MANINONA MOA TSY VEHIVAVY INDRAY NO FIDINA @ 2006/2007 ??

1. jajaf401 ( 03/11/2005 10:47)
Sao de mba efa tokony ho vhvv amizay ny filoham-pirenentsika eto Madagascar???
Ny antony manko de mitady isika izay olona ho credible (@ ankapobeny), kanefa antsika mahita fa mila fandresen-dahatra ny mpamatsy vola sy ny clientel any ivelany;
Ka raha izay vhvv mba charmante fotsiny no ataontsika eo de sûr fa tsy maintsy ho vizana ary James Bonde (BM) sy ny FMI jiaby eh!eny nadia Bush milaza azy jao io aza!
Fa kosa mitady vhvv tsy manambady ilay izy fa raha tsy zany lasa conseiller matanjaka (potentiel) indray ny vadiny!!
:-D:-D:-D:-D
répondu par fijo le 07/12/2005 21:42
2. jentilisa ( 03/11/2005 11:02)
sarotra be kosa izany e! sa Gisele Rabesahala izany?
3. menakely ( 03/11/2005 12:45)
salut,
io koa anie no mahavoa antsika eh!
sipa maro ato @ serasera de mbola andeha itady olonkafa anareo, amboaro aloha ny ato antrano zay vao mandeha mitady any ivelany. sa ahoana?
4. agoago ( 03/11/2005 13:07)
Ta@ lay ianareo niresaka teto hoe iza ary no adversaire potentiel Ra8 @ 2007 no nieritreritra.Dia hoe iza tokoa ary? ireo mpanao politika ireo efa fantatra ny antaon'izy ireo, raha olona tena vaovao indray.Isika gasy hafahafa izay ihany.
Ta@ izay aho no nieritreritra toa an'i Jajaf401 hoe sao mba vehivavy indray ary no tsara atao Président eto.Satria sao mba hitondra zavatra hafa.
Dia tsy dia resy lahatra aho, satria ny vehivavy ange na Tale fotsiny aza izy dia efa manahirana izay.
Asa? maninona raha andramana indray moa! inona no efa tsy nandramana teto @ ity firenena ity anefa e.
5. jentilisa ( 03/11/2005 13:07)
Amboarina ahoana indray ary? aso dia tsy mety izany teny izany? =))
6. zama91 ( 03/11/2005 14:13)
Ka tsy hitako hoe iza no mba mpanao politika vavy gasy mba mety hoe lasa ho filoha ,tsy mbola mety amin'ny toe tsaintsika aloha izany e
7. jajaf401 ( 03/11/2005 15:06)
Zaho aloha mahita fa ny vhvv mbola betsaka mataho-tody eh, ka mety tsy hi-blagy aloha izy koa tonga eo eh!
Sady mety hiheno feon'olo mitaraina sahala amireny RENY ao antrano reny!!
8. jajaf401 ( 03/11/2005 19:12)
:-D:-D:-D:-D Lala Ratsiharivala zany eh :-D:-D:-D nefa nefa mety manambady, de tssssssss :?:
9. jefra ( 03/11/2005 19:31)
Mila fanana goavana vao afaka miditra an-tsehatra.
Ka ahoana hoy 'nareo rah' Lalao Ra8? Sa mbola @ 2012 izy vao hisolo an'i mose.
10. Veloo ( 03/11/2005 20:01)
jefra a i lalao namako be ko maninn tokoa moa? tsy ratsy an :-D:-D:-D
11. Herimiafina ( 03/11/2005 21:23)
Ie, tena marina, aleo vevavy no hitondra fa efa nisesisesy teo na sarimbavy na lehilahy.
12. Veloo ( 03/11/2005 22:23)
:-D:-D:-D:-D
13. xxx ( 04/11/2005 00:31)
Marina tokoa zany, maninona raha vhvvy indray noa tao filoha, sady hita zao fa zay commune tantananan vhvvy ( tsy izy rehetra an, comme ny eny Ivato), toa hita misy fandrosoana daholo.
Tsy atao an'le vhvvy efa antitra ireny kosa na le mademoisele be (toa an'i Gisel Rabesahala) fa le tena mbola jeune be tsy maninona na efa manambady aza. Ny vhvvy mantsy toa mahay maka fo zay ihany ka mety ny tsikiny de mivaha ny tananan-dry bush @ fanampiana samihafa. Sa tsy izany?
14. pika ( 04/11/2005 05:56)
:-D:-D
maninona moa raha ato @ serasera aloha mitady izay atolotra isika ho tohanana e=))
oh hoe za manolotra an'i :roll:=))=))
15. tangalamaitso ( 04/11/2005 06:39)
Alefaso tokoa hoe ny anarana vehivavy Malagasy hitanareo fa azo atolotra ho Filoham-pirenena. Dia ifandresentsika lahatra eto. Na izany na tsy izany mahaliana ihany koa ny hevitr'isika namana mikasika ireo mason-tsivana (critères)isan-karazany(ankoatra ny maha lehilahy na vehivavy)tokony hofenoin'ireo olona azo atolotra no Filoham-pirenena. Ohatra: marim-pahaizana, toetra, sns ...
Misaotra mialoha e!
16. jentilisa ( 04/11/2005 06:53)
Izaho ry zareo miala tsiny fa tsy mitovy hevitra amin'izany vehivavy filoha izany a!

Miala tsiny aho! asa be loatra ve ny vehivavy manao lela roa manodidina ahy no mahatonga izany?

ny mahafinaritra indray ny tokoantrano ny azy no tena karakarainy ataony milay! fa dia lasa alim-pody amin'izany manao filoha izany mba marina mafy!
17. pika ( 04/11/2005 07:53)
ny vhv aloha mahatsinjo lavitra ny lhl tsy mahita afatsy ny eo ampotomasony
fa saingy ilay fotompisainana mlg aloha mbola sarotra ihany izany
18. jajaf401 ( 04/11/2005 15:27)
F.N.S = Fikambanana Namana Serasera izany dia hanolotra vhvv iray @ fifidianana hoavy zao,
Tokony hisy sivana aloha (critères), oh :
1-Bac + qlq choses
2-tsy mbola niteny ratsy tato @ serasera (fitondrantena)
3-Mba efa directrice tany ho any ary tsara fitantana ny entana notantanana,
4- na manambady na tsia, mety daholy
5- tsara tarehy
6-Mpikambana feno ato @ serasera sady manana sary ato;
sns fa mbola azo ampianareo ny tsy voalazako!!
19. zakilinina ( 04/11/2005 17:04)
Ankasitrahako tokoa rankizy raha vehivavy no filoha.
Nandroso tokoa anie ny tany tamin'ny andron-dRanavalona II sy Rasoherina ê !
Ao koa ry Indira Ghandi sns.
Ataovy toy ny donan-kafon'Analakely ka tonga dia any ambovonana : mitanisà anaran-behivavy Malagasy potentielle, eny fa na dia eto amin'ny serasera aza.
Aza tononona aloha Razakilinina an !
20. bary90 ( 04/11/2005 18:28)
mety ho azo eritreretina tokoa aloha fa tena mety ho mora ny famatsiana ara-bola raha tena sipa katraka tsara no ho lany filoha eo , ka aleo ary hatsipy any Tsibazaza any izany hevitra izany eh, fa ny mety ho olana kely dia izao tsy manambady ilay filoha nefa anisan'ireo sipa manja izy , dia tsy hahatsiaro tena ve izy hoe misy zavatra manque eo aminy eh, dia @ fomba ahoana izany no mba mety hampiasany an'ilay fika hoe (durable sy rapide)......, hatao fakana vola ho an'i gasy lahy ihany izany ilay filoha ?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0567