fanjihitra (tvplus) alarobia 02 nov 2005: fjkm # fpvm

21. jefra ( 04/11/2005 11:28)
lolabe>> Marina ny voalazanao raha fifandraisan'olon-tsotra ny resaka. Fa fivavahavana no resaka. Dia "fifamelan-keloka" no fotony. Tsy ianao no hilazana hoe atolory koa ny takolaka havia... Lasa mifanohitra @ fototra ijoroana (baiboly) ny resaka.

Faharoa: Ny niandohan'ny Protesta dia ny fanakianana ny fomba nitondran'ny Papa t@ izany ny kristianisma. Hevitra tsy nitovy (@ interpretation bible) no nampisaraka, nifanenjehana, nifamonoana. Dia samy protesta indray izao no mifanenjika. Mahalasa saina.

Aza mitsara dia tsy ho tsaraina hoy ilay 'raika lahy izay. Ary ny fiheviny hono tsy fihevitry ny sasany.
22. Landrymimi ( 04/11/2005 11:44)
Misaotra anareo naneho ny hevitrareo rehetra e!!!
Raha izaho aloha an! dia manomboka mieritreritra sy misaina fa nisy trangan-javatra tahaka izao no niseho tao amin'ny Taninanandrano:
Marihiko fa source marina no azoko fa tsy anganongano akory:
- Nahita olona marobe nanao akanjo fotsy ny miaramila 13 niambina ny fiangonana; olona miakanjo fotsy nihira tao anaty fiangonana scéllé!!!!
- Gaga sy talanjona ny miaramila ary dia nisy nilaza fa hijoro vavolombelona raha misokatra ny fiangonana!!!!
Ho antsika izay manenjika ny FPVM izao no lazaiko: sao dia mba Andriamanitra mivantana mihintsy no henjehitsika!
Z'inona moa isika zanak'olombelona no mba hitsara?
Marihiko fa Jesosy raha naniraka ny mpianatra ka nilaza hoe: "Mandehana any amin'izao tontolo iza, mitoria ny filazantsara..."Tsy naniraka anjely izy fa naniraka olombelona izay adala eo amin'izao tontolo izao, olombelona mety manana ny fahalemeny!!
Koa aza ny fahalemen'ny olona anie no jerena fa ilay filazantsara voatory ao anatin'io fiangonana io!!!!
- Milaza aminareo aho fa malahelo Jesosy amin'izao toe-java-mitranga izao nefa mino aho fa mbola haneho ny voninahiny izy!!!
"Miasa Aho ka iza no mahasakana izany?
"Sambatra ny mpampihavana!
mamin'ny tany sy ny lanitra
tretrika ny be fitiavana
izy no tena zanak'Andriamanitra
Endriky ny tany ety
Ravaky ny lanitra ery
sambatra ny mpampihavana
Fa izy no tena zanak'Andriamanitra an!!
23. jefra ( 04/11/2005 11:55)
Landrymimi>> Hadinonao ny nilaza hoe "Sambatra izay enjehina", ka tokony hisaotra betsaka ny FJKM ianao :lol::lol::lol:

Sady efa nitombo miaramila 13 indray izay ny kilila.
24. yonikafopl ( 04/11/2005 13:05)
ahan :wink:
25. diamondra27 ( 04/11/2005 14:15)
zakony: FPVM = Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara sa inona moa?
26. xxx ( 04/11/2005 16:16)
landrymimi> ireo nanao akanjo fotsy ireo kosa aloha dia tsy olona e, ka raha nisy tokoa ilay izy, fanahy ve? dia iza ary avy aiza? anjely ve? mhh raha ny fahalalako ny protestant mantsy dia refa maty ny olona de maty dia miandry ny andro farany ao, dia sady tsy manaiky ny "fahitana" hoe iraka avy any an-danitra ireny ihany koa...ka iza ireo zany? Ahitsio ny fijeriko raha diso...fa hoy za hoe reo zany ny fanahin'ny olomasina..nefa ndray ny protestant tsy manaiky ihany koa ny fisian'ny olomasina..dia iza aza ireo olona marobe nanao akanjo fotsy ireo?:roll:
sw:)
27. tigany ( 05/11/2005 08:03)
Iza ary zany reo olona 13 nanao akanjo fotsy reo? zaho aloa manao hoe tsy nisy izany ary vavolombelona tsy marina lay miaramila rah sahy miteny zany imasom-bahoaka, nefa hevitro zaho samirery io an sao dia lazainareo fa hoe inona eo indray, Nefa mety ho "fanahy" tsotra kosa raha toa ka tena nisy tampoka
28. Landrymimi ( 07/11/2005 05:52)
Tsy 13 no isan'ireo olona nanao akanjo fotsy fa ny miaramila nahita azy no 13!!!
Je ne peux pas affirmer wé anjely v reo sa fanahin'olomasina sa inona satria je les ai pas vu directement!
Ny tiako ambara fotsiny dia afaka maneho ny voninahiny Andriamanitra ka tokony handinika tsara isika!
29. sonwin ( 07/11/2005 20:02)
..dia ahona ny fandehany amin'izao e...8)
30. Veloo ( 07/11/2005 20:13)
8O8O8O
31. estine ( 08/11/2005 08:14)
mbola ady hevitra mipetraka iny ,ka na ho tonga eny @ fitsarana indray koa iny" fahitana" iny ra izay no ilazana azy de tsy ahita ny marina isika ,ra irimbelona aza le polisy hoe nahita ny mpanohitra hilaza fa tsy marina de tsy hita ny marina
"vérité religieuse io ka trop subjetive"
ny siosio anie tsy maintsy @ tranga m-piarahamonina rehetra e!"ny valala misy ny mpilaza koa ......":idea:
32. jentilisa ( 08/11/2005 08:58)
Araka ny voalaza moa dia nakarin-dry zareo FPVM ny Ampanjaka tany Vatovavy fitovinany nahatonga ny fanakatonana. Ary ireo no nilaza ampahibemaso fa tena an-dry zareo ny tany ary efa natolotra ny Fjkm izany. Ary tsy misy korontana any fa ny fanakatonana ny fiangonana indray ary no mety hahatonga izany korontana izany.
33. jefra ( 08/11/2005 11:22)
Manamafy izay lazain'i jentilisa ity voalazan'ny LaGazette androany ity.

Raharaha Fpvm : Miteny ny avy any Vatovavy Fitovinany
Ecrit par Ralay
07-11-2005

Raha ny fanambarana nataon’ny Foibe Fjkm dia fiangonana Fjkm miisa 9 amin’iny faritra iny no nisehoana korontana izay nisy fiantraikany tamin’ny “filaminam-bahoaka” noho ny nafitsoky ny mpiangona sy ny tompon’andraikitra avy amin’ny Fpvm any an-toerana. Tonga eto andrenivohitra ka nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, ireo mpitandrina roalahy avy amin’ny Fpvm avy amin’iny faritra iny. Ny iray dia ny Pastora Zafilahy avy ao amin’ny fiangonana ao Faliarivo, ary ny iray dia Filohan’ny synodam-paritany Fpvm amin’iny toerana iny, ny Pastora Ramana Grégoire. Isan’ny niara-dia tamin’izy ireo koa ny Ampanjaka any amin’iny faritra iny, dia i Botoarinasy.

Ny fanazavana nataon’izy telo mianaka ireo tamin’ny mpanao gazety no nanoritan-dry zareo fa “zendana sy gaga ry zareo any an-toerana raha nandre ny vaovao tamin’ny alalan’ny radio fa nakatona ny Foibe Fpvm ao Antaninanandrano ka ny antony dia ny korontana mitranga, ary isan’ny voasoritra ho voalohany itrangan’ny korontana ny any Vatovavy Fitovinany”. Tsy marina izany, hoy ny Pastora Zafilahy fa fandaminana sy fanoloram-pitaovana sy fananana no nisy tany, ary voarakitra an-tsoratra avokoa sy nahazo ny fankatoavan’ny manam-pahefana ara-panjakana any an-toerana ny zavatra rehetra natao tamin’izany.

Ny Pastora Ramana Grégoire no nanampy fanazavana fa “nisy ny fisarahan’ny mpiangona tao amin’ny Fjkm ka ny ampahany, izay ny maro tao ampiangonana, dia nisintaka ka nanangana ny Fpvm, ary vokatr’izany dia nampiasain’izy ireo ny fitaovana sy ny trano”. Raha nandre izany ny Ray amandreny Randrianantoandro, hoy izy ireo, dia nanao antso avo miendrika baiko mihitsy ny faha-16 aogositra, nandritra ny fivorian’ny isan-kerin-taom-pifohazana Manolotrony, mba hamerina ny fitaovana sy ny fananana nampiasain’ny mpiangona Fpvm any amin’ny Fjkm. Ny faha-19 aogositra no nanatanterahana ny fanolorana ka nahazo ny fankatoavan’ny manam-pahefana ara-panjakana, hoy ny Filoha Synodaly.

Taorian’izany koa no nijoroan’ny Ampanjaka Botoarinasy ho vavolombelona fa “ny olana mitranga rehetra any amin’iny faritra ahiany amin’ny maha-raiamandrenim-piaraha-monina azy iny, dia tsy maintsy manatona azy avokoa, ka fandaminana sy fampihavanana no anjarany amin’izany”. Momba an’ity ambara fa korontana nateraky ny olana tao amin’ny Fpvm sy ny Fjkm ity, hoy izy, dia ambarako ho ren-tany ren-danitra fa lainga ny filazana ny fisian’izany. Nohamafisiny ireo voalazan’ny mpitandrina roalahy ao amin’ny Fpvm avy any an-toerana momba ny fandaminan-draharaha ka nanaovana ny fanoloram-pitaovana sy fananana.

Ny nahagaga dia ny nilazan’ireto nitafa tamin’ny mpanao gazety fa tsy nisy izany fitarainana avy amin’ny Fjkm izany nampitaina tamin’ny filoham-pokontany sy ny Ben’ny tanàna mbamin’ny solontenam-panjakana any amin’ny Distrika sy ny faritra izany tany.

Raha manontany ny olona any ianareo mpanao gazety, hoy izy ireo, dia samy hilaza aminareo izy rehetra fa tsy nahafantatra na nahita fitarainana izany. Izay fitarainana nampitaina tamin’ny ambaratongam-pitondram-panjakana izay anefa no nambaran’ny tao amin’ny foibe Fjkm fa niakatra tany amin’ny ministeran’ny Atitany ka nahatonga ny tany ho nandray fanapahan-kevitra tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana ka nanakatona ny Fpvm.
Fiangonana efatra any amin’iny faritra iny no notondroin’izy ireo omaly, fa nisian’izay fifanolorana izay, ary nisy tamin’ny fananana mitoetra izay natolotra aza no an’olona mpiara-dia amin’ny Fpvm ankehitriny, saingy nomeny tamim-pitiavana ho an’ny Fjkm, ary ankehitriny dia ao anatin’ny fiaraha-monina tsy misy rahoraho mihitsy ny mpiara-miangona.

Ireo fiangonana efatra ireo dia ny ao Vinanomasy, Iarinomby, Faliarivo ary Tsialamaha. Nisy fiangonana koa tao Marondoha, hoy ireto avy any Vatovavy Fitovinany, saingy nirodana tamin’ny taona 2000, ka ny fitaovana tsy mitoetra tao sisa no nentina nifindrafindra araka ny toerana nanaovana ny fanompoam-pivavahana tao an-tanàna. Ireo fitaovana ireo koa dia natolotra ny Fjkm.
34. jentilisa ( 08/11/2005 13:03)
Raha jerena ny toe-javatra dia hita hoe tsy te-hahalala ny rafi-piaraha-monina loatra ny fjkm fa ny rafi-panjakana ihany no fantany. Hadisoana lehibe izany satria mitory tsy fahalalana ny endri-piaraha-monina tiana itoriana ny filazantsara...lasa toy ny manao ny fomban'ny sekta indray. Tsy manana ny toe-tsaina misionera intsony ve ny fjkm?
35. yonikafopl ( 08/11/2005 14:21)
de tsy hay tsony ty fivavahan'ny malagasy ity kle aza!!!
36. aly ( 08/11/2005 19:01)
Izao tanatara fjkm sy fpvm izai dia efa niseho tamin'ny 1973 fa tsy ireo ny anrana nentiny fa lms sy jm . nakatona ny jm .Nosokafana ny jm taona maro tay aoriana. Inona ny antony? Fomba fivavahana tsy mitovy nefa baiboly mitovy, fitatantanambola tsy mitovy ary fomba fiainana tsy mitovy.Koa izay misaina aoka izy hisaina. Jereo anie ny situation jm izao é! Voatery nanao intervention ny atitany mba hampilamina azy . Aza ny président no omena tsiny fa ireo loahn'ny pisorona fjkm sy fpvm. Samy tia tena ka tsy misy mandefitra satria samy milaza fa marina ny azy. Izany ve no atao hoe kristianina mahay mifandefitra!!!Mifandefitra= manaiky na dia diso aza ny andaniny roa.
37. xxx ( 08/11/2005 20:11)
zaraina amin'iza ihany ny rakitra zany?
38. sonwin ( 08/11/2005 21:53)
39. estine ( 09/11/2005 08:15)
RA8 tsy refesimandidy sady térorista ara-panahy @io affair io8O:?::!:
40. xxx ( 09/11/2005 12:59)
Tsy terorista izany kosa izy. Mba manomana ny fifidianana fotsiny izy dia manakopily/mandio izay mety hanahirana...Andry antenainy ny FJKM ka tsy azony ekena hoe hisy hisintona na hanodina ny ondriny.
Ny resaka rova izao d mitovy @ izany ihany. Ny fotoana heverina hahavitany dia ao anatin'ny fifidianana. Fomba fiady daholo io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5046