Ny voany no amantarana ny hazo

21. jentilisa ( 23/11/2005 14:33)
bravo ra-zandry! na dia nofafana aza izay nosoratako tsy olana izany fa mahafinaritra ilay hevitra e!
sa ahoana ra-zandry eprom?
22. tsimiandravola ( 23/11/2005 22:46)
tsy fantatro izay nampianarina anareo fa izahay fony nanao sekoly Alahady de \"aza mangalatra..aza mamono olona..tiava ny fahavalonao ets...\" no nanazarana anay
Bravo!Nefa aza mihevitra fa tsy fantary ry \"pères de l\'Eglise \"izany taloha,fantatry ny moines sy ny vahoaka nitoriana ny filazan-tsara hatramin\'izay...Fa tsy mamely e!
Firy ny olona novonoin\'ny \"kristiana\" noho ny fivavahany
Tsy voaisako intsony ka!Jereo ho aho ilay rohy!Efa nandritra siekla maro mihitsy koa,ka aleo atao hoe an-apitr\'isany maro mba ho tsotra.
Iza tamin\'ireo tsy mpivavaka any eoropa ireo no nahafoy ny ainy sy ny fianakaviany hampianatra ny malagasy? Kianina ny misionera nefa inona no mba vitany eo @ fiaraha-monina? Mba firy ny mahantra tsy manana ny mahaolona intsony (4mi) mba navotan\'i Tsimiandravola sy ny namany no hanakiana an\'i Pedro izy raha mba mizara ny finoany mompera. Za aza protestanta tsy manome tsiny azy raha avadiny katolika daholo ny 4mi. Voa mafy ve izany izy ireo raha lasa katolika fa tokony hijanona ho 4mi ihany de tsy mino an\'Andriamanitra? Mba lanjao kely hoe
Raha tsy nisy mihitsy ny \"genocide séculaire\" nataon\'ny kristianina dia mba nisy niangana ny olona mety ho nahavita ny vitan\'ny kristianina.Raha tsy nisy mihitsy ny \"decret\" nanafoana ny liberté réligieuse nataon\'ny kristianna,dia mba nisy ny équilibre teo amin\'ny fiarahamonina multiconfessionelle ka ahafahana mamolavola asa soa aratsosialy ....Hatramin\'izay ka hatramin\'izao dia tsy misy afa-tsy ny kristianna sisa no afa-nanao asa \"soa\" (fa interessé),nanjary ankilabao daholo ny \"formations\" majinika raha nisy ny niangana.Ny Baiboly irery ny miteronterona ery amin\'ny seza fiandrianana amin\'ny arrogance tsy hita noanoa.Nefa azo avy amin\'ny inona izany fiandrianana izany?=vokatry ny tsindrio fa lavo,vokatry ny rà latsaka maro,ary tena maharary mihitsy satria resaka fivavahana mihambo ho Fitiavana.Uo no tonga amin\'ny fitenenana hoe aleo sosoa arahan-tsetsetra toy izay matavy arahan-dromoromo.Amiko dia tant mieux raha mihinana ny 4mi,tsara loatra!Fa rehefa voky izy ,ny fanahy mbola mivezivezy foana satria sao dia lasa any amin\'ny afobe!Tsy misy ny maimaim-poana fa takalom-patsa vidim-pihinanana ê.
Tena mifamadika mihintsy aloha eh.
Eran-tany, mba jereo hoe ny tatitra IDH navoakan\'ny PNUD. De aiza ho aiza ny fandrosoan\'ny tontolo kristiana ( protestanta indrindra indrindra )@ankapobeny raha mitaha @ tsy kristiana? Frantsa firenena laika sy manandratra mafy ny laisite de any aorian\'ireo firenena tavaratra loterana.
Eto madagasikara: manao ahoana ny fandrosoan\'ny faritra sy toe-tsain\'ny olona ahitana kristiana betsaka sy ny zara raha ahitana fiangonana?
Maso inona kosa aloha no ampiasainareo eh.
Ny maso ampiasaiko raha ny amin\'izany dia maso tsy mampiasa ny kritera kristianisma.Ny ijereko azy dia ny resaka niveau d\'indistrualisation sy technolojika,ary izany zavatra izany dia tsy misy idiran\'ny kristianisma mihitsy.Nalefa teo ny ohatr\'i Japon,eo koa ny fandrosoan\'ny sinoa.Toe-javatra mifamadika amin\'izany :ny Usa dia kristianina,fa tsy ny maha kristianina azy velively no ananany tombony.Noho izany dia tsy mitombina mihitsy ny kritera Kristianisma raha ny toe-karena no resahana.Nefa kosa mety tsara angamba ny mandefa hypothèse raha \"multiconfessionelle ny firenena iray.(jereo ho aho ilay rohy:D))Hitako mihitsy ianareo fa mitady hanome \"vertu\" économika sns toy ny mahazatra.Tadidio tsara koa fa na dia voalaza aza i Frantsa fa fille ainée de l\'Eglise,dia efa lasa lavitra ihany ny déchristianisation,ary i Frantsa koa anie ka efa nitàna ny rambony hatramin\'ny ela amin\'ny maha sarotra kokoa ny déchristianisation amin\'nyfirenena latinna.Ny firenena nordika indray dia protestant amin\'ny ankamaroany ka moramora kokoa ny acces amin\'ny libération,izany no nananany avance nialohan\'ny latin.
Fehin\'io dia mazava fa vesatra ara-psychologie ny idéologie kristianna fa tsy locomotive tsy akory.Raha misy fandrosoana misongadina ,amiko ,tsy nohon\'ny kristianisma akory,fa \"en dépit\" n\'ny kristianisma.
zafady fa hanao matematika kely. raha vrai ve ny p=>q (manana an\' Jehovah=>sambatra) de midika fa faux ny Np=>Nq? (tsy manana an\'i Jehovah toy ny Japoney=>tsy sambatra)?
Hypothèse ity:toa matematisianna bé ra Epron izany?
Manandratena an!!!! Fa tsy manakivy anao aho aloha fa tsy mbola amin\'izao andro iainanao izao koa no ahafoana ny fivavahana.
Dia ahetry aho izany fa manandran-tena?=))Singambolo ve dé ambony nohon\'ny vosotra?Ataoko fa marefo dia marefo izy,ka mietry.Dia avy eo asandratra,dé rehefa ambony indray dia misy manetry,dia rehefa ambany indray dia hasandratra....tsisy farany intsony ilay izy ra Epron raha ilay lojika baiboly no anaovana azy â!!Aleo angaha atao hoe fomba fiteny fotsiny io ilazàna ny hoe ilay vosotra no nianjera hoazy satria tsy matotra.Toy ny hoe lainga marivo tototra ka nohazan\'ny akoho tokan\'anaka.Dia manandran-tena indray aho ve amin\'izany nefa efa misy irika indray io hamelezan\'i ra Eprom ahy hoe \"akoho\"???Tadidio nefa ilay resaka momba an\'ilay vosotra sy ny lainga marivo tototra.+an\'ilay hoe \"nanao tsy ho tratry ny aloka ,ka hay tratry ny alok\'akoho.
Hono ho\'aho? Raha mandinika ny fahantran\'ny malagasy ankehitriny
Raha io indray dia iriko mba tsy hampiana trotraka izany fahantrana izany amin\'ny fampiroboroboana ny finoana.Mba aleo ny bandy kely mba hiady sy hioitra,hi-se manifester rehefa misy ny tsindry hazo lena,fa tsy hiandry ny rariny toy ny ampianarina azy hoe \"an\'Andriamanitra no hamaly faty\",\"rehefa voafelaka ny ankavia dia omeo ny ankavanana\",\"rehefa angatahiny ny malabary dia omeo koa ny pataloha\"(lol),\"rehefa asainy manao paompy 100 dia manaova 1000\",sy ny hoe \"andriamanitra tsy andin\'ny hafa andrinay mavomavo eto ihany\",sns sns

Ilay VVS aloha dia resaka hafa iny,tsy miditra fivavahana izany.Miondrika eo anatrehan\'ny asan\'izy ireo aho,ary amiko dia ny fahafatesana toy ireny dia tsy very maina,na dia tsy iriko aza:aleoko ihany velona dia afaka miasa sy miteny izay anjara mba tandrify ahy.
Sao de mba \"ambiance sociale\" fa tsy lova kristiana?
Sao dia esquive kristianna indray ary izany?Efa mailomailo aho izao;
Fiangaviana=rehefa mbola tsy ampy fahalalana (T1) de aza mipingapinga mitandroka sujet efa lasa lavitra ( Existence de Dieu). Tadidio fa raha T6 no asainao mikaroka ny x²=-1 de pas de solution hoy izy ( Verite absolue moa?). Hay mbola N ny espace fantany!!!!!
Dray dray,mba mamitsoka koa ange ra Eprom izany e!=DFa izaho ve aloha no itenenan\'i Epron izany sa ny tompon\'ny Site misy ilay rohy?Marihiko mantsy fa izaho manokana dia efa nolazaiko fa tsy manao remise en cause ny existence de Dieu.Ny ahy ny fantatro fotsiny,ary efa nolazaiko dia tsy i Jehovah ,a yaweh,na Allah na Jesus no Dieu,ary fisandohana fotsiny ireo,fa tsy nisy,..ary tsy izaho no handeha hamorona dieu vaovao.
Hay moa i Ra Eprom izany tena nanao matematika mihitsy.klé.
Jereo ho aho lay rohy.^:^
23. bichette ( 24/11/2005 13:26)
:-w:-w:-w:-w
24. jentilisa ( 24/11/2005 15:59)
ho an-ratsimiandravola dia fampianarana tahaka ny ahoana ary no mety hampitana ny zavatra adinon\'ny maro amin\'izao fotoana izao? Ahoana no atao dia tsy mangalatra ny olona? ahoana no atao dia tsy mamono olona ny olona? Miandry izay valiny izay aho.

Misy ilay fomba fiteny izay hoe manjono ao anaty koveta. Rehefa mifindra fiangonana ny kristiana iray na vitsivitsy no tena mandeha izany resaka izany. Fa izao kosa: aiza ary ny an-dratsimiandravola? sa faly hiady hevitra fotsiny? Raha mampanala ny olona tamin\'ny nisy azy taloha ianao dia inona kosa no omenao azy...tsy misy na inona na inona? Ahoana ny fomba itaizanao ny zanakao? angano \" cinderella-cendrillon\" izay nanimba ny toe-tsain\'ny tovovavy maro ankehitriny manantena ny hahita ny prince charmant ka tsy ilay hoe charmant no tena izy fa ilay prince = vola be sy fananana => fiadanana?

ny fototra voalohany hampitaina amin\'ny fivavahana sy/na fiainana kristiana dia ny fitiavana...raha tsy miaina ny tena fitiavana tsy mahalala ny hasarobidin\'izany eo amin\'ny tena tsirairay sy eo ami\'ny fiaraha-monina. Efa nilaza ianao fa namaky imbetsaka io baiboly io! ahoana kosa ary ny tsara kokoa na inona kosa ary no tsara iankinana ankoatra io fitiavana io. Tsarovy fa tsy mitovy mihitsy izany hoe fitiavana sy hoe fifanajana izany...

manaraka izany, raha raisina io rohy izay hifalianao io dia ireo mpitondra sy mpanjaka sy lehibe tsirairay ihany no tena dradraina sy ambara ao. Fa moa ny hafa rehetra izay nampijalian\'ireo miseho azy ho lehibe teo amin\'ny fitondrana ireo tsy kristiana va? sa izay libre penseur ihany no mendrika tononina anarana?

inona izany albigeois izany izay lazaina fa an-tapitrisa no novonoina? sao dia athées ireo aminao? izaho aloha araka ny fiheverako dia kristiana izy ireo e! tsy hitako izay ireharehanao amin\'izany! ireny novonoina ireny no tena kristiana raha tianao ho fantatra! ireny no ilay derain\'ny Tompo hoe tsy hosimban\'ny fahafatesana faharoa intsony! ireo no tandindona ambaran\'ny fiangonana ao smyrna voalazan\'ny Apokalypsy. Ireo no tsy nanaiky ny fahefana sy ny fanao izay mifanohitra amin\'ny venti-kevitra kristiana.

tahaka izany koa ny vaudois sy ny hussites? niaina tamin\'ny hevitra madio nambaran\'ny baiboly izy ireo. na dia nosakanana aza ny famakiana ny baiboly dia Andriamnitra no tokony ho ekena mihoatra noho ny olona amin\'izy ireo. Tsy mba nandray fiadiana hanoherana izy ireo fa nanaiky hovonoina...kristiana ireo fa tsy athées!

Aleo jerena tsara izay novonoina! firy ny isan\'ny namono dia firy ny isan\'ny novonoina?

tsimiandravola:

Hatramin\'izay ka hatramin\'izao dia tsy misy afa-tsy ny kristiana sisa no afa-nanao asa \"soa\" (fa interessé),nanjary ankilabao daholo ny \"formations\" majinika raha nisy ny niangana.

tsy mahalala lalàna aho ka mandrara ny hafa mba tsy hanao asa soa. izany pere pedro izany dia tsy manambola be hamelomana ny olona mahantra izany fa ny malala-tanana kristiana atoniny ka matoky azy no manao izany fanampiana be dia be izany. Ny azy dia ny fotoana sy ny fahafoizan-tena ary ny fikirizana no kapitaliny. Maniry indrindra aho mba hisy ny vondrona athées mba hanao torak\'izany koa. Fa raha tsy misy dikany moa izany aminy dia efa hevitra tsy misy itovizany! ka aleo samy manaja ny azy.

Ny olana ho an\'ny athées dia tsy ananana fitokisana amin\'izany fitantanana sy fanampiana izany izy ireo. Ny manakiana dia hainy tsara! fa raha tena ananana fitokisana izy tokony hanana hambo hahavita mihoatra lavitra noho ny kristiana izay lazaina fa manompo Tompo fôpla!

AVOAHY ARY NY VOA TSARA ANANANAREO HO HITANAY FA IZANY RAHATEO NO LOHAHEVITRA!

tsimiandravola:

Ny Baiboly irery ny miteronterona ery amin\\\'ny seza fiandrianana amin\\\'ny arrogance tsy hita noanoa.Nefa azo avy amin\\\'ny inona izany fiandrianana izany?=vokatry ny tsindrio fa lavo,vokatry ny rà latsaka maro,ary tena maharary mihitsy satria resaka fivavahana mihambo ho Fitiavana.

Tena marina kosa aloha izany e! iny ary no hitany fa nahavitany ilay zavatra koa inona moa ny olana amin\'izany? raha mahavita dia athées dia ateroterony ary ambony be ery koa ny rohiny sy ny bokiny dia mety ho be ihany ny resy lahatra!

fa tena marina kosa aloha ilay teninao hoe vokatry ny tsindrio fa lavo sy ny ra latsaka mihitsy ny nanoratana ny testamenta vaovao indrindra indrindra. Ny ra latsaka voalohany indrindra dia ny an\'ilay nohomboana teo amin\'ny hazo fijaliana ary be koa ny ra latsaka toy ny an\'ny albigeois, ny hussites, ny vaudois sy ny kristiana hafa maro e!

ny anendrikendrehana ny kristiana ho mpamono kosa dia matetika avy amin\'ny didin\'ny mpanjaka. Tamin\'izany fotoana rehefa manohitra ny didin\'ny mpanjaka dia noheveriny fa mamadika azy sy tsy manaja azy koa vita no anjarany! lalàna izany ary mihatra amin\'ny kristiana ny famonoana rehefa tsy tian\'ny manjaka ny fivavahana ka asainy hialana. Niainana iany teto madagasikara mazava ho azy!

tsimiandravola:

Ny ahy ny fantatro fotsiny,ary efa nolazaiko dia tsy i Jehovah ,a yaweh,na Allah na Jesus no Dieu,ary fisandohana fotsiny ireo,fa tsy nisy,..ary tsy izaho no handeha hamorona dieu vaovao.
Hay moa i Ra Eprom izany tena nanao matematika mihitsy.klé.
Jereo ho aho lay rohy.^:^


Rehefa mandray ilay rohy ka mampieradera azy dia misolo tena azy izany! ianao no ambasaderany dia ampitao any aminy fa mety ho efa mifandray tsara ianareo. Ianao miteny eskiva eskiva io mihitsy no tena manao ilay izy: tsy izaho aloha e! tsy ahy io fa an\'ilay rohy e!

sa faly hiady hevitra fotsiny?
25. xxx ( 24/11/2005 18:10)
izay mihitsy ry jentla ah - faly miady hevitra - rehefa manohana izay tenenina ilay rohy dia ...
tsiamiandravola:
Jereo ho aho lay rohy ^:^
fa au cas contraire dia
tsimiandravola:
Fa izaho ve aloha no itenenan'i Epron izany sa ny tompon'ny Site misy ilay rohy?


dia ho an'i tsimiandravola, izay miasa ihany retsy no azo kianina ah, izay tsy miasa ... kou izy ary tsy mba nanao na inona na inona kou, inona no hotenenin'ny be sy ny bobaka eo amin'ny asa vitany?

Eprom, misaotra mba mampianatra maths kely ato alou eh :lol: - efa nolazaiko tery ambony ... miteny ho an'Andriamanitra hatramin'ny matematika!
tsimiandravola,
"Un peu de science éloigne de Dieu, beaucoup de science rapproche de lui" (F.B.)

dia mba indramiko kely io, omeko an'i tsimiandravola:
"un peu d'histoire eloigne de Dieu, beaucoup d'histoires rapproche de lui"!
link iray ve ... takelaka notsongaina izany amiko!
26. zama91 ( 24/11/2005 21:05)
marina be mihitsy izany fa ny voany no hamantarana& ny hazo,mba tsy hitantarana ny fiainan'ny hafa fa ny antsika tsirairay no resahiny eo sur tout ny andavan'andro.Mba& hita eo amin'ny fiainantsika andavan'andro ve izany ????????????????????
27. LazaRandri ( 24/11/2005 23:45)
zama91:

marina be mihitsy izany fa ny voany no hamantarana& ny hazo,mba tsy hitantarana ny fiainan'ny hafa fa ny antsika tsirairay no resahiny eo sur tout ny andavan'andro.Mba& hita eo amin'ny fiainantsika andavan'andro ve izany ????????????????????

hita tsara mihitsy ka. misy ny voankazo masaka sy mamoa be, misy ny manta sy marikivy, misy ny efa lo...dia anjaran'i zama91 ny mieritraritra hoe hozaraiko ve ireto voakazo ireto sa ataoko am-paosy, na koa hoe sao dia mila zezika sy tondrahana matetika aza ilay hazo :)

28. jentilisa ( 25/11/2005 11:04)
=D misaotra anareo e!
29. lapino ( 25/11/2005 16:23)
Mampalahelo ry zalah ra-tsimiandravola a! :(
30. routa ( 27/11/2005 04:34)
tandremo ary sao ampitomanian\'ny ra\'tsimiandravola eo fa mifaly :D
31. Solitikabe ( 27/11/2005 05:21)
De ahoana ry Miandravola raha girefy ilay hazo?
32. lapino ( 27/11/2005 15:12)
Solitika be < dia ny voany ihany no amantarana azy :)

routa < aiza kosa e! Ny mampalahelo ange dia izao e:

- olona nahazo fahasoavana nitoriana ny tena fitiavana
- olona efa namaky im-betsaka ny baiboly
- olona nahafantatra fiangonana kristiana
- olona manam-pahalalàna sy marani-tsaina
Kanefa:
- ny vatan-tranom-piangonana, ny pasitera, ny mpiangona, ireo olona voafehin\'ny antanan-tohatry ny \"relijiozy - pretra - eveka - papa\" no hitany fa tsy Andriamanitra lehibe tompoina sy ivavahana
- ny ravin-taratasy sy ny tantara no hitany ao anatin\'ilay baiboly fa tsy hafatr\'Andriamanitra
- ny ataon\'ireo olombelona teren\'ny halemena ara-nofo no miantefa aminy fa tsy ny fitiavan\'Andriamanitra tolorany antsika sy asainy ianarantsika
- hitaomana ny olona tsy hivavaka ny saina matsilo

Toa tsy mino afa-tsy izay hitan\'ny maso i Tsimiandravola. Ny hoe \"Sambatra izay mino nefa tsy mahita\" anefa dia eo indrindra, satria tsy àry ho hitan\'ny maso daholo ny zavatra rehetra.
33. namanao ( 01/12/2005 06:57)
Misy theoreme marobe ao anaty baiboly ao!
Raha ireo no ampiharina dia hibaribary fa tsara ny kristianina(mpanaraka an\'i Kristy).
Fa raha ireo tantara fahiny isehoan\'ny habibiana nataon\'ny lazaina ho kristianina dia vokatry ny -tsy fahafantarana ny theoreme rehetra miampy/na tsy fampiharana izany( Reo zany mety Kristianina fa Kristy tsy araka ny ao amin\'ny Baiboly no arahiny !!! satria misy Kristy sandoka).
Fehiny : tena ny voany tokoa no hamantarana ny hazo!!

tsimiandravola > raha tena ethique sy theoreme kristianina araka ny baiboly no hampiharina tsy misy tsindry hazolena zany, tsy misy ady, sns. Fa maninona reo no miseho satria tsy mbola kristianina(araka ny ao amin\'ny Baiboly tokoa) daholo isika(na mety sarintsariny ihany).
34. pissoa ( 01/12/2005 08:10)
misaotra an'i lapino sy Eprom =D=D=D=D=D=D=D=D=D sy ny hafa rehetra eh
35. marozevo ( 02/12/2005 23:39)
Tsy hitako loatra izay tokony hidiran'i Tsimiandravola amin'ny resaka finoana rehefa tsy mino izy, i tsimiandravola izany. Izao fotsiny r'ise no tadidio ah... Ampahafirin'izay efa nitoto tany sy nanozongozon-danitra hanafoana ny fivavahana ise ? Dia mihevitra fa izay hevitra kely tsiponina etsy sy eroa, tsy misy logique fa paraphrase no betsaka, dia ireny no tsy hahasakana anay tsy hivavaka. Tsoriko amin'ise fa diso làlana ise raha izay no mba tsangan-kevitr'ise.
Toy ny voan-kazo an'ala koa moa ny fiainana... hano izay antonona an'ise fa aza manaratsy ny voankazo tian'ny hafa. Sa mahatsiaro maharary ise satria mino an'Andriamanitra any olona. Aza marary amin'izany r'ise ah.. Manaova pacte amin'i Losifera dia afa-po ise.
36. jentilisa ( 03/12/2005 13:27)
nahita ny fanazaan'ny hafa milaza fa tsy misy izany jesoa izany izy fa za atao izany e!

ùmieritreritra koa izy fa oforonin'ny olona taty aorian ny bokin'ny jodaisma sy ny krisitianisma ary ny islam!

ny mahavariana ahy dia ny fanampanatenana nomena an'i Ismaela (genesisy)hoe ho firenen-dehibe izy dia izao matanjaka be izao ny silamo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3833