miangavy hevitra

1. xxx ( 06/11/2005 15:08)
Manao ahoana daholo

Efa elaela ihany izay no nialana tany Dago. Tamin'ny tany aho dia niaraka tamin'ny olona iray.
Talohan'ny nialako tany dia nisy fanapahan-kevitra noraisin'io olon-tiko io teo anatrehana olana iray. Rehefa fantatry ny tao an-trano ilay izy, dia tsy dia nankasitrahany loatra, ary tezitra tamiko ry zareo fa izany hono ve dia azo ho leferina! Niteny ny zokiko fa ny antony tsy angatahiny ahy hisaraka aminy hono - dia satria aho efa handeha rahateo ka ho rava ho azy ny aminay :cry: Izaho nefa ni-comprendre io olon-tiko io. Rehefa niresaka izahay dia tsy nolazaiko azy ny
olanay tao an-trano, fa nifanekenay fotsiny ny tsy handraisany decision toa iny intsony.
Amin'izao izaho tsy any izao nefa, dia niverina ny olana ary niteny tamiko izy fa tsy maintsy mbola hiverina iny decision iny. Niezaka ny nankahery sy nandresy lahatra azy aho ary ni-proposer solution hafa amin'ny olana mahazo azy - saingy tsy resiko lahatra izy.
Fara-heriko, mieritreritra aho ny hilaza aminy fa olana be tao an-trano io tamin'ny voalohany. Dia eo no mipetraka ny olako. Ahoana ny fomba hanazavako aminy? izaho aza dia mahatsapa fa toy miteny ankolaka aho hoe "raha manao an'io indray ianao dia barakay ny amintsika!!!" Tsy izany mihitsy nefa no hevitro.
Raha tsy ho resiko lahatra nefa izy, dia miandry olana indray aho avy amin'ny ao an-trano ... dia mba hanana ho avy miaraka sy milamina ve izahay amin'izany :(
Inona no tokony ataoko? Mety ve ny milaza aminy ny olana tao an-trano, sa ny ao an-trano tokony ho reseko lahatra?
Amin'ny ho avy - mety ve ny tonga dia miteny amin'ny olon-tiana hoe tena ady tao an-trano ny zavatra nataonao? Koa raha hifankahala ny faran'izy sy ny fianakaviana?

ialana tsiny raha lava loatra :D
novalian'i cutie ny 11/11/2005 04:57
2. hesham ( 06/11/2005 15:48)
tsy dia azoko loatra ny tinao ambara , inona ilay fanapahankevitra .
3. xxx ( 06/11/2005 16:02)
hesham > ialako tsiny be dia be ny tsy ahafahako milaza mivantany ny zavatra nataony ... (resaka identification). ooops - toa mangataka be dia be aho nefa tsy afaka manome afatsy kely dia kely :( :(
4. fasaly ( 06/11/2005 16:50)
raha izà ny amin'ny place nao de zay haha-stable anao aloha hatao zay vao mijery sy mandamina ny zavatra negatif rehetra!....raha ny olana misy foana...surtout resaka hoatrani'zany, io lay hoe laisser le temps faire les choses et laisser les choses à se faire!... rehefa mety ny hataonao any ivelany ka hitera-bokatsoa ve tsy hiverina aminao eo ihany izy e! raha tsy miverina de efa tsy anjara.
Ny famille nao anefa tokony tsy hanananao problème noho izany satria aza nareo mbola tsy mpivady akory sa ahoana.....
5. sipagasy ( 06/11/2005 17:40)
izaho indray miteny fa ny namana na vady azo soloina fa ny fianakaviana 1 ihany e! ka izay tianao na hanaraka ny ouln-tianao dia hisy disadisa eo @ fianakaviana, tsy voatso-drano sns e! tsy azoko be ihany koa moa ilay olana kouuuuuu
6. xxx ( 06/11/2005 17:52)
sipagasy > azonao ilay olana kah :) matoa mitombona ihany ny valin-teninao. fa raha ny hevitrao izany dia tokony hiteny aho hoe ady tao an-trano ny zavatra nataony ...

fasaly > ka efa mba nanana tanjona ihany niala tany fa tsy hoe nilalao, dia otran'ny very maina daholo izay niarahana niafy rehetra.
7. hesham ( 06/11/2005 18:00)
Matoa aloha ny fianakaviana manohitra zavatra dia misy zavatra efa hitany tany aloha mitovy amin`ilay cas ary mety ratsy ny vokany tamin`izany fotoana izany ka mahatonga azy sarotiny fa anjaranao mandinika azy hoe hirisika ve ianao sa tsia .
Tsy maninona raha tsy tinao lazaina ilay izy kanefa sarotra be amiko zao ny hanome hevitra anao raha tsy omenao exemple hafa mitovitovy aminy aho .
8. xxx ( 06/11/2005 18:34)
misaotra an'i hesham ...
hitanareo ilay izy mitovitovy amin'ilay olan'i Andrykely hoe "RAFitiavana sy RAVOLA" (ao amin'ny Antson'ny fo). Mahakasika ny fianarana sy fitadiavana mantsy ilay izy. Dia lazain'ny ao antrano fa rehefa avy aty ve ony aho dia hivarina amin'ny olona otran'zany :cry: :cry:
9. sipagasy ( 06/11/2005 18:48)
tena marina mihintsy ny hevitry ny ao an-trano ka anao ny mieritreritra e!
10. Ragadona ( 06/11/2005 18:55)
Sarotra ho ahy kosa alo ny hihevitra avy hatrany ohatra an sipagasy hoe marina ny an ao an trano satria tsy d tena mazava. Ary manome vahana be loatra ny passivité n ny olona iray manoloana ny tantaram piainany, izay tokony ho izy no handrafitra azy, ny fehezan teny vahiny nomen i fasaly teo. . .Amiko, ny "tsy fahatsoranao" tamin ilay fitrangany voalohany no mbola mampiverina azy...na dia hoe tsy ny marina rehetra akory no filaza.OK
11. akamatiana ( 06/11/2005 19:56)
xxx ô! sady aza manaraka ny hevitry ny atsy sy ny ary , fa anjaranao ny mandinika we iza no manana ny marina ,sy izay safidin'ny fonao , na kou izay hitanao fa mahasoa ny fiainanao.Efa mbô niainako kely iany mantsy zany zvt izany nefa izay fantako fa mahasoa ahy no fanampahakevitra noraisiko.Tsy we ny fisarahana toerana hisy no tsy hitenenany ny fisarana fa mety tia izy ,ny fitiavana nefa refa tsara orina sy latsapaka n'inn n'inn mitsanga , n'iza n'iza hiteny de mijoro eny fôna ,na eo aza ny elanelan-tany misy, fa ra toa kousa mifanohitra d ho rava mora eny fôna.Oops lava lotsa kou izy zany , fa zao an, mety kokoa ra lazainao ilay olon-tianao ny zvt misy ao an-trano , sao dia zay no ampiova azy ohatra , injinja we avy aminy no nampisy ilay izy .de aleo klou :-D:-D:-D:-D
12. hery ( 06/11/2005 21:19)
Na izany aza anefa dia ilaina ny franchise eo aminao sy ilay olon-tianao raha tena tianao izy. Teneno aminy hoe tsy tian'ny ao antrano ny zavatra nataonao... dia anjarany indray ny manapa-kevitra hoe mbola hanao an'iny na tsy hanao intsony. Mety mba hiova tsy hanao izay zavatra tsy tian'ny fianakavianao koa mantsy izy raha ohatra ka tena fantany ny antony. Fa raha tsy fantany dia tsy hadisoany mihitsy raha mbola manohy izy.
Any aminao tanteraka ny baolina ka anjaranao ny mikarakara azy. NY tao antrano izany efa nampahafantatra anao ny zavatra tsy tiany tamin'ilay olon-tianao... dia anjaranao ny mampita izany MIVANTANA any aminy. Raha hendry izy dia hifandinika ianareo amin'ny zavatra tokony hatao.
Mahereza.
13. sipagasy ( 06/11/2005 21:37)
Ragadona:

Sarotra ho ahy kosa alo ny hihevitra avy hatrany ohatra an sipagasy hoe marina ny an ao an trano satria tsy d tena mazava. Ary manome vahana be loatra ny passivité n ny olona iray manoloana ny tantaram piainany, izay tokony ho izy no handrafitra azy, ny fehezan teny vahiny nomen i fasaly teo. . .Amiko, ny "tsy fahatsoranao" tamin ilay fitrangany voalohany no mbola mampiverina azy...na dia hoe tsy ny marina rehetra akory no filaza.OK



ka izao anie ry Ragadona e! ny ray aman-dreninao tsy hanolo bato mafana anao na oviana na ovian izany ka anjaranao ny misafidy fa ny olona ho tiavina akory tsy ho foana ety an-tany mihintsy akory, tsy hainao nga ilay hira hoe.... ny fitia ka toy ny ketsa.... ka mora afindra.....
mahereza e!
14. Herimiafina ( 06/11/2005 22:04)
Iza no tokony handeha aloha, ny fo sa ny saina?

Tsara be ny hevitry ny Ray amandReny ary tokony hajaina foana, saingy izao nefa, mety miova ny hevitry ny RaR fa tsy voatery hitazona ny teniny hatramin'ny farany izy.

Izay ilay hoe première impression. Rehafa azon'ny fianankaviana ny information rehetra dia mety hiova ny heviny.

Ka noho izany aza mitsahatra ny miteny, ny manazava fa arakaraky ny hanafenanao info ohatr'izany, tsy fisian'ny franchise no mahataraiky ny famahana ny olana.

Ilay olona izao tsy itenenanao ny info ao antrano, ny ao antrano koa mbola tsy mahafantatra tsara ilay olona ankoatry ny efa hitany.

Dia izay no tena olana voalohany tokony hovahanao. Franchise.
15. cutie ( 06/11/2005 22:29)
tsy misy azoko ny lazain'i xxx
16. Herimiafina ( 06/11/2005 22:45)
Ka secret hono le zavatra sasany de tsy azo avoaka kalongany.
17. hesham ( 06/11/2005 22:48)
:-D:-D:-D:-D
18. Herimiafina ( 06/11/2005 22:50)
Inona hono ty mampivanitika nao rahavako izany? hehehehe:-D:-D:-D:-D
19. hesham ( 06/11/2005 23:00)
faly mahita anao de lazao indray fa tara aminao za :-D:-D:-D:-D:-D
20. Herimiafina ( 06/11/2005 23:01)
Non, tsy hilaza an'izany tsony zah kah, efa hita mivandravandra be izany de tsy mila tenenina intsony, hehehehe:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1589