fanjihitra (tvplus) alarobia 02 nov 2005: fjkm # fpvm

41. dadabe ( 09/11/2005 13:17)
mafana ny resaka ato kle :@
42. jentilisa ( 09/11/2005 13:42)
Tsy hoe niady kosa ny jesosy mamonjy sy ny fjkm fa itpkl Daoud no namitaka.
Ny pastora fjkm no nasainy nandika teny sy nanampy azy tamin'ny fitoriana nataony. Avy eo nosintoniny ny ondrin'ny fjkm. Raha hoe nisy olana indray teo amin'ny roa tonta ireo dia efa fjkm ny fjkm tamin'izany
43. jentilisa ( 09/11/2005 14:53)
araka ny re dia androany ny valin'ny fitsarana tamin'ny nanakatonana ny fpvm no tokony ho re. Androany koa no nanomboka nivory ny foibe fjkm, asa hanao ahoana ny valin'izany zavatra rehetra izany?
44. mimiso ( 09/11/2005 17:29)
Mba mampalahelo kosa raha ny ondry hiditra ao am-bala indray no sakanana klé
45. sonwin ( 09/11/2005 21:18)
Ary dia voasintona foana zany ny ondrin'ny fjkm...fa iza no mpiandry ondry ao e?...ilay mpisintona koa de mahagaga, fa maninona zao raha ireny mbola tsy anaty vala ireny no sintonina :roll:
46. xxx ( 10/11/2005 06:08)
aiza wa le fahamarinana sy fahamasinana eto dago
Ary aiza le we firenena kristianina .:roll::evil::idea:
47. jentilisa ( 10/11/2005 09:02)
re ary fa tsy noraisina ny fitoriana napetraky ny fpvm. Noho izany dia mbola mikatona hatrany io fiangonana io. Ny tany amin'ny foibe fjkm indray dia tsy misy na inona na inona fantatra...

ny tantara dia mbola mitohy!
48. sonwin ( 10/11/2005 10:28)
tantara hafa kely...
49. jefra ( 10/11/2005 23:52)
Ny azoko antoka dia raha mivadika ho FPVM Ra8 (fa nanonofy), dia ny FJKM indray no mety hikatona.

Mila porofo nareo: Ny fivavahana kristianina (mbola iray izy t@ izany) dia nenjehina sy noheverina ho secta, mandrampivadiky ny emperora Constantin n'i Roma (marary efa ho faty) t@ taona 323. Dia lasa fivavahan'ny ampira manontola ka niroborobo ny kristianisma.

Fa ilay nofy no toa mety tsy ho rahampitso. Ny katolika aloha soa ihany fa manohana azy tsara ilay lohany fa raha tsy izany...mety tsy fantatra.
50. jentilisa ( 11/11/2005 08:21)
Raha ny sitrapon'ilay mpitondra dia efa nikatona ihany koa ny Jesosy Mamonjy saingy lamina anaty nahay nifandamina ihany ka tsy hitany izay atao.
51. Angie ( 11/11/2005 09:23)
misaotra betsaka @ tatitra e, tena mahaliana.
52. sonwin ( 11/11/2005 09:27)
mahaliana marina....
53. jentilisa ( 11/11/2005 15:28)
mety ho avy haingana ve ny bilidaozera handrava ny trano eo Antaninanandrano?
54. xxx ( 11/11/2005 17:12)
Hitako marina alou zao fa Ra8 sy A/tra sisa miady ,fa iza alou nanendry anazy teo ra tsy A/tra iany nefa iadivany!:oops:8)
55. jefra ( 11/11/2005 18:17)
Aza mitsara dia tsy ho tsaraina hoy ilay 'raika lahy nandalo 'zay. Raha ekenao hoe A/tra no nanendry azy dia sitrapony izany ny maha eo azy, dia sitrapony koa ny ataon'ilay olona sy izay miseho rehetra (na ny olana FPVM na ny lasantsy miha lafo na ny delestazy...), asa misy fitsapana any ambadika any tsy haiko...fa dia mino fotsiny ihany sady mivavaka!

Fa aza atao kosa hoe rehefa mifanaraka @ eritreritra dia A/tra, fa rehefa tsy revy dia zava-kafa.

Ny fiheviNy hono tsy fihetr'olombelona, ka izay no tena mahasarotra ny resaka.

Mahefa ny zava-drehetra Izy ka azony nofoanana ange ny devoly e! Fa sao mora loatra hono ny fiakarana any an-danitra, sady sao tsy omby angamba ny toerana dia aleo mba misy manota. Fa amiko dia efa voakajy mialoha daholo ireo.

Dia mety ho diso koa anefa ireo satria izaho mbola olombelona.
56. Herimiafina ( 11/11/2005 19:02)
Betsaka mahintsiny izao ny vola lany amin'itony ady sy fitoriana ary fifanaratsiana itony an.

Mahagaga mahintsiny, nefa ny tany mahantra, ny tambanivohitra mila masomboly, mety ho tara ny fanetsana amin'ity satria tsisy orana, noana ny ankizy mandeha mianatra, sns.

Be ny mifamingampingana, ny mifanaratsy, ary de tena mahalany amina miliara mahintsiny entina mipalaka sy miaro tena, hiseho sehatra.

Mahavatra mividy lobaka Pierre Cardin valerana roa hetsy ariary, mahavatra manjaitra costard valerana valo hetsy ariary ao amin'i Gilbert Rakotomanana fa hiseho sehatra amin'ny télé.

Mahavatra mitady mpisolovava karamaina dimy tapitrisa ariary.

Kanefa raha angatahan'ny tambanivohitra vola arivo ariary hividianana masomboly iray kapoaka de sorena ery, malaina.

Rava ny firaisankina tokony entina miatrika ny fahantrana sy ny fampandrosoana, lany atidoha any amin'ny tsy izy, miketriketrika velapandrika haminganana fa tsy miheritreritra teknika hampitombo ny vokatra vary.

Rehefa mijery ady toy izao izaho de miheritreritra foana hoe efa manankarena be ngah ny malagasy ao no afaka mi se permettre miady. Ny ady tsinona dia lasa bien de luxe ankehitriny, tsy takatray mahantra.
57. jentilisa ( 12/11/2005 07:49)
miady sa mihoa-pahefana?
Ary matotra be kay ity herimiafina ity indraindray?
58. Herimiafina ( 12/11/2005 22:14)
jentilisa an, raha tena jerena de azo ampifandraisina tsara ny ady sy ny mioa-pahefana, endrika isehoan'ny ady daholo izany, ny tsy firaharahiana koa izao anisany.

Efa vita ny kilalao tary ambadika tary de niditra tato de matotra be indray aloha, hehehehe:-D:-D:-D:-D
59. dadabe ( 13/11/2005 12:53)
herimiafina =D=D=D
60. Rianaah ( 31/05/2015 20:34)
Miarahaba, tsy anjaran-tsika no mitsara fa anjaran'Andriamanitra.
ary Andriamanitra iray ihany no hivavahan-tsika na hivavaka ao @ FPVM na FJKM na FLM,...ny tanjona dia mba ho tonga any an-danitra daholo rehefa hiala eto an-tany, rehefa any an-danitra dia tsy misy intsony hoe "mitokàna arý ny FJKM, dia mitokàna arý ny FPVM" fa mitambatra iray daholo rehefa any, tsy mahavonjy ny fanahinao ny anaram-piangonana, koa mifankatiava isika Kristiana fa izany no hamantarana hoe mpianatrin'ny Tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1568