Andriamanitra tokana ihany (monotéïsme)

1. jamal ( 02/11/2005 18:41)
Izaho aloha dia miezaka mampita @ namana rehetra fa Iray ilay Tompontsika : Kristy,Iaveh na Allah.
Betsaka ny boky sy lovantsofina milaza ary manaporofo fa tsy vitan'ny mifandray akaiky ireo finoana 3 ireo fa dia misy tantara mifanindry mihitsy.

Raha ny zkiny indrindra aloha dia ny Judaïsme.Io no zokin'ny finoana rehetra.

novalian'i Beinjy ny 26/11/2005 08:52
2. xxx ( 02/11/2005 22:13)
jamal:
tsy vitan'ny mifandray akaiky ireo finoana 3 ireo fa dia misy tantara mifanindry mihitsy.

tsy hoe "tantara mifanindry", fa tantara marina dia nalain'i mohamed (curse be upon him) ary nodisoiny mba hiteraka fikorontanana. tsrovy mandrakariva ry namako fa mamitaka no asan'ny devoly.


Tantara fohy tao Edena:
"Ary hoy izy [menarana] tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?" (kanefa ilay eo afovoany ihany no nambaran'Andriamanitra fa tsy ny hazo rehetra)

lesona:
+ samy nahafantatra an'Andriamanitra tokana na i Eva na ilay menarana.
+ ny tanjon'ilay tsivanona dia mamitaka. Izany hoe manova ny zava-marina ho lainga misarontsarona fahamarinana.
3. xxx ( 03/11/2005 05:35)

Fa maninona ary ny anaranareo no atao xxx foana? Manjary ohatry ny tsy responsable nareo miteny.
4. jentilisa ( 03/11/2005 06:34)
Ary ianao miteny koa ary koa!
5. routa ( 03/11/2005 09:29)
xxx>tsara be lay lesona fa nahoana no de notapahana tampoka sahala an'io ?
mba tohizo moa e!
xxx sy xxx fa inona no maha samy hafa anareo roa na dahy tsy hay tsony :)
6. diamondra27 ( 04/11/2005 14:17)
ataovy xxx de asio initial any ambany mba ahafantarana hoe olona samy hafa no miteny e!
7. jefra ( 04/11/2005 23:47)
Ny kely fantatro dia Iaveh no Atra faritan'ny testamenta taloha, izay tsy inona fa ny baibolin'ny Jiosy. Talohan'ny nandalovan'i Jesoa dia io fototry ny vavaka t@ izany. Izay nanaraka azy dia TSY MAINTSY nanaraka ny fomba jiosy.

Efa ho 100 taona taorian'ny nahafaty/nitsanganan'i Jesoa vao napetraka ho mesia izy, nantsoina ho Kristy. Ny nampisaraka ny Jiosy sy ry Paoly (Saoly), dia ny faneken-dry Paoly fa tsy mila manaraka fomba jiosy izay manaraka an'i Jesoa Kristy (tsy mila mifora ny lehilahy, mahazo mihinana ny karazan-kena rehetra). Dia mazava ho azy fa tsy nanda ny testamenta taloha ho fototra ry Paoly.

Efa ho 200 taona taorin'ny nahafaty/nitsanganan'i Jesoa no nisehoan'Atra i Mahomet, ka noraiketiny ao anaty Coran ny didy notanisaina taminy mivantana. Manaiky ny testamenta taloha ho fototra sy Jesoa koa ny Silamo, ary ny A/try ny Jiosy ihany no antsoiny hoe Allah, mpaminany fotsiny i Jesoa ho an-dry Zareo.

Mitovy izany ny fototra fa samy hafa ny fandikana ny feo heno. Ny silamo sy ny jiosy no tena mitovy A/tra (faritan'ny testamenta taloha = baiboly jiosy). Ny kristianina nametra an'i Jesoa ho A/tra zanaka.
8. xxx ( 05/11/2005 00:19)
kely marina ny fantatrao ry Jefra ka tsy omena tsiny ianao.

jefra:
Efa ho 100 taona taorian'ny nahafaty/nitsanganan'i Jesoa vao napetraka ho mesia izy, nantsoina ho Kristy.
Taona maro tsy voaisa mialoha ny nahaterahany dia efa Mesia Izy. Rehefa teraka Izy dia voamarina tanteraka izany. Hoy ny anjely t@ mpiandry onfry: "Fa mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan'i Davida"

jefra:
Efa ho 200 taona taorin'ny nahafaty/nitsanganan'i Jesoa no nisehoan'Atra i Mahomet
:-D:-D:-D:-D Andriamanitra tokoa ve?:-D:-D:-D:-D


jefra:
Manaiky ny testamenta taloha ho fototra sy Jesoa koa ny Silamo, ary ny A/try ny Jiosy ihany no antsoiny hoe Allah, mpaminany fotsiny i Jesoa ho an-dry Zareo.
:-D:-D:-D:-D Io ilay nolazaiko hoe ny fahamarinana no nalainy dia nodisoiny. ohatra: Ny fampanantenana tamin'i Abrahama dia ambarany fa natao ho an'ny arabo silamo. Iza anefa no nentin'Andriamanitra tany Kanana?:-D:-D:-D:-D
Raha mamaky Coran ianao dia voalaza ao koa fa novaina io Coran io: tsy ny dika teny fa ny votoatiny mihitsy (omeko porofo ianao raha mitady :) )

Manaiky ny testamenta taloha ve izy dia tsy mino ny faminaniana ,marobe voasoratra ao momba an'i Jesoa Kristy sy ny mpanaraka Azy? Ohatra: Isaia 52-53, Joela 2: 28-29,

=> aza mora voarebirebin'ny hafa, ary tsarovy mandrakariva fa ilay devoly dia manova ny fahamarinana no asany mba andrebirebena anao!
9. jefra ( 05/11/2005 08:07)
Tahaky ny maheno mpitoriteny Jesosy mamonjy aho ry x telo. Na ny milaza ho miainga @ nouveau testament resahinao aza misampana firy?

Minoa fotsiny ihany hoy ilay iraikalahy izay, fa tsy hifandirana io na hifampitoriana any @ tribonaly.
10. tigany ( 05/11/2005 08:19)
Tompoko, 'zaho dia Kristiana aloa ary vonona hiaro zany maha izy ahy izany landrakizay aho eny na dia hahafaty ahy aty @ tany silamo aty aza fa zaho dé tsy hivadika amin'lay mpamonjy ahy dia Jesoa Kristy Andriamanitra velona zany, ny fahitako ny resaka jiosy sy silamo nefa dia mifampitifitra sy tsy miray feo eo fotsiny ry zareo reo, ny silamo manao hoe novain'ny jiosy ho amin'ny tombontsoan'izy reo ny Torah ary Isika kosa milaza fa diso ny zavatra voalaza ao anaty Coran, nefa tsy hay mitsy hoe inona ny tena marina e, Ny hany teniko dia zao fotsiny Mijoroa amin'ny maha izy anao ianao ary aza mitsaratsara fahatany ny finoan'ny hafa fa aoka hifanaja dia samy vita Raha mino ianao fa tena Kristiana dia manarà-dia an'i Jesoa raha silamo kosa ianao dia araho ny torimparika nomen'i Mohammed sy Allah anao ary kosa moa raha mino ianao fa mbola tsy tonga ny mesia dia anao ny anao zany fa samy miandry farany zao ihany tsika rehetra kno:^):^):^) teboka famaranana
11. xxx ( 06/11/2005 02:48)
tigany:
nefa tsy hay mitsy hoe inona ny tena marina e
Aza adino fa ny famitahan'ny devoly dia miainga amin'ny fisalasalana (doute).

Raha Kristianina ianao, dia adidinao koa ny mizara ny famonjena noraisinao. Tsy fitsarana ny hafa akory fa fanoroana azy ilay "lalana sy fahamarinana ary fiainana". Noho izany amiko dia heloka ny miamboho adidy, satria manana zo ahafantatra ny vaovao mahafaly koa ny olona silamo amin'ny maha olona noharian'Andriamanitra azy.

Ny ankabeazan-dry zareo anie tsy nomena fahalalahana hisafidy ny finoany e. Ary izay mikasa hiova finoana dia voaheloka ho faty.

Ampahatsiahiviko fa isaky ny misy miteny hoe "hajao ny finoan'ny hafa" (na hoe avelao izy hino izay inoany) dia faly sy mahazo vahana ary manjaka ny devoly, satria tsy miparitaka ny vaovao mahafaly.

12. jefra ( 06/11/2005 11:12)
Ka satria ianao izany mahalala betsaka ny tena marina, inona no tena izy @ ity marobe miseho ho tena kristianina? Iza no tsy anjakan'ny devoly: Ny FJKM, Advantista, Anglikana, Katolika, FPVM, Jesosy Mamonjy, Oritodoksa....sy ny reformista marobe tsy hary ho voatanisa.
Fanahy iniako tsy natao ao anaty lisitra ny silamo sy ny jiosy satria toa efa napetrakao hoe tsy kaoty.
13. xxx ( 06/11/2005 22:20)
jefra:
inona no tena izy @ ity marobe miseho ho tena kristianina?

tsy i Kristy indray ve no tena Izy e? Ary i Kristy dia Jiosy ny foko nipoirany.
14. jefra ( 07/11/2005 17:55)
Milaza ianao x3 fa "i Kristy dia Jiosy ny foko nipoirany", ekeko satria ao anatin'ny kely fantatro.
Fa rehefa niantso an' A/tra izy (i Jesosy) dia ny A/tr'i Abrahama/Davida/Mosesy...izany hoe A/try ny Jiosy sy Silamo no nolazainy ho A/tra naniraka azy. Tsy mbola nisy resaka Kristy t@ izany, fa mbola misy io A/tra naniraka azy io, izay tsy lavin'ny kristianina rehetra. Ary dia io A/tra io ilay itovizan'ny kristianina mizarazara betsaka, @ ny jiosy sy ny silamo.
Ny resaka hafa rehetra ankoatr'izay, raha mbola finoana Silamo/Jiosy/Kristianina dia fivakiana noho ny tsy fitovivam-pijery, tahak'izay misy eo @ FJKM sy FPVM ankehitriny ohatra, fa ilay izy tany @ 1700 taona lasa no niseho. Ny fototr'ireo finoana telo ireo dia iray ihany: A/tr'i Abrahama/Davida...
15. sonwin ( 07/11/2005 20:04)
xxx> ohatran'ny hoe LazaRandri izany ilay fomba fanehoana hevitra:), mbo resaka iny fa mety tsy leiry ko io ka :°)
16. xxx ( 07/11/2005 20:40)
jefra> ary ahona ndray le oe Atra telo nefa iray amin'ireo finoana telo ireo?
17. jefra ( 08/11/2005 11:49)
Ny silamo dia mametra an'i Jesosy ho mpaminany fotsiny, mitovy laharana amin'i Mahomet izay nilaza fa izy no iraka farany ary tsy hisy hafa intsony aoriany. Ka tsy mipetraka izany ny fanontaniana. Marihiko fa ho an'ny silamo dia zanak'olona tsotra nanana iray tam-po na i Mahomet, na Jesosy, na Mosesy...na ny mpaminany hafa.

Ny kristianina IRERY ihany no mametraka io Trinite io.(Ray, Zanaka, Fanahy fa iray ihany).

Ny kristianina irery ihany koa no mametraka an'i Maria ho Reny/Virijiny. Dia ny kristianina irery ihany koa no mametraka hoe tsy nanana iray tam-po Jesosy (na dia niantso an'i Jaques ho rahalahiny aza Izy).
Ary dia tsy mitovy hevitra tanteraka koa aza na ny samy kristianina ny @ io resaka Maria Imakole io.
18. xxx ( 08/11/2005 20:10)
ny Kristianina kosa tsy nametraka hoe tsy nanana iray tam-po izy faza mamorona e.:-D:-D:-D:-D
Ary ra ataon'ny silamo mpaminany Jesosy,maninona no tsy inoany ny teniny? Sa mpaminany sandoka?
19. jefra ( 08/11/2005 22:15)
Hay moa nanana rahalahy ve Jesosy?
Dia tsy nijanona ho virijiny izany ilay reniny???
Dia io ilay lazaiko hoe tsy fitoviam-pijery @ samy kristianina.

Ho an'ny katolika, dia Imakole i Masina Maria. Io anefa no fototry ny kristianisma rehetra dia mety nanao hitsin-dalana aho izany.
20. sonwin ( 08/11/2005 22:23)
ka misy mahita mirirana dia misy mahita manatrika, misy mahita avy any ivoho...dia tsy nitovy ny fahitana,misy minia mikipy, misy fanatik:°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0911