raharaha FPVM: lasa politika be!

1. jentilisa ( 14/11/2005 08:38)
Malaza dia malaza indray izao jiro mirehitra ao Antaninanandrano izao, dia jiron'ny hazo fijaliana.

Ny jirama nilaza fa efa noesorina avokoa ny zavatra mifandraika amin'ny herinjiro ao. nefa dia hitan'ny gazety rehetra sy nalainy sary izany jiro izany.

Manaraka izany ny tena anoratako dia re (tsy fantatra izay tena fahamarinany na dia nisy aza ny gazety nilaza) fa notokanana ho mpiandry ao amin'io fiangonana io i Pierrot Rajaonarivelo sy Tantely Andrianarivo. Re ihany koa fa nanome tany sa trano ivorian'ny mpiangona any Parisy ny Amiraly Ratsiraka.


Izay, hono, no nahatonga ny mpitondra fanjakana hanakatona io fiangonana io. Raha izany no marina dia tena tafiditra politika lalina dia lalina ny raharaha momba io fiangonana io.
novalian'i jentilisa ny 23/11/2005 09:25
2. booboo ( 14/11/2005 09:47)
hum...
3. rongatry ( 14/11/2005 10:03)
Dia mahagaga daholo izany rehetra izany, aleo arahina akaiky fa toa mahaliana tokoa !!!!!!! sao dia mandainga kalou ra-jentilisa io e !
Aza afenina ny marina teneno anay, hoy lay hira iray izay.:-D
4. tsimiandravola ( 14/11/2005 10:07)
=))=))=))=))=))=))
Tena mampahatsiahy ahy ny boky novakiako momba an'i Mahomet sy ny Jiosy ity resaka ity.Ny Jiosy dia toy ny Karàna any amintsika.Manankarena ary miray hina,mora dia mora ny mialona sy mitsiriritra azy.Hany ka vao misy ny rombo dia ny mangazay karàna no lasibatra voalohany.
Toy izany ihany koa ny amin'ny Jiosy hatrizay hatrizay.Nohalonin'ny mahantra sy ny mpitrongy vao homana foana ireo.Inona no hevitra hitan'i Mahomet.Mba nataony ihany izay hidirana amin'ny jiosy mba hisavihana,mba hisisihana fa tsy lasa.No-proposer-vana daholo hatramin'ny monothéisme fa mba mety haharebika ny jiosy izany.Very maina fotsiny.Farany dia lasa halany ny Jiosy,sy ny kristianina.Hita taratra ao amin'ny coran izany contexte izany ka ahafahana mahazo ireny petite phrase coranique ireny (izay tsy noforonin'i komeiny).
Solution finale (tsy ny an'i Hitler io fa an'ny tavaratra)=Filozofia no hany fiadiana iadivana amin'ny filozofia hafa.Izay no nahatonga ny Islam.
Izay no nahatonga an'i lery niantso an'i Dadagaby (l'ange gabriel).

Ka na dia tsy azo tonga dia atelina aza ny vaovao aroson'i ra-Jenty,dia mety azo interpreter-vana ihany ho toy ilay "bonne vieille méthode" fanaon'ny fivavahana.Ny an'i Mahomet moa dia nanao mixage=izany hoe nampiasainy daholo ny ampinga sy ny filozofia,ny an'i Hitler ampinga fotsiny,ny an'i Ranavalona ampinga fotsiny mba hiarovana ny filozofia tranainy,ny an'ny kominista filozofia+ampinga koa,ny an'ny Kristianna filozafia obscurantiste+inkizision+destruction de bibliothèque....

Ka ny hevitra mety hitan'ny Jaona ary i Velo izany dia ny filozofia.=))=))=))=))enga anie ka tsy hisy ny ampinga!
5. naritsimba ( 14/11/2005 10:26)
dia aleo ho hitantsika eo ny tohin'io raha² FPVM io e
6. jentilisa ( 14/11/2005 10:52)
Tena tsy azoko mihitsy ny hidiran'ny filozofia amin'ny zavatra lazaiko. Raha efa nahita ny gazety androany ianareo dia vakio na midi na La gazette na les nouvelles. Ireo no hitako dia ireo no ambarako! adi-hevitra mafana tamin'ny karajia sy ny kidaona maraina androany koa izany. NIsy aza ny olona no manasa izay te-hijery ho tonga any Antaninanandrano.

Ny miaramila araka ny nolazaina dia tsy miambina intsony ny fiangonana fa tahaka ny mahare zavatra "hafahafa" foana. misy ny miteny hoe mandre hiram-pivavahana foana, misy ny miteny hoe mandre fandroahana devoly...raharaha mafana eto an-tanàna aloha izy amin'izao fotoana izao. Manontania ny havanareo izay mipetrka eto Antananarivo fa tsy misy izay tsy mahare.

NIsy moa ny olona miteny hoe mpanao majika anie Randrianatoandro ka izay izany ve...

Sa idiran'ny filozofia koa ny jiro mirehitra?
7. tsimiandravola ( 14/11/2005 13:02)
jentilisa:

Tena tsy azoko mihitsy ny hidiran'ny filozofia amin'ny zavatra lazaiko.........
Sa idiran'ny filozofia koa ny jiro mirehitra?

Toa raisin'dRajenty ho famelezana azy indray ny resako kolé!
Tsy ra-Jenty anie no lazaiko manao filozafia ê!Fa i Jaona ary i Velo.
Ka io no erreur tokony ho fadian'ny kristianina ka tokony hisian'ny séparation de l'Eglise et de l'état,toy ny any an-kafa.

Inona ary no hahagaga antsika raha misy ny fidiran'ny politikan'ny opposition ao amin'ny fivavahana?Miditra ao izy satria nidikiditra tao koa ny Ekar,ry Ravalomanana,ry Pasitera Andriamanjato,ry Razafimahatratra,ry Ravalomanana (amin'ny anaran'ny fjkm)...Ary hitan'ny opposition fa toa mandeha ilay izy dia ho avy koa ry zareo.Ny iafarany angamba dia tsy hisy afa-tsy resaka fivavahana ny ao amin'ny firenena,dia ho avy amin'izay ny "intolérance" isan-karazany.

Eto aza ny tenako efa mahatsapa sahady fa voan'ny "intolérance" satria tediavin'ny sasany tsy hamosaka ny hevitro aho fa manahirana azy.Lazaina fa manaratsy ny sasany aho.Ny hevitra tompoko isany no avoako,filozofia sy finoananoan-poana,ary ny "arnaque spirituel" no lazaiko fa "bidon",fa tsy manome tsiny n'iza n'iza mihitsy aho.Ny fianakaviako iray manontolo aza voatàna ao amin'io finoana kristianina io daholo,toy izany koa ny mpiray firenena amiko maro.Izaho rahateo lany andro tao.Ary an'arivon-taonany lasa izay dia mbola voafehy tao daholo ny hery velona maro.

Ka rah iverenako ny momba ity lohateny ity dia tsy misy tsara mihoatra ny laicité raha mbola resaka firenena no resahina.Izany aza mbola tsy tonga amintsika ny "silamo" miaraka amin'ny ampingany.Ka raha mbola ao no milalao isika dia ho avy ireo,ary ny fahamoran'ny firehenantsika gasy amin'ny finoana dia tany malemy azon'ny fivavahana silamo anorenampangady tokoa.Ary farany dia tadidio fa tsy ny kristianisma velively no ho afaka haningo-paka ny silamo (araka ny efa nisy nilaza) fa ny RAISON dénuée de tout obscurantisme.
Misaotra.



8. jentilisa ( 14/11/2005 14:23)
vao maika tsy azo e! aiza ary izany resaka izany?

:lol:
9. yonikafopl ( 14/11/2005 16:56)
:roll::roll::roll::roll:
10. mariana ( 14/11/2005 16:57)
ho ahy manokana dia mana-porofo izao zava -mitranga izao fa miasa Andriamanitra ka iza moa no hahasakana izany?mahereza daholo e!(l):)
11. mariana ( 14/11/2005 16:58)
ho ahy manokana dia mana-porofo izao zava -mitranga izao fa miasa Andriamanitra ka iza moa no hahasakana izany?mahereza daholo e!(l):)
12. mariana ( 14/11/2005 17:02)
ho ahy manokana dia mana-porofo izao zava -mitranga izao fa miasa Andriamanitra ka iza moa no hahasakana izany?mahereza daholo e!(l):)
13. xxx ( 14/11/2005 22:55)
jentilisa:
raharaha FPVM: lasa politika be!

raharaha FFKM: politika be!
14. arena ( 15/11/2005 09:20)
ay tena marina aloha tsy fantatra mazava fa aleo ny ho avy no hitsara ok !
15. jentilisa ( 15/11/2005 10:47)
Ny mahapolitika azy dia ny fandrenesana ihany koa nisy koa izany faminaniana nataon'ny pasitera Randriantoandro milaza zavatra tsy dia tsara amin'ity fitondrana ity izany...tena zava-doza aleo tsy lazaina fa mety ho izay no nampiakatra ny fitondrana. Eo ihany koa ny momba ny trano izay nolavin'ny fivondronana ny rihana fahaefatra saingy mbola nataon'ny tao Antaninanandrano ihany. Maro koa moa ny mahita hoe tsy tena mahitsy tsara ny rindrina fa misy mitongilana izany ka efa nangatahin'ny manodidiana azy mba ahitsy...
16. jefra ( 15/11/2005 16:39)
jentilisa:

(...)nisy koa izany faminaniana nataon'ny pasitera Randriantoandro milaza ... zava-doza


jentilisa> Mba hazavao hoe ny saiko azafady:
-Tsy i Nenilava ve moa ilay hoe nanao faminaniana taloha fa ho lasa filoha hanavotra ny gasy i Ra8?
-Dia i Nenilava ve tsy fototr'i Manolotrony.
-Raha misy diso ireo dia mba lazao hoe inona no diso azafady, raha tsia ny valiny dia mifanohitra @ faminaniana taloha ve izany ilay an'i Pasitera?

Misaotra mialoha ho an'izay afaka mamaly.

17. dinika ( 16/11/2005 03:43)
Ho an'i Jefra:
Raha ny filazan'ny mpiandry ao amin'ny 67ha dia i Nenilava hono nilaza fa i r8 no lasa filoha hanavotra ny gasy kely.

Neny Ravelonjanahary no fototra niavin'ny fifohazana manolotrony fa i Nenilava indray (izao taty aoriana) no fototra niavin'ny fifohazana soatanana.

Ho an'ny rehetra indray:
Tsy marina velively ny filazana fa Pierrot sy Tantely noraisina mpiandry FPVM. Ninian'ny mpanenjika io fiangonana io nalefa io resaka io mba hahafahany misambotra indray ireo mpitarika ny FPVM mba hampihorohorona dia amin'izay maty ho azy.
Tsy mitombina koa ny filazana fa nanome tany na trano ivoriana Ratsiraka, fa atao daholo izay hevitra handotoana ny sain'ny olona mba ahafahana mamotika tanteraka ny FPVM ary ny fifohazana manolotrony koa angamba.....
Mampalahelo.
Hitantsika
18. dinika ( 16/11/2005 03:58)
Ny fifohazana Ankaramalaza no an'i Nenilava, fa ny fifohazana soatanana an'i Dada Rainisoalambo. Ny fifohazana Farihimena an'i Dadatoa Rakotozandry.

Raha hoe ny trano ratsy orina angamba no nanakatonana azy mety tsy dia mitombina loatra satria nakaton'ny fanjakana koa ny toby fifohazana eny Ivato (manolotrony), dia torak'izany koa ny FPVM ampitatafika, dia nofoanany mihitsy moa ny fikambanana.

Mazava be ny hevitra ao ambadik'io fa DINIHO tsara 8O
19. xxx ( 16/11/2005 05:33)
Ny fifohazana rehetra an'i Dada Rabe

Mazava be ny hevitra ao ambadik'io fa DINIHO tsara 8O
20. Landrymimi ( 16/11/2005 10:09)
Toa mbola tsy mikatona hono ny Toby eny Ivato ko!!
Sa izaho no diso?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1522