kitra famaranana: tsy tontosa!

1. jentilisa ( 26/11/2005 08:28)
Ho antsika mpitia fanatanjahan-tena indrindra ny baolina kitra: fantatra ary fa toa tsy hisy intsony ny lalao famaranana famerenana eo amin'ny USJF ravinala sy ny USCAFoot. Raha nokasaina ho fifanarahan'ny ekipa roa indray no mifandamina amin'izay lalao hiatrehany eo amin'ny sehatra afrikana dia samy tsy nisy nampandefitra ny hambo-pony ry zareo. Farany dia nanapa-kevitra ny federasiona fa ny Uscafoot no handeha any amin'ny Champion's leagues (afrikana) fa ny USJF Ravinala kosa no halefa any amin'ny coupe de la confédération...
nohazavaina ny antony fa raha atao ny kajikajy dia ny USCAFoot no nahatafiditra baolina maro indrindra tamin'ny fiadiana ny tompon-daka no sady nahatafidirana baolina vitsy indrindra rahateo.
ny fara-filazana ny ekipa hisolo tena rahateo amin'ny 30 novambra ho avy izao ka izay no nandraisana io fanapahan-kevitra io.
2. mandrindra ( 28/11/2005 10:13)
Tsy lasa resaka hafa mihitsy ve io kitra io e, iza avy moa no lehiben'ireo club roa ireo?
3. jentilisa ( 28/11/2005 11:04)
Patrick Ramiaramanana sy Ratsirahonana Lala!
4. eprom ( 01/12/2005 14:36)
Misy fitenenana izay hoe ny baolina boribory. Raha kajiana ve ny baolina tafiditra sns tsy tokony ho frantsa no nahazo ny Euro fa tsy grece? Raha izaho, tsy aleo aza ve natao teny antanikatsaka ny finale?:wink:
Tsy lôjika amiko mintsy aloha le amboara tolorana fotsiny eh. Raha tsy hoe efa nifanarahana hatrany amboalohany fa kaonty isa no atao
5. mandrindra ( 02/12/2005 10:13)
ka io anie ry jentilisa no mampiahiahy ahy hoe tsy fifaninana fanatanjahantena fotsiny fa tafiditra indray ilay resaka maloto e !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0835