Rehefa misafidy dia tsy maintsy manenina.

1. Herimiafina ( 11/11/2005 00:01)
Raha voatery hisafidy ianao eo amin'ny fiainanao de izao no zavatra mateti-pitranga:

Raha sendra olana ianao mifandray amin'iny safidinao iny de ny reflexe-nao voalohany dia hoe "tahak'izay ihany le iray hafa iny no nosafidiko".

Ny tena marina nefa dia tsy maintsy misy nenina foana na ilay iray ity na ilay iray hafa tary no nosafidinao.

Vaha-olana de refesinao (saintsainina) ny mety haben'ny nenina mifandray amin'ireo zavatra safidinao ka ze hitanao fa hahitanao nenina farany izay kely indrindra no safidinao "MINI-MAX REGRET".

Tsy de mety loatra izany ilay miteny hoe "tahak'izay ihany ilay iray iny" satria mety ambony lavitra noho izao ny nenina hitanao raha iny no nosafidinao.
novalian'i fijo ny 22/11/2005 21:46
2. jefra ( 11/11/2005 00:06)
Ary raha alaina daholo izy roa? Tsy hoe "Soa ny manan-droa" na "Ny manan-droa tsy manenina"?
3. Herimiafina ( 11/11/2005 01:49)
Detsy misafidy njay no hiantsoana an'izay fatonga de naka azy rehetra,hehehehe:-D:-D
4. xxx ( 11/11/2005 04:01)
Ary ny tena olana dia tsy maintsy misafidy foana isan'andro isan'andro izao. Vao androany ohatra zah dia nifanena tamina joba roa, tsy Gasy ireo an, ary tsy mifankafantatra koa. Ilay iray Japonaise izay, dia ilay iray Americaine. Samy avy eny aloha izany izy roa, dia meme direction, tsy hitako atao, dia samy nanao salut nakah doly. Ilay Americaine tsy nahita an'ilay Japonaise nanatona anakah, fa ilay japonaise ity tena hitany mihitsy ilay Americaine, ka dia tsy maintsy nodiako fanina ilay kely maso, dia ilay Americaine no natoniko. Fa malahelo zah a, fa tsy maintsy izay. Rampitso indray mba mifona kely. lol
5. cutie ( 11/11/2005 04:07)
ka ny olombelona koa tsinona tsy mety afa-po mitsy @ fiainana e .
6. pika ( 11/11/2005 05:31)
manamafy ny voalazan'i herimiafina hoe mialohan'ny hisafidianana dia fantarina daholo ny mety ho vokandratsiny ....
nefa indrai2 koa anie nanantena ho zavatra tsara ilay nosafidina kanjo kay ....dia tsy maintsy tonga foana ilay hoe tahak'izay
ny fenitra tsara dia izay vita dia tantara tsy misy hanenenana azo avalona azo tohizana azo soloina titre vao2
7. Herimiafina ( 11/11/2005 06:11)
Zah manokana kalongany aleoko tsy misafidy e, aleoko mitady troisieme choix, hehehehehe:-D:-D:-D:-D
8. pissoa ( 11/11/2005 06:25)
ka raha izany no ataon'i herimiafina dia mbola nisy safidy ihany tao - QCM! Sady mamay kokoa ny nenina satria nisy choix 2 hafa ihany nefa dia tamin'ny 3 eme choix ity no nijabaka!
9. Herimiafina ( 11/11/2005 06:49)
Kay, marina mahintsiny izany, fa izao kosa te-hi ateir tamina pistes roa zah, de tsisy afaka najay anah nefa reo pista ireo faefafeno hono (piste occupé) de nefazah lany kerozena, tsy aleoko ve nitady piata hafa ni-aterissiavana. Zay le troisieme choix.
10. fairylady ( 11/11/2005 06:58)
fa inona ohatra lay trosieme choix arosonao ry herimiafina manoloana hoe misy olona roa samy tianao ohatra ..de mitady fahatelo sa ahona
11. Herimiafina ( 11/11/2005 07:02)
Ie, mifandray amin'izay, misy olona roa tia anah ohatra (rare alou zany e) de misafidy ve zah? Mangataka fotoana zah hanaovana étude alou hoe iza no tena tia anah marina? de refa hitako fa sarotra be le choix de avelako daolo izy roa de aleoko mitady olonkafa.

Mety sambatra kokoa izy roa raha miaraka amin'ny olonkafa toy izay bandy nisalasala toy izany toa anah.
12. ari.malala ( 11/11/2005 07:14)
pika:

ny fenitra tsara dia izay vita dia tantara tsy misy hanenenana azo avalona azo tohizana azo soloina titre vao2



io voalazandry io mintsy aky ry pila no tena tsara! ny erreur ny omaly tsy atao manamaloka ny androany fa jiro itarafana ny lalan-kombana anio e, ny ampitso tsy mbola fantatra rahateo...
13. fairylady ( 11/11/2005 07:51)
mitady tany malemy anoren pangady ve ry herimiafina zany sa ahona ..de inona no mety ho critere ahafahanao misafidy ..physique ..intelligence?misy olona mantsy milaza hoa ratsy ny manova fa ny manatsara ..
14. pika ( 11/11/2005 07:52)
erreur ny omaly tsy atao manamaloka ny androany fa jiro itarafana ny lalan-kombana
=D
ary tena filosofy njy zany a
raha ny olondrehetra ny mahalala izany dia mandeha jolie foana ny fiainana
15. Herimiafina ( 11/11/2005 07:57)
Justement, zah tsisy critère tsony hatramin'izay nahalalako fa manana ny valeur-ny daholo ny olondrehetra.

Ny tany malemy hanorenampangady de marina, fa tany mafy njay ve no tedavina hanorenana azy tsy ho tapaka eo le angady.

Sady ratsy no manova no ratsy koa ny manatsara raha toa ka tsy mifandraika amin'ny ilain'ilay olona izany. Toy ny voninkazo, atao eo amin,ny toerana izay mampety azy izy, de mitombo azy, mi se developper ho azy. Tsy izaho no hampitombo azy na hampivelatraazy fa izy tenany ihany.

16. ari.malala ( 11/11/2005 08:54)
pika, za ky ts filozofy zany kle :P za venjana beuhh resaka filozofia zany tany am-pianarana :)
17. diamondra27 ( 11/11/2005 09:49)
Ny nenina tsy eo aloha fa aoriana hananatra.

Tena marina mihitsy io tenin'ny Ntaolo io.

Amiko manokana aloha manoloana ny zavamisy de eritreretina tsara sy alalinina hoe inona no mety avantages na incovenients an'ilay choix ataonao. Rehefa tapakevitra enao oe ity no alaiko de zay zany no fantanao fa mety de assumé-o ary refusé-o le nenina raha mitady ho tonga fa tadiavo ny solution. Raha vao manenina zany de manomboka tonga daholo zao eritreritra rehetra zao de vao maika enao ho kivy eo fa oe . Le souvenir est un poison sssssssss zay nama ny tapaka de aleo hivalona any iny na de nanao erreur aza fa ny manaraka no tandrovana mba tsy ho hisy intsony ny toa iny araka ny voalazan'ny le ohabolana etsy ambony.De midira @ page manaraka fa aleo iny hivalona any.@fomba ahoana? tsotra ihany: manaova zavatra hafa, occupé-o ny temps-nao, aza manirery, rends-toi utile etc
18. cocorie ( 11/11/2005 12:07)
Amiko tsy ilaina ny manenina fa ahazoana traikefa daholo izay rehetra choix atao e! misy lafy tsara sy lafy ratsy daholo ny atao rehetra fa revena milay e!
19. majakely ( 11/11/2005 12:40)
cocorie ,rah tsy ilaina aza le manenina de ahoana zany ??le izy ange tsy fanainiana e :arak'ilay hiran'i erick manana:
20. ari.malala ( 11/11/2005 12:54)
ka io anie ry zareo na ressasser nareo in-100 in 1000 aza ts hisy n'inon'inona azo atao intsony e... ts aleo v maka lesona @ iny zvt tsy nety iny d miaina ny anio? raiso @ le hiran'ny tarik aRebika we tsy misy nenina ny ahy fa efa natao e... raiso am-pitsikiana foana ze vokany eo, fa experience daolo ihany zany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1442