Fantsaram-belatsihy ve ?

1. rabejo ( 15/11/2005 17:17)
Raha dinihina @ ity serasera ity dia toa mifankatia tokoa ny gasy na dia an-tany lavitra aza. Matetika anefa dia tsy toy izany no hita eto Frantsa fa raha vao fantapantatry ny ankamaroan'ny gasy efa mipetraka eto fa malagasy toa azy ianao dia tsy topazany maso fotsiny. Efa lavitra vao mody pôliny raha manara-maso na tsia.
Ny sasany aza efa renao avy lavitra fa miteny gasy izao dia mody mivadi-dela rehefa eo akaiky.
F'angaha moa dia misy hangataka any aminy e ? Aoka re mba tsy ho toy izany e !
novalian'i rachid ny 30/11/2005 09:36
2. ds ( 15/11/2005 17:21)
Mety misy tokoa izany fa ny safobe mantsina no fadio.
3. sipagasy ( 15/11/2005 17:24)
hihihih ds izay mantsy hoy aho e!!!

fa na dia izany aza mba miovà re rey oul annnn
4. ravakamalala ( 15/11/2005 18:41)
d aza rarahina izy fa avy eto am serasera e! eto mifankatia ny gasy .:wink:
5. vale ( 15/11/2005 21:27)
ola manana problème izany! nen'ny olona mba faly ery hoe mahita mpiray tanindrazana ka ny azy mifanohitra! mmh! ambany be le fisainana! sady tsy ho vazah na oviana ko @ le hoe mivadi-dela miteny vazah! ary izay ko no tena mamenatra satria ianao aza tsy mirehareha @ fiavianao ko ataon'ny olon-kafa ahoana ny hanisy lanjany anao?????soa marina ry RABEJO fa tsy ny ato @ serasera izany!!!
6. fijo ( 15/11/2005 21:35)
marina letsy fa dia misy tokoa ny gasy manao toa izany aty ary maro,fa ny ahy dia izao,avelao izy hanao fa aza arahana izay ratsy ataony any.
7. ravakamalala ( 15/11/2005 21:40)
ka za anie mba gaga e! avelao oa izy ho any fa aza atao probilema!
8. xxx ( 16/11/2005 06:28)
Ka zao ny no probleme ny reny gasy miavona reny mataotatra anao izy satria sao averiny fahagata any aminy enao anefa anie matoa samy tonga aty atanin'olona aty samy mitady zay mahazo daholo ka tsy tokony tsy miavona zany e ny tena hitako ny olona miseo milay reny indray2 tsy dia manahona ny fianany e ka zao lesy rabejo a aza jerena tsy fijery ny olona hotran'ireny ka mba mody fanina koa enao e efa ela anie ny gasy aty france aty manana toetra an'izany ka tsy tokony hagaga anao tsony zany mifankatiava re olona e sika samy gasy hany io.( tonga aty amiko fa za zao mipetraka rery tsy misy mpamangy mila namana za
:D zay rabejo an omeko anao ko ny phone-ko raha ilainao
=))
=))
9. fasaly ( 16/11/2005 06:43)
ka atao ahoana fa zay lay fiainana e! aza hivakiana loha fa diska taloha,
zay miresaka sy miarahaba hitopazo ny fonao fa zay miavona ataovy toy ny tsy fantatra....
aza manasarotra fianana fa ny fiainana aza efa manahairana..
izay mahasoa sy hahatsara ny fiainann'ny tena ihany atao de zay e!
10. akamatiana ( 16/11/2005 07:04)
marna zany akia fasaly a
11. estine ( 16/11/2005 08:05)
aza mifanopa fotsiny efa niova vôza izy tsinona ka:?::?::!:
12. xxx ( 16/11/2005 08:48)
mampalahelo ilay toetsaina , isika anie ka tsy ho gasy na ovina na ovina e sa rehefa aty andafy dia tsy hay intsony ilay ohatra tsika gasy we, arabarabao ny pandalo fa tsy fantatra izay ho ..... maro ny mety ho valiny,
nefa ry rajebo izay mijery anao jerena fa izay tsy miraharaha aza rarahina ,ohatran'ny tenin'i fasaly we ny fihainana efa sarotra , mampalahelo nefa ny olona samy @toetsainy ko
13. ronaldo09 ( 16/11/2005 09:59)
Io aloha dia hita tokoa any Frantsa ,izaho izao farany teo nanao vacance tany ,fa tena tsy hotry ny aty Russie mihitsy ny gasy ao ohatry ny te hampiseho hoe izaho no tena fav....!!! Asa koa angamba be loatra ianareo ao ka dia aleo samy maka ho azy e!Ny aty Russie manko na dia azo lazaina ho betsaka gasy aza dia vitsy raha mitaha amin'ny ao France satria eo ho eo amin'ny 400 eo ny gasy rehetra eto Russie ,ny antasamanilan'io dia ao Moscou avokoa ;koa rehefa maheno olona miteny gasy ianao dia toy ireny mahita volamena ireny ny hafaliana .Izaho izao tany anaty Metro nifanena amin'ny gasy mpivady tao Saint Petersbourg henoko zao hoe miteny gasy ry zareo dia nohantoniko tsy am-pisalasalana ary hafaliana tsy misy toy izany ny azy mivady ary mifandray toy ny mpiray tampo zahay mandraka androany .
Tany Frantsa anefa aho farany teo very lalana ary nieritreritra fa avotra satria nahita olona miteny gasy vao nanontany azy aho hoe :azafady tompoko gasy ve nareo (na dia efa henoko sy fantatro fa gasy aza),tsotra ny valin-teniny : an!an!an! NON .Eritreretonareo ange tsy gasy ve dia hahazo teny gasy?
Mampalahelo tokoa fa araka ny tenin'n i FIJO ery ambony hoe avelao izy hanao an'izany fa aza manao ny ataony fotsiny.
ronaldo9 avy aty Russie
14. bichette ( 16/11/2005 10:15)
olona compléxé no manao an'izany ka ! mampalahelo
15. xxx ( 16/11/2005 11:42)
tena efa ela mihitsy ny hoe fiavonavonan ny samy gasy ao Frantsa ao!tsy haiko aloha fa za mbola tsy nahita e! fa matoa olona maro no nandrenesana dia mitombona izany ka dia tena mampalahelo tokoa,izaho koa no henoko e!menatra hono ry zareo le hampiditra trano sy ny karazany satria mpiasan olona hono no betsaka nefa anie tsy hitako izay hoe hahamenatra e; samy gasy koa!ilay toe tsaina mihitsy e!heureusement aloha aty aminay aty mbola firaisan kina be mihitsy amin ny samy gasy e!
16. fasaly ( 16/11/2005 13:58)
ny aty aminay kou mbola clean be mahintsiny de mahafinaritra dooly..
17. mandrindra ( 16/11/2005 14:51)
Tsotra izany e, rehefa mifanena amin'ny gasy aho dia miarahaba foana, dia izay tsy mamaly dia miteny fotsiny aho hoe ki an'ny mamany dia samy miala e.
18. rachid ( 16/11/2005 15:54)
zandray ry zareo aty paris amin'9eme aty , ary tena tratran'io zavatra io koa aho tena gaga aho taminzay ny tena moa lehilahy , ka mba fanajana ny miarahaba mialoha ,inona no nitranga fa tonga de nahodiny ny lohany aminzay anefa tena olona tsy manao ahoana akory an (azafdy tsy hoe manambany olona sanatria ) de gaga aho nefa de gasy , zao , za moa tsy nanisy olana fa samy nanohy ny lalany e ka hoa an'i akama fombanjavatra io ary na eto am ty serasera ty aza miseho zany miresaka izy fa rehefa injay mila hevitra na fanampiana ianao tsy voatery resa bola anefa de tsy mamaly intsony izy , mampalahelo le toetsaina e, matoa anie samy tonga aty , mba tsy azo atao hoe olonolom'poana e, sa ahoana .....
19. xxx ( 16/11/2005 16:33)
ny eto aminay aloha dia tsy mahita gasy loatra aho e efa nisy ny nifanena tamiko tonga izy dia nanotany we gasy angaha iaano die eny hoy aho dia niresaka ary nifanome telephone dia mifapiantso rehefa misy fotoana , fa ny olona aloha dia samy @toetsainy e , efa henoko ary we rehefa tonga any dago izy milaza we miasa @birao kanefa ny tena asany panadio trano , inona anfe no maharatsy izany , ohatran'ny hiran'i mil kleman hoe tsy misy asa ratsy rehefa mahavelona, izay le toetsaina te hanambonimbony tena , ka raha ny fahafatarako azy dia tsy tiany ny ahalalan'ny olona we inona ny asa ataony ary ahoana ny ao atrano izay no isakanany dieny mialoha tsy hiresahany @olona rehefa tonga any dago izy mialaza fa manana hotel be aty france hi hi hi hi hi
20. rabejo ( 16/11/2005 17:02)
TEna marina daholo zany ry zalahy sy zavavy isany fa misaotra anareo a ! Ny antsika ny fifankatiavana tohizana hatrany e ! Na eny an-dalambe aza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1367