raharaha FPVM: lasa politika be!

21. jefra ( 16/11/2005 10:18)
dinika> Misaotra anao @ fanazavana =D=D=D=D
22. jentilisa ( 16/11/2005 14:18)
dinika:

Ho an'i Jefra:
Raha ny filazan'ny mpiandry ao amin'ny 67ha dia i Nenilava hono nilaza fa i r8 no lasa filoha hanavotra ny gasy kely.

Neny Ravelonjanahary no fototra niavin'ny fifohazana manolotrony fa i Nenilava indray (izao taty aoriana) no fototra niavin'ny fifohazana soatanana.

Ho an'ny rehetra indray:
Tsy marina velively ny filazana fa Pierrot sy Tantely noraisina mpiandry FPVM. Ninian'ny mpanenjika io fiangonana io nalefa io resaka io mba hahafahany misambotra indray ireo mpitarika ny FPVM mba hampihorohorona dia amin'izay maty ho azy.
Tsy mitombina koa ny filazana fa nanome tany na trano ivoriana Ratsiraka, fa atao daholo izay hevitra handotoana ny sain'ny olona mba ahafahana mamotika tanteraka ny FPVM ary ny fifohazana manolotrony koa angamba.....
Mampalahelo.
Hitantsika

Ho an'i dinika:
izaho koa dia tsy te-hino ireo nolazaiko rehetra ireo. Efa nilazako ry zareo mifanoratra amiko fa hamotika anareo io raha vao mampiditra ireny olona ireny holazalazaina ianareo.
Ny olona nifanoratra tamiko momba an-dRatsiraka dia olona tao amin'ny FPVM tany amin'ny faritra tany. resaka atao mandeha dia mandeha ilay izy. Manana site rahateo ny FPVM paris ka tsiditsidiho any ahitana ny zava-misy.
Ratsiraka manana ny politikany izay hanao izay hahakely hery ahay ny FFKM. Ary mety ho lojika be raha manampy ny FPVM izy.
Pierrot sy Tantely indray dia La Gazette no namoaka azy. Isika rehetra mahafantatra hoe firehana inona na olona tahaka ny ahoana no mifanakaiky amin'ny La Gazette izany.

Izaho indray raha vao misy ny zavatra manaitra indrindra fa fototra tokony tsy handiso tahaka ny Gazety sy ny olona ao aminy ihany dia soratako soa aman-tsara.

Dia soava tsarà avokoa isika rehetra.

23. dadabe ( 17/11/2005 02:39)
tsy tokony ho taitra anie ny fitondram-pabjakana na iza na iza no miangona ao @ fiangonana ,ary na iza na iza no manao action social,de aleo izy hanao ny fanjakana efa au pouvoir efa manao izay tiany atao ,de maninona ny ondry tokony ho tezaina no ampijaliana?? sa izay vao tonga ny fitondrana JADONA eto madagasikara
24. Rajim ( 17/11/2005 05:05)
Raha ny fiandohan'ny resaka FPVM no jerena dia fony mbola tsy nisy akory d'efa teo ny lonilony fony mbola tao Andravoahangy ,ny antony dia resaka fitiavam-bola, izay voalaza ara-baiboly fa fototry ny ratsy rehetra 2Tim.4 ,ary tafalatsaka t@ io ny ....satria be ny mpino nohon'ny fifohazam-panahy, noho izany mazoto manao adidy ny olona(rakitra, voady, ampahafolon-karena)nohon'ny fahatsapany fa miditra antsehatra @ fiainany Atra Job22.21,nitohy indray ny tantara vao teo @ fitondrana ra8 dia re fa hisy ny investissement hoan'ny Fiangonana (resa-bola io) koa nanomboka teo nisy @ izay ny adin'ny mpino sasany, ny @ fitantanana io vola io, koa nahilika izay azo ailika,... teo no nisaraka ny FJKM sy ny fifohazana manolotrony, ka nampiorina ny FPVM, ... nitohy ny tantara, niroborobo ny FPVM, niitatra nanerana ny nosy eny hatrany am-pita aza ,tsy mahagaga izany fa raha ny tanjona dia ny hitory ny filazan-tsara hatrany amparan'ny tany... mbola hitohy
25. Tanana ( 17/11/2005 05:29)
JESOSY HITAHY NY MPINO REHETRA AO FPVM ka POTEHIKO amin'ny anaran'i Jesosy ny asan'devoly rehetra mitetika anampotika, ary ireo olona ampiasin'ny devoly koa dia angahihahy amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, tononoko ny RA anao Jesosy hirotsaka, handoro ny asan'ny nofo rehetra sy ny asan'ny devoly rehetra momba ny F¨PVM, tononoko ny SOLUTION an'io eglise io Jesosy ô, MIDIRA ANTREHATRA IANAO KA HATAOVY IZY TIANAO ATAO FA LEHIBE MAHAGAGA IANAO,

Amen

Hitanareo, MIVAVAHA au lieu de MICRITIQUE FOTSINY EO fa ny vavaka no manova zavatra

Deraina Jesosy fa tena tsara Izy
26. jentilisa ( 17/11/2005 06:26)
na ahoana na ahoana rehefa ny mpitondra politika no miditra dia tahaka ny misy mpanakorontana tafiditra izany hatrany.
27. dinika ( 17/11/2005 07:56)
Nivavaka teny Ivato ny olona taorian'ny fikatonan'ny antaninanandrano, herinandro tato aoriana dia nakaton'ny fanjakana koa.

Landrymimi:

Toa mbola tsy mikatona hono ny Toby eny Ivato ko!!
Sa izaho no diso?



28. dinika ( 17/11/2005 08:05)
Ireo FPVM ao paris dia manofa amin'ny fiangonana vazaha hatramin'izay fa tsy amin'i Ratsiraka,
Ary ny La Gazette ve? tsy nisy solo-tenany akory nanatrika ny fanokanana mpiandry tao :D



jentilisa:

Ho an'i dinika:
izaho koa dia tsy te-hino ireo nolazaiko rehetra ireo. Efa nilazako ry zareo mifanoratra amiko fa hamotika anareo io raha vao mampiditra ireny olona ireny holazalazaina ianareo.
Ny olona nifanoratra tamiko momba an-dRatsiraka dia olona tao amin'ny FPVM tany amin'ny faritra tany. resaka atao mandeha dia mandeha ilay izy. Manana site rahateo ny FPVM paris ka tsiditsidiho any ahitana ny zava-misy.
Ratsiraka manana ny politikany izay hanao izay hahakely hery ahay ny FFKM. Ary mety ho lojika be raha manampy ny FPVM izy.
Pierrot sy Tantely indray dia La Gazette no namoaka azy. Isika rehetra mahafantatra hoe firehana inona na olona tahaka ny ahoana no mifanakaiky amin'ny La Gazette izany.

Izaho indray raha vao misy ny zavatra manaitra indrindra fa fototra tokony tsy handiso tahaka ny Gazety sy ny olona ao aminy ihany dia soratako soa aman-tsara.

Dia soava tsarà avokoa isika rehetra.





29. jentilisa ( 17/11/2005 10:33)
merci an! aleo koa anie ny any no miteny e! sady izaho nanao hoe aleo jerena koa ny site-ndry zareo any e!
30. jentilisa ( 23/11/2005 09:25)
izao indray dia ambaran'i gazetiko fa lasa manana sarin-dRatsiraka vaovao izany ny mpiangona vitsivitsy tao amin'ny FPVM ary zarainy amin'ny mpiara-miangona aminy.

Io ary ilay efa nolazaiko aminareo hoe nidiran'ny politika amin'izay ny raharaha!
ankoatra ny fampitoviana an-dRavalomanana amin'ny satana izany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3582