fanjihitra (tvplus) alarobia 02 nov 2005: fjkm # fpvm

1. jentilisa ( 03/11/2005 08:48)
Nisy fandaharana tao amin\'ny tvplus Madagasikara omaly alarobia ka tateriko eto araka izay azo atao sy amin\'ny fijery tsy mitongilana mihitsy aloha!

ny mpanentana moa dia Atoa Ismael Razafinarivo.
ny solontenan\'ny fjkm dia Atoa Zaka Andriamampianina, mpitandrina.
ny solontenan\'ny fpvm kosa dia Atoa Dieudonné Andrianasolo.

Nilaza ny mpanentana fa eo amin\'ilay hoe nanao ny fifonana no iaingan\'ny adi-hevitra ka tiany ho fantatra ary hoe dia hanao ahoana ny tohiny.

Nanambara ny fpvm fa nanao ny fifonana mba hirosoana amin\'ny sehatra ambonimbony kokoa ary hampisy ny fifanatonana eo amin\'ny fiangonana roa tonta.

Namaly ny fjkm fa ny fifonana dia tokotanin\'ny finoana, ny fiaiken-keloka dia ao amin\'ny finoana ihany fa avelao ny fanjakana hanana ny anjara fijeriny azy. Tsy ny fjkm no nanakatona ny fpvm fa ny fanjakana.

fpvm: Miandry izahay hoe inona tokoa ny azo atao? Ny fanjakana tsy handray fanapahan-kevitra raha tsy efa nisy ny fitarainana. noho izany anajaranareo ny manapa-kevitra ha hosokafana ny fiangonana na tsia.

fjkm: Aoka homarihina kosa fa tsy avy amin\'ny foibe no niaingan\'ny fitarainana fa avy any amin\'ny fototra mipariaka any rehetra any. Ireo no nampakatra ny fitarainana. Isika tsy afaka ny hanao izay mahafinaritra antsika fa olona miara-miaina amin\'ny hafa. Dia nomarihiny ny didy hitsivolana 62-177 izay mhatra eto amin\'ny firenena.

fpvm: niantso ny filohan\'ny repoblika satria kristiana no manao fitarainana ary RARn\'ny olona rehetra eto izy ka ao anatin\'izany ihany koa ny fpvm. Nametraka ny Mt18,15 sns...ka nanamarika hoe tsy mba natsoin\'ny rahalahinay izahay na dia indray mandeha aza raha nisy ny fahadisoana, raha mbola atao hoe rahalahy ihany koa fa tsy fahavalo. Na dia atao hoe fahavalo aza moa dia mbola misy ihany koa ilay Mt5: 43-48 milaza hoe tiava ny fahavalonao ary mivavaha ho an\'izay manenjika anareo...

Raisina ho toy ny inona tokoa moa ny fpvm raha ohatra misy ny baiko na teny midina izay nosoniavin\' Atoa Rakotonirina Charles sy Atoa Lala Rasendrahasina tamin\'ny 4 jona 2003 mandrara ny sampana na sampan\'asa tsy hifandray na ankolaka na mivantana amin\'ny fpvm.
Raha nisy ary ny fitarainana tany rehetra tany; tsy tokony ho ny fokontany ary ve no ambaratongam-panjakana nohatonina na nampiatso tamin\'izany aloha? Ary raha tsy ny fokontany tsy ny kaominina indray ary ve? fa tsy nisy ampiantso mihitsy ireo. Nahoana?
Na ny voaheloka aza dia antsona ihany mba ahafahany miaro tena fa izahay kosa tsy mba nantsoina mihitsy hiaro tena. Sa tsy manana izany Zo izany izahay?

fjkm: napetraka io tamin\'ny 03 jona io mba ahazoana tsara ny statistika fa tsy mety no ady fpvm no fjkm. Didim-pitondrana no nametraka ny fanakatonana.
Tsarovy fa teo amin\'ny tantara dia ekiomenika ny fjkm ary fg maromaro natambatra raghateo. Raha samihafa fg ary dia tsy ny finoana no iresahana fa ao anatin\'ny valan\'ny lalAna...ny zavatra rehetra atao ao ampg dia tokony hisy lalAnany fa ny fjkm Andravvoahangy tamn\'ny androny kosa nanao zavatra tsy misy fierana...
hotohizana...
novalian'i Rianaah ny 31/05/2015 20:34
2. sonwin ( 03/11/2005 09:39)
tohizo amizay ranamana a....
3. sonwin ( 03/11/2005 09:41)
tohizo amizay ranamana a....
4. jentilisa ( 03/11/2005 09:43)
tohiny...
ny nataon\'ny mpitandrina tamin\'izany fotoana izany dia ny nametraka avy hatrany an\'Andravoahangy ho zana-tobin\'i Manolotrony. Fandikan-dalAna izany. Maninona ny tranon\'ny fjkm, ny fitaovany no kitihina? Tsy izay ihany fa izaho izay miteny dia tao andravoahangy ihany koa (Zaka io fa tsy jentilisa). Ny mpitandrina tao rehefa ao anatin\'ny litorjia ka tokony ho ny sitrapon\'Andriamnitra no ambarany dia ny nofiny no tantarainy. Nahoana no soloina nofy ny tenin\'Andriamnitra?
ianaro ny lalAna!

fpvm: rehefa ratsy ny maso dia ratsy tokoa ny fijery! ny tena fototry ny olana izany dia ny tobilehibe Manolotrony. ny fjkm nametraka litorjia ho an\'ny fifohazana ary nanery ny rehetra hanaraka izany. Izay zavatra izay no niafara tamin\'ny fandroahana ny fifohazana Manolotrony tsy ho fjkm intsony.
Isika eto izao dia mitady vaha-olana. Inona no azo atao? Afaka mametraka ny fepetra rehetra ny fjkm fa miangavy re izahay mba sokafy ny fpvm raha mbola azo atao ihany koa!

inona izany no ataonareo raha tsy sokafana ny fg? hidina an-dalambe ve ianareo?

fpvm: Ataonay ahoana moa ny hoe ahafahanay hidina an-dalam-be? Tsy afaka hanao izany izahay!
jereo ny olana mahazo ny vahoaka malagasy tsy mba manam-bola hividianana fanafody. Ny asam-pifohazana ao am-piangonana no mba antenainy...tsy afaka tanterahina izany noho ny fanakatonana ny fiangonana. Nanatona ny minisitry ny atitany izahay ary ny tany no nilaza hoe any amin\'ny fjkm ny baolina.

fjkm: tsy zavatra iray ihany no antony hanakatonana ny fiangonana. Ny maoraly indrindra indrindra, mila fitondran-tena mendrika amin\'ny fitondrana fg, mila hay daholo ny lalAna. Tsy hoe rehefa voadona vao hoe hianatra. Hainareo ny talentanareo ny théorie psychologique sy sentimentale.

fpvm: raha maheno izany teny rehetra izany dia tahaka ny hoe tena manaonao foana mihitsy ny fpvm. Nanao izay azo natao tokoa izahay.
kol 3:3-9: raha misy fialonana, raha misy fifandirana...raha tafatoetra izay dia andao hampiharina iza fifandeferana izay. Nisy rahateo ny teny hoe handefitra na dia main\'ny tsy rariny aza. Tsy azo atao ve izay? andao isika hifandinika an-databatra boribory hahafahana mandroso kokoa.

fjkm: izahay izay nanana olana no nanatona ny foiben\'ny fpvm intelo izao. Nefa ny tany no namaly hoe aleo an-tarobia ihany no ifampiresahina...Io tsy misy hoe iza no manaiky na iza no tsy manaiky. Tsy voatery ho an-databatra boribory no hamahana olana fa anankiray ihany izany. Tsy afaka hifanaraka amin\'ny fg tsy mifanaraka amin\'ny lalAna ny fjkm. Rehefa misy koa ny gestion de conflit dia tsy voatery hihazakazahana izany. Aleo milamina tsimoramora sady efa be ny fg no nakatona tsy nihazakazahana ny hamohana azy. Fjkm fiadanana maritiora ohatra dia 14 taona no nikatona! ny fg Jesosy Mamonjy koa efa nikantona tami\'ny 1966 fa nisokatra ihany izy taty aoriana.
Amin\'ny tapatapaky ny volana novambra any no hivory ka any vao mety hifandinika ny aminn\'y famohana na tsia.

fpvm: mahagaga izany hoe intelo no nanaona ny foibe fpvm izany ny foibe fjkm. Tamin\'ny 30 septambra tamin\'ny 9 ora no nitady tao ny tonia ka ny sekretera no nandray azy. NItady ny filoha izy saingy tsy tao ny past. Randrianatoandro ka nantsoina an-tarobia. Mitady fihaonana mivantana aminy io Tonia io fa namaly ny filoha hoe raha azo atao antelefonina maninona re raha tonga dia ifampiresahana? Tamin\'io fotoana io ihany dia niantso an\'i Neny Justine ny pastora Randrianatoandro. Ny hariva ihany tamin\'ny 4 ora dia nankany amin\'ny foibe fjkm ny delegasiona, ny filoha tsy teto an-toerana tamin\'nizany fotoana izany ka i Neny Justine no nitarika ny delegasiona. Ny tonia sy ny mpiandraiki-draharaha ihany no nandray azy ireo. Nangataka ny delegasiona hihaona amin\'ny filoha fa tsy dia ilaina loatra izany hoy ny valinteny, izaho ihany dia efa afaka mampita ny resaka.
4 oct dia nandefa taratasy ofisialy izahay hangataka fihaonana amin\'ny foibe fjkm.
12 oct no niangaviana ho tonga hivory hiaraka amin\'ny sekretera jeneraly ka amin\'ny 18 oct no mihaona. Rehefa tonga izany fotoana izany dia fifonana avy hatrany no nataonay.
inona ny tohiny? 22 oct no nikatona ny fpvm.

Ny fitoriana ny filazantsara re no voatohitohina amin\'izao toe-javatra izao, tsy ny lalAna no hamonjena...

fjkm: ny teorian\'izay hoe tratra nandika lalAna izay ny raha vao tratra dia mifona. Ilay fifonana tsy tena fifonana fa fanerena hanokatra ny fg. terrorisme sentimental no tena mitoetra...

fanamarihana: tsy nanao fitoriana ny fjkm fa nanao fitarainana. Ny fitoriana dia mandalo fitsarana fa ny fitaranana kosa tsy mandalo fitsarana.

fanontaniana mpihaino iray tena nanaitra sady fohy: Ahoana ny amin\'ny hoe mamelA ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay? Ary ahoana ny teny hoe isika tsy ambany lalAna fa ambany fahasoavana?

Dia izay no azo ambangovangony tsy nisy fitongilanana ny resaka tao. Manomboka eto dia mety ho ny hevitro no tena voasoratra.

jentilisa.
5. jentilisa ( 03/11/2005 09:53)
Ianareo izay efa nahita ny fomba firesaky Ampy Portos fony izy minisitry ny ati-tany dia hahatsapa tsara hoe tahaka ny ahoana ny solontenan'ny fjkm rehefa niteny ny amin'ny lalAna izay fiteny naverimberny matetika saiky nankaleo tamin'io fotoana io.

Ny solontenan'ny fpvm dia tsy niala loatra tamin'ny fanononana ny andinin'ny baiboly. Toy ny vonona ny tsy hamela heloka izany mihitsy ny fjkm.

Ny teny famaranana nataon'ny fpvm dia tso-drano toy ireny hoe tso-drano ampiangonana ireny mihitsy. Io zavata iray io no adinon'ny solontenan'ny fjkm izay sahala amin'ny hoe izy no solontenan'ny atitany.

Nilaza ny mpanentana fa tokony ho nantsoina ihany koa ny solotenan'ny ati-tany mba tsy hisy ny fifanipazana baolina tahaka izao.
Rahafa nofehezina dia tsy any amin'ny fjkm loatra tokoa ny baolina fa tena any amin'ny minisiteran'ny ati-tany tokoa. Resaka fampandriana adrisa ny ankoatra izay. Tahaka ny tsy mahavaha olana tokoa ny fjkm afa-tsy ny fanatsoahana ny fitarainana ihany angaha no azony atao!
6. sonwin ( 03/11/2005 09:55)
lalina izy zany an..misaotra ny mpitatitra.no comment:-$, mahagaga zareo..
7. eprom ( 03/11/2005 12:00)
Misaotra ny mpitatitra.
Fanontaniana kely : solontenan'ny fiangonany nalefan'ny biraony ve izy mirahalahy ireo sa ny mpikarakara no niantso azy mivantana?
8. jentilisa ( 03/11/2005 13:00)
raha ny fahalalako azy dia solontena ireo! olona samy efa mahazatra amin'ny tele koa ireo olona ireo ankoatra izay. Solontena no niangavian'ny mpanantontosa fa tsy nanonona olona mivantana ho antsoina izy tamin'io.
9. xxx ( 03/11/2005 14:54)
Ny aho aloha ny fahitako azy de olona tsy misy fanahy mihitsy le solontenan'ny FJKM e! mandany andro ny miresaka amin'ny olona tahaka ireny e! tsy ny tenin'Atra no mibaiko azy fa ny lalànan'ny tany!
10. xxx ( 03/11/2005 15:01)
ka nareo ve tsy avy ao ihany no nivoaka e:),mbo mahaiza mifanaraka fa nareo samy nareo ihany ireo...eo imasonay 8O
sw
11. zakony ( 03/11/2005 16:59)
inona le fpvm fa tsy fantako lereto a
12. yonikafopl ( 03/11/2005 19:39)
oopsss, Tompo oo , mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony.:(
13. Veloo ( 03/11/2005 20:15)
yonik hahahahha:-D:-D
14. aly ( 03/11/2005 20:38)
Inona no antompiveloman'ny fiangonana?
4V Vavaka Vola Voninahitra ary V.... Diniho tsara anié !! io V farany io no tena manova zavatra satria tsy maintsy mandalo eo raha vao protestant.
A ahoana?
Ianao mitantara io dia hita fa efa nandray position sahady fa tsy neutre. Jero tsra anie ireo FJKM sy FPVM miorina any ivelan'i Dago e! Ao raha zalahy é!!!
15. sonwin ( 03/11/2005 20:46)
misy raha la terre8)
16. Veloo ( 03/11/2005 20:50)
inn ary ty V sy A ty ry aly a?
sonwin a zany ny fiainana eto @ la terra retsy a nga tsy loza e...
17. Herimiafina ( 03/11/2005 23:32)
Lasa ny saiko hoe mba vola ohatrinona aza no lany tamin'io dinika io, ny nanomanana azy, ny nividianana savony entina hanadiovana ny akanjo hanaovan'ireo olona hifampidinika,sns.

Misy mansty olona ary ambany andrefana ary maty noana ka mangataka na dia Ar100 aza hihinanankanina na dia vary iray venty aza?
18. xxx ( 04/11/2005 02:12)
[size=14]FFKM = fivavaham-panjakana[/size]
19. jentilisa ( 04/11/2005 06:00)
aly:

Inona no antompiveloman'ny fiangonana?
4V Vavaka Vola Voninahitra ary V.... Diniho tsara anié !! io V farany io no tena manova zavatra satria tsy maintsy mandalo eo raha vao protestant.

Tahaka ny hoe tsy mbola nandalo teo ianao na dia tsy protestant ary na dia tsy kristiana aza! Na dia izany aza ny makorelina no tena manao izany ho antom-pivelomana aza fady indrindra!

aly:

A ahoana?
Ianao mitantara io dia hita fa efa nandray position sahady fa tsy neutre. Jero tsra anie ireo FJKM sy FPVM miorina any ivelan'i Dago e! Ao raha zalahy é!!!

Manontania ianao ny olona rehetra fantatrao eto dago ka nanaraka io fotoana io dia ho fantatrao na neutre aho na tsia!

Adikao dia alefaso any aminy dia anontanio hoe tena izao ve ny filaharan'izay nolazain'ireo olona roa ireo? Tsy maninona manorata mivantana amin'ny tvplus madagascar.

Ihamboako mihitsy na dia tsy mety aza izany mihabo izay sady hanaovako defi aminao!

20. lolabe ( 04/11/2005 10:31)
Raha mbola miaina eto antany ianao de tsarovy fa misy lalàna daholo ny zavatra rehetra fa tsy tahaky ny fanjakan'ny baroha akory, raha ny tranonao izao no tonga de misy maka ankeriny de inona no ataonao? tsy maintsy lasa ianao mande mitory io olona naka ankeriny io tranonao io, ny baiboly anie tsy natao hanafenana ny ratsy atao fa atao ampiarina amin'ny fiainana e, fa tsy hoe rehefa mitanisa ny andalany maro ao anatin'io baiboly io akory ianao de hoe tena masina tokoa ary tsy manao ratsy mihintsy, ary koa hoe rehefa tsy nilaza ny tao amin'ny baiboly mihintsy akory le solotenan'ny FJKM de hoe tena olona tsy mba mivavaka mihintsy, fa jereo foana hoe mbola eto antany ianao fa tsy mbola any andanitra akory, misy lalànany daholo ny zavatra rehetra, ka mahaiza mamakafaka tsara fa aza de mihinana amambolony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1792