Rehefa ho lany hono ny petrole

1. lapino ( 13/11/2005 13:53)
De inona hoy ianareo no mety ho angôvo tena hiasa indray?

Amin'ny fiaramanidina, inona no mety hahasolo ny kerozena? Hatram'zao aloha toa mbola tsy misy teknolojia-na reacteur tsy mampiasa kerozena, na motera hafa.

Amin'ny sambo indray dia tsy misy afa-tsy ny nucleaire angamba. Ohatra an'ireny sous-marin-n'ny miaramila ireny. Dia raha ho nucleaire daholo hatramin'ny sambon'ny mpanjono izany, ...

Ary amin'ny fiarakodia?
- biocarburants? Mila mamokatra oleagineux firy taonina isan-taona izany? ny hanina ho an'ny olona 6 miliara mbola tsy maintsy atao priorité.
- Motera elektrika? Tsy maintsy hoe nucleaire vao afaka mahavatsy fiara bedebe
- Motera hydrogene? Possible ve hahazoana hydrogene mahalefa ny fiara rehetra amin'ny firenena iray? Sady baomba mirôzirôzy daholo izy am'zay. De eritrereto hoe doran-dry lerony ny daba eny amin'ny arabe! ...
- Sa motera nucleaire koa? hummmhhh...

Mba ohatra ny ahoana àry ity tany ity rehefa tsy misy petrole ohatra an'izao intsony e? Mety hihangeza indray :?: :(
novalian'i narima ny 07/01/2006 14:07
2. kiali ( 13/11/2005 15:11)
de ahona zany.?????
3. Fanja1 ( 13/11/2005 16:20)
lapino mbola tsy henonao angaha ilay huile avy nanendasana injay hono ? mila manendy bdb zany lol
4. cutie ( 13/11/2005 16:56)
Mba ohatra ny ahoana àry ity tany ity rehefa tsy misy petrole ohatra an'izao intsony e? Mety hihangeza indray

mety ho lasa lavalava fa tsy boribory tsony :-D
5. lapino ( 13/11/2005 17:17)
cutie:

mety ho lasa lavalava fa tsy boribory tsony :-D

Dia tsy mihodina intsony izany fa mandroso-mihemotra indray? :-D
6. cutie ( 13/11/2005 18:09)
ka lany petrole koa :-D
7. sambatra ( 14/11/2005 14:54)
Am-pitiavana be no ifampizarana aminareo eto,

Marina tokoa fa ankehitriny ny angôvo ampiasain'ny zanak'olombelona be indrindra dia ny "nucléaire, pétrole et charbon" raha "fossiles" no resahina, "Hydroélectrique" kosa raha "renouvelable".
Araka ny fikarohana nataon'ireo manampahaizana, raha mitohy izao fomba fampiasantsika ny "pétrole" izao dia afaka 70 taona dia lany daholo ny "gisement" rehetra miaraka amin'ireo "gisements potentiels". Ny "nucléaire" indray raha mbola "fission" koa no miasa de 300 taona dia tapitra ihany koa. Ny "charbon" tsy tadidiko hoe firy taona fa efa tsy ho ela intsony koa.
Ny angôvo tena azo antoka fa haharitra ela indrindra raha tsy hoe ny masoandro ny mipoaka dia ny "solaire". Manaraka azy eo ny "éolienne" sy ny "hydroélectrique". Raha tsy mahita vahaolna hafa izany ato ho atao @ resaka "fusion, nucléaire" dia tsy maintsy mifantoka @ "solaire" sy ny "renouvelables" hafa. Ny olana anefa dia tsy "stable" izy ireo na dia misy fona fona aza. Indraindray be dia be, indraindray tsy misy. Tsy maintsy mitady fomba izany hitahirizana "stockage" azy reio rehefa amin'izy be dia be mba hahazoana mampiasa izany rehefa amin'ny fotona tsy misy rivotra na masoandro. Anisan'ny olana goavan'ny mpikaroka amin'izao fotoana izao io resaka "stockage" io.

Mirary soa e
8. Veloo ( 14/11/2005 17:38)
ny rano mbola misy ka :wink::-D:-D
9. ravakamalala ( 15/11/2005 18:45)
ahitan ireo be côcô ireo vahaolana foan io fa aza matahotra , ary ny olona koa anie mi s'adapte amin ny tontolo manodidina azy foana e, rehefa ho avy ny andro tsy hisian io ntsony dia hain ny olona foana ny miaina am zany,
jerreo ny delestazy, :x
10. fijo ( 15/11/2005 21:42)
milay izany ko,manendy dia mirol
11. estine ( 16/11/2005 08:33)
ny orana ary ity miha vitsy kou aiza no misy rano sa hangataka tsounami @ zanahary de atao reserve
inona tokoa moa no ampiasaina refa ho lany ny petrol vinavina hoe 2040 efa hiaina @ io blem ny tany
12. lapino ( 16/11/2005 15:23)
ravakamalala < Ny olana ange, tsy ny olombelona no mi-s'adapte amin'ny natiora, fa ny natiora no adapter-n'ny olombelona aminy. Mba hazavao hoe ilay delestazy fa tsy azoko

fijo < Rehefa ho lany koa ny menaka dia ho may foana ny endim-boanjo!

sambatra < Ilay resaka renouvelable aloha tsy viable satria tsy mahasarona ny besoin-n'ny olona akory. Mety ho lafo be koa ilay izy satria mila investissement betsaka sady mila entretien betsaka ny eolienne sy ny plaque solaire. Sady mila surface betsaka koa.

13. fijo ( 16/11/2005 22:52)
ka tsimaintsy mitady solony ko
14. Veloo ( 17/11/2005 19:21)
estine a mbola ho avy aky ny orana a
15. fijo ( 17/11/2005 22:13)
ary raha lena eo
16. Veloo ( 17/11/2005 22:14)
:roll:
17. fijo ( 17/11/2005 22:36)
ka hoe hoavy ny orana ko.
18. lapino ( 17/11/2005 23:09)
fijo:

ka tsimaintsy mitady solony ko


Ka eo indrindra isika izao :)

Ny lasantsy sy angovo sns aloha izany efa izay. Fa mbola misy zavatra hafa koa: isao hoe firy amin'ny zavatra manodidina anao no misy plastika na caoutchouc?

Mbola tsy tapitra ny lisitra eo an!
19. ravakamalala ( 18/11/2005 13:35)
lapino > ny olona no mi s'adapte amin izay natiora misy azy, ohatra raha nay amin ny désert ianao dia izay hitanao manodidina naao eo no iainanao, oasis no sotroina, ampondra no taingenana, dia tsy haiko hoe inn no hohanina? ny tiako tenenina dia izay misy eo no iainana fa tsy hitady ny tsy misy.
ny delestazy dia zavatra iainan ny olan gasy bdb isan andro, tsisy azony atao fa dia izay no zava misy dia mis 'adapte izy, mampiasa labozy, na mandeha matory.

ka raha ho avy ny andro tsy hisian'ny petrole intsony dia ho sahirana amin izany ve ny olona? amiko tsia satria hi s'adapte izy, miverina amin ny guerre des feux.
20. lapino ( 18/11/2005 16:03)
miverina amin ny guerre des feux.

Dia inona no hampirehetina amin'ilay feu raha tsy misy petrole intsony? :D

Tsika marina aza ange izao efa ao anatin'ny guerre des feux raha izay e! Dia inona indray no feu hiadiavana manaraka?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1757