Voka-tsoa ny fanjanahantany!!

21. Herimiafina ( 02/12/2005 22:08)
eprom» fa maninona aza misy olombelona tsy manao an'ireo amin'ny firenenkafa, matetika anglophone ké? hehehehe:-D:-D:-D:-D
22. hesham ( 03/12/2005 01:33)
Ny hitako tombotsoan`ny fanjanahantany zao dia refa mba misy resaka na vahiny miteny frantsay dia tsy mivanaka lotra dadabeanay sy bebeanay fa mba afaka mi participe @ resaka :-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
23. Herimiafina ( 03/12/2005 01:37)
Libra angaha ry zareo ampidiriko amin'ny dadabeanay sy bebeanay ry hesham? hehehehe:-D:-D:-D:-D
24. eprom ( 03/12/2005 06:35)
fa maninona aza misy olombelona tsy manao an'ireo amin'ny firenenkafa, matetika anglophone ?
Tsy haiko ny mamaly izay. Ny fihevitro azy de lasa lavitra @ demokrasia sy fahafahana ry zareo ka tsy afaka manampatra ireo hadalana ireo ny mpitondra. Tsy ny mpiteny anglisy ihany io fa izay manaja ny demokrasia sy fahafahana rehetra ( nordika ohatra ).
25. Herimiafina ( 03/12/2005 20:43)
eprom: marina izay, l'économie libérale.
Amin'ny structure anglophone dia tsy misy ny hierrarchie fa mandeha par collaboration ny zavatra rehetra. Misy mesure d'accompagnement be dia be anefa izany fa tsy azo apetrapetraka fahatany raha tany vao hi-adopter système anglophone.
Miainga any amin'ny éducation mihintsy io.

Ny risika aty amin'ny tany anglophone fotsiny dia ny changement de comportement, individualisme, ary ny fahaverezan'ny zavatra lehibe antoky ny fandrosoana: la chaleur humaine et l'affection.
26. sonwin ( 04/12/2005 18:51)
vokatry ny fanjanahan-tany>
-mbola isan'ireo firenena matanjaka i frantsa na dia efa somary marefo aza (mitsetsitra hatrany ny voazanaka)
- lasa isan'ny firenena mahantra indrindra eran-tany madagasikara (ara-toe-karena)
27. eprom ( 05/12/2005 12:24)
Ny faniriana de ny mba hisian'ny mpikaroka tantara malagasy manao "bilan" ny fanjanahan-tany amin'ny lafiny rehetra mihitsy. Ekena fa mety tsy hitovy hevitra ny rehetra fa raha amin'izao toa tsy de ahitana tahirin-kevitra be loatra ka tsy hita izay tena andinihana azy. Ohatra : ohatrinona no lanin'ny frantsay taty amintsika de ohatrinona no niverina tany aminy.
lasa isan'ny firenena mahantra indrindra eran-tany madagasikara (ara-toe-karena)

Manalasala be io. Talohan'ny fanjanahan-tany ve isika firenena matanjaka ara-toe-karena? Zara raha nisy ny fanaovan-taozavatra lehibe teto, ny lalana mbamin'ny fitaovam-pifandraisana zero. Taraiky be isika niohatra tamin'ireo firenena vaventy eoropeanina t@ izany ka mora tamin'izy ireo no naka antsika ho zanatany. Jereo ny japoney ( Meiji) . Raha t@ 1895 izany de efa lasa lavitra ny indostria sy ny toe-karena @ ankapobeny. Tsy hisy firenena hidi-kizo andeha hanjanaka azy @ izany. Raha ny taty afrika indray, nivelatra koa ny toe-karena etiopiana ( Menelik II ) nahafahany nanana tafika matanjaka tsy resin'ny vazaha ka de voatahiriny ny fahaleovan-tenany. Isika malagasy indray de nihemotra raha oharina ny t@ Radama rainy sy Ranavalona reniny. Firenena efa nalemy no novantanin'ny mpanjanatany teto.
28. ravakamalala ( 06/12/2005 11:09)
Hoy i eprom :
Isika malagasy indray de nihemotra raha oharina ny t@ Radama rainy sy Ranavalona reniny. Firenena efa nalemy no novantanin'ny mpanjanatany teto.


afaka tohananao ve ny hevitrao fa liana be aho?inn no mahatonga nao miteny hoe firenena efa nalemy?
29. eprom ( 06/12/2005 13:16)
Ravakamalala> De lazaiko aloha fa tsy manam-pahaizana momba ny tantara aho fa de ny fahitako azy fotsiny no ambarako.
Ny fandrosoan\'ny firenena iray amiko de azo tarafina amin\'ny elanelana misy aminy sy ny firenena manodidina azy. Radama I de niezaka mafy mba hanatratra ny eoropeanina. Izay no antony nisokafany t@ vazaha. Niantso ny vazaha izy hampianatra antsika malagasy. (takalon\'ny asa misionera)Azo ambara teo fa nihazakazaka ny fandrosoana. Ranavalona koa de tsy nila vazaha raha tsy mampianatra zava-baovao ny malagasy. Vokany : nanomboka nanana indostria isika (fanaovam-banja, tafondro...), afaka nifampitana t@ vazaha (ara-tafika). Nihazakazaka be nefa ny fandrosoana tany eoropa na ara-indostria na ara-drafitra. Isika kosa tsy naharaka, ary tsy nivonona ny hanaraka rahateo. Nohon\'ny fahatahorana de nolavina ny ankabeazan\'ny fandrosoana tokony hisy. Ny fihariankarena tranainy no mbola nahazo laka. Vokany : tsy nifandanja intsony ny hery ka mora resy isika. Na ny fihitaran\'ny fanjakana aza tsy vita intsony.
30. sonwin ( 06/12/2005 22:01)
Ny frantsay no nanapotika ny malagasy sy ny tanindrazana!!!Hialana tsiny amin'izay namana frantsay ato fa izany no marina.Ary refa tsy zanaka padesm intsony no nahazo ny fitondrana dia saika hody fanina ny frantsay,kinanjo tsy afa-nanoatra ka nanaiky tsy fidiny. Trano sy lalana kely ireny no mba vitany fa ny harena nangalariny tao sy ny olona novonoiny mihoampapana!
31. eprom ( 07/12/2005 05:52)
Sonwin> Ny fiezahana mamakafaka ny lafy tsara sy lafy ratsin'ny fanjanahan-tany tsy midika mihitsy hoe naman'ny frantsay. Ny fitiavan-tanindrazana ao anatintsika tsy azo anaovana fijery mitanila ny tantara-pirenena.Ohatra : firifiry moa ireo olona antitra no miteny hoe "hafa ihany ny tamin'ny andron'ny vazaha". Isika akory tsy hiverina ho zanatany ary tsy misy maniry izany rahateo, (na ny mangata-bola amin'ny vazaha hanaovana ny rova aza tsy ankasitrahako), saingy ekeko fa nisy lafim-piainana hitan'ireo antitra ireo t@ vazaha izay heveriny fa tsara. Inona ary izay? Nahoana no tsy vitan'ny gasy intsony rehefa nahaleo-tena izy?

32. xxx ( 07/12/2005 18:04)
Fa hoy koa ny olona lehibe niaina tamin'ny fanjanahan-tany: Aleo lavitra tamin'ny andron-dRanavalona.Inona koa aza io lafim-piainana io? Nahoana no tsy hita tamin'ny fanjanahan-tany? ary levona tanteraka ankehitriny?
Samy manana ny fahitany azy ny tena marina, izaho koa taranaky ny nataon'ny menasofina nahita faisana ka mety izany koa no mitarika ny fomba fijeriko tsy ahita ny lafiny hafa.Borné za eto..lolll
sw
33. ravakamalala ( 09/12/2005 21:48)
Nisy ny vokatsoa nentin'ny fisian ny frantsay na ny anglisy tany amintsika (tsy mandà aho) fa tsy nisy vokatsoa nentin ny fanjanahantany mihitsy, izay dia mazava.
34. Herimiafina ( 09/12/2005 21:53)
Nisy vokatsoa anie le izy raha ny olona sasany no jerena e, nisy vokatsoa ho an'ny PADESM sy ny taranany klé. Zah manana lisitra. hehehehe:-D:-D:-D:-D
35. ravakamalala ( 09/12/2005 22:25)
Na hatram zao aza ny taranak ireo mbola mahita vokatsoa ihany kou, f'angà tsika mbola fanjanahan tany e?8O
36. Herimiafina ( 09/12/2005 22:54)
Ka ny fanjanahantany taloha efa tapitra fa ny miaramilany mbola velona any daholo knou, ary tsy mety maty mahintsiny fa mbola mamely mafy an, mamely ny mpiray tanindrazana, mampiady foko, mandrangitra ady, mamoaka resaka fihaviana sy kilasy klé, hehehehehe:-D:-D:-D:-D
37. lapino ( 09/12/2005 22:58)
Nisy nahita an'izany Audrey Pulvar vs Sarkozy zany ve nareo, t@ France3?
38. Herimiafina ( 09/12/2005 23:21)
Tantarao hoe ry lapino, hehehehe:-D:-D
39. booboo ( 10/12/2005 10:36)
lapino > ié fa maninn ?

Ny tsy azoko dia maninona no nofaritana manokana hoe "dans les Antilles et en Afrique du Nord " ? Ao raha ...
Mila mianatra Histoire-n'ireo firenenana ireo ny UMP raha tsy zay hiteniteny foana tahaka ny FN ny farany !
40. lapino ( 10/12/2005 11:17)
Za tsy nahita an'le izy ka, fa ity article ity no hitako: Jereo eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4797