tiany hono aho !

1. xxx ( 15/11/2005 15:46)
mba entiko aminareo ity alaheloko ity ka asa re ny fahitanareo azy sy izay tokony ataoko, fa dia tsy zakako loatra ka zaraiko anio

manana olona iray aho tena tiako, nisy fotoana izay nampikorotana kely anay ary dia saika nisaraka efa vonona aho, saingy noho izy niangavy sy nampiseho fitiavana ahy dia niverina niaraka izahay, nisy sipa S...ay anefa efa nitantarany ny fiainanay fony izahay niady ary mahalala anay roa tsara hoe miaraka aminy .te hiaraka aminy mafy i S.. nefa dia nosarahany hoy izy nony nisaraka izahay roa avy eo, nanao menace ahy ilay S... ary mahalala ny anniversaire ko, nilaza ilay sipa fa tsy maintsy azony i X ary dia hivady ry zareo, nanontaniako i x dia nilaza fa mirediredy rasipa ary dia tsy tiako izy hoy X , efa maro ny resaka menace nataon'i S...ahy fa tsy norarahiako, omaly androko nahaterahako miandry aho nefa dia tsy hita i x raha tsy hariva, malahelo be aho ary manahy mafy aho fa any ami'ilay S...io izy satria dia io mahalala ny anniversaireko ka mety hanao izay rehetra itazomany azy, mety ve izany eritreritro izany ? inona no tokony ataoko hisaraka ve ?
misaotra indrindra anareo aho .
novalian'i zama91 ny 17/12/2005 21:18
2. xxx ( 15/11/2005 15:49)
azafady fa misy tsy mazava , niaraka izy sy S fa nony nifamerina izahay dia nosarahany hono i S .
3. xxx ( 15/11/2005 16:04)
ka nilaza t@ixxx zany izy fa efa nisarahany i s ko mba hiverenan'y xxx, raha ny ahy aloha dia ialao nenina ihany anotanio azy tsara izay tena fanapahakeviny dia raiso koa ny anao ,matetika manko maminy ny atsy nefa tsy foiny ny ary ,ka rehefa tena hitanao fa tsy marina ny zavatra lazainy na mbola hainao fa mbola miaraka ry zareo dia ajanony, marina fa sarotra ny misaraka ary sarotra ny manadino kanefa ny fihainana mandalo , izy tsy hijanona @ataony ianao hijaly @s satri izy hitady plasy ka ataony izay hijalianao,
mieritrereta tsara dia miresaha tsara nareo roa, mandraisa fanapahakevitra ,
mahereza
4. diamondra27 ( 15/11/2005 16:30)
enao ihany no tompokevitra e! rehefa tsy tantinao de ialao fa sao mampideprime fotsine ny fiafarany. Enao zao lasa manao film oe tena tany @ S izy zany matoa tsy tonga raha tsy arivan'ny fetiko; kanefa nety nisy dia maika tampoka nataony de tafahitsoka tany (RDV hafa). F'angaha tsy hitanao le tranon'ny S no naninona no tsy nande nijerena ahafantarana ny tena vérité. De raha ohatra ka tena tany marina izy ka confirmé ny ahiahy-nao de efa ni-préparé psychologiquement ve enao oe: zay zany de zao ny décision-ko, na koa oe nety tsy nahatanty de lasa niady taminy S na X; De nieritreretinao koa ve fa raha manao scène devant an'ilay S enao de ahoana ny réaction n'i X homba anao sa tsia? Mila dinihina daholo zany rehetra zany e! de avy @ valin'io no raisinao ny fanapahankevitra
5. Rhella ( 15/11/2005 16:38)
Raha ny soson-kevitra avy aty amiko aloha dia izao: na dia tsy mbola nisy fifamatorana aza aminareo, rehefa misy ny tsy ifanarahana dia tsy tonga dia hoe hisaraka foana fa mitady vahaolana aloha, tokony tsy hotantaraina any amin'izao olona rehetra izao ny momba ny fiainanareo, fa izany no mahatonga ny sasany hisompatra.
Anontanio tsara ilay olona tianao ka raha mifanaraka tsara ianareo dia tohizo ny fiarahana fa raha tsy tia anao intsony izy dia mionòna, ny fitiavana mantsy no tena zava-dehibe ka raha i no tsy ao dia tsy misy dikany intsony ny fiarahana.
Mahereza e!
6. diamondra27 ( 15/11/2005 16:41)
raha lehilahy aloha le mitia anao sy S de anao ny safidy fa aza miandry ze teneniny enao. Ahoana no ahafantaranao na tena nisaraka marina izy sy S na tsia? Mety mba te hampitony anao ny itenenanany an'izany de avy eo enao calme, iza no mahita na nety nanome toky an'i S koa izy?
enao aloha jerena vao ny hafa, zany hoe raha vonona ianao ny hiaraka aminy hatramin'ny farany de mizaka e!
raha tsia kosa de efa miomana dieny mialoha enao.
Question tokony apetrakao :hitondra inona amiko ny fiarahana aminy? de ho hitanao eo ihany ny valiny
7. fasaly ( 15/11/2005 16:42)
voalohany aloha dia ny fanana fahatokisana no zava-dehibe, fa raha tsy mahatoky an'i x ilay olna miaraka aminao zany de tsy mandry foana ny sainao fa hamorona an'ziao sy izao...
zay menace nataon'i S njay de tsy hisy tokony hampitahotra, tsy mahafaty akory zany fa raha sendra mikasi-tanana vao tena gravy ka de mandehàn avy hatrany any amy police e!
de matoa nifamerina nareo fa nosarahiny i S... de zao fotsiny no lazaiko anao: ianao zany no tena tiany anie e! fa lay s.. nataony bouche trou fotsiny, (filàn-tsy mahita zany) ka rehefa nifamerina ve nareo ka mifankatia tsara tsy izay no zava-dehibe e! sa ahoana ozy toi????
8. diamondra27 ( 15/11/2005 17:46)
ka le izy mitsatsaingotra any @ S zay mihitsy nge no mahatonga an'i S mbola mihevitra hoe hanana chance e!De mankasiaka anao. Mety fantany ihany koa fa tsy manana chance intsony izy de ataony ze maha stabilisé anao.

Amour= confiance + partage

harary fo eo ndry fa ataovy mazava tsara fotsiny hoe inona no andrasako aminy? sao de lany zara eo ndry fa mandeha ihany ny fotoana fa ataovy haingana ny choix de tandremo sao manenina fa assumé-o ny décision raisinao
9. zefalah ( 15/11/2005 18:14)
i xxx ko ve adala e.hehehe
10. vivi ( 15/11/2005 18:23)
manimba zavatra koa anie ,io maminavina sy miseho mafantatra zavatra anaty eritreritrin'ny hafa io e!, raha za ianao d positive-na ilay eritreritra fa lasa marary andoha nefa mety tsy zany akory ny zavatra nitranga, raha vao manao io ahiahy io foana d lasa manimba zavatra b ,sady tsy manana confiance amin'ny tenanao intsony ianao , efa tsara koa anie izy nandeha tany @nao ny harivanio e! mahereza e! aza d mandefa saina lavitra b loatra!
11. booboo ( 15/11/2005 20:02)
ekena !

xxx > matahotra azy angaha enao no tsy sahy miresaka aminy ireo ahiahinao sy tahotrao reo ? tsy misy hafa-tsy ny mifampiresaka ihany @ zay mazava ny raha aby aby na ny aminao na ny aminy !
12. vivi ( 15/11/2005 20:11)
ndraindray koa anie ny tena ry booboo mba miseho manankambo zay d aleo mangina fa sao d manaonao foan ka aleo miheno ny resany aloa
13. booboo ( 15/11/2005 21:22)
vivi >zany ve ? tsy ho fantany mihitsy ange zay raha mampanahy na mampalahelo na tsy haiko raha tsy tenenina aminy. Izy ve hiresaka raha tsy fantany ? Ohatra zay koa zà (ohatra).

Ilay oe aleo hangina amiko dé misy tahotra ao zay ( sao dia zao no mitranga na izao na izao....). Nefa tsy maintsy hatao mazava ny raha mba tsy hisian'izay tsony ary tsy misy hafa-tsy ny fifampiresahana no ahatongavana @ zay. Sa ?
14. Herimiafina ( 15/11/2005 21:35)
xxx:

mba entiko aminareo ity alaheloko ity ka asa re ny fahitanareo azy sy izay tokony ataoko, fa dia tsy zakako loatra ka zaraiko anio

manana olona iray aho tena tiako, nisy fotoana izay nampikorotana kely anay ary dia saika nisaraka efa vonona aho, saingy noho izy niangavy sy nampiseho fitiavana ahy dia niverina niaraka izahay, nisy sipa S...ay anefa efa nitantarany ny fiainanay fony izahay niady ary mahalala anay roa tsara hoe miaraka aminy .te hiaraka aminy mafy i S.. nefa dia nosarahany hoy izy nony nisaraka izahay roa avy eo, nanao menace ahy ilay S... ary mahalala ny anniversaire ko, nilaza ilay sipa fa tsy maintsy azony i X ary dia hivady ry zareo, nanontaniako i x dia nilaza fa mirediredy rasipa ary dia tsy tiako izy hoy X , efa maro ny resaka menace nataon'i S...ahy fa tsy norarahiako, omaly androko nahaterahako miandry aho nefa dia tsy hita i x raha tsy hariva, malahelo be aho ary manahy mafy aho fa any ami'ilay S...io izy satria dia io mahalala ny anniversaireko ka mety hanao izay rehetra itazomany azy, mety ve izany eritreritro izany ? inona no tokony ataoko hisaraka ve ?
misaotra indrindra anareo aho .


Ny fahitako azy dia tena mbola miaraka amin'i S izy fa tsy nisaraka taminy izany na dia efa nifamerina taminao aza.
Tsy nosarahany i S fa noresahany mangina fotsiny angamba hoe "mitady hiverina amiko ny sipako taloha (ianao izany)" dia tsy hitako izay hatao.
Jereo tsara ihany aloha izay lafiny izay fa aza tonga dia manapakevitra.
15. hesham ( 16/11/2005 03:47)
Ny eritreritro in1 ry xxx an , zao aza iadivana fa tambatambazo ary izy fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy mbola ho tratranao ny laingany .Sarotra be manko ny ilanao ady aminy mikasika ny toerana nalehany t@ andron`ny tsingerintaona nahaterahanao nefa ianao tsy manana porofo mivaingana .
16. hesham ( 16/11/2005 03:50)
Tsy maintsy mbola tratranao izy , raha olona tena tinao zany ka manatsika anao dia TSY MAINTSY HO TRATRA .Mahereza eee , mba ilazao vao2 ihany zay fa mba liana hihihi.
17. ralthe ( 16/11/2005 08:03)
Tsy izay tinao akory no ho vadinao, vitana ny fanambadiana ka rehefa samy tia de zay iany no zavadehibe. Ny sipa sy ny vady tsy mitovy. Ny sipa tsy an-tery fa ny vady de efa mandrakizay. Saraho izy rehefa tsy milay fa aza mampijaly tena ny vody sobika ary hono manatandrify.Zay ê courage fôna
18. theanne ( 16/11/2005 08:59)
Tsotra zany e! ario any daholo izy sy S....'ny dia aleo milamina e!!
19. bozimanga ( 16/11/2005 11:51)
misaraka raha toa ka fantatrao fa tena tany marina izy .fa alaivo ambony alaivo ambany raha tena miaraka marina i S.
20. Herimiafina ( 16/11/2005 20:27)
Eeeeh, ny fika de izao, mitadiava konkou S de amin'izay mifandanja tsara ny mizana, saingy izao kosa asio franchise tsara fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1539