitonona fa mpivavaka izany ka mandika ny lalana ve dia tsy tokony ampiharana ny lalana misy eto Madagasikara na iza izy na iza?
2-Ny fanakatonana fiangonana iray dia tahaka izao ny fahazahoako azy:
-Raha nakatona ny FJKM Tranovato Ambohimalaza Firaisana dia satria izy samy izy tao no niady an-trano, ka nakaton'ny fanjakana ny trano fiangonana.
-Raha nakaton'ny fanjakana ny FJKM Isotry Fitiavana dia izy samy izy no niady an-trano ka nahatonga ny fanakantonana.
-Nakaton'ny fanjakana ihany koa ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eo Ankorondrano satria miady an-trano ny mpivavaka, samu te-handova ny fanana navelan'ny Daoud.

-Raha nakaton'ny fanjakana ny EURD ary tsy mùahazo miorina eto Madagasikara intsony dia satria nandoro Baiboly sy ny fitaovana nampiasain'ny finoana katôlika izy ireo.
-Raha nakaton'ny fanjakana ny FPVM dia vokatry ny fifanolanana nisy teo @ foto-pinoana roa samihafa dia ny FJKM sy ny FPVM.

raha ireo trangan-javatra ireo izany no jerena dia mazava fa raha miady an-trano ny fiangonana iray tahaka ireo voalaza ery ambony dia ilay fiangonana no akatona fa tsy ny foibeny; raha toa kosa ka finoana roa samihafa no mifandona ka tsy mifanarak'hevitra dia anjaran'ny fanjakana no mijery izay manao ny tsy mety avy eo izy vao mandray fanapahan-kevitra izay heveriny fa hifanaraka @ lalàna misy eto @ tany sy ny fanjakana.
raha ny teo @ FJKM sy ny FPVM no jerena dia efa t@ fotoana nisitahan'ny FPVM t@ FJKM no nisy ny tsy fifanajana nataon'ireo mpiangona sasany avy @ FPVM tany @ ireo faritra lavitra ny foibe, rehefa nisy ny fitarainana nataon'ireo mpitondra fiangonana FJKM dia efa fotoana ela taty aoriana vao nandray fanapahan-kevitra ny fanjakana hanakatona ny foiben'ny FPVM tao Antaninanandrano satria tsy voafehin'izy ireo, ireo mpitondra fiangonana sasantsasany izay any @ ireo toerana lavitra.
Araka ilay fitenintsika Malagasy hoe: Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara na ihany koa ilay hoe: Manao tany lavitr'andriana ny mpitondra fivavahana sasany.

Raha ny fijeriko ny zava misy dia inoako fa hiravona io resaka io.



13. Veloo ( 14/12/2005 16:41)
inn ndray ty nanjo ty size ty kle las lava be hihihiih
14. Bibilava ( 15/12/2005 12:01)
Tokony hidina daholo ny fjkm sy ny fpvm!:D
15. marozevo ( 15/12/2005 23:19)
Mbola te hiteny eto aho, saingy tsy haiko ny mampiasa ity fa hafahafa.. lava be mankany an-kavanana any de tsy voavaky
16. sonwin ( 16/12/2005 21:08)
mahagaga marina eto
17. Veloo ( 17/12/2005 04:02)
marovezo, sonwin,:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
18. dadabe ( 17/12/2005 04:35)
fa ahopna koa aza ity kle lasa lava be izany
19. Veloo ( 17/12/2005 04:37)
io samy manontany tena io doly lesy a :-D:-D:-D
20. vetsoko ( 17/12/2005 14:54)
Misaotra anareo naneho hevitra,tiako ho fantatra fotsiny ny hevitra mandehamanodidina io resaka io fa efa nanao enquètte momba io izahay alohan'ny nitenenako satria nanao éxposé tany ampiianarana dia ohatran'ny ni-intérressé an'ilay professeur ko io cas io satria selon lui c'est anticonstitutionnel et totalement maladroit de la part des dirigeants et politiciens malgache qui sont encores des apprentis et il a raison, IZAO NO TENA FANDEHANY:tantara tsy vao omaly io fa efa ela,ary vao nanomboka nisy ny fifohazam-panhy tao dago dia efa naminany ireo filohan'ny toby lehibe 4 fa ts ho mora ny fampidirana ny tena fifohazam-panahy ao dago,teny faminaniana io,tenin'andriamanitra noho izany tsy maintsy tanteraka.IZAHO lazaiko anao fa dia mpandray andraikitra @ fiangonana FJKM?FA IZAHO SAHY MILAZA AMINAO fa isika FJKM TSY MANDRESY LAHATRA NY OLONA NY METHODE FITORIAN-TSIKA AN'i JESOSY,VOALOHANY SATRIA tsy primordial amintsika fjkm mihintsy ny mandresy lahatra ny ondry hino sy HIFANDRAY TANTERAKA @ Andriamanitra,lasa RITUEL ny antsika ny fivavahana vokatry ny théologie be loatra,fantaro fa ny mahay théologie be loatra dia mitarika any @ tsy finoana an' Andriamanitra toy ny nataon'ny fariseo .Lasa fikambanana,fialam-boly,activité amintsika ny fivavahana ary efa ela aho no nahatsikaritra an'izany.FA HIDITRA @ TENA ANTONY MARINA MIKASIKA ITY RAHARAHA ITY NY TENAKO dia anjaran'ny tsi11 no misaina avy eo,Marihiko fa mpanao gazety ny tenako manoratra ary mpanao gazety presse écrite,manao analyse noho izany manana source maro sy fiable fa tsy opinioko akory na hoe fihetseham-po tahaka ny ataon'ny maro.
EFA ela no nenjehina ny pasitera RANDRIANATOANDRO JEAN JOSEPH,ny fifohazana manolotrony noho ny antony absurdes (magies ets....),tsy hiverenako iny ,avy eo dia nofohazin'ny fjkm ny raharaha nanomboka ny taona 2000,ny antony dia toy izao manaraka izao:Hiditra hanao politika ny fjkm satria efa ambitiony efa ela izany ary manana candidat heveriny fa manana profil ho président izy dia i ra8 io,nalefa ny zaikabe dia nolaniana ho filoha lefitry ny fjkm i ra8,@ izay manana accés @ publique,niditra ben'ny tanana ets...dia nalefa ny précampagne maro samihafa ary dia natao fitaovana tanteraka ny fiangonana t@ izany,indrisy!TONGA ny fifidianana t@ 2002 dia nirotsaka ho candidat i ra8 araka ny efa pévu.IZAO no situation nisy t@ izany:nifandimby nandresy lahatra sy nanamby vola be an'i pasitera randrianatoandro na ny arema na ny tsy miankina na ny TIM, ny objéctif dia ny mba hitaritan'i pasitera randrianatoandro hny vahoaka izay mihiisa 25.000 tany hoany t@ izany hifidy ny arema,na ny TIM.Tsy naniky i pasitera sy ny fifohazana manolotrony satria ny fiangonana sy ny fivavahana tsy tokony hatao fitaovana politika.Stratégique anefa ny situation'ny fjkm andravohangy fivavahana @ fifidianana filoham-pirenena sy ny législative satia betsaka olona ao ary fantatry ny fjkm tsara izany,noho izany tsy maintsy notadiavina ny moyen rehetra hanana main mise ao @ ireo vahoaka be ireo,dia nampalahelo fa ny moyen hitan'ny fjkm dia ny nanery an'ny pasitera randrianatoandro,nanao menace,dia nofohazina indray le fanenjehana taloha izay efa hita fa ABSURDES,ny niafarany dia noroahina mihintsy ny pasitera sy ny fifohazana rehefa tsy nanaiky ary marina ny azy satria tsy atao kilalao ohatr'izany vahoakan'andriamanitra ary tsy anelezan-kevitra politika sy fampatoritoriana olona akory ny fiangonana.Rehefza nihenjan-droa ny tady dia nanapak'hevitra ny mpivavaka tao @ fjkm andravoahangy fivavahana sy ny fifohazana fa hiala am-panajana nohon'ny tenin'andriamanitra sy ny baikon'ny ray amandrenin'ny fifohazana fa tsy tokony hiady,dia niala izy rehfa avy nenjehin'ny fanjakana sy nogadrainy mihintsy ny mpitarika 6 tao @ fiangonana,IO FARANY IO NO TENA MAMPALAHELO KANEFA DIA INDRISY FA NY FJKM MPITONDRA FIVAVAHANA NO NANATANTERAKA IZANY,céest vraimaent déçevant mais c'est un fait regretable,tezitra ny vahoaka nahita izany maladresse be dia be nataon'ny fanjakana(FJKM) izany dia nanaraka an'i pasitera tany @ taninanandrano ampandrana ary dia marina ny azy,dia niforona ny FPVM,tsy nijanona teo anefa ny olana satria vao maika niha-tezitra ny fjkm nahita izany satria hoe resy ary ny tena olàna dia betsaka no niala tany @ fjkm ny vahoaka t@ izany,vokany ni-pomettre vengence terrible i RASENDRAHASINA LALA vokatry ny échec dia io farany io no situatin finale
Mikasika ny filoha ra8 dia nataony fitaovana tanteraka ny fiangonana ahatongavanateo @ fitondrana dia maro ny malagasy no nihevitra fa tena olona mivavaka ra8,et bien détromper vous car je le connais bien avant ça,saingy nidirany ny fivavahana satria cétait le chemin le plus court et sur déarriver au pouvoir araka ny fitenin'ilay bandy nanao stratégieny t@ fifidianana.MARINA DIA MARINA KOA NY RESA-bola izy ity satria nanana trosa be ny filohan'ny fjkm t@izny fotoana izany ary tao andravoahangy no niheritreretana hi récupérena azy dia natao ny préssion isan-karazany,izany ry lolabe antony daholo,ka fantatrao ve izany rehetra izany,,,,,,????????
Mazava be tsy ara-dalana sady tsy ara-drariny ity nanidina ny fiangonana FPVM ity saingy notanterahiny ihany satria azy sy ny fjkm ny fitondrana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2329