Foot! Anarana vaovaon'ny ekipam-pirenena malagasy

1. gashy ( 10/11/2005 08:43)
Anisan'ny nalaza teo amin'ny sehatry ny kitra malagasy tamin'ity herinandro ity ny nanovana ny Anaran'ny ekipam-pirenena malagasy scorpions de Mcar teo aloha ho Les Bareas de Mcar.Ahoana no mba fahitanareo akama azy?
2. jentilisa ( 10/11/2005 08:50)
Inona hono ilay bareas? izany hoe zebu masiaka sy mitrifana hono. Araka ny fanazavana re izay. Fa ny loza dia mitady hanakaiky ny teny hoe Parias de Madagascar ilay izy. Fa ny dikan'ny parias aloha tsy haiko...teny karana angamba izany. =))

Arahabaina ihany nahazo anarana vaovao na dia izany aza. Izaho izao raha naheno dia tsara kokoa raha Para ho'aho saingy ny Para tsy mety fa mitsotsorika foana, tsy mety miakatra izany para(chute) izany. Tena tsy manainga loatra ilay anarana e! asa raha hanambina na tsia.

gashy indray no nahasoratra alohako an!

okay e!
3. masinkery ( 10/11/2005 09:24)
tena vaovao amiko ilay izy, hay izany ndray ny anaran'ny ekipam-pirenana izao ve e!

ilaina ihany aloha ilay miova anarana mba hanome herijika vaovao e! fa ilay scorpions koa anefa hitako hoe anarana miantsy tsara ary mahadika tsara ny malagasy, kely fa mahasahy manindrona sy miady foana
fa misy dikany matoa io no nofidian'ireo mpitantana ny ekipampirenentsika e!
dia manantena ny fahombiazany
4. xxx ( 10/11/2005 12:11)
Za aloha mahita fa milay kosa le anarana BAREA DE MADAGASCAR e! sady rehefa halalinina ange le izy de mifanaraka tsara amin'ny kolontsaintsika malagasy e! mirary soa ny BAREA e!
5. jentilisa ( 10/11/2005 15:22)
ary tsy misy S tokoa ilay hoe barea e!
6. meebo ( 10/11/2005 16:41)
io na ovaina in 50 aza refa tsy mamely de tsy mamely eee!! Aiza moa isika no handroso ko ny mpitarika aza miady antrano teo aloha teo ko. Aleo aloha manohana sport hafa toy izay io ee! zany ry sponsoring aaa! aleo any @ petanque no manohana fa ireny no sûr ee! io foot io efa hay ihany ny vokatra eee !!!! aza tezitra ho anareo zay tia foot aa!!
7. kiali ( 10/11/2005 19:15)
injona zany bareas???
8. Ralay ( 11/11/2005 03:26)
Sao dia lasa Bar elà less io fa ovao hafa
9. ravatorano ( 11/11/2005 11:11)
ny barea dia omby dia any amin iny faritr i maintirano iny.Izy io dia masiaka sy mailaka kokoa nohon ny omby misy fahitaytsian anvdavana andro ireny.
Izay efa nandeha tongotra tamin' ny faritry soialala , akavandra, maintirano iny dia nahita izay Barea izany izay omlby dia tsy ompiana an fa mirenireny enyrehetra eny na anaty ala na tampotanety ka asa raha mbola misy izy io amizao
ravatorano
10. jentilisa ( 11/11/2005 15:44)
mety ho efa lany sahady ve?
11. bozimanga ( 14/11/2005 10:13)
amiko ny fanovana anarana dia tsy midika inona fa ny fifantenana ireo ekipa tena mahay sy ny fanohanana azy ireo @ lafiny rehetra .(vola) no tena zava- dehibe. fa na hovaina iza na hovaina iza ny anaran' ny ekipam - pirenena malagasy dia tsy tena ilaina izany raha amiko.
12. Beinjy ( 26/11/2005 09:54)
Ka ra zany omby dy zany ve ahalala ze atssimo sy ava
ratra mmm! mampanahy ihany fa eto amitsika koa ange misy biby tsisy any andafy e ka maninona ra atao hoe FOSA E! fa io ry namako de zao a ! ny lalao foot dia hiraisana ka mila fitiavana io fa raha zay no tsy ao na ovaina DINOZORO aza ny anarana tsy lasa io a .Mba ampita any @ dry zala mpitondra sy ny mpilalao zany e
13. RADOUXE ( 27/11/2005 14:29)
Ny a ndray ry zareo le anarana tsy d misy dikany lotra fa ny ekipa mitsy no mila miezaka fa na atao iza io anarana io na iza tsy apitaotra aniza zany fa ny kotrana sy ny centre de formation iany no mila ampitombona atrany nefa zany tsisy valiny vetivety fa mila maharitra kely d mahazo zavatra tsara
14. dadabe ( 27/11/2005 15:27)
ataovy hoe "tanalahy"satria miova entraineur /taona :D
15. Achia ( 30/11/2005 16:02)
Ra we tanala kosa aloha miraikitra be fa vazi2 doolo zany e fa mbola be koa ny tsy ampy e oh ny terrain tsy ampy bedabe na bozaka aza tsy voavoly ny jiro tsy misy fa mbola ezaka be vao tena tonga any @ le milay e fa mirary anze eo amperinasa ahavita e!
16. ravatorano ( 01/12/2005 05:52)
Beinjy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3067