Inona indray re no horesahana e!

21. jennifer2 ( 03/12/2005 01:44)
Soa ihany zany fa hitandry zareo hoe gasy petaka enao.
22. Herimiafina ( 03/12/2005 01:50)
Ngah izy miraharaha an'izany fa raha ahiahiany fotsiny dia asiany S eo, mahita le anarana lavabe koa izy de koditra, hehehehe:-D:-D:-D:-D
23. antso2005 ( 03/12/2005 02:04)
Ny anarantsika aloha lava loatra e, fa milay satria io dia anisan'ny maha Gasy antsika!

24. Herimiafina ( 03/12/2005 02:11)
Le anarana aloha eo ihany fa ny mahasosotra ny amerikana indraindray de tsy maintsy mi-decline identité daholo ny canadiana izay manadalo aeroport ao na dia transit aza, de mbola nisy koa ilay avion canadien saika tifirin'ny avion de chasse amerikana, somary misy fifanolanana kely entre amerikana sy canadiana tato ho ato izay, hehehehe:-D:-D:-D:-D
25. jennifer2 ( 03/12/2005 02:13)
Zany ve? de somary manahirana zany le avy any Canada mankaty USA?.
Fa le anaratsika gasy tokoa aloha de lava be e! le ankizy miara-mianatra amiko aty zao an. sahirana mihitsy ny standardiste manoratra sy manonona azy.
26. Herimiafina ( 03/12/2005 02:17)
Azo torina ny olona tsy manonona tsara ny anaranao, na lava tahaka ny inona aza izany. Matahotra mihintsy ny olona aty matetika manonona ny anarako satria azoko torina izy raha sendra tsy mifanaraka ny prononciation, nefa zah tsy haninona azy akory, hehehehehe:-D:-D:-D:-D

Misy accord be dia be entre Canada-USA-Mexique, libre-échange ALENA, ZLEA, sns, ka afaka mivezivezy amin'ireo tany telo ireo tsy misy olana, tsy mila visa fa pasipaoro fotsiny no aseho de izay.

Fa resaka ekonomika no tena mampiady ny amerikana sy ny canadiana, ary resaka politika, tsy neken'ny canadiana mantsy le resaka Bouclier anti-missile iny de tezitra ny amerikana, sns.
27. jennifer2 ( 03/12/2005 02:19)
Hay ve?
fa ny anarako anie tsy haindry zareo manonona e? sahirana be ry zareo. (le tena anarako io an)

28. antso2005 ( 03/12/2005 02:23)
Ny fifanolanana ara-politika dia misy matetika fa ndraindray koa anie reo manao sinema fotsiny e.

Malala-tsaina ny Amerikanina fa ny racisme dia hitako hoe mbola matanjaka. Izy tsy mivandravandra fotsiny.
29. Herimiafina ( 03/12/2005 02:26)
Ka misy lalàna matanjaka be koa miaro ny minorité visibla sy ny vehivavy aty Amerika avaratra iray manontolo.

Afaka torina izay manao propos raciste sy manambany vehivavy na manao harcelement sexuel ary izany na dia tsisy temoin aza, na tsisy porofo aza. Masinteny ny minorité visible sy ny vehivavy.

Ny racisme dia mirongatra be ihany fa tsy asehony mivanatana surtout vis-à-vis ny mainty hoditra ary indrindra any amin'ny partie Sud.
30. jennifer2 ( 03/12/2005 02:30)
raha olo-mandalo aloha tsy mahita an'le racisme aty amerika e! fa rehefa miara-miana tsikelikely aminy enao, angamba rehefa mahazo tsara ny resany de hita ihany le maha-racisme azy. na samy zareo aza hita be zany. ra vo tsy mitovy hevitra aminy, na te ihinana gateau aza izy de omenao, laviny tsotra izao.
31. Herimiafina ( 03/12/2005 02:55)
Fa ny amerikana aloha tsy dia racista mihoatra ny europeana e, any tena tonga dia mikasi-tanana mahintsiny, aty tsy azo hatao mihintsy na ny manosika aza. Sady tonga de 911 tsisy fetra polisy mameno tanana de tsy misy atahorana. hehehehe:-D:-D
32. jennifer2 ( 03/12/2005 03:14)
Ie, fa ny europeana tokoa raciste an, indrindra fa le frantsay? Halako.
33. antso2005 ( 03/12/2005 03:42)
Marina hoe misy lalana miaro ny minorite sy vehivavy fa mbola be ireo vehivavy mitaraina aty States fa tsy mitovy velively ny zon'ny lahy sy ny vavy any amin'ny toerampiasana. Ny lahy be karama kokoa sady mora mahazo promotion oharina amin'ny vehivavy na dia mitovy fahaizana sy traikefa zao aza.

Ity fieritreretana hoe ny olo-mainty dia tsy manana fahalalana, vendrana etsetra(tsy haiko loatra ny tena hevitry ry zareo fotsy oditra amin'ity racisme ity) ity aloha dia hitako fahaterentsaina avy amin'dry zareo fotsy mihitsy e. Amin-dry zareo Afrika dia firenena iray, tsisy mampiavaka ny firenena tsirairay avy ao aminy. Afrika dia tany mahantra, vendrana be daholo ny olona ao sady kamo, feno ady an-trano, ripaky ny SIDA.....

Mbola ho ela vao hiova io fisainandry zareo io raha ny fahitako azy.
34. jennifer2 ( 03/12/2005 17:18)
de zany no hidefiana andry zareo @ resaka fahaizana rehefa mba mahazo bourse any amindry zareo e! aseho azy hoe, zahay koa mba mahay, sady tsy mahantra zany.

Fa marina aloha io tenenin'i Antso io e. za zao mahita document de le faharatsiana any Afrika no jerendry zareo fa tsy mba manome lanja an'le zavatra tsara zany izy. Nefa aty amindry zareo koa mba be zavatra ratsy, sady betsaka ny olona zara raha miaina koa e!
Le dessain anime Madagascar zao tsy de mivoaka tsara ery ny hakanton'ny Madagascar nefa de hankalazainy be ery. Za aloha tsy satisfait @ iny DA iny e, mbola betsaka ny tiako amboarina raha za no realisateurny.
35. Herimiafina ( 04/12/2005 01:55)
Amboary aza de asehoy anah avy eo amboariko indray de toy izay hatrany de tsy ho vita mahintsiny le film ny farany, hehehehe:-D:-D:-D:-D
36. jennifer2 ( 04/12/2005 02:05)
rehefa samy afa-po ry herimiafina de vita a.
37. Herimiafina ( 04/12/2005 02:09)
DE afa-po tsika de le mpanamboatra azy tsy afa-po de mifanolana eo mandrampahafatiny, hehehehe:-D:-D:-D:-D
38. jennifer2 ( 04/12/2005 02:17)
aiza koa ny zavatra tsy hisy farany e? tsy maintsy misy ifanaraha foana eo mba hamaranana azy.
39. Herimiafina ( 04/12/2005 02:24)
Eny ary re e, otsan'izay sy izay ihany koa ny toetran'ny amerikana, jereo tsara anie e, refa hamokatra zavatra iray de tsy mety afapo mahintsiny. Kanefa izay no tena ilaina. hehehehe:-D:-D:-D:-D
40. jennifer2 ( 04/12/2005 02:46)
le tsy mety afa-po ve ry herimiafina?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1232