eritreritra mandeha...

1. kilalaki ( 22/11/2005 08:45)
manao ahoana daolo e!!
izao hoa ,ianareo ve tsy mba mahatsapa an'izao zavatr'zao,mba nanao ahoana ny endriky ny serasera ara-mpiarahamonina raha mba ny maty indray no hifaliana de ny teraka no itomaniana? mba miandry ny hevitr'zay manana any ho any
2. xxx ( 22/11/2005 09:17)
ka izany ve aloha de mety ho possible amintsika gasy e!eny fa na ry zareo vazaha koa aza! tsy haiko aloha e!fahasoavana ve hitomaniana de tsy hisy hiteraka ny olona fa aleony maty de fety be zany?
3. pika ( 22/11/2005 09:38)
eritreritra mandeha marina ka tandremo aza sao lasa any @ tanin'ny ......
4. xxx ( 22/11/2005 10:22)
raha olona tena hàlana tsy tiana mandrebireby fiarahamonina miteraka korontana sy fahatezerana be , raha maty izany olona izany mety hifaliana raha vhv bevoka tsy nirina ka teraka mety itomanina
5. lapino ( 22/11/2005 12:36)
Misy fomban'ny gasy sasany, hoe raha efa tratr'antitra ilay olona dia ifaliana rehefa maty! Faritr'i Mananjary no efa hitako.
6. mandrindra ( 22/11/2005 14:53)
ny teraka itomanina aloha dia efa misy, izany no ato hoe tomaninkafalina. Fany hoe hibal mihitsy rehefa misy maty dia tsy hitombina mihitsy satria lasa be ny mpamono olona mba ho fety foana ao antanana !!!
7. ravakamalala ( 22/11/2005 16:02)
fa misy olona nefa an, satrai raisiny ho fahasoavana be izany fahafatesana izany dia mifaly rizareo rehefa misy maty ao amin ny fianakaviany!!

fa lé teraka hitomaniana ve an?... raha nitomany koa teo ampanaovana an ilay zaza dia mety possible zay:-D:-D
8. fijo ( 22/11/2005 21:39)
toa manadala ilay loahevitra ,nefa rehefa jerena tsara dia zavatra mety hitombona tsara.
tadidio fa ny olona maty anie "afapahoriana e"ary ny zaza teraka,vao latsaka dia tomany,satria hiditra ao anaty fahoriana.ka asa raha tokony hifaliana marina.
9. mandrindra ( 23/11/2005 16:19)
tsia kosa e, ny zaza vao teraka ve dia tonga dia hoe hiditra ao anatin'ny fahoriana. anjaran'ny RAR-ny no miatiza, mampianatra sy manome fahalalana mba tsy hananany izany fahorina izany. Sady tsy ilay zaza anie no mifaly rehefa teraka fa ny RAR sy ny fianakams. Ny RAR mifaly satria io no vokatry ny asa. Asa 10 minitra ve ho an'ny rainy nahatonga an'io tsy ho hafalina izany !!
10. fijo ( 23/11/2005 22:03)
ary zanaka 4mi ve hisy fanantenana fa mety hiala izany fijaliana izany?
11. lapino ( 25/11/2005 03:01)
Raha ny fahazoako ny tenin'i fijo etsy anefa dia hoe ilay fiainana mihitsy ny misy fahoriana; tsy voatery hoe miankina amin'ny harena, fa samy iharan'ny problema isan'andro daholo, samy mety marary, noana sy reraka, tezitra, malahelo, matahotra, miahiahy ... samy mety hilaozan'ny havany (hiavian'ny havany vaovao manko e), ...

Dia raha raisina am'zay indray nefa le izy de lasa hoe aza miteraka intsony fa hitondra zaza ho amin'ny fahoriana fotsiny. :?
12. fijo ( 25/11/2005 05:38)
eny e,le fiainana mihintsy anie no efa fahoriana lava e,fa misy manana sansa mba hanamaivana azy
13. mandrindra ( 25/11/2005 14:04)
ie, mety afaka amin'ny fijalina daholo ny rehetra rehefa miezaka.
14. fijo ( 25/11/2005 20:38)
sarotra e
15. mandrindra ( 26/11/2005 17:08)
tsiys mafy tsy laitry ny zoto.
16. lapino ( 27/11/2005 11:53)
mandrindra:

ie, mety afaka amin'ny fijalina daholo ny rehetra rehefa miezaka.

Ka ilay ezaka koa ange no mampijaly e! :? Izay ilay ozona hitsembo-tava.
Fa ianao fotsiny no misafidy hoe aiza no hasianao ny fijalianao (izay tsy maintsy hihatra aminao): any amin'ny ezaka sa amin'ny zavatra hafa?

Ilay mitomany rehefa misy maty ange, isika mbola velona no malahelo sy idonam-pahoriana, fa ilay olona maty iny tsy voatery ho ohatr'izay e! Izy aza afaka tamin'ilay fijaliana obligatoire.
17. mandrindra ( 28/11/2005 10:04)
ka dia hilavo lefona ve izany ???
18. mandrindra ( 28/11/2005 10:06)
raha izany hoe fijalina foana izany ny fiainana dia izay ilay fatalité tsy mahatafavoaka amin'ny sarotra mihintsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0992