hira gasy opera

1. tsangana ( 04/11/2005 16:06)
Manan-kevitra hanao comedie musicale aho ka ny HIRA GASY no mba tiako atao fototra sy alaina tahaka.Mba misy mazoto ve isika hanome sosok'evitra sy toro-hevitra.
novalian'i sonwin ny 07/11/2005 20:12
2. fijo ( 04/11/2005 22:43)
mahaliana ahy izany.
3. rabilabila ( 05/11/2005 10:27)
Miankina hoe : OPERA sa OPERA BOUFFE sa OPERETTE no tianao atao ; Ireo mpihirantsika fahagola ( Rainizanabololona , Naly sns....) mantsy rehefa miakatra an-tsehatra taloha dia sous forme operette foana no hanaovany ny présentation ny hirany , izany hoe misy récitative (sous forme théatrale ) dia haingoina amin'ny hira .
Raha ny hira izay ataontsika amin'izao fotoana izao hoe : "kalon'ny fahiny " dia be tokoa no tsara ary misavika thème be dia be ,na dramatique no tianao atao , na mampihomehy , dia manankarena tokoa isika amin'io .
Raha ny hira ankehitriny indray dia somary réduit ny thèmes satria saiky "fitiavana " sous toutes ses formes no betsaka ka miankina amin'ny fanontaniako etsy ambony ny valiny azoko atolotra anao.

Raha opera no tianao atao ,izany , dia iza no mpihira ? manana ve isika ?
Raha opérette indray dia iza no manana feo "assez puissante " ary hetsika an-tsehatra azo iankinana?

Raha "comedie musicale" indray dia quel genre : West Side Story ?, sa itony vaovao mitranga ao Paris itony ?

Mahaliana fa mba omeo vaovao raha mahita hevitra ianao.
4. tsangana ( 05/11/2005 18:41)
Misaotra ry rabilabila,
Tsara mihitsy raha mifanakalo hevitra eto isika ,satria tena mbola eo am-pitadiavana izay fomba mety indrindra hanatontosana an'izany aho.Raha ny tena marina dia mbola eo am-pamaritana ny zavatra kasaiana aho.Misy hevitra vitsivitsy izay natsipinao hitako fa mahaliana tokoa.Ny themes tiako ho-developper-na dia nyn fahendrena malagasy,a travers kabary,hain-teny,ohabolna....sns..sns...Angamba genre west side story no mety azo atao .Efa manana hira vitsivitsy aho (15 eo ho eo) mbola tsy nivoaka kapila.Ny tena hilako toro-hevitra dia ny hoe inona avy ireo etapes tsy maintsy arahina:
castings,auditions,mifidy musiciens, comediens etc..etc....
5. rabilabila ( 06/11/2005 13:42)
Fanontaniana mipetraka kely fotsiny alohan'ny hitohizan'ny resaka:

Aiza ianao no te hanangana io "comédie musical " io ? any Dilambato sa eto Madagasikara?
6. tsangana ( 06/11/2005 22:59)
Ny misy aho aloha izao dia aty ivelany ary tsy dia manana contacts loatra amin'ny artistes malagasy aho.Ka izany koa izao no mbola hitadivana ala-olana
7. rabilabila ( 07/11/2005 07:56)
Raha araky ny hevitro aloha dia izao:

Misy étapes vitsivitsy tsy maitsy atao alohan'ny hananganana ilay CM:
-Synopsis
-Mise en scène
-Efa fantatrao ve hoe karazana feo ahoana ny solistes?
-Ary karazana mozika inona no ampiasaina (piano na guitara solo ? sa quintet sa formationa classique ? sa izy rehetra ?),mijery arrangeur.
-Rehefa vita izay dia manantona producteur ( raha ohatra tsy hanao autoproduction ),miaraka amion'ny dossier.
-Manao devis % besoins
- Izay vao manao casting (mpihira, mpitendry,mpandihy,mpanao hetsika an-tsehatra),raha toa ka tsy ilay mpihira ihany no manao izany.
-Manao enregistrement hira iray na roa hanaovana ny pub.
Dia lasa izao!!!

Aza adino ny manantona ny organisme mitandro ny propriétés intellectuelles toa ny OMDA mba tsy alain'ny olona ny asanao , ary mba hitandrovanao koa ny "droit d'auteur"

Ireo no hitako hoe étapes minima tsy maitsy atao raha hanao zavatra toa io ianao.
Dia mazotoa e!! dia mba omeo valiny tsindraindray eny hoe aiza ho aiza ianao amin'ny fandrosoan'ny raharaha.
8. Angie ( 07/11/2005 12:12)
tsangana> tena mirary soa anao @ io faniriana tsara io, indrindra fa ilay idée momba ny fahendrena malagasy dia tena ao tsara an :D
9. sambatra ( 07/11/2005 16:37)
Mahafantatra Malagasy vitsivitsy manao "conservatoire de champ lyrique" aho ary misy efa tena tsara ofana mihitsy izy ireo. Mampita izany fotsiny aho sao misy hilanareo azy refa atsy ho atsy e.
10. sonwin ( 07/11/2005 20:12)
ary raha asiana mpikabary koa ao anatiny? asa nefa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1443