Fiangonana katolika eto Dago : nisolo ny Kardinaly

21. ravatorano ( 12/12/2005 05:59)
ny kardinaly dia hisolo fa tsy nisolo ary efa nahitsiko io teny nataoko amboalohany io.Ny gazety manana ny fanapariahany ny vao2 ary matetika diso amin ny saitsika ireny fa samia mandray ny tandrify azy fotsiny d izay eh !
Any Besalampy izany ny kardinaly Razafindratandra no haka sasatra hanatanteraka ny fisotroan drononony.
Aza hadino koafa ny diosezin Ambanja izany zao dia tsy manana eveka ka mino aho fa hisy fanendrena ny amin izay ihany koa ataon dry zareo ao amin ny foibe ao Rome ao.
22. marozevo ( 12/12/2005 23:38)
Tsy isalasalako ny mandiso ireo gazety satria tamin'ny fotoana naoratany dia mbola tsy nisolo ny Kardinaly, eny hatramin'izao isika manoratra izao dia mbola tsy voalaza izany. Tsarovy fotsiny fa ny maha Kardinaly dia tsy mifandray amin'ny maha Arsevekan'Antanarivo, na dia olona iray ihany aza ireo hatramin'izy telo mirahalahy nifandimby izay. Hafa ny maha Arsevekan'Antanarivo, dia hafa koa ny maha Kardinaly.
Hay ve tena tapa-kevitra ho any Besalampy i Razafindratandra e ? Tany aloha no nandaniany ny "fahatanorany" e. Na ny marimarina kokoa tany amin'ny Diosezin'i Mahajanga. Fa izaho ho'aho manahy fa ndrao hahafohy ny androny io mandeha lavitra any io... Nefa azy moa ny safidy, ka enga anie izy ho tahian'Andriamanitra.
23. Ragadona ( 13/12/2005 05:56)
Efa anaram-boninahitra entina misotro ronono zao no entiny fa tsy mitovy amin ny teo aloha intsony satria tsy afaka mampiasa izay fahefana maha kardinaly azy izay intsony izy ra misy ilan Vatikana an izany tampoka nefa mbola tsy vita ny fomba fametrahana an i Mgr Razanakolona am toerana. Aza hadino fa eveka nitondra diosezy izy no nomena ny fahefana maha kardinaly fa tsy hoe akory olona notendrena ho kardinaly avy hatrany toy ireo misy ilan ny Vatikana azy manokana, ka noho izany raha vao voasolo amin ny fitondrana diosezy dia anaram boninahitra sisa entina fa tsy tsy afaka mampiasa ny fahefana ntsony. Mivava ho azy noho zay efa vitany...
24. marozevo ( 14/12/2005 00:31)
Ragadona > Tandremo fa mila ahitsy kely io filazanao azy io. Mbola tena manana ny maha izy azy mihitsy ny Kardinaly Armang Gaetan eo anivon'ny Collège des Cardinaux. Ny tsy azony atao fotsiny dia ny mifidy izay ho Papa raha sendra misy fifidianana. Io fifidianana io dia 1/100 ny andraikitry ny Kardinaly iray, fa tsy io akory no maha Kardinaly azy. Porofon'izany, ho avy tsy ho ela any Italie ny Kardinaly Armand Gaetan, satria mbola miandry azy any ny andraikiny... Ho hitanao eo ange izany eh.. Ary eo indrindra ilay ametrahako fanontaniana hoe : mety aminy ve ilay mipetraka any Besalampy ?
25. Mifenty ( 14/12/2005 09:16)
Tsy mampité hamaky tsony zany le gazety ra izany fa toa mamahan-dalitra kou.

Mbo marina tsy ringana ny oul noho ny tsy fahalalana le.

>>marozevo
Ary hono hoa eh, vokatr'io fahadisoana mihoampampana nataon'ny gazety io, nandefa fandavana na fanitsiana ve ny fiangonana katolika sa hoe inona no natao.

raha tsy nanao izay tsinona ny fiangonana foibe dia heveriko hoe hevitri marozevo manokana fotsiny io.
26. Ragadona ( 14/12/2005 15:55)
Mbola azon i Marozevo antsoina hoe kardinaly izy ka, fa eo amin ny fahefana kosa dia tsy misy azony raisina intsony refa soloina izy fa misotro ronono satria zay tokony ho ataony rehetra efa afindra amin ny solony daholo, sady Mada tsy mbola misy kard roa zany, ka tsy lojika ny anoloana azy ra mbola ho eo izy(eo alo izy mandra pahavitan ny fombafomba). Misy tokoa ny kardinaly manana fahefana foana na dia efa misotro ronono saingy ireny ireo zay fidin ny papa manokana ka mipetraka any Vatikana,manana andraikitra manokana any fa tsy nitondra diosezy, ka hohitantsika eo ra hipetraka any vat Mgr Razafindratandra... Afaka mamangy any Italie ange izy e... Aiza ko dia tsy ho fantatrareo zany fa aza minia mamafy hevi diso amin ny olona Zoky na dia.....
27. ds ( 14/12/2005 22:10)
Rehefa lasa misotro ronono ny kardinaly taloha, dia tokony hisy kardinaly vaovao handimby azy amin'ny andraikitra any Roma (Konklavy sy konsistoara). Hanana kardinaly roa isika izany atsy ho atsy : ny iray misotro ronono ary ny iray kosa am-perinasa. Olona heverina hiara-kiasa akaiky amin'ny Papa ny kardinaly,
ary tsy voatery ho eveka vao afaka tendren'ny Papa ho kardinaly. Tsy misy fanamasinana kardinaly toy ny eveka fa na pretra sy diakra aza, azon'ny Papa tendrena ho kardinaly.
28. Mifenty ( 15/12/2005 08:17)
>>ds

ny olon-tsotra v tsy mety? d alefa aiza ny demande?
29. ds ( 15/12/2005 16:02)
Mifenty:

>>ds

ny olon-tsotra v tsy mety? d alefa aiza ny demande?

Vazivazy ve sa...
Izaho izao aloha tsy manam-potoana hanalana azy raha tsy izany tany amin'ny lohahevitra "hatsikana sy lalao" aho no nanoratra.

30. marozevo ( 15/12/2005 23:29)
Ilay gazety diso anie tsy miankina amin'ny mpanao Gazety eh... Teolojia sy ekkleziolojia lalina be izany ve ho hain'ny journalistes. Ka noho izany tsy ilaina akory ny manitsy ny voalazany, fa ny olona no hanazavàna ny tena marina.
Dia averiko indray, fa ao amin'ny fanendren'ny Papa tsy misy filazana fa ny Kardinaly Armand dia nalefa hisotro ronono amin'ny maha Kardinaly azy. Noho izany mbola miasa feno amin'ny maha Kardinaly azy izy. Mbola tsy misy fanendrena Kardinaly vaovao ho an'i M/car koa ao, ka raha tsy misy izany dia mbola ny hatrizay ihany no izy.
Eny mety ho rahampitso rahafakampitso dia hotendrena i Mgr Odon, ho Kardinaly. Dia amin'izay vao miova ny Kardinaly. Fa ankitrio aloha mbola tsy misy io.
31. sonwin ( 16/12/2005 20:51)
izay mihitsy ka
32. marozevo ( 17/12/2005 01:28)
Momba ilay gazety indray no iverenako kely. Tsaroanareo fa tamin'ny 1989 dia tonga tany M/car ny Papa, dia nihaona taminy ny isan-tsokajin'olona. Tao Antanimena ary izy dia nihaona tamin'ndry maopera sy ry frera ary ry masera. Dia tao koa ny Frères des Ecoles Chretiennes (na FEC), satria anisan'ireo sokajy ireo izy. Ny FEC moa manana iny akanjo mainty misy tenda fotsikely iny rehefa fety. Hitan'ny mpanao gazety ary ry zareo dia nalainy sary, ary navoakany an-gazety fa "tonga tao (Antanimena) koa ny mpisolovava" (Avocat). Dia nihomehezana fotsiny ilay tsy fahalalana fa tsy afaka hifanome tsiny amin'izany.
33. Ramongo ( 05/02/2006 21:54)
:lol:
pissoa:

fa misy zavatra tsy haiko ... tamin'ny gazety aho nahita hoe tamin'ny 1988 ony i Mgr Razanakolona no efa voatendry ho Evekan'Ambanja, dia 1999 izy vao ordonne!

:lol:Fanitsiana foptsiny ny ahy no ataoko. tsy 1988 kosa aloha fa 1998 no voatendry.Taratasy avy aty Roma io ary dia anjaran'ny fiangonana aty madagasikara ny mijery sy mandamina ny fotoana hanmasinana azy. Izany no antony mahatonga an'ireo elanelam-potona ireo.



34. Ramongo ( 05/02/2006 22:03)
[quote=Mifenty]
>>ds

ny olon-tsotra v tsy mety? d alefa aiza ny demande?
[:PNy tsy fahalalana tsy mba fahadisoana. Raha ny tantaran'ny Fiangonana no jerena dia nisy tokoa o voalazanao io teo aloha. tsy hivalampatra amin'iny anefa isika fa zavatra efa tany amin'ny taon-jato elabr tany izany. Nisy fanovana anefa teo amin'ny fiangonana ary ny fanitsiana farany dia iny vatikana faharoa iny. Ka hatramin'izao dia Eveka ihany no tendren'ny Vatikana ho eo amin'ny laharam-panompoana Kardinaly. Misy komity manokana misahana sy mandinika an'io any Roma.Fa anjaran'ny Conference episcopaly kosa ny mijery sy manolotra ny olona any amin'io komity io ary dia avy amin'io Komity o no mivoaka ny fanapahan-kevitra rehefa nankatoavin'ny Papa Ray masina.Izany no mahatonga ny fanendrena na ho Eveka na ho kardinaly ho avy any Roma foana fa tsy avy amin'ny Fivondonamben'ny Evela eo amin'ny firenena iray /quote]


35. dadabe ( 06/02/2006 14:30)
hummm
36. marozevo ( 07/02/2006 00:49)
FILAZANA
Araka izay efa nolazaina tatsy ambony dia handalo eto Roma ny Kardinaly ARMAND GAETAN RAZAFINDRATANDRA (satria mbola manana ny adidiny feno amin'ny maha mpanolo-tsaina ny Papa azy izy), ny herinandron'ny 26 febroary izao. Hisy lamesa hotarihiny hanasana ny Malagasy rehetra izay ho hitantsika eo ihany ny fanazavana bebe kokoa.. Raha tsy diso aho dia misy site serasera fijerena ny daty rehetra any ho any...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078