Naharesy ny BAREA hatramin'izao

1. Lepetitbeau ( 05/12/2005 09:36)
Fifanintasana COSAFA Castel Cup U20 atao any Afrique du Sud nanomboka t@ Asabotsy lasa teo. Nomontsanin'i BAREA 7 noho 0 ny Namibiana ary 3 no ho 2 ny Malaoita! Ahoana ny fahitanareo an'io vokatra io, efa misy fihatsarana ve izany ny kitra malagasy ary misy ho azo antenaina sa ahoana hoy ianareo.
2. ravatorano ( 05/12/2005 14:50)
io anie ny vokatra ihany npo itsarana fa mivoatra eh
ny classemùent izany
fa na mahay boll aza ny ekipa iray nefa tsy mahafty boll d vendran izy zay fa na tsisy apoaka aza ny ekipa iray fa mahafaty foana ka mandresy d ireny no antsoina hoe favori ka mino aho mahery izany ny antsika.Aza hadino fa efa misy toerana maro fanofanana mpilalao izao ka miainga avy amin ny kilonga madinika ao ny antafana, ny ajesaia,ny akademie ny antsika sy ny maro hafa koa izay tsy mena mitahy amin ireo voatonoko ireo.Isika anie raha boaklet mahery eh fa ilay fanaraha maso no tsisy sady eto mbola tsisy sport de haut niveau zany fa ohatra we tafa enao izao amin ity d raraka amizay amin ny manaraka satria tsy voatazona ilay toerana nohon ny izay antony hoe tsisy resaka sport de haut niveau eto!faly manasoaso fahazahoana medaly indrepa fotsiny fa tsy mijery ny tena ho avin ilay fanatanjaha tena eh.
Izay io :evil::twisted::wink:
3. Nickovy ( 05/12/2005 15:10)
Lepetitbeau:

Fifanintasana COSAFA Castel Cup U20 atao any Afrique du Sud nanomboka t@ Asabotsy lasa teo. Nomontsanin'i BAREA 7 noho 0 ny Namibiana ary 3 no ho 2 ny Malaoita! Ahoana ny fahitanareo an'io vokatra io, efa misy fihatsarana ve izany ny kitra malagasy ary misy ho azo antenaina sa ahoana hoy ianareo.


Tena efa misy fivoarana isika raha ireo vokatra ireo no jerena. Tsy mahazo mifaly fotsiny anefa fa tokony ho tohizana ny ezaka efa natomboka.Fa izahay tady Sudaf (Pietermaritzburg)aloha dia tena diso fanantenana. Tsy voalaza mazava ny torana fa hoe kianjan'ny Universite Natal fotsiny, dia noheverinay fa taty @ universite kay moa ka tany Durban. Dia nihonona eh. Niresadresaka sy niara nsakafo. Nefa kosa dia tena nahafinaritra an! Nisy malagasy 10 izahay.
4. Ralay ( 05/12/2005 18:38)
Efa tena mahafinaritra izany na dia tsy afaka nanatrika aza ianareo gasy folo e :lol: Tsara ny vokatra fa tsy tokony hionona @ io fa mbola zanatohatra kely iny fa mbola ho avy ny lehibebe zay mety ho mafonja² ka sao eo vao taitra hoe tahak'izay ihany nikofoka :lol:
5. DotMG ( 06/12/2005 07:33)
I Pamphile no nampiditra baolina 4 tamin' ny lalao nifanandrinana tamin' i Namibia, i Claudio kosa no nampiditra ny anankiroa, ny anankiray tsy fantatra.
Teo amin' ny lalao nihaonana tamin' i Malawi indray dia i Pamphile no nampiditra ny baolina 2 ary i Claudio kosa ny anankiray. Ny anaran-dry zareo Malawites nampiditra ny baolina roa koa tsy fantatra fa mba tiako hofantarina, raha misy manana dia mba lazao.
Antenaina mba hisongadina ny anarana Malagasy izany amin' ity ho mpampidi-baolina betsaka indrindra (Meilleur buteur), indrindra raha tafita amin' ny dingana manasa-dalana isika. Tsara raha montsanina amin' ny isa mavesatra koa i Seychelles fa zakantsika ireny.

I Angola dia anisan' ny favori @ io vondrona C io ary ho hita eo ny lanjany izao talata 6 desambra izao amin'ny fihaonany amin' ny Barea.
Tsy mbola manana vokatra momba ireo lalao hafa fa jerijereo eto :
http://www.rsssf.com/tablesc/cosafa-u20.html
6. Lepetitbeau ( 06/12/2005 11:43)
Anio no hihaona @ Angola ny BAREA dia miandry ny vokatra isika e!
Ravatorano : marina mihitsy ny lazainao fa ny tsy fisian'ny sport de haut niveau no mampien-danja ny sport malagasy tena marina izany ! fa mahagaga ny tsy hanaovan'ny fanjana ny sport ho tonga amin'izany e! Tsipihiko manokana fotsiny fa raha eto amintsika izao dia ny Taranja tsipy kanetibe ihany no azo lazaina fa manakaiky an'izay sport de haut niveau izay ary tsy mahagaga raha tsara foana ny vokatra azotsika isan-taona e!
7. ravatorano ( 09/12/2005 10:12)
nanao 1-1 i Angola sy ny Barea
nanao 2-0 ny Barea sy Seychelles
tafakatra zany iska eo amin 'ny dingan'ny manasa-dalana ka i Zambia no hifanatrika amitsika anio 09/12/05 .Maro no miteny fa finale kely iop hatramin ny nahalatsahan i Angola izay tompon daka farany teo
Ny mpijery sy mpanaraka baolina kitra anefa dia sahy nilaza fa ho sahirana i zambia vao ho afaka amitsika androany raha tsy miova ny filalaon ny Barea
8. ravatorano ( 12/12/2005 03:28)
lasan ny Barea U20 izany ny amboaranj ny COSAFA Castel Cup tamin ity fifanianana 2005 ity.
http://www.lexpressmada.com/article.php?id=38622&r=5&d=2005-12-12
Ny sokajy zokiny moa dia ny volana mai 2006 no
hifanina indray.
Voninahitra lehibe ho an ny tontolon ny baolina kitra io fandresena io satr'ia sambany mihitsy teo amin' ny tantraran ny foot izany nahazahoana coupe b vata izany:D:D:D:D:D:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1147