Baiboly sy tantara/siansa

1. lapino ( 21/11/2005 16:00)
Ohatra ny voamariko hoe resaka tantara foana no ampifaninanina amin'ny baiboly. Dia mifangaro daholo na tantara tena nisy, na tantara noforonina, na tantara reconstitué, na théorie isan-karazany, sns ...

1- Tenin'Andriamanitra ny ao amin'ny baiboly. Izay no tokony ho jerena amin'io boky io, milaza ny sitrapon'Andriamanitra ny lahatsoratra ao na tantara io, na tononkalo sy tononkira, na lahatsoratra hafa sns ... Fa raha ny tantara fotsiny no hitanao ao, dia mitovy amin'ny tantara rehetra ihany, tsy izay anefa no important.

2- Hanaporofo ny fahamarinan'ny baiboly, hanazava zavatra tsy concret na materiel ao amin'ny baiboly. Amin'ny tantara ve? Amin'ny siansa? sns ... Dia zavatra voafetra no hanazavana zavatra tsy voafetra hoy ilay namana iray izay (tsy tadidiko ny anarany).

3- Mifanohitra amin'ny siansa ny zavatra voalaza ao amin'ny Baiboly? Hoy indray ilay namana iray izay hoe: Aza mitady 3D eo ambony taratasy.

3- Samy tsy hay hazavaina, samy tantara tsy hay porofoina, iza no halaina: Andriamanitr'i Abrahama Telo Izay Iray ve? sa Andriamanitry ny silamo? sa Bouddha? sns ... sa Tsy hivavaka? Alao izay tianareo, ary assumer-o, fa raha izaho sy ny ankohonako dia hanompo an'i Jehovah izahay!

novalian'i jentilisa ny 24/11/2005 06:12
2. lapino ( 21/11/2005 16:13)
Misy diso isa io, 4 fa tsy 3 ilay farany :)

5- Ampiasain'ny olona amin'ny zavatra ratsy ny fivavahana kristiana. Tena nisy an'izany teo amin'ny tantara, nihatra taman'aina mihitsy, ary mbola misy an'izany hatramin'izao. Miteraka pouvoir manko ny fitondram-pivavahana.
:arrow: Tsy ny fivavahana no ratsy amin'izay, fa ny olona milalao azy!
3. rmidera ( 21/11/2005 16:56)
Amiko indray tsy hoe Andriamanitra no maro fa ny anarany no maro.
Raha maka ohatra tsotra aho dia isika olombelona toy ny mitsapa trozona iray ao amin'ny andro maizina na alina dia samy milaza izay voatsapany ao.Samy marina ny lazaintsika fa samy tsy ampy ary tokony hanaiky anio isika fa tsy hiotompo teny fantatra ho manana ny marina.
Raha milaza ianao fa hanompo an'i Jehovah.Anarana iray fampiasan'ny olona io nefa iza moa no milaza aminao fa io no anaran'Andriamanitra ao anatin'ny baiboly?
4. lapino ( 21/11/2005 18:58)
rmidera:
iza moa no milaza aminao fa io no anaran'Andriamanitra ao anatin'ny baiboly?

Ny baiboly! :)
5. rmidera ( 21/11/2005 19:05)
Raha tena mamaky io baiboly io ianao tsy miteny mihitsy izy fa io no anaran'Andriamanitra.
Na testamenta taloha na vaovao tsy misy milaza anio mihitsy fa hevitra diso izany.
Na izany anefa na tsy izany tsy dia hoe mametraka olana izany rehefa hainao ny mifandray aminy.
6. lapino ( 21/11/2005 19:11)
Raha tena mamaky io baiboly io ianao tsy miteny mihitsy izy fa io no anaran'Andriamanitra.

:?::?::?::!::!:
Ohatra iray fotsiny (parmi tant d'autres):
Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; ... Salamo.100:3
7. rmidera ( 21/11/2005 21:17)
Io ohatra omenao io anie tsy miteny mihitsy hoe Jehovah ny anarany.Midika io hoe Jehovah dia Andriamanitra,mitovy amin'ny hoe aoka ho fantarareo fa lapino dia olombelona.Samy nianatra ny atao hoe teny mivaditrafitra angamba tany amin'ny T4.
8. lapino ( 21/11/2005 21:35)
rmidera:
Io ohatra omenao io anie tsy miteny mihitsy hoe Jehovah ny anarany.Midika io hoe Jehovah dia Andriamanitra,mitovy amin'ny hoe aoka ho fantarareo fa lapino dia olombelona.Samy nianatra ny atao hoe teny mivaditrafitra angamba tany amin'ny T4.


fehezanteny mivadi-drafitra hoe :wink:
Ka aza afangaro àry ny kianteny dia sy no. Avaho tsara koa ny enti-milaza voafaritra sy ny tsy voafaritra.

Sûr ve rmidera fa misy dikany izany resaka izany?
Miala amin'ny resaka siansa sy tantara indray ity dia fandrasana fehezan-teny. :?
Resaka tsy misy dikany izany, fa tsy hanova ny anaran'Andriamanitra akory!
9. Bibilava ( 21/11/2005 21:47)
lapino:

rmidera:
iza moa no milaza aminao fa io no anaran'Andriamanitra ao anatin'ny baiboly?

Ny baiboly! :)

Rahefa namaky boky siantifika miresaka ny momba ny andriamanitry Israely aho dia toy izao no amintinako ny zavatra azoko momba an'Andriamanitra(ny anaran'ny Andriamanitra semitika):
-Eloah,na Elohim (Andriamanitry ny tapany avaratra antsoina hoe Israel)Loharano=E.
-Jehovah (Andriamanitry ny tapany Atsimo antsoina hoe Jodea) Loharano=J
Rehefa natambatry ny Jodea ho iray ny tantara satria izy no akanga sisa nanamborana(ny Israely dia babon'ny Assyrie),dia navadiny ho iray ny tany sy ny Andriamanitra,ary lasa i Jerosalema no renivohitra ary tempoly iray no hanasinana,ary nopotehin'i Josias avokoa izay toeram-panasinana any an-kafa rehetra (Béthel...),novetavetainy,ary novonoiny koa ny mpino finoana hafa rehetra.
Nanoboka teo ny tena "monothéisme" ,sy ny "intolérance réligieuse" izay nankafizin'ny antsoina hoe "deteuronomiste".

10. tsimiandravola ( 21/11/2005 22:43)
Lapino said
1- Tenin\'Andriamanitra ny ao amin\'ny baiboly. Izay no tokony ho jerena amin\'io boky io, milaza ny sitrapon\'Andriamanitra ny lahatsoratra ao na tantara io, na tononkalo sy tononkira, na lahatsoratra hafa sns ... Fa raha ny tantara fotsiny no hitanao ao, dia mitovy amin\'ny tantara rehetra ihany, tsy izay anefa no important.
Tena \"important daholo ny rehetra misy ao amin\'ny Baiboly satria ny voasoratra ao dia ahafahana mampitovy ny \"version\'ny tantara\" ao sy ny version avy any an-kafa (Assyrie,Egypte...)-Ny \"indices\" sasany ao dia ahafahana manome \"datation\" mikasika ny fotoana tena nisehoan\'ny tantara izay niseho(ohatra hoe:fantatra fa ny doctrine de \"Nicolaïte\" dia tsy nisy raha tsy taorian\'ny taona 95,noho izany dia nasisika taty aorian\'ny 95 izany ny toko faha 3 ao amin\'ny Apokalipsa,toy izany koa ny toko 1 sy 2 ary ny 22 araka ny efa nolazaiko taloha).-Toy izany koa ny indices maro toy ny hita any amin\'ny ancient testament manao hoe:\"...qui est encore visible jusqu\'à ce jour\"(manambara izany fa ny andro nisehoan\'ny tantara dia tsy mitovy amin\'ny andro nanaovana ny \"compilation\".-
NOHO IZANY DIA LAVIKO NY VOALAZAN\'I LAPINO,SATRIA MANAO MIZANA TSINDRIAN\'ILA.

2- Hanaporofo ny fahamarinan\'ny baiboly, hanazava zavatra tsy concret na materiel ao amin\'ny baiboly. Amin\'ny tantara ve? Amin\'ny siansa? sns ... Dia zavatra voafetra no hanazavana zavatra tsy voafetra hoy ilay namana iray izay (tsy tadidiko ny anarany).
Ny zavatra tsy voafetra? Malaza io fa ambony,tsy takatry ny saina,avo fijery,mahefa ny zavatra rehetra etc etc....Ekena ê!
Saingy indro kely hoy ny mpandrafitra: ireo olon\'ny siansa,ireo manampahaizana maro,isikz olombelona amin\'ny ankapobeny dia azo lazaina fa voafetra,bitika...Ka nefa isika aza,izaho tsisy dikany ity aza, sns sns dia efa afaka sahady mahatsikaritra ny diso,ny vilana,ny vendrana,ny fanagolen-tsaina ao amin\'ny baiboly.Raisiko ohatra fotsiny izao:Tsy fahavendranana ve ny hoe \"aviavy tsy misy voany satria tsy amin\'ny taonany dia hozonina ho maina\"??(ny toe-pahasalamàny mihitsy no efa voa raha izy marina no niteny an\'io).


3- Mifanohitra amin\'ny siansa ny zavatra voalaza ao amin\'ny Baiboly? Hoy indray ilay namana iray izay hoe: Aza mitady 3D eo ambony taratasy.
Izany ve de mba argument le!?Raha izany fotsiny anie no harandrana dia ianareo no mamendrana ny tenanareo ê!Dia tsy azo atao izany ny mi-tracer axes orthonormés eo amin\'ny surface plane? (o,x);(o,y);(o,z).Dia ahoana izany reny mathématiciens rehetra ireny?Dia ahoana koa izany ireny architectes rehetra manao \"vue en perspective\" rehetra ireny?Toy izany koa ny artistes peintres?Mbola tsy nahita zava-kanto hoso-doko (aquarelle) ohatry ny mivohitra mihitsy ve ianareo?Tsy azo atao koa ve ny manao \"abstraction\" fotsiny izao ny forme tridimensionelle dia tantaraina an-tsoratra?

Aoka hazava ny resaka ê!Tsara ny manao méa culpa,ary tsy ianareo no voalohany nanao izany fa ny tenako izao.Enga ka anie tsy ho ianareo no ho farany.
Ny fahitàko an\'izao toe-tsaina izao mantsy dia toa mbola tsy matinareo lolo foana i Galillée:sientifika namoy ny ainy (martioran\'ny siansa=saint Gallilée lol).

Amin\'izao fotoana indray ka ny \"siansa\" no tediavina tsy hitsabaka any amin\'ny baiboly.Minoa ahy marina ianareo fa efa namaky in-telo ny baiboly aho,ary nandalina imbetsaka ny partie sasany,indrindra ny NT.Nony vita ny \"méa-culpa\"-ko dia tsy namaky intsony aho.Nefa izao dia vao maika interessant be amiko indray izao ny baiboly.
11. eprom ( 22/11/2005 06:05)

Tsimiandravola>
1-Tsy boky tantara (livre d'histoire)ny baiboly, ary tsy ny lafiny ara-tantara no zava-dehibe ao anatiny. Mihendanja ve ny famonjena vitan'i Kristy raha tsy Pilato no mpanapaka? Foana ve ny teny fikasana fa hoe diso sivilizasiona Abrahama?
2-Mba ahafahana miasa dia tsy maintsy manao representation 3D @ taratasy ny mpahay kajy. Saingy de representation ihany izany fa tsy tena 3D akory. Ohatra: mahavita sary trano tena ohatry ny mivoitra ny mpahay maritrano iray. Raha tena 3D iny, de tokony ho hita izany ny lafintrano hafa rehefa asompirana ny taratasy, sa tsy izany :wink:?
3-Raha ny momba an'i Galile indray de ianareo izao no mitana ny toeran'ny fiangonana t@ 'izany : mitompo teny fantatra amin'izay zavatra heverina fa hay. Mbola io toe-tsaina io koa no nisalasalan'ny maro t@ asan'i Einstein, marina tsy iadin-kevitra mantsy ny teorian'i Newton ho an'ny maro.
4- Momba ny aviavin'i Betania indray : nentina nanaovana fanoharana iny, satria ny kristiana de tokony hitory ( hamoa ) na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana.
12. jentilisa ( 22/11/2005 08:15)
Zah aloha dia tsy hiady hevitra e! efa misy mahay mamaly ireo ka aleo anjaran'ireo indray ny mamaly! :°)
13. lapino ( 22/11/2005 09:23)
tsimiandravola:
NOHO IZANY DIA LAVIKO NY VOALAZAN'I LAPINO,SATRIA MANAO MIZANA TSINDRIAN'ILA.

Tsy atao ambony mizana iray mihitsy aloha ny Tenin'Andriamanitra sy ny tantara, kabary, tononkira/kalo, sns ...
Ohatra ny hoe ny fiara sy ny olona entiny

tsimiandravola:
Ka nefa isika aza,izaho tsisy dikany ity aza, sns sns dia efa afaka sahady mahatsikaritra ny diso,ny vilana,ny vendrana,ny fanagolen-tsaina ao amin'ny baiboly.

Mila mahafantatra ny marina, ny mahitsy, ny fahendrena vao afaka milaza hoe diso, vilana, vendrana sy fanangolen-tsaina. Ny momba ilay aviavy io dia tsy azoko, tsy takatro ny lojikany.

tsimiandravola:
Izany ve de mba argument le!?Raha izany fotsiny anie no harandrana dia ianareo no mamendrana ny tenanareo ê!Dia tsy azo atao izany ny mi-tracer axes orthonormés eo amin'ny surface plane? (o,x);(o,y);(o,z)

Ampoizina ihany ilay reaction. Ny zavatra 3D atao sary eo ambony surface plane dia projection. Na tena 3D aza ny kajy ataon'ny logiciels sy jeux 3D ireny, ny sary avoakany eo amin'ny ecran dia vokatra-na projection ihany.
Mety mahatonga zavatra toy ny impossible anefa ny projection. Jereo Ohatra. Mila mahazo an'ilay dimension fahatelo mihitsy vao mety ho afaka manazava an'ireny, jereo eto.
Indraindray ambigü, jereo ohatra. Mila mahazo dimension iray amboniny koa vao afaka ny ambiguité.

Kanefa dimension iray ambony izany, efa monde iray manontolo no miova! Ny siansa anefa fantatsika fa voafetra amin'ny zavatra be dia be.
14. tsimiandravola ( 22/11/2005 10:30)
1-Tsy boky tantara (livre d'histoire)ny baiboly, ary tsy ny lafiny ara-tantara no zava-dehibe ao anatiny. Mihendanja ve ny famonjena vitan'i Kristy raha tsy Pilato no mpanapaka? Foana ve ny teny fikasana fa hoe diso sivilizasiona Abrahama?
2-Mba ahafahana miasa dia tsy maintsy manao representation 3D @ taratasy ny mpahay kajy. Saingy de representation ihany izany fa tsy tena 3D akory. Ohatra: mahavita sary trano tena ohatry ny mivoitra ny mpahay maritrano iray. Raha tena 3D iny, de tokony ho hita izany ny lafintrano hafa rehefa asompirana ny taratasy, sa tsy izany ?

Tsy ny manorina trano eo ambony fasi-polaka,lojika ihany io voalaza io.Toy izany koa ny finoana aorina eo amin'ny "support" tsy mamely:toy izany ny angano sy ny mythologie rehetra.Ka izany no maha zava-dehibe ny tantara marina tsy maintsy atao support amin'ny finoana izay eritreretina haely.Rehefa tsy mamely ny tantara,dia mirodana ny idéologie aorina eo amboniny.Ataoko fa izany ihany koa no kinendry rehefa ampidirina ao amin'ny tantaram-pinoana i Pilato.

Ny resaka D:Ny siansa dia tsy nanome fampanantenana an'iza n'iza mba hamaha ny olan'ny tsy fahazahoana na ny tsy fahafantarana rehetra.Na maro aza ny zavatra mbola tsy fantatra dia tsy antony ampy velively izany hanaovana racourci mankany amin'ny famahanan-dalitra ataon'ny mpino kristianna sy Jiosy ary Silamo.Raha tsy izany dia tsy maintsy mivoana foana no alehany satria iza no tsy ho afaka hiteniteny foana?Raha mandinika tsara ianareo dia maro ny teniteny foana miseho nohon'ny finoanoanpoana,ary tsy misy mihitsy azonareo fefena ny tsy hisehoan'i Masin'i Maria ,sy i Jesoa kristy,ary tsy misy koa azonareo fefena ny tsy honofy ka hanao faminaniana.Nanomboka tany amin'ny Bédouin du moyen orient izany ka hatramin'i Joseph Smith,nandalo tamin'i Nenilava sy ry Mahiol ka tonga tany an-tanin'anandrano.....
15. tsimiandravola ( 22/11/2005 11:12)
1-Tsy boky tantara (livre d\'histoire)ny baiboly, ary tsy ny lafiny ara-tantara no zava-dehibe ao anatiny. Mihendanja ve ny famonjena vitan\'i Kristy raha tsy Pilato no mpanapaka? Foana ve ny teny fikasana fa hoe diso sivilizasiona Abrahama?
2-Mba ahafahana miasa dia tsy maintsy manao representation 3D @ taratasy ny mpahay kajy. Saingy de representation ihany izany fa tsy tena 3D akory. Ohatra: mahavita sary trano tena ohatry ny mivoitra ny mpahay maritrano iray. Raha tena 3D iny, de tokony ho hita izany ny lafintrano hafa rehefa asompirana ny taratasy, sa tsy izany ?

Tsy ny manorina trano eo ambony fasi-polaka,lojika ihany io voalaza io.Toy izany koa ny finoana aorina eo amin\'ny \"support\" tsy mamely:toy izany ny angano sy ny mythologie rehetra.Ka izany no maha zava-dehibe ny tantara marina tsy maintsy atao support amin\'ny finoana izay eritreretina haely.Rehefa tsy mamely ny tantara,dia mirodana ny idéologie aorina eo amboniny.Ataoko fa izany ihany koa no kinendry rehefa ampidirina ao amin\'ny tantaram-pinoana i Pilato.

Ny resaka D:Ny siansa dia tsy nanome fampanantenana an\'iza n\'iza mba hamaha ny olan\'ny tsy fahazahoana na ny tsy fahafantarana rehetra.Na maro aza ny zavatra mbola tsy fantatra dia tsy antony ampy velively izany hanaovana racourci mankany amin\'ny famahanan-dalitra ataon\'ny mpino kristianna sy Jiosy ary Silamo.Raha tsy izany dia tsy maintsy mivoana foana no alehany satria iza no tsy ho afaka hiteniteny foana?Raha mandinika tsara ianareo dia maro ny teniteny foana miseho nohon\'ny finoanoanpoana,ary tsy misy mihitsy azonareo fefena ny tsy hisehoan\'i Masin\'i Maria ,sy i Jesoa kristy,ary tsy misy koa azonareo fefena ny tsy honofy ka hanao faminaniana.Nanomboka tany amin\'ny Bédouin du moyen orient izany ka hatramin\'i Joseph Smith,nandalo tamin\'i Nenilava sy ry Mahiol ka tonga tany an-tanin\'anandrano.....
16. annie ( 22/11/2005 14:29)
tsimiandravola!
ny Baiboly Atoa dia tsy mba fiambo hoe efa nahavita namaky in-3sns aho,tsy zany no filamatra fa ny hoe miantefa sy miorompaka aminao ve ny tian'Aa lazaina ao @ Baiboly,na iza na iza dia afaka manao pli vava mamaky an'io.
rmidera!
dia tsy namaky tsara enao fa voalaza mazava tsara mihitsy fa Jehovah no anaran'Aa
17. rmidera ( 22/11/2005 15:59)
Nahoana aho moa no lazainao fa tsy mamaky tsara .Ianareo no hitako hoe manao tsianjery fotsiny izay voalazany.Mbola tsy namoaka ny hevitro mihitsy hatreo fa mamerina anareo hieritreritra fotsiny.Ary haveriko indray fa tsy izany Jehovah izany no anaran'Andriamanitra voalaza ao
18. rmidera ( 22/11/2005 16:14)
Tsy mbola niteny mihitsy izy fa i Jehovah no anarany na hijery any amin'ny testameta taloha ianareo na testameta vaovao.Ny fandikanareo sy ny nandikan'ireo olona nanao dikan-teny azy no mahatonga anareo milaza fa io ny anarany.Fa ny anaran'Andriamanitra tsy izany mihitsy.Ny fahitako anareo mihevitra an'io dia mety "Temoin de jehovah" ianareo na ny mitovitovy amin'izany.
19. lapino ( 22/11/2005 17:37)
rmidera:
Tsy mbola niteny mihitsy izy fa i Jehovah no anarany

ny Baiboly:
Jeremia 16:21 Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, Eny, hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko, Ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.

Aza miandry hataony mahalala ny anarany ry rmidera. Dia aza tsaraina ambony ihany ny olona, fa "Temoin de Jehovah" ahoana àry?

tsimiandravola:
Na maro aza ny zavatra mbola tsy fantatra dia tsy antony ampy velively izany hanaovana racourci mankany amin'ny famahanan-dalitra ataon'ny mpino kristianna sy Jiosy ary Silamo.

Mety ho tena misy ny olona mamahan-dalitra, mety ho ny baiboly, ny Tenin'Andriamanitra no entiny amin'izany. Fa raha misy manao an'izany dia amin'ny kaontiny no anaovany azy.
Etsy andaniny, ny zavatra voasoratra ao amin'ny baiboly mety ho tsy afaka azon'olombelona. Tsy midika anefa izany fa diso. Rehefa manaiky ianao fa Tenin'Andriamanitra ny baiboly, dia marina izany izay voasoratra ao.
20. rmidera ( 22/11/2005 18:05)
Lapino,Mba fantatrao ve avy aiza no niandohan'io teny hoe "Jehovah" io? Inona no tena dikany raha miainga ami'ny tena fotony. Raha eny dia mino aho fa tsy hiresaka intsony ianao.
Mitanisa jeremia ianao teo,mba fantatrao ve inona ny ato hoe faminaniana?
Ny olona rehetra samy manana ny anarana hiantsoany ny Andriamanitra.Ireny anarana ireny nefa entina hilazana Andriamanitra iray ihany.
Raha manana ny azy ny olona hafa aoka isika tsy hilaza fa hafa noho io lazainao Jehovah io ny azy ireo.Na izany na tsy izany dia averiko ihany koa fa tsy dia misy dikany izany.Fa ny tena zava-dehibe dia ny fahaizantsika miheno azy sy mihara-miaina amin'ny olombelona mitovy amintsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2086