fanarenana ny rova, demagozian-dRavalomanana

21. pika ( 26/10/2005 10:08)
efa karazany mihitsy izao hanamboarany ny rova izao ry estine a(propagandy)
ary ilay hoe miandrasa fa hanana ny soa mety efa ho faty doly ny toa anay miady @fiainana
minoa fotsiny ihany e :-D:-D
22. Herimiafina ( 26/10/2005 15:47)
Ngah i pika tena miady amin'ny fiainana ao e? Sa mba misolo tena toa anah fotsiny?(l)
23. zakilinina ( 26/10/2005 17:39)
Diso marina loatra ny an'i cristal. Tsy mahari-boa-kena intsony ny Gasy satria efa mafy izay 16 taona nikatsahana ny paradisa sosialista izay. Hay ry zalahy no nisaosy tao.
Torohevitra : avelao ho vitainy ny mandat-ny. Rehefa avy eo tsy maninona raha hifidy filoha hafa isika. Izay fitondrana tapatapahana izay no tsy ahavitan-draharaha.
24. jentilisa ( 27/10/2005 08:32)
Ilay izy aloha raha mba tratry ny delestazy koa ny toerana misy ny prezida sy ny mpanolo-tsainany politika mety ho tsapany ihany hoe ahoana izany maizina. Sady any koa tsy tokony hisy groupe electrogene?
25. pika ( 27/10/2005 10:46)
jentilisa =D=D
26. Herimiafina ( 27/10/2005 17:02)
Delestazeo hatrany amin'ny lohany de hitanareo ny vokany e.
Mandehana bus de refa miala daholo ny olona de asivo miala ampandehanana koa ny saofera.

Ilain'ny minisitra sy ny mpitondra ny jiro mba hiheverany ny sakafo hohaninareo.
27. zakilinina ( 27/10/2005 17:17)
:miam:
28. Herimiafina ( 27/10/2005 17:23)
Tena marina io kah, Misy koa ny hopitaly, sns, izay tsy tokony ho maty jiro satria tsy manana groupe ohatra de mety tsy maty jiro kou ze mpitondra fanjakana manakaiky eo ny tranony.

Tsy mampatory anie ry zareo izany asana minisitra izany ohatra e, amin'ity obligation de resultats ity de tena manadino vady amanjanaka mihintsy.

Misy foana anefa ny mibolila tsy azo adino izany, fa raha ny folo ve no mibolila de ny zato no andeha hatao hoe tsy manajary.
29. jentilisa ( 28/10/2005 08:44)
Izaho aloha tsy niteny hopitaly izany e! ny prezida sy ny mapnolo-tsainany no lazaiko. Ary mahagaga indray izany hoe mieritreritra ny sakafo hohaniko izany!
NY karamako ary no angalana ivelomany ve dia izao no ataony ahy? Ny asany asany! izahay izao tapatapaka rehefa tratry y delestazy rehefa miasa dia tsy raharahiana ve?
Ny tena tsy eken'ny saiko dia ny ao Ankatso tsy tapaka ny jiro satria ny mpianatra atahorana hitokona raha tratran'izany. Nefa amina miliara ny vola lany amin'ny jiro ao isam-bolana izay tsy ny mpianatra fa ny fanjakana no mandoa azy!
30. pika ( 28/10/2005 11:14)
misy fiatraikany eo @ toekarena anie io fahatapahanjiro io e izany hoe raha mitohy dia misy fiatraikan'ny sakafo ho hanina sy ny PPN rehetra
donc tsy misaina ny ho hanin'ny vahoaka koa izy raherimiafina
31. pitchou ( 29/10/2005 03:43)
nenà ny tsy azoko d ny fiheveran\'ny sasany we satria ry anona teo aloha tsy nahavita d tsy tokony hisy hafa hahavita, indrindra fe i lekely io?!!! na d efa hita maso zao aza fa zavatra tsy vitan\'ny sasany nandritra ny firy taona teo aloha nefa vitan\'le bandy kely ity tanatin\'ny fotoana fohy!!!!
toa ampotomoty kely izany hoe satria misy delestazy ary d asio koa any aminy!!!! sady tsy hihetsika fa te-hamatam-bonona ve izany no hanakana ny hafa tsy hiasa koa?
raha izay manatsatso rehetra nefa izao no mba mirotsaka mamporisika sy manohana d vetivety kely dia hi vita io rova io! sa kosa d ho sanatria misy namana malahelo mafy raha vita izy io?
32. jentilisa ( 29/10/2005 13:39)
Fantatra fa miasa tokoa ny mpitondra araka izay tratrany, fa misy ny tsy mieritreritra afa-tsy ny hamapalaza azy sy mangoron-karena fotsiny! olona ao amin'ny fitondrana no lazaiko eto an!
33. pika ( 02/11/2005 07:52)
betsaka anie ny manana permis afaka misolo ny saofera raha ilaina
ary ny praiminisitra tsy ovaina fa ..... nefa ny minisitra no mody solontsoloina toy ny atao andrakandrana ny loha mpitarika anefa hihii iray ihany
34. eprom ( 02/11/2005 08:44)
pitchou:

nenà ny tsy azoko d ny fiheveran\'ny sasany we satria ry anona teo aloha tsy nahavita d tsy tokony hisy hafa hahavita, indrindra fe i lekely io?!!! na d efa hita maso zao aza fa zavatra tsy vitan\'ny sasany nandritra ny firy taona teo aloha nefa vitan\'le bandy kely ity tanatin\'ny fotoana fohy!!!!


Ny ahy indray ny tsy azoko de le fomba anarenana azy mihintsy. Toa ireharehana ery ny hoe efa vonona ny hanampy antsika ry zareo avy ary ananona sy ny ets...Dia inona izany no dikan'ilay rova? Ny nampalahelo ahy tamin'ny nahamay azy io tsy dia ny endriky ny tanàna loatra fa ilay izy tandindon'ny fiandrianam-pirenena. Nefa raha hataka sy fanampiana no anarenana azy, tsy henatra ho antsika indray ve izany?

pitchou:

toa ampotomoty kely izany hoe satria misy delestazy ary d asio koa any aminy!!!!


Any aminareo ve misy delestazy? Aza valiana fefa fantatra ny valiny.

pitchou:

raha izay manatsatso rehetra nefa izao no mba mirotsaka mamporisika sy manohana d vetivety kely dia hi vita io rova io!


Izany no atao hoe "theorie". Indrisy ry pitchou kely. Mba fantatrao ve le Malagasy? Sarotra entina anie izy izay eh. Iny hono ianao fa ndeha hanarina ny rova. De atombokao @ joro sa fotoampivavahana kristiana? Eo ianao d'efa sahirana....


35. jentilisa ( 02/11/2005 08:56)
Izay mihitsy ilay olana ry eprom, sady betsaka ny tsy hanaiky fa tsy maintsy trano hazo no aorina...mbola azo tanterahina ve izany amin'izao feno trano may izao eto tanA indrindra ny trano hazo? Tsy aleo tsy atao?

Ilay hoe mariky ny fiandrianam-pirenena dia tsy ekeko loatra! izaho dia zatra nankao tamin'io Rova io talohan'ny nahamay azy...ny noho ny fitiavako tantara. Inona no tsikaritro?

Fanomezana nomen'ny frantsay na ny anglisy no betsaka. Toy ny mampametraka antsika ho mpangataka lava! raha tezitra ianareo dia ny teniko no ario fa aza ny tenako! tsy mba tsikaritrareo ve izay natoroko?
36. pitchou ( 08/11/2005 17:38)
eprom> sady tsy fantatrao aho no tsy hainao ze misy ahy! ny hany lazaiko anao fotsiny d tsy mivalaketraka izahay na misy aza ny delestazy! ary tsy manenjika ny toerana misy ny hopitalin-jaza na malahelo satria tsy mba avela anaty aizina otranay ireo tsy mba azo asiana delestazy otran'ny aty aminay!
raha otranao tokoa aloha ny atao hoe malagasy d aleo misitri-belona e! marina e!!!!:?
tsy hitako ze olana na atomboka @ joro sy vavaka izy io! zà aza in-3 isanandro mihinana tsy mety fa manomboka sy mamarana @ vavaka ihany! nefa ange sakafo kely indraim-bava ity hampiakarina e!
37. eprom ( 10/11/2005 12:09)
pitchou:

eprom> sady tsy fantatrao aho no tsy hainao ze misy ahy! ny hany lazaiko anao fotsiny d tsy mivalaketraka izahay na misy aza ny delestazy! ary tsy manenjika ny toerana misy ny hopitalin-jaza na malahelo satria tsy mba avela anaty aizina otranay ireo tsy mba azo asiana delestazy otran'ny aty aminay!



Nisy nanakiana ny fanomezana jiro ny hopitaly ve teo? Ny olana anie de misy kartie tsy tratran'ny delestazy mihitsy eh. Anontanio anie ny eny faravohitra sy ny eny ambohidahy ohatra eh. Sa misy hopitaly eny?

pitchou:

raha otranao tokoa aloha ny atao hoe malagasy d aleo misitri-belona e! marina e!!!!:?


Fa ny ohatra an'iza no tena malagasy? Ny tsy miteny na de ampitoerin'ny olona ao anaty maizina aza nefa mahaloa vidin-jiro ara-dalàna?

pitchou:

tsy hitako ze olana na atomboka @ joro sy vavaka izy io!


Mbola vao ohatra iray fotsiny io. Fa betsaka ny mety tsy hampitovy hevitra hipoitra eo. Na de ity fanerena ny mpiasam-panjakana hanolotra "izay foy" ity fotsiny aza ohatra.

pitchou:

zà aza in-3 isanandro mihinana tsy mety fa manomboka sy mamarana @ vavaka ihany! nefa ange sakafo kely indraim-bava ity hampiakarina e!

De mba lazao ahy ary ny fihetsemponao tamin'ireny razana nahindrahindra teny mahamasina ireny? De ireny
fomban-drazana "tsy maintsy" narahina tamin'ny nitaterana ilay hazo be ireny? Tena miala tsiny aho ry pitchou fa tsy mety amiko kosa ireny ary raha ny toy ireny no tsy maintsy atao de aleoko tsy mandray anjara amin'ny fanarenana azy.
38. jentilisa ( 10/11/2005 15:19)
Lafiny ray hanoherako ny fanarenana ny rova ihany koa io. Nefa tokony ho ainga ho an'ny mpanaraka ny fomban-drazana hanehoany fa mahavita zavatra ihany koa izy.

Hevitro izay!
39. Solofoniaina ( 13/11/2005 20:59)
Maninona moa raha asiana escalier roulante ao anatiny e!, amiko tsy pb? izany fa rova foana ny anaran'io, ka tsaratsara kokoa izy mba manaraka ny toetr'andro fa tsy hiverina tamin'ny andron-dRadama isika. fa ny tsy mety kosa aloha dia ilay hoe ndao avadika zaridaina? hihihhi
40. fijo ( 15/11/2005 22:30)
mahagaga fa toa misy malagasy toa manao izay tsy ahatafajoro intsony io vora io??????menatra ny tantara ngaha nareo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0715