ahoana ny fomba tsotra

1. xxx ( 06/11/2005 21:31)
Misy olona miaraka amiko an , tsy mitsahatra ny mitaraina olana (probleme) amiko izy . Tiako izy nefa leo be za mihaino ny tarainany miaro LAINGA , mahatsapa aho fa tsy dia tiany fa ny itiavany ahy dia ny fahatsorako sy ny famahako ny olany. Ny lainga ataony angatahany vola amiko izany dia eo amin`ny faiblesseko fona ee. Inona izany ny fomba tsotra ilazako aminy fa tsy hiaraka aminy intsony .Fomba mendrika sady misy hisainanay tsara .
novalian'i cutie ny 12/11/2005 23:48
2. sipagasy ( 06/11/2005 21:42)
ka mila anao ho mafy izany eo @ izay kilemanao (faiblesse-nao) izay e!, akipio kely ny maso @ ilay kilema fa ho resinao io, avy eo koa dia teneno izy fa tsy tsara koa anie ilay ianao mitahiry ny manjo anao irery ao e! lazao azy fa tsy tantinao intsony ny laingalainga rehetra ataony hainao izany nefa nohon'ny fitiavanao azy koa no mbola anomezanao azy hatrany, sy hanampianao azy koa, ka raha tsy zakany izay fa hahatezitra azy dia tsy fitiavana ny iarahany aminao, tsy haiko moa ianao na vavy na lahy fa dia jereo eo izay mety e!
3. Herimiafina ( 06/11/2005 22:00)
Tena sur ve aloha ianao fa tsy mitombina loatra ny olana resahany aminao? Matetika mantsy olona sarokenatra izy de enao no akaiky anaazy ndrindra de resahany olana ara-bola ohatra, tsy midika izay tsy akory fa manararaotra anao izy, fa zony ianteherana zany enao. Iza koa moa no hiresahany olana eo raha tsy enao e.
4. sipagasy ( 06/11/2005 22:12)
hafa kosa ngamba ny hoe sarokenatra sy hoe manataka e! oupppsssss miala tsiny @ ilay fomba fiteny,
5. Herimiafina ( 06/11/2005 22:21)
Ie, tena samy hafa mihintsy. Ilay olona resahana eto izao de tsy haiko hoe manataka sa sarokenatra fotsiny.
Tokony jerana tsraa aloha ny amin'izay fa sao de mifangaro de hanenenana.
6. xxx ( 06/11/2005 22:45)
Tean misy olana izy ary tsy mbola nanda ny fangatahany aho na in1 ary fa isaka mangataka izy dia OUI fona , fa tena otran`ny araraotiny za ny tena marina . Noho ny fitiavako azy no hamapiko azy nefa araraotiny za ary tsapako le izy , in1 na in2 tsy maninn fa matetika lotra . Tena tiako tenenina be izy hoe hisaraka aminy aho fa tiko hisaina be zany izy fa tsy tokony hanararaotra fahatsoran`olona , amin`ny fomba tsy mandratra fo .
7. Herimiafina ( 06/11/2005 22:49)
Efa noteneninao azy mivantana ve nefa izany souci-nao izany?
8. xxx ( 06/11/2005 22:57)
Ilay izy efa tsy souci tsony fa tena efa sur mintsy .Nisy zavatra nataony tena nahatsapako ilay izy ary nahatonga saina ahy tanteraka .
9. Herimiafina ( 06/11/2005 23:01)
Tsotra, raha te-hisaraka ianao de aza omena signe de vie intsony izy de milamina, dia andana mamorona zavatra hafa hatao hanoloana ny fotoana rehetra tokony natokana ho azy.

Raha ny fahitako anao mantsy dia malemy fanahy be de mora négocier-na be de manaikinaiky foana izay zavatra angatahiny, tsy ho vitanao ny hiteny azy hoe andao hisaraka satria mety hio-insiste izy de tsy sahy handa ianao.
10. xxx ( 07/11/2005 00:17)
Herimiafina:

Tsotra, raha te-hisaraka ianao de aza omena signe de vie intsony izy de milamina, dia andana mamorona zavatra hafa hatao hanoloana ny fotoana rehetra tokony natokana ho azy.

Raha ny fahitako anao mantsy dia malemy fanahy be de mora négocier-na be de manaikinaiky foana izay zavatra angatahiny, tsy ho vitanao ny hiteny azy hoe andao hisaraka satria mety hio-insiste izy de tsy sahy handa ianao.


Misaotra anao herimiafina , na manoratra izany izy tsy valiana mihintsy koa ??
11. Herimiafina ( 07/11/2005 00:22)
Ie, fa mila mafy saina be fotsiny ianao de mila tsy malahelo an'azy.
Valiana ihany izy fa tsy eo no ho eo fa elaela aty aoriana, dia manao resaka normale mody tsy miraharaha mihintsy.

Izay le hoe, izy no pousser-na indirectement hiala aminao.
12. xxx ( 07/11/2005 00:58)
ok , hiezaka ny ho mafy saina za .
13. cutie ( 07/11/2005 04:30)
bloquer-o ny email-ny de samy vita.
14. majakely ( 07/11/2005 07:00)
ny hiezaka ny ho mafy saina dia mora be raha juste hoe roa andro na telo ,,ny manatanteraka azy no sarotra .....eritrereto fotsiny hoe tsy tinao intsony izy ,ary izy tsy tia anao ...andramo kely io de ho hitanao eny ihany ny tohiny ka..
15. fasaly ( 07/11/2005 07:25)
xxx:

Misy olona miaraka amiko an , tsy mitsahatra ny mitaraina olana (probleme) amiko izy . Tiako izy nefa leo be za mihaino ny tarainany miaro LAINGA , mahatsapa aho fa tsy dia tiany fa ny itiavany ahy dia ny fahatsorako sy ny famahako ny olany. Ny lainga ataony angatahany vola amiko izany dia eo amin`ny faiblesseko fona ee. Inona izany ny fomba tsotra ilazako aminy fa tsy hiaraka aminy intsony .Fomba mendrika sady misy hisainanay tsara .



tsory aminyny marina rehetra, manaova resaka carte sur table de misy hisainany sy hiovàny e!
izay ny hitako tsotra indrindra...aza menantra ny miteny zay ao antsianao sy ny ao ampo fa zay alehany halehany any , mety hampatsara zavatra nefa mety hampisaraka anareo kou!
16. estine ( 07/11/2005 08:58)
miaro lainga kosa ve de mbola fitiavana ihany tsy efa fanararaotana fotsiny ve zany
ampaherezo izy ry xxx fa "quelque fois l'amour est douloureuse"
17. xxx ( 07/11/2005 09:14)
sipa panataka ko zany e tsy hainao na efa nahavita villa any ambadika any izy fa enao anga efa baina sa mbola tanora e ny sipa amin'izao fotona efa enjana @ fanatahana bandy ko
:-D
:-D
:-D
:-D
18. diamondra27 ( 07/11/2005 09:35)
f'angaha sipa ihany fa ny bandy koa misy panataka e!itovizana io fa aza atao hoe sipa foana no diso.
19. diamondra27 ( 07/11/2005 09:40)
ny hevitro indray aloha de raha manana souci na de iray monja enao de lazao izy ka raha manampy anao izy de mba misy fitiavana ihany zany , na de oe mihaino anao fotsiny aza no nataony satria moa izy efa tsy manambola rahateo.Fa raha tsy mihaino na na fihetsika nataony de mahereza , amboary ny saina de ipitsiho fa tsy misy marimaritra iraisanao aminy ao.
Ny fitiavana dia natao hifanampiana na @ ratsy na @ tsara fa tsy ny tsara foana na mande ila ( ny iray foana no manampy), raha tsy zany de tsy misy antenaina.
Zao ary izy tsy manampy anao maika fa rahatrizay, tsy aleo ve de vitaina dieny zao, kanefa moa enao no tompotsafidy farany sy miaraka aminy ka de ataovy tsara ny choix-nao
20. xxx ( 07/11/2005 12:34)
Misaotra anareo rehetra .
Bandy no resahako eto ka ilay bandy io mandreraka ny saiko io .
Cutie misaotra anao fa tena blokeko ny adresse satria raha mbola mahita ze soratany za mety mbola alahelo .
Mbola tiako izy fa za tena efa tapakevitra hisaraka aminy satria mibaribary lotra ny ataony .
Hoteneniko ve izy hoe tsy hiaraka aminao intsony za fa tatahanao hihihihi , te hiteny anizay za fa otran`ny manohina be fa ilay fomba mendrika ilazako an`izay zany mba tena ilako hevitra eee .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1735