Fiangonana katolika eto Dago : nisolo ny Kardinaly

1. ravatorano ( 08/12/2005 05:42)
Ny evekan'Ambanja no hisolo ny Kardinaly Gaetan Razafindratandra.NY Mgr OdonRazanakolona no anaran 'ilay kardinaly vaovao ho an 'ny fiangoanan katolika eto madsagasikara.Izy dia efa sakretera jeneralin ny koferansy episkopaly.
Mbola tsy voatendry izy raha ny tena marina nefa mety tsy ho ela intsony izany.
novalian'i marozevo ny 07/02/2006 00:49
2. ari.malala ( 08/12/2005 06:44)
ie, fa ny Kardinaly ihany no Kardinaly fa i Mmr Odon Razanakolona dia Archevêque tsotra ihany ka, mbola manohy ny asa maha Kardinaly ay ihany alo i Mgr Razafindratandra
3. pika ( 08/12/2005 10:23)
inona ny antony mety mahatonga ny fanoloana karidinaly?
4. Mifenty ( 08/12/2005 10:39)


tsisy azoko le resaka lé.

Azavao tsara ra Pierrot a
5. Herimiafina ( 09/12/2005 05:50)
pika:

inona ny antony mety mahatonga ny fanoloana karidinaly?

Nihoatra ny taona voafetra ny Kardinaly taloha, i Mgr Gaetan Razafindratandra izany, dia tsy maintsy soloina.
6. ravatorano ( 09/12/2005 10:06)
raha ny tena vao2 azo aloah dia hisolo fa tsy nisolo ny kardinaly.
Ekeko fa manana archeveque anakiroa izany izao Antananarivo saingy Ny Archeveque izay kardinaly dia i Mgr gaetan Razafindratandra dia efa misotro ronona ary hipetraka any Mahajanga araky ny faniriany.
Ny Mgr Odon Razanakolona indray dia ho tendrena Archeveque eto Antananarivo ary hatramizay aloha dia ny archeveque tanà foana no lasa kardinaly eh d mazava ho azy fa izay no hizoran io raharaha io.
Ny manaraka koa dia ny hanendrean ny eveka vao2 any Ambanja izay tsy hisy satria lasa aty andrenivohitra ilay tao .
Ny fanoloana kardinaly dia rehefa topnga eo amin ny fotoana hisotroany ronono izy eo amin ny 75 taona eo ka raha tsy mangataka izy d azo apetraka fa ny anrany dia cardinal ihany.
Na mangataka na ajanona araky ny fepetra raisin ny fiangoanan foibe ihany no iankinan ny bfipetrahan ny cadrdinal fa tsy resaka politika mihitsy aloha satria fiangoana io fa tsy antoko .
7. xxx ( 09/12/2005 10:28)
Ito ny nomination avy any vatican
http://212.77.1.245/news_services/press/vis/dinamiche/e3_fr.htm

sw
8. ds ( 09/12/2005 10:47)
Raha ny vaovao re mangingina hatrizay, dia eveka roa no voavinavina hisolo ny toeran'i Armand Razafindratandra amin'ny maha kardinaly azy. Dia Razanakolona (Ambanja) sy Rabeony (arseveka Toliara). Raha ny lojika, araka ny hevitro, dia ny lehiben'ny konferansa episkopaly no mpitarika voalohany, izay Rabeony ankehitriny. Izy izany no tokony ho kardinaly...
Misy fahabangana anefa ny toeran'ny arseveka ao Antananarivo rehefa misotro ronono Razafindratandra, izany angamba no nanendrena an-dRazanakolona ho ao kanefa tsy voatery lasa kardinaly raha tsy izany naninona tsy tonga dia notendreny. Marihiko fa ny kardinaly am-perinasa (tsy misotro ronono) dia ao anatin'ny konkilavy, izany hoe mandray anjara amin'ny filankevitra avo momba ny fiainam-piangonana katolika romana eran-tany ka anisany ny fifidianana ny Papa Ray Masina.

ravatorano:

raha ny tena vao2 azo aloah dia hisolo fa tsy nisolo ny kardinaly.
Ekeko fa manana archeveque anakiroa izany izao Antananarivo saingy Ny Archeveque izay kardinaly dia i Mgr gaetan Razafindratandra dia efa misotro ronona ary hipetraka any Mahajanga araky ny faniriany.
Ny Mgr Odon Razanakolona indray dia ho tendrena Archeveque eto Antananarivo ary hatramizay aloha dia ny archeveque tanà foana no lasa kardinaly eh d mazava ho azy fa izay no hizoran io raharaha io.
Ny manaraka koa dia ny hanendrean ny eveka vao2 any Ambanja izay tsy hisy satria lasa aty andrenivohitra ilay tao .
Ny fanoloana kardinaly dia rehefa topnga eo amin ny fotoana hisotroany ronono izy eo amin ny 75 taona eo ka raha tsy mangataka izy d azo apetraka fa ny anrany dia cardinal ihany.
Na mangataka na ajanona araky ny fepetra raisin ny fiangoanan foibe ihany no iankinan ny bfipetrahan ny cadrdinal fa tsy resaka politika mihitsy aloha satria fiangoana io fa tsy antoko .



9. Ragadona ( 09/12/2005 11:47)
I Mgr Odon dia efa voatendry hisolo an Mgr Razafindratandra, fa tsy voatery hoe ny filohan ny koferansa episkopaly etsy ambony. Efa voatendrin ny Papa izy. Ny fanendrena ho kardinaly indray dia tsy ampiarahana amin ny fanendrena azy ho arseveka fa manaraka aoriana kely foana, formalité manaraka ho azy iny, toy izany foana hatrizay fa tsy hoe akory mbola hisalasalana hoe ho kardinaly sa tsia. Ary zay kardinaly rehetra am perinasa latsaky ny 80 taona dia ao anatin ny konlavy daholo saingy ra vao soloina izy dia ilay mandimby azy ndray no manao izany fa izy misotro ronono sady tsy miteny am maha kardinaly azy intsony
10. Bariry ( 09/12/2005 21:24)

Tsy azoko le resak ko klé. Arseveka sa kardinaly. Angah mou tsy mitovy io: izay arsevekan'i Tanà de Kardinaly zay?
11. Ragadona ( 09/12/2005 22:48)
Tena izay ka, fa zany hoe le fanendrena ho arseveka Tana alo no mande voalohany, d avy eo manaraka toy ny formalité ny anaram boninahitra maha kardinaly
12. FLORA ( 10/12/2005 11:34)

Fa ny nhatsikaiky dia ity nivoizan'ny sansany fa fanoloana olona sahala amin'ny fanoloana mambra ao amin'ny governemanta no nanoloana ny Kardinaly. Hita hoe tsy mahafantantra ny rafitra misy ilay nanoratra izany tao amin'ny gazety tribune Madagascar. Hoy aho hoe : rahefa tsy mahafantatra va tsy aleo mangina e !
13. jentilisa ( 10/12/2005 13:54)
Izaho aloha dia hiarahaba na miarahaba izay voatendry rehetra. Izaho moa dia protestanta ka tsy maharaka loatra ny fandehan-javatra. Izaho izay tsy mahalala izany no miteny hoe samihafa ihany izany hoe arseveka sy izany kardinaly izany.
Ny arseveka dia hoe lehiben'ny eveka (archi=lehibe na loha) fa ny hoe kardinaly kosa dia toy ny grady io amiko. Sahala amin'ny hoe jeneraly ka na misotro ronono aza izy dia jeneraly foana...izy tsy miditra mifidy papa intsony rehefa feno 80 taona.

Eto aho manontany hoe toa misy kardinaly toa hono any alemaina any? Raha marina izany moa tsy midika izany fa tena grady ilay izy fa tsy hoe fanompoana?
14. marozevo ( 10/12/2005 23:55)
Tsy azoko ilay paragrafy fahatelon'i Jentilisa. Angamba hoe "Kardinaly roa" ? sa hoe "kardinaly KOA" ? Ny Kardinaly dia Eveka na Arseveka, misy aza Pretra, izay fidian'ny Papa manokana ho mpanolo-tsaina azy, sy ho Mpitondra ny Fiangonana amin'ny fotoana tsy hahafahan'ny Papa mitondra (oh : tamin'ny 02 avril - 19 avril 2005, dia ny Kardinaly 115 no niara-nitondra ny Fiangonana). Ny isany isam-pirenena dia miankina amin'ny isan'ny Katolika ao amin'ilay firenena. Misy firenena tsy manana Kardinaly, moa misy indray manana Kardinaly be dia be. Ohatra aty Italie, France sy Allemagne dia tsy roa fotsiny fa be dia be ny Kardinaly. Tsy fantatro na Grady izany na fanompoana, fa izay no izy raha fintinina amin'ny teny fohy dia fohy.
15. dadabe ( 11/12/2005 11:33)
tena tsy ao mihitsy zah @ le resaka e!!

mifenty > kanterbory ve izany
16. sonwin ( 11/12/2005 17:09)
Flora> marina ny anao. Ny interpretation ataon'ny La Gazette aza no tena tssss!!!
17. pissoa ( 11/12/2005 18:09)
fa misy zavatra tsy haiko ... tamin'ny gazety aho nahita hoe tamin'ny 1988 ony i Mgr Razanakolona no efa voatendry ho Evekan'Ambanja, dia 1999 izy vao ordonne!
18. marozevo ( 11/12/2005 23:03)
pissoa > Dia tsorina aminao fa diso io gazety novakianao io. Volana Janvier 1999 i Mgr Odon no voatendry ho Evekan'Ambanja, ary nohamasinina izy ny 11 Avril 1999, tany Fianarantsoa, satria Vikera Jeneralin'i Fianar izy tamin'ny fotoana nanendrena azy. Herinandro vitsivitsy taty aoriana izy vao napetraka amin'ny toeran'ny Eveka tany Ambanja.
Marihina fa mbola tsy voatendry ho Kardinaly i Mgr Odon hatramin'izao aloha, ka angamba tsy marina ny hoe "nisolo ny Kardinaly". Any aoriana no tsy fantatra. Hatramin'izao aloha dia voatendry ho ARSEVEKAN'ANTANANARIVO izy. Diso daholo ireny lazain'ny Gazety ireny, fa ny Kardinaly mbola tsy nisolo.
19. Ragadona ( 11/12/2005 23:30)
Tsy azon i Marozevo disoina tanteraka kosa alo ny gazety ra milaza hoe misolo ny kardinaly satria tsy maintsy izay no fandehany.Azo ampitahaina amin ny fifandimbiasan ny filoham pirenena vaovao sy eo am perin asa io na dia tsy mitovy amin ny lafiny sasany aza. Mandra piomakomana amin ny fombafomba handraisan ilay vaovao ny toerana dia tsy maintsy mijanona eo alo ilay am perin asa mba tsy ho banga ny toerana, zay no mbola maha eo ny kardinaly tranainy
20. pissoa ( 12/12/2005 05:21)
marozevo > misaotra. Fa hitanao, gazety 2 no nahitako an'io (Tribune tamin'ny 08/12/05 sy La Gazette tamin'io andro io ihany). Na izaho aza aloha nihevitra ihany taloha hoe diso ilay izy e, fa hoe gazety roa ... de izay no nahatonga ahy nanontany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0811