fanarenana ny rova, demagozian-dRavalomanana
41. eprom
(
16/11/2005 06:05)
fijo:
mahagaga fa toa misy malagasy toa manao izay tsy ahatafajoro intsony io vora io??????menatra ny tantara ngaha nareo?
Angamba kosa tsy hoe manao izay tsy ahatafajoro intsony ny rova eh. Mametratra-panontaniana kosa aloha. Tsy menatra ny tantara tokoa ve isika? Ranavalona ve raha nanao an'io lapan'i Manjakamiadana io de nitady fanampiana tany @ vahiny? Ny fahaiza-manao no nalaintsika tamin'ny vazaha fa raha ny hoenti-manana kosa antsika madiodio. Firenena mahaleotena no mendrika "rova" amiko fa tsy firenena eo ambany vahohon'ny BM sy FMI. Mpanjaka tsy nanaiky na de analana hoatran'ny ilavoampelatanana ny tanindrazany no tao fa tsy malagasy mivarotra ny tanindrazany hisintonana mpanambola vahiny.
Amiko, tsy mbola mendrika ny hanana "rova" isika.
42. pika
(
16/11/2005 10:02)
fa tsy malagasy mivarotra ny tanindrazany
izany tokoa anie no mahagaga anie tsy manaiky ho didian'ny banky iraisampirenena sns nefa hamoraian ny fifidianan'ny vazaha ny tany
ny tanimbary lazaiana fa an'ny fanajkana totofan'ny karana izao feno
dia ilay gasy kely nanajary teo elabe miala maina oh ny takotra
ary ny rova mety ho vita fa saingy toy ilay fianankaviana kely manao trano io mihafihafy isika aloha :-D
43. fijo
(
16/11/2005 22:34)
epron,vahiny anie no nanao ny rova e.sa laborde tsy vazaha???????
ny fahaleovan tena anie tsy midika hoe tsy hilana fiaraha miasa e.
o lereto an,izahay izao aty hafakamanana trano sy tany ,sa rehefa ny tena no mividy ny azy ok,fa raha ny an'ny tena no vidiany tsia??????

44. eprom
(
17/11/2005 06:25)
fijo:
epron,vahiny anie no nanao ny rova e.sa laborde tsy vazaha???????
ny fahaleovan tena anie tsy midika hoe tsy hilana fiaraha miasa e.
Izay no nahatonga ahy niteny hoe fahaiza-manao no nalaintsika taminy. Tsy Laborde irery ( trano hazo )fa Cameron koa aza adino ( ny vato manodidina). Ary izany de tena fandrosoana amiko
fijo:
o lereto an,izahay izao aty hafakamanana trano sy tany ,sa rehefa ny tena no mividy ny azy ok,fa raha ny an'ny tena no vidiany tsia??????
Tsy mitovy izany. Any ianareo mitovy fahefa-mividy. Aty atody miady amam-bato ny malagasy. Asa raha fantatrao fa ao Nosy Be ao misy tora-pasika tsy avelan'ilay vazaha tompona hotely andehanana malagasy. Ny lalàna amin'io mazava be fa ny morontsiraka rehetra de fananampanjakana tsy azo amidy. Ny ahiana anie de ny malagasy tsy hanana tany intsony fa ho lasan'ny vahiny daholo. Raha mbola izao ny fahantran'ny malagasy ( ara-bola sy ara-tsaina ) de heveriko fa fahendrena aloha ny mihazona ny tany. Sitrany mba misy holovan'ny taranaka. Harena tsy mihen-tsanda rahateo ny tany.
45. fijo
(
17/11/2005 22:00)
efa hitako iny resaka ao nosy be iny,fa raha momba iny kosa aloha dia milaza aho,fa tokony hampiharina ny lalana e.ny morontsiraka dia natao hoan'ny rehetra fa tsy natao hoan'olon tokana izany.
izay lafiny lalana izay aloha dia tsy ekeko amin'izao fitondrana izao.efa niainana teo aloha io tsy fanarahan dalana io,ka tokony mba hialana .
izay lafiny lalana izay aloha dia tsy ekeko amin'izao fitondrana izao.efa niainana teo aloha io tsy fanarahan dalana io,ka tokony mba hialana .
46. ralambo
(
23/11/2005 14:23)
dia avy aiza no hijerena azy avy ery Mahamasina sa avy eny Analakely sa avy ety Ambohidempona.:-D