jirama sy ny delestage : mikaikaika ny mpanjifa

21. Herimiafina ( 24/10/2005 04:55)
Ka matou mavozo de tsy mazava jiaby.:-D
22. pika ( 24/10/2005 07:18)
matahotra angamba ry zalahy ra privatisena hoe hisy hanapaka ny jiro misy TIKO sy ny MBS izay tsy mba tapahina mihitsy :lol:
mahana ihany ny mpanao ratsy e
23. pika ( 24/10/2005 07:20)
mandrapahatongan'ny 2007 ve tsy efa maizina tanteraka ny tany raha mbola ra8 no eo :-w:cry:
24. Herimiafina ( 24/10/2005 07:23)
Eisy e ry pika marina.
25. ravatorano ( 24/10/2005 07:38)
tena manahirana
aleo halalahana ny tsena momba ny herinaratra eto amitsika fa io no hitako fa vahaolana amin ito resaka jiro tsy mandeha fa tapatapaka lava ity.
Aza hadino fa efa misy fivondronana hafa anie tsy hiasan'ny jirama eh fa manana ny azy saigy ny fitaovana no efa antitra , ny resaka draguage araky ny tenin i herimiafina ery ambony tsisy ihany koa izany hoe ny antsika eo amboalohany foana no mandeha tsara d avy eo mioty sy mihinana fotsiny ka rehefa mikatso d avela eo na ny efa vizana no tapitapenina indray fa tsy soloina vao2 akory.
Raha ny akety izany aloha d toy ny grand dossier rehetra izay nodradradradraina io fa ny eo ihany no eo, ny olana mantsy dia tafiditra ao amin 'ireny fanodikodinana ireny daholo ry zareo ao amin'ny anabo ao ka izay no mapihisatra izany.
Aiza ny Bianco amin 'izany fanodidkodianana b ao amin'ny Jirama izany sa natao hanenjika innn ry zareo ireo ???
26. pika ( 24/10/2005 10:11)
natao hanenjika ny efa majinika ihany ry zareo e:-D
rehefa tsy vitan'ny fanjakana anie dia tokony omena ny hafa ny fiandraiketana ny faritra na faritany hafa amin'izay mety hisy vokany tsara ihany
27. Herimiafina ( 24/10/2005 19:29)
Izany anie hono no efa ataony eo efa mandritry ny folo taona zay e.8)
28. LazaRandri ( 25/10/2005 02:19)
avelao kosa aloha mba hisy delesitazy mandritry ny fanangonana valim-pifidianana e!
29. Herimiafina ( 25/10/2005 02:59)
Hehehehe, atao ady maizina toy ny any US ngah hono le fifidianana klé? hehehe:-D:-D:-D

Lasa amerikana zany gasy zany marina.
30. pika ( 25/10/2005 05:25)
10 taona efa ny mpanana sisa no velona :twisted:
efa adin'ny kapitalista izay manana kapitaly ihany no mbola afaka miaina
tanteraka @zay ilay tenin'ira8 hoe hanankarena daholo ny gasy fa ny ankamaroany efa any ambany rangolahy
31. ravatorano ( 25/10/2005 10:01)
miakatra indray ny lasantsy sy ny gasoil mazava ho azy fa hiakatra ihany koa ilay jirama ary izay vao tena maizitakina ny mpampiasa elekitirisité.
32. pika ( 25/10/2005 14:13)
:cry::cry:^:^
33. Herimiafina ( 25/10/2005 16:32)
Fifankatiavana ao anatin'ny maizina, love (l)
34. pika ( 26/10/2005 05:24)
betsaka ny mpianatra gasy no tsy mahay lesona tsy afamianatra
na mety harary maso @ labozia na jiro petrole
betsaka ny trano may
betsaka ny sakafo notehirizina no mivadika poizina sy simba toy izany koa ny fanafody
betsaka ny fatiantoka @ orin'asa ary mety hiy vokany izany eo @ tsena, mety hisy koa ny hangoron'entana ny mpampiasa vola dia ho feno ny tsy an'asa mitombo ny 4amis
na eny @ hopitaly aza izao efa misy ny jiro tapaka dia mety hisy koa ny ho dangy tsy fidiny
betsaka sy mihamitombo ny mpangalatra
.............................................
koa iza re no laharampahamehana e ny helico sy ny rova na ny lalana ny fandrodanana trano etsy eroa sa ny fanarenana ny JIRAMA ohatra
ny vola alohan'ny mpanjifa anefa efa midangana hatrany mety tsy hifanaraka akory ny vidin'ny jiro mazava laniny
efa famonoana ankolaka izao ataon'ny fitondrana izao koa eritrereto tsara dia fakafakao
35. Herimiafina ( 26/10/2005 06:20)
Aza ampitoviana mintsy kalongany ny any ambanivohitra sy ny any andrenivohitra e.

Matetika mansty manao raisonenemnet generalisant sady exclusif ny milieu rural isika, na hevidehibe manavaka ny any ambanivohitra.

Ny tena gasy mansty de any aminay any ambanivolo any e, 70% izahay tantsaha izao, de tsy dia misy idiranay amlé resaka jiro loatra satria ny ankamaroanay tsy mahita an'izany. Love(l)
36. jentilisa ( 26/10/2005 08:53)
fa ilay delestazy aloha mampihomehy ihany. Any amin'ny tsy mandoa vola indray ve no tsy tapaka mihitsy ny jiro. Ankatso io. Nefa ny faritra misy anay tena 3 ora be izao...tapaka jiro!
37. pika ( 26/10/2005 10:19)
aiza re no misy mpokona mitady hihemotra indray fony t@ tany gasy e ny fandrosoana aza no tadiavina raha tsy misy jiro any aminareo asaivo mba hampidirana fa firy @70% lazainao tatsaha moa no mahatakatra groupe toa anareo:roll:
6/10 aza ny gasy tsy ampy sakafo kely io raha ny hita ary ny 41.5% ny tokantrano mbola mivelona @ trosa fa kely ny miditra noho ny mivoaka mbola kely ary io raha tena dinihina
38. Herimiafina ( 26/10/2005 15:52)
Eisy e ry pika e. Lazaiko anao fa raha ny tena tokony ho izy raha tsy nitsinjo anareo ny fanjakana de efa pire noho izao no niainananareo ao. Mbo marina e, jereo ny any Afrika, resaka fiadivantseza, dia mivadika olana goavana tsy mamapandroso intsony ary de lany andro miresaka olana nefa tsy misy mety mitady solution.

Ny tena tia tanindrazana de ilay olona mahita solution amin'ny olana iray ary manatanteraka izany, fa tsy ilay mahita olana amina solution iray.

Ny fomba fanao malagasy izay hitako be ze maharatsy azy de ity: on cherche des problemes à des solutions.

Ohatra:
Solution: ahongany ravalo.
Dia tadiavina daholo izay olana mety mifandray amin'io ohatra jiro sy rano, sns, noana, sns.
39. jentilisa ( 27/10/2005 08:36)
Aoka kosa hazava fa raha valinteny manao hoe tsy ho tapitra ity delestazy ity satria tsy misy ny orana! dia tokony ho tapaka koa izany ny rano satria tsy misy ny orana!
40. pika ( 28/10/2005 06:07)
aiza moa no hamahan'ny vahoaka izay olana ao fa anjaran'ny fanjakana sy ny tompon'andraikitra no manao izany
tsy eto dango marina ianao ity a tsy mahita fa mikaikaika ny vahoaka hoy ravaranto
ka rehefa hita fa tsy ho tafita ve ny baolina tsy apasy any @hafa hamonoana azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0774