zaza gasy 5 isan'andro no efa voan'ny sida! mampino ve?

61. xxx ( 31/01/2006 11:51)
Io ry reto dia izao a!
Tsy misy fanafodin'io afa-tsy ny fahaizana manaja ny vady ary koa ny fahaizana mitondra tena tsara an! sa tsy marina izay, tsy izany fa na dia efa hita izao aza fa misy dia ny sasany tsy mbola mety mino ihany fa misy tokoa izany sida izany.
Ny aretina hafa ary efa tsy fidiny koa ny zavatra azo tandremana ve, asakasak'izay te ho azony aloha e fa mitandrema ihany fa tsy misy fanafana an!
62. Vahinala ( 31/01/2006 11:56)
Ie mampino satria ny reniny no voa dia mamindra am zanany.
63. watafon ( 04/02/2006 11:41)
xxx,tena marina io ary ny tena mahagaga ahy ange d zao e: na d olona nahita fianarana aza ange misy tsy mino ny fisian'io hatramin'izao e!
64. fijo ( 08/02/2006 20:41)
fa ahoana,misy io ka,tandremo fa tsy mamelamahazo an,aleo ihany virja e
65. Falzar ( 10/04/2006 11:00)
Marin'zany fa na ny Virja ane ry Fijo ka mety ho tratrany koa @ alalan'ny séringue, fanjaitra, paingotra...e!Amiko aloha de ny mivavaka ihany no vahaolana azo antenaina e!
66. HERMA ( 15/05/2006 04:50)
Tsy marina izany fa rediredy ho enti-mampatahotra ihany fotsiny!
Angamba tsy mahita article intsony ny gazety gasy dia mamorona zavatramampitora-kovitra foana isan'andro!
F'angaha tsy fantatra amin'ny fitilihana eo anivon'ny tobimpahasalamana amin'ny suivit prénatal izany koa maninona no tsy nosakananana nahoe(avertena) io zaza io dia ampitandremana ny reniny tsy hitondra vohoka intsony!
Dia amin'izany mba mihena ny porteur du virus ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1946