Baiboly sy tantara/siansa

21. tsimiandravola ( 22/11/2005 22:12)
ny Baiboly Atoa dia tsy mba fiambo hoe efa nahavita namaky in-3sns aho,tsy zany no filamatra fa ny hoe miantefa sy miorompaka aminao ve ny tian'Aa lazaina ao @ Baiboly,na iza na iza dia afaka manao pli vava mamaky an'io.
Ny antony nitenenako fa namaky in-3 ny baiboly iray manontolo aho (farafahakeliny io) dia tsy hoe te hizesta akory tompokovavy,fa fanefitra fotsiny ataoko amin'ireo izay mety hilàza fa tsy misy zava-pantatro ao anaty baiboly.Ny marina dia fantatro loatra ny baiboly,ary izay dia sahy milaza aminareo fa ny inverse-ny aventuren'i Saola mihitsy no niseho.Ary raha fahazotoana sy sy ny diligeance tamin'ny fianarana baiboly dia tsy misy ohatr'ahy.Araka ny filazan'ny baiboly nefa dia "la connaissance tue,mais l'esprit vivifie".Tsy miteny toy izao aho raha mbola kristianna.Fa efa tsy kristianna intsony aho (isaorako i Kristy lol),dia mba sahy miteny toy izany.Ary averiko indray fa tsy fitia te hi-zesta akory fa misy antony mazava.

Ka ny antony mazava dia vakio ery ambony ny efa voasoratro fa ho hitanao eo ny ampahan'ny valiny.Ny amin'ny "mirompaka" sy tsy mirompaka amiko ny tian'Andriamanitra ho lazaina dia tsotra ny teniko=azoko dia azoko ny tiany ho lazaina,fa ny "mirompaka" ,tsia.Tsy tiako hirompaka amiko mihitsy intsony satria fantatro fa poak'aty,resaka psychologique fotsiny daholo.Na "amulette" tsisy dikany aza ataonao eny ambozonao ka inoanao,dia "mahazaka" tendrombohitra hoy ny fiteny.

Ny olana rehefa miresaka amin'ny olona toa anareo itony dia tediavina hisy préalable daholo aloha vao handalina ny baiboly.Izany hoe ny condition dia ny fanànana finoana alohan'ny hamakiana texte.Dia mivavaka koa alohan'ny hamaky texte,na alohan'ny hinan-kanina aza.Izany no atao hoe fanangolena,izany no conditionnement ampiasain'ny mpino rehetra mampiely ny kristianisme,izany no antsoina hoe lavage de cerveau,sy embrigadement ary fanatisation....Eny fa na ny archéologue maro aza dia nanao ny asany am-pinoana ara-kristianina,hany ka noeritreretin'ny maro tamin'izy ireny fa iray tokoa ny fanjakàna hebrio tamin'ny andron'i Saul sy David ary i Salomno.Noeritreretin'izy ireny koa fa nisy marina izany "exode" izany...Zérô manatody daholo ankehitriny...lol



22. velonantoandro ( 22/11/2005 22:20)
Ny olana rehefa miresaka amin'ny olona toa anareo itony dia tediavina hisy préalable daholo aloha vao handalina ny baiboly.Izany hoe ny condition dia ny fanànana finoana alohan'ny hamakiana texte.Dia mivavaka koa alohan'ny hamaky texte,na alohan'ny hinan-kanina aza.Izany no atao hoe fanangolena,izany no conditionnement ampiasain'ny mpino rehetra mampiely ny kristianisme,izany no antsoina hoe lavage de cerveau,sy embrigadement ary fanatisation....Eny fa na ny archéologue maro aza dia nanao ny asany am-pinoana ara-kristianina,hany ka noeritreretin'ny maro tamin'izy ireny fa iray tokoa ny fanjakàna hebrio tamin'ny andron'i Saul sy David ary i Salomno.Noeritreretin'izy ireny koa fa nisy marina izany "exode" izany...Zérô manatody daholo ankehitriny...lol

Mba velona ihany aho rehefa antoandro fa manampahasaiana ohatranao,mahery loatra izany hoah!
23. eprom ( 23/11/2005 06:50)
Ny olana amin'ny Tsimiandravola de raisiny ho "verite absolue" ny vokatry ny siansa ka iny no itsarany ny Baiboly. Ataoko fa mazava ny lesona navelan'ny Einstein : mbola tsy lasa lavitra isika ka tsy tokony hihambo "hahalala". Sombintsombiny ny fahalalantsika. Ahoana moa no ilazana fa "fasipolaka" ny tantara nanorenana ny Baiboly na "zero manatody" daholo ny arkeology taloha? Tapitra angaha ny siansa? Azo daholo ve ny fahalalana? Ny fikarohana any aoriana any ve tsy hampametra-panontaniana ny vokatry ny fikarohana hatramin'izay? Sa ny vokatry ny fikarohan'izy mitsam tary @ sujet hafa tary ihany no "valable" fa izay fikarohana hafa rehetra nisy sy mbola hisy de tsy izy intsony? Tsy izay ve le mizana tsindrian'ila? Sa tany Egypta ianareo t@ andron'ny farao ka sahy miteny fa tsy nisy izany "exode" izany. Raha nambara fa revirevin'ny Josia ny nanoratana io tantara io, nahoana koa no tsy azo eritreretina fa mba aingam-panahin'ny mpanoratra egyptiana iray ireo taratasy nentina nanaporofoana fa fanjakan'i farao ny tany kanana tamin'izany fotoana?
24. tsimiandravola ( 23/11/2005 08:47)
eprom:

Ny olana amin\'ny Tsimiandravola de raisiny ho \"verite absolue\" ny vokatry ny siansa ka iny no itsarany ny Baiboly. Ataoko fa mazava ny lesona navelan\'ny Einstein : mbola tsy lasa lavitra isika ka tsy tokony hihambo \"hahalala\". Sombintsombiny ny fahalalantsika. Ahoana moa no ilazana fa \"fasipolaka\" ny tantara nanorenana ny Baiboly na \"zero manatody\" daholo ny arkeology taloha? Tapitra angaha ny siansa? Azo daholo ve ny fahalalana? Ny fikarohana any aoriana any ve tsy hampametra-panontaniana ny vokatry ny fikarohana hatramin\'izay? Sa ny vokatry ny fikarohan\'izy mitsam tary @ sujet hafa tary ihany no \"valable\" fa izay fikarohana hafa rehetra nisy sy mbola hisy de tsy izy intsony? Tsy izay ve le mizana tsindrian\'ila? Sa tany Egypta ianareo t@ andron\'ny farao ka sahy miteny fa tsy nisy izany \"exode\" izany.

Io no tonga amin\'ilay blagy momba an\'i Mompera iray izay:voalaza hoe \"vao ny lohandohany fotsiny no hitanareo\".Hay ny bragetin\'i lery no hadinony no nanidy azy nefa izy eo ampitantarana tantara mahatsikaiky.
Fantatra ihany ny vérité absolue sy ny tsy izy,izany no antony azo iankinana amin\'ny RAISON;Rehefa mi-raisonne tsara ianao fa tsy voafefifefin\'ny finoanoanm-poana dia afaka manisy sonia eo amin\'ny maha absolue ny tranga iray.Marina fa tsy maintsy miseho ary miasa foana ny confiance,saingy tsy confiance aveugle toy ny ampirisihin\'ny finoana.

Ka araky ny famalin\'i Epron ahy eto dia tiako ny manambara fa mbola vao ny sombitsombin\'ny fahalalantsika fotsiny aza no miseho dia efa tsapa sahady fa misongadina ny fahamarinana sy ny fahadisoana.Izany rahateo no mahatonga ny mpino hi-insiste ny amin\'ny finoana satria manelingelina be ny finoana sy ny fampielezana ny finoana ny siansa sy ny progrès.Toy izany koa ny an\'ny Katolika amin\'ity resaka manif JMJ ity:resaka propagandy populiste sisa no hany moyen azo atao mba hitarihana ny jeune,vita teo mantsy ny fanerena anterivozona ,sy famonoana sy fampihorohoroana sy ny excommunication sy ny bucher sns sns.Noho izany dia halan\'ny vatican raha ny tena marina ny mety ho progrès scientifika rehetra satri isaky ny mandroso pas iray ny siansa dia mampihemotra pas iray ny finoan\'ny masse.Ohatra amin\'ireny fotsiny dia asetry amin\'ny resaka \"morale\" sy \"éthique\" (chrétienne amin\'ny ankapobeny)ny fandrosoan\'ny recherche any amin\'ny clônage,fécondation in vitro,fanefitra ny Sida amin\'ny alalan\'ny Fimailo sns sns...

Tsy tapitra akory ny siansa:efa siekla maro izay ny archéologie no nitsikaraka ny lasa n\'ny tany \"biblika\" .Maro no nanao izany amin\'ny fomba tsy siantifika satria manana \"préjugés\" na \"à priori\" (=ny tena ataony dia ny hanome rariny ny zavatra hitany ao amin\'ny baiboly).Mandeha ny andro mandeha ny volana,isaky ny misy zava-baovao hita dia tsy misy azo anamarianana ny voalaza ao anaty baiboly(eo aho mi-exagérer kely lol).Ny mifanohitra amin\'izany no mitombo tsikelikely.
NB:taloha dia voaray ara-bakiteny ny zava-maro ao amin\'ny baiboly,ankehitriny kosa dia lasa vokatra be ilay fiteny hoe:\"resaka symbolique anie no tokony andraisana an\'io hevitra io e\"=io indray ilay \"esquive\" efa voalazako.
Conseil=aza ny siansa no inaikanaikàna hanamarinana ny baiboly ,fa ireo nanao izany aza nanenina.Miverina ho \"sekta\" ankehitriny ny finoana judeo chrétienne,mitovy amin\'ireo nohenjehiny hatramin\'izay (religions paîennes) sy mbola enjehiny ankehitriny.
Marihiko koa fa mbola mitohy ihany ny fisandohana :fantatrareo fa sandoka ny saint suaire de Turin????Ny farany indray izao dia fantatra fa sandoka koa ilay \"ossuaire\".Izany rey havako dia manambara fa mbola tsy tapitra ny archéologie(mamaly ny resak\'i Epron aho io),fa aza manantena fa ny siansa archéologique na historique no hanavotra ny faharendrehan\'ny sambo kristianna.

Farany dia momba ny resaka sources:raha mamaky ny bokin\'ilay raikalahy (roa) ianao dia hahatsapa fa ny \"conclusion\" rehetra lazainy dia vokatry ny sources maro fa tsy avy any Israel ihany.Ny faits maro avy any Egypte,Mésopotamis,Alexandrie sns sns dia mitambatra ho \"faisceaux\" ahafantarana ny marina.Marihiko fa mifanohitra tanteraka amin\'ny fomba kristianna izay tsy manisy sirany afa-tsy ny ao amin\'ny baiboly.Tsy siantifika mihitsy izany démarche izany.
Toy izao ilay fandehany:\"la bile dit que la bible est vraie,donc elle est vraie,donc Dieu existe\".Izany no attitude kristianna amin\'ny ankapobeny.

Miala tsiny fa lavabe!
25. jentilisa ( 23/11/2005 09:10)
ohatran'ny hiditra
26. jentilisa ( 23/11/2005 09:22)
lasa tampoka ilay soratra teo!
izao e! ny tena tsy zakan'i tsimiandravola dia ilay hoe mythologie!
izao no mahavariana: raha mahafantatra tsara izy, ary ataoko fa mahafantatra dia misy fiankinana be dia be tamin'ny mythologie efa nisy tamin'ny andron'ny Antiquité ny fomba fitsaboana na fomba fisainana entina mianatra ny psykolojia amin'izao fotoana izao. Isika aty amin'ny taonjato faha-21 izany dia mbola nanakina ny trangan-javatra notenenin'ny mythologie nolazainao; ohatra ilay nampalaza an'i Freud resaka hoe zanaka te-hamono ny rainy satria tiany ny reniny ( complexe d'Oeudipe). Eo ary isika ohatra! ilaina sa tsia ilay mythologie? Raha tsia nahoana no niverina mianatra ireny indray ny psykology amin'izao fotoana ary ny ohatr'ireny "zava-nitranga tsy mampino ny fisiany ireny" no nampandroso haingana io taranja psykolojia io?
ary tsy io taranja io ihany fa mety ho misy taranja hafa heverina ho "vaovao" be aza...aza hitako!

dia veloma ra-eprom a! mazotoa e! hehehe!
27. eprom ( 23/11/2005 15:07)
Fantatra ihany ny vérité absolue sy ny tsy izy,izany no antony azo iankinana amin\'ny RAISON;Rehefa mi-raisonne tsara ianao fa tsy voafefifefin\'ny finoanoanm-poana dia afaka manisy sonia eo amin\'ny maha absolue ny tranga iray

Tena averiko fa tsy voarain-drangahy ny lesona navelan\'i Einstein. Tsy afaka ahalala ny \"tena marina\" isika. Na izany aza de misy ny teoria azo ampiharina amin\'ny zavatra maro satria kely ny marge d\'erreur. Ohatra ny mekanika newtonienne, na de tsy marina tanteraka aza de ampiasaina betsaka satria kely ny erreur amin\'ny tranga mpiseho andavan\'andro. Ary hitantsika isan\'andro ny vokany. Fa ny arkeôlôjia? Mba manana source firy ireo mpikaroka ireo? Mahatratra arivo ve ? Ohatra fotsiny : firy taona no nanjakan\'i Davida sy Solomona ka naha-iray ny fanjakana? De 3000 taona aty aoriana ianareo mamoaka zavatra vitsivitsy heverina fa natao tamin\'izany fotoana (datation precis koa ve?)de ahasahy milaza fa efa ampy ireo porofo ireo ilazana fa tsy nitambatra ny fanjakana? . Teoria no azo atao fa ny hoe verite absolue kosa....mmmhhhh. Fantatra ihany koa anie ny fomban\'ireo : izay manelingelina ny teoriany de tsy avoakany mandra-pahitany \"fanazavana\". Nahoana tokoa moa no mbola misy arkeology kristiana? Sa vendrana ireny? Vendrana noho Tsimiandravola izay namaky boky arkeolojia de mihevitra fa mahay arkeolojia noho ireo profesora maro mbola mino ny baiboly? Sa izay mandiso ny baiboly ihany no siantifika?
Izay avoakan\'ny siansa eo dia mbola any ankibon\'ny omby izany ka aza mbola asiana sira. Ty hono ka hita ny tehin\'i Mosesy(Anontanio tokoa hoe deba?):lol:
Fanamarihana: ny finoana de tsy mila siansa hanamarinana azy. Tsy \"finoana\" intsony izy raha izay manko. Ary ny finoako aloha hatramin\'izao tsy voelingelin\'ny siansa velively mihitsy.
Raha ny momba ny saint suaire, ossuaire, sns.. de tsy katolika aho ka tsy de inoako loatra ny momba ireny. Tsy hitako anaty baiboly rahateo ny tokony iankinana amin\'ireny. Izay fisainan\'ny vatican ny siansa de azy izany. Ny ao anaty baiboly de \"fantaro ny zavatra rehetra\".
Ny \"morale\" sy \"ethique\" indray de tsy afa-miala amin\'io ny olombelona. Tsy ny siansa mihitsy no hanome vahaolana ny fiainana iray manontolo. Ohatra : maharo ny Sida ny fimailo ( tsy ekipan\'ny kardinaly aho hoa), ekeko izany. Fa aleoko aloha manambady olona manana \"morale\" sy \"ethique\" (chretienne) de tsy mampiasa fimailo mihitsy toy izay olona mahay siansa kinga amin\'ny fimailo ary mampiasa fimailo n\'aizan\'aiza.
PS :

mbola vao ny sombitsombin\'ny fahalalantsika fotsiny aza no miseho dia efa tsapa sahady fa misongadina ny fahamarinana sy ny fahadisoana

Tsy izany ve no atao hoe tapany mikobana?
Fohy ihany fa ampy izay
28. jentilisa ( 23/11/2005 15:10)
hay moa tato aho no nanoratra!
29. xxx ( 23/11/2005 23:10)
Question:en matière d'archéologie,faut il trouver 1000 tablettes d'argiles relatant la même victoire Assyrienne sur les Hébreux avant de pouvoir en tirer une conclusion pertinente?
30. eprom ( 24/11/2005 05:24)
xxx:

Question:en matière d'archéologie,faut il trouver 1000 tablettes d'argiles relatant la même victoire Assyrienne sur les Hébreux avant de pouvoir en tirer une conclusion pertinente?

Avereno ilay fanontaniana azafady, avec pseudo svp. Misaotra

31. jentilisa ( 24/11/2005 06:12)
xxx:

Question:en matière d'archéologie,faut il trouver 1000 tablettes d'argiles relatant la même victoire Assyrienne sur les Hébreux avant de pouvoir en tirer une conclusion pertinente?

f'angaha moa tsy voalaza ao amin'ny baiboly fa nandresy an'i Joda sy Israely ny Asiriana?

raha tsy misy izany ny baibolinao dia tsy izy izay fa nisy nanalana...:-w

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3278