voarara ny mivavaka any an-trano!

21. sonwin ( 06/12/2005 21:49)
akipio ny maso refa any ampiangonana
22. Veloo ( 06/12/2005 22:23)
mamzel :-D:-D:-D:-D njy ty mampime kle akipio marina ny maso retsy a hihihi
23. mamzelkely ( 07/12/2005 09:02)
ts mety fa misy midobodoboka am talon be ko:-D:-D:-D
24. stephan ( 07/12/2005 16:12)
refa ao antrano tenté hiantso olona mangina koa koa!
25. Herimiafina ( 09/12/2005 06:47)
Aza mitsahatra ny mivavaka ry sakaiza isany, na aiza misy anao na aiza.
26. marozevo ( 10/12/2005 00:16)
I Augagneur anie ry reto ka olona malaza amin'ny fanenjehana fivavahana eh... Na tany M/car na taty France. Dia nanararaotra kely fotsiny ny naha tany Madagascara azy izy, saingy tsy nihatra velively io lalàna io, satria tamin'ny androny sy taoriana keliny indrindra no tena nivavaka niaraka tany an-trano ny olona satria mbola tsy nahavita trano fiangonana.
27. Veloo ( 10/12/2005 23:08)
mamzel =))=))=)):-*
28. adam ( 06/01/2006 07:28)
tsy ny misotro toaka ao an-trano ve no tokony horarana:lol::?::lol:
29. marozevo ( 07/01/2006 00:32)
trano inona aloha anefa ry Adam ? raha ao an-tranoko ve aho no misotro toaka dia iza no handrara ahy amin'izany ? Raha any aminareo kosa aho tsy sahy misotro irery eo, tsy hoe voarara, fa sao dia lazain'ny olona ho tsy mahalala fomba. fa raha misotro moa i Adam ka manasa ahy dia gohiko tokoa.... fa tsy betsaka anh.
30. coco13 ( 07/01/2006 12:28)
Voararan'iza hono? Azoko antoka aloha fa tsy voararan'Andriamanitra.
31. adam ( 07/01/2006 19:47)
marozevo> ahitsiko kely indray angamba ny fanazavako é azafady fa tsy manindrona ny mpigaka aho fa ilay hevitra tany amboalohany mihitsy no mahafinaritra ahy ;;; ohatra ny miteny hoé :raràna ny mihinam-bary
:lol::lol::oops:
32. marozevo ( 07/01/2006 23:26)
Hita ho'aho koa !! Tsy mahatsiaro voatsindrona aho ka! Rehefa rarana tsy hivavaka ao an-trano ny olona ka matahotra tokoa tsy sahy manao izany, dia ataony vavaka tora-po indray eh ! Io aza, hono, no tena mahomby koa. sady azo atao ny vavaka tora-po na aiza na aiza.
33. adam ( 08/01/2006 01:42)
tandremo anefa ao @ jaona 9/31 ANdriamanitra tsy mihaino ny mpanota fa izay mivvk aminy sy manao ny sitra'pony an' fantaro tsara aloha ny sitra-pony:lol:
34. marozevo ( 11/01/2006 00:41)
Tandremo koa anefa fa Andriamanitra dia tsy tonga ho an'ny olomarina fa ho an'ny mpanota MIBEBAKA.. Angamba ao amin'i Matio 9 ao ho ao io. Dia mbola misy koa ilay hoe "...mbola lavitra kosa izy (ilay zaza mpandany...) dia nahatazana azy i rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy..." Lioka 15 io, and 11-32. Mino aho fa toy izany no hanaovan'Andriamanitra ahy rehefa iny aho fa hiditra ny vavahadin'ny lanitra, efa reraka dia reraka ery aho amin'io, satria ny làlana moa lavitra ary izaho koa vesaran'ota rahateo. Fa raisiny ihany aho... io ny ahy no tena inoako.
35. andry44 ( 11/01/2006 16:48)
Mahereza mivavaka an!!!n'aiza n'aiza!na@ fotona na tsy @ fotoana
Ny an'ny silamo aza eny@izay misy azy eny izyni mitsingololoka refa tonga ny ora;na any@ mosqué io na eny an-dalambe na eny an-tsena na aiza e!
36. tivinah ( 31/01/2006 12:17)
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana!
Hafatra kely ihany no apetraka!
Ny olona ts1-1 avy dia samy manana ny droit avy, ny safidiny, ny fitiavany, ary tompon'andraikitra @ tenany voalohany, koa raha ny fivavahana aloha dia ekeko fa nisy tokoa ny fanenjehana tany aloha kanefa ireny dia t@ andron'ny tsy fahalalana koa @ izao fotoan'ny mazava izao koa ve dia mbola possible hoe misy ny fanenjehana ny mivavaka any an-trano e, tsoriko eto aloha fa na ho tapahinareo aza ny lohako dia tsy maintsy mivavaka aho na aiza na aiza, aiza ho aiza ao anatin'ny Baiboly ny teny manambara fa tsy azo hivavahana ao an-trano, azafady mba omeo ahy ny toko sy ny andininy.
Tsy misy olona mahaisotra ny finoako tompoko afa-tsy Ilay nanao azy ihany angaha.
Ny fanontaniana dia izao efa mba nisy ve olona nijoro vavolombelona teto @ serasera?
Izaho aloha dia lazaiko aminareo rehetra izay mahita sy mamaky fa tena nijaly t@ andron'ny fahajentilisana e, tao ny aretina, tao hadalana maro samy hafa, betsaka e .....
Fa ankehitriny kosa dia sanatria raha hiverina amin'izay nataoko tany aloha, efa olom-baovao aho izao.
Dia izay aloha fa mbola lava be ka sao dia mankaleo indray fa @ manaraka indray dia mazotoa manao ny asan'ny Tompo fa valisoa tsy misy tambiny ny azy ary maimainmpoana no sady tsy mandainga koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1432