voarara ny mivavaka any an-trano!

1. jentilisa ( 03/12/2005 14:28)
Asa raha efa nofoanana ilay lalàna tamin'ny andron'i Augagneur nahatra teto madagasikara fa tsy mbola nandre ny fanafoanana azy aho. Tsy azo atao ny mivavaka miaraka any an-trano. Maninona raha foanana io lalàna io? sa misy anaovana azy hanenjehana izay mivavaka an-trano indray?
novalian'i tivinah ny 31/01/2006 12:17
2. fiaritiana ( 03/12/2005 14:33)
inn no anton izany e!sa ve tsy masina ny trano sa ahoana? enjehana daolo izao rehetra izao sa mety inn kosa ny lafiratsiny e!
3. Herimiafina ( 03/12/2005 21:28)
Tsy misy decret d'application ngamba izany dia misoratra toy ny lalàna fotsiny sisa fa tsy misy fampiharana akory.
Maro anie ny lalàna ao Dago ao no ohatr'izany e, voarara ny mangataka an-dalambé, voarara ny vagabondage sy ny fitaingenana tamboho, fa toa tsy mihatra knou. hehehehe:-D:-D:-D:-D
4. Veloo ( 04/12/2005 02:09)
tssssss mivava fona ry reto any an-trano a aza mba lembenana amin;izany kle
5. routa ( 04/12/2005 03:34)
zany tokoa ilaina ny fiaraha mivavaka ao ntrano miaraka @ ankohonana isan'andro na indray mandeha aza kou!
6. lapino ( 04/12/2005 04:24)
Eny an-tokotany indray izany no mivavaka?
7. cutie ( 04/12/2005 05:17)
nga misy mpitsikilo koa raha mivavaka ao an-trano ??:roll:
8. xxx ( 04/12/2005 07:55)
fa iza i Augagneur zany e? lalana efa tsy miasa intsony izany!!
9. xxx ( 04/12/2005 07:56)
fa iza i Augagneur zany e? lalana efa tsy miasa intsony izany!!
10. ravakamalala ( 04/12/2005 23:57)
Tsisy fotony zany raha ny famaritana ny atao hoe mivavaka no hiaingana, MIVAVAKA : miresaka amin Andriamanitra, na aiza na aiza ianao afaka miresaka aminy foana, ka tsyhitako hoe lalana inona no ndeha hanakana anao am zany.
Lé augagneur koa anie toa olona mitady ho be côcô fotsiny e!
11. lapino ( 05/12/2005 00:07)
Tsy ilay mivavaka any an-trano ange no voarara izany, fa ilay mivavaka miaraka any an-trano. Izany hoe raha azoko tsara dia ny manao fivoriam-pivavahana.
12. ravakamalala ( 05/12/2005 00:46)
Raha tena hoe manao lamesa aloha dia za koa manaiky hoe tsy tokony hatao eny rehetra eny e!

masina anie ny lamesa e! ary misy fepetra maro arahina vao afaka manantanteraka izany amin ny antsakany sy andavany, voalohany : any am toerana voatokana am zany.
13. lapino ( 05/12/2005 00:50)
Diso ianao ravakamalala,
ny Baiboly:
Matio 18:20 Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.
14. jentilisa ( 05/12/2005 09:33)
izao ary e, lalàna tamin'ny taona 1905 tany ho any io. Tsy manenjika na iza na iza aho fa zava-nisy tamin'izany fotoana izany no lazaiko. Tamin'izany fotoana izany ny protestanta dia nazoto nivavaka an-trano. Ny katolika kosa dia nilazana fa tsy amintsy any amin'ny eglizy.

Mba entina hanenjahana ny protestanta tamin'izany fotoana izany ary dia natao io lalàna io handrarana ny protestanta tsy hivavaka. Tamin'izany fotoana izany io an!

Hatramin'izao dia tsy foana io lalàna io. Manaraka izany koa tamin'izany fotoan izany dia tsy azo atao malagasy no mpitondra ambony ny fiangonana (tahaka ny hoe kardinaly izany na prezida sinodaly) fa tsy maintsy Vazaha Eoropeana ary Frantsay ary no tena marina. Teo no voatery niantso ny misionera frantsay Protestanta ny misionera anglisy teto madagasikara.

Dia izay ilay lalàna! ny mahakamo aminy dia tsy vonoina na foanana ilay lalàna fa atao loza mihaontona eo foana ka rehefa misy ny tsy tiana dia ampiharina ny lalàna.

Tsy isy ve ny mba mijery ny hanavaozana ny lalàna fa dia taraiky loatra ny lalàna malagasy.
15. pika ( 05/12/2005 11:15)
za mantsy mba gaga raha t@ gasy efa nahazo fahaleovantena no nivoahan'izany
tena siora ve ianao fa mbola tsy foana izany???

ny mivavaka ao an-trano moa maninona, ilaina izany fa misy kosa anie dia tena tsy lasa e @ alina mandrampaharainan'ny andro mitabatava nefa andavan'andro ary saika isan'andro e
everiko fa samy tokony hifanaja fa tsy marenina akory Atra
16. Veloo ( 05/12/2005 16:59)
=D=D=D
17. annie ( 05/12/2005 22:22)
ntsss!
Misy teny ao @ baiboly ao milaza hoe"raha misy roa na telo mivory @ Anarako dia eo afovoany aho",misy anakiray koa ao milaza hoe" raha mivavaka amiko ianareo dia midira ao @ toerana mangingina fa hiaino anao aho.Afaka manazava angamba io fa azontsika hatao foana ny mivavaka na aiza toerana misy antsika
18. mamzelkely ( 06/12/2005 12:55)
za mahita we mivavaka mangina any atrano aza no tsara satri enao refa any apengonana njainjay tenter ny hijery olona :roll:
19. tiam ( 06/12/2005 13:32)
de ao antrano de tenter mampiditr'olona ao @ mangingina :-D
izay ilay mila mahay miady @ fankampanahy
20. mamzelkely ( 06/12/2005 15:34)
ka le tentation ts mitovy ny degré ko any apengonana bebe koko le tentation fa ao atrano mety seul enao de ts misy olona mety anelingelina:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0966