Andao hifandray tanana !!!!

1. mandrindra ( 02/12/2005 09:34)
Any amin’ny dinika maro samihafa eto amin’ny sehatry ny serasera dia hita ao ny mpanohina sy mpanohitra ny fitondrana ankehitriny. Ny mpanohina milaza fa misy ny zava bita, ny mpanohitra manamafy tsy ampy sady tsy laharampahamehana ireo izay tontosa. Ambonin’izay ny tsikera mikasika ny fanaovana politika any Madagasikara moa dia miraraka fotsiny.
Amiko tsy ny fiandinkevitra amin’izany zavatra efa vita, na tsara na ratsy, na mahomby na tsia, no mety hampandroso ny firenena. Efa zavamisy daholo izany ka tsy azo hiverenana, fa andao hibanjina ny ho avy. Koa maninona moa raha mba hovaina indray ny fomba fijery, ampirimo daholo aloha izay fihevitra hoe mpanohana na mpanohitra ianao.
Samia manome sosokevitra, na fomba fiasa, na drafitra politka, ekonomika, sosialy izay heverinareo fa hampandroso an’i Madagasikara.
2. fiaritiana ( 02/12/2005 11:21)
ny fivelomana lo zao no tena mampikaikaikan ny mponina e!ka raha vo tsy ampy sakafo koa ny olona, ny vary lafo sns dé tsy mande mihitsy io fa hanome tsiny foana oe lafo ny vidim-piainana e!sns
3. ari.malala ( 02/12/2005 11:28)
ny fahitako azy aloha d ny famoronana asa zao mba hahafahan'ny tanora rehetra miasa sy miala @ fangalarana; d mila atsaraina koa ny resaka formation professionnelle, d entnina indrindra ny tanora hidina any ambanivohitra hamboly sy hiompy hanab bvoho ny tany fa mbola b tany malalaka naie Dago e, ts hisisika aty andrenivohitra daolo nefa aty aza efa tery sady tsisy asa akory aty, d mba tokony omena toerana koa ny debutant @ asa fa matetika koa manko d mi exiger experience ny entreprise d hoaiza zany reo vao nahavita fianarana?
4. fiaritiana ( 02/12/2005 11:32)
marina koa lo zay tenenin i ari zay e!ny tanora no ho avin ny firenena, mila atao tsara fototra izy na asa io na fianarana!
5. pika ( 02/12/2005 12:03)
marina doly izany saingy misy ny manao be marenina, misy ny tsy te hiharahihasa,... sy mihevitra hoe rehefa sosonkevitra avy @ olona na atoko tsy mitovy aminao dia ratsy foana izay
ilaina @ fampandrosoana ny demokrasia raha tiana handroso

ny tokony ho izy sy tsy ampy amintsika dia ny hoe ny hevitra no mety tsy hitovy fa ny olona tsy miady
na ny mpiandany na ny mpanohitra anie mety samy mihevitra izay lalana everiny fa hatafavoaka daholo e
saingy ao ny manao hitsindalana tsy mijery ny manodidina, ao ny mbola variana miady andalana, ao ny mbola miolakolaka aloha, ao ny mbola revo mameno ny paosiny aloha vao mandeha :lol:
6. fiaritiana ( 02/12/2005 12:35)
misy koa ny mpandodona lava oe aiza ihany aiza ihany nefa ny mpitondra mba manao zay ezaka ihany!mila patience ny fampandrosoana ity firenentsika ity e!fa tsy vita indray mipoaka izany fa mandeha tsikelikely!
7. iketaka ( 02/12/2005 16:18)
salama daholo e!
marina daholo ny hevitra rehetra nasehonareo teo, fa ny fanontaniana apetrako dia ity, mba misy mpitondra mamaky ity serasera ity ve? ary raha mamaky izy mba nosaintsaininy daholo ve ny fitarainana nataon'ny olona rehetra namosaka hevitra @ itony fifandraisana itony sa dia manao be marenina fotsiny eo ambony seza izy.ny tenako moa dia anisan'ny izay mba nanohana ny fitondrana ankehitriny na dia tsy any gasikara aza no mipetraka, ary hitako t@ izaho nandalo efa 3 taona izay fa mba nisy fiovana teo @ tanana ,kanefa raha mahita sy mandre ny fitarainan'ny olona aho dia somary diso fanantenana ka nieritreritra hoe"mba henon'ny mpitondra ve izany?marina fa ny fanarenana ny firenena aloha tsy vita vetivety e! kanefa kosa rehefa hoe miafy dia tokony samy miaraka miafy daholo fa tsy ny valala be mandry ihany no mihafy fa ny mpitondra mameno paosy fotsiny(asa aloha na tena mameno paosy rizareo na tsia an:)
8. fiaritiana ( 02/12/2005 19:02)
raha oe ny endrika ivelany angah lo bonne, misy fandrosoana ihany fa lé izy miantraika any amin ny fiainan ny tsirairay mihitsy ka leo ny olona e!te-hiova foana oe aleo ovàna indray fa so lé ho avy eo no hanao metimety nefa mety tsy dé izany loatra ny vahaolana
9. Herimiafina ( 02/12/2005 21:39)
:*:*:*:*, (l) (l) toulmôndy, hehehehe:-D:-D:-D:-D
10. fijo ( 02/12/2005 22:21)
vahaolana aroso,fa izay izao no ilaina.
ny lalana io efa vahaolana tsara,nefa maninona no mbola tsy tafavoaka ny vokatra?misy zavatra hafa ao?izay no tokony hojerena sy arindra.raha jerena mantsy ny vokatra misy sy ny vokatra tonga aty amin'ny mpividy dia hita fa misy elanelany be.ka na misy manitrika le izy,na misy tsy tafavoaka.izay no mila vahana
11. xxx ( 02/12/2005 22:47)
izay no tokony hojerena sy arindra
ny fitiavatenan'ny mpitondra sy tsy firaharahany ny fiainam-bahoaka. miainga avy amin'io ny vahaolana!
12. Herimiafina ( 02/12/2005 22:55)
Mpitondra iza ry xxx, olona amanarivony sy amanaliny no atao hoe mpitondra mantsy, hehehehe:-D:-D:-D:-D
13. hesham ( 03/12/2005 01:34)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
14. pika ( 03/12/2005 04:58)
ka mety ry zalahy mpitondra rehetra izany angamba e hatrany ambany ve ka hatrany ambony ry xxx???:-D:-D:-D
15. Herimiafina ( 03/12/2005 20:10)
Izany eo ihany fa bisous bisous daholo kalongany e, hehehehehe:*:*:-D:-D
16. fiaritiana ( 04/12/2005 00:10)
Ra8 no lohany ka so dé izy no tian i xxx lazaina e!sa iza kosa lé mameno paosy lo e!
17. fijo ( 09/12/2005 20:06)
lazaina fa mpangalatra daholo izay tonga eo.ka milatsaha indray fa aza miafina intsony e
18. mandrindra ( 15/12/2005 09:47)
Marina fa samy naka izay tonga teo ary mbola haka koa izay ho avy eo na iza na iza. Fa hevitra entina mampan droso aloha entina vao mitsara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3772