DIABETE

1. diamondra27 ( 07/11/2005 12:37)
Sao de mba misy manakevitra ny mety hatao ho an'olona voan'ny diabète aty Mkara nareo? De miandry sosokevitra sy témoignage ze olona sitrana sy ny zavatra nataony
novalian'i fijo ny 16/11/2005 22:02
2. pika ( 07/11/2005 14:11)
misy fikambanana ho an'ireny olona ireny aty dango mifanoro torohevitra sy manao fitsaboina
ny fantatro fotsiny @lay olona eo akaikinay dia tsy mihinana hena fa toa akoho sy trondro no haniny
3. petapeta ( 07/11/2005 14:29)
ny renibeko dia diabétique taloha, efa nifady sakafo aman-taona mihitsy, saingy izy tsy mba nitsindrona an'ireny insuline ireny tamin'izany fa nisotro tambavy izay hoditra rotra, ilay hoditran'ilay hazo iny no atao tambavy dia tena afaka tsy misy trace intsony amin'izao.
4. watafon ( 07/11/2005 17:52)
petapeta : tsara kosa lesy zany an !
AMADIA : io ilay fikambanana mmpikarakara ny diabetika eto dago ; eny faravohitra no misy azy io raha tsy diso za ! ny mamako zao mandeha mankany isan-kerinandro manao contrôle ! ny tena base n'ny fitsaboana moa zany d ny fanarahana ny regime apetraky ny DR ihany e!
5. Veloo ( 07/11/2005 20:30)
ka andramo ry reto oe izany hoditra rotra zany.
peta2 tena sitrana mihitsy ve aky? niaraka t@ finoana angamba aky o?
6. sonwin ( 07/11/2005 21:03)
ny fitsaboana angaha ry veloo misy hidiran'ny finoana?
7. Veloo ( 07/11/2005 21:22)
sonwin a misy tokoa moa izany. Raha tsy manana finoana anie ianao tsy sitrana e na dia omen'ny dokotera fanafody ary e... example iray fotsiny ity... misy seza eo maninn enao no mipetraka eo @ ilay seza? satria ianano manana finoana fa ahazaka anao io seza io.. tsika anie misy finoana fona e fa indray2 dia tena kely mihitsy... sa ahona oy i se?
8. sonwin ( 07/11/2005 21:31)
mhhh iny ndray no tsy hitako,lalina zany
9. pika ( 08/11/2005 05:24)
peta2 a mba atoro ilay eo @ tanana izany rotra izany akia fa misotra a
fa saingy maina sa ilay mbola mando iny no atao?
10. watafon ( 08/11/2005 10:30)
veloo : k efa misy tompony ange le seza iray e! :-D:{ marina nenao mantsy e ! ny asa ange tsy misy dikany raha tsy arahana finoana e!
11. fijo ( 08/11/2005 23:11)
wata,tena tsy mety tokoa ve letsy io hoditra rotra io,sa hoe tsy mbola nisy nanandrana hitan'ise.
mahaliana ahy le izy mantsy
12. diamondra27 ( 09/11/2005 14:47)
inona moa ny dikan'ny raotra @ teny vazaha?
13. fijo ( 09/11/2005 21:12)
de tena tsy haiko fa andraso tadiaviko.
14. Veloo ( 10/11/2005 16:32)
watafon a ampiaraho @ finoana ny asanao dia ho hitanao fa mande tsara an :-*
15. Veloo ( 10/11/2005 16:32)
sonwin a :-*
16. sonwin ( 10/11/2005 20:49)
diamondra27:

inona moa ny dikan'ny raotra @ teny vazaha?



Jamblon (teny frs)

Eugenia jambolana, anarana sientifika

Veloo:)
17. Veloo ( 10/11/2005 20:58)
ka misy jamblon ve any frantsa?
za ko otran'i fijo iza no afaka miteny fa tena sure ny fisotrona ny odin'na rotra ooooooooooooooo
18. xxx ( 10/11/2005 21:56)
midira google, dia ampidiro ilay anarana scientiq, dia mahita publication maro ianareo manambara fa manana activité hypoglicemic ny rotra. Raha te hahita ny fampiasana azy "medecine traditionnelle" dia ilay teny hoe "rotra" ampidirina.
19. Herimiafina ( 10/11/2005 22:04)
Misy fanafodin'i Pr Ratsimamanga izay toa à base de vin de rotra de fanafody diabeta. madeglussyl ngamaba izy izay, tsy tadidiko loatra.
20. xxx ( 10/11/2005 22:07)
Misy fanafody antsoina hoe Madeglucyl vokarin'ny IMRA,fanafody azo avy amin'ny voana rotra izy io.Mitondra mitondra vahaolana ho an'izay voan'ny diabete sy ny diabetiq.Midira google, ampidiro "Madeglucyl", ho afa-po ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8627