Fangatahan-kevitra momba ny fetin'ny faran'ny taona

1. rabejo ( 28/11/2005 14:45)
Aiza no tena mba Ambohipihaonan'ny gasy eto Montpellier rehefa fetin'ny faran'ny taona e ? Izahay manko izao tsy mba manana toeran-kaleha fa dia miandry ny antson'ny namana raha misy azo iarahana.
2. rabejo ( 30/11/2005 11:02)
:oops:Menatra be aho fa toa tsy mba nisy namaly ny fangatahako na dia iray aza. Izahay ange tsy h angataka na hi-calendre akory fa mba te-hifaly miaraka fotsiny e ! Sao dia izay manko no mampiahotra ny sasany. Sa hoe aleo ihany samy maka ho azy ?
3. antso2005 ( 03/12/2005 03:55)
O Rabejo a, tena any Frantsa marina ialahy. Miala tsiny aloha ho an'izay Gasy ao Frantsa fa malaza be hoe tsy mifanampy ny Gasy ao.

Raha taty aminay ianao dia nolazaiko hoe ndao hiara-hifety e, fa saigy lavitra be koa. Raha mahafantatra olona ao Montpellier koa aho dia nampifanantoniko nareo fa saingy indrisy.

Aza manahy fa mahita toerana milay foana mandrapahatongan'ny faran'ny taona e :-)
4. fijo ( 09/12/2005 20:25)
rajebo,jereo letsy any ampiangonana fa mahita aleha foana ialahy an.za tsy any montp fa fantatro fa manao foana nareo any.
5. mitantsoa ( 12/12/2005 15:36)
:lol::cry:(l):-*
6. zandrikely ( 17/12/2005 19:00)
zay aty paris fa ra ho avy enao dia tongava e ,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1998