ovy

1. diamondra27 ( 20/10/2005 11:40)
inona daholo no azo andrahoina na ampiarahina @ ovy?
novalian'i cheboman ny 05/02/2006 11:02
2. diamondra27 ( 20/10/2005 11:46)
Ny fantako aloha dia: rompatsa: patsa sy ovy atao ro, asiana voatabia

de carottes sy ovy ampiarahina @ henankisoa poitrine de porc le mba matavitavy iny de @ zay tsy mila menaka intsony.

boullettes ovy

frites sy cottelette na trondro frire




3. xxx ( 20/10/2005 11:47)
ny ahy lasopy no tena tiako, asiana legumes isankarazany dia matsiro be
4. diamondra27 ( 20/10/2005 11:51)
ovy atao purée. Raha salé de omena ny zaza. Afangaro tongolo ravina, sira, poivre kely. Raha sucrée de asiana siramamy sy dobera de ataovy goûter ho any ankizy.
5. fasaly ( 20/10/2005 13:10)
ovy atao gratin au dauphinoi
teteho ataovy lamelle eo amy 4mm
handrahoy tsy tena masaka be miaraka amy
crème fouetté, haroina foana tsy hiraikitra
aza hadino ny sira, de rehefa masamasaka ratsy iny de
ataovy anaty vilia fatsofoka anaty four
de raraho fromage spécial gratin, tsotra sady hainga hatao
no matsiro, afaka ampiarahina amy rehetra.
nataoko io fa indriko tsinona aty europe.
bon app.
6. majakely ( 20/10/2005 13:53)
ataovy katilesy e!!!! rehefa masaka ny ovy de potehina toy ny purée//avy eo hafangaro poti-kena sy tongolo sy poivre efa masaka koa ireo an! de volavolaina hatao toy ny galety kely ;ampandalovina kely amin'ny paty (atody +sira +farine);de endasina amin'ny lapoaly ho mendimendy de hummmm!
7. majakely ( 20/10/2005 13:53)
ataovy katilesy e!!!! rehefa masaka ny ovy de potehina toy ny purée//avy eo hafangaro poti-kena sy tongolo sy poivre efa masaka koa ireo an! de volavolaina hatao toy ny galety kely ;ampandalovina kely amin'ny paty (atody +sira +farine);de endasina amin'ny lapoaly ho mendimendy de hummmm!
8. Samoana ( 20/10/2005 13:53)
Hampangotray elaela miaraka @ hodiny.
Voasy ary teteo manaraka ny sakany.
Ataovy anaty fitaovana mande an-dafaoro.
Lafio trondro izay ankafizinareo ( ny ahy saumon en tranches no fampiasako ).
Lafio voatabia indray avy eo ambony.
Ampio filirolirony hanamanimanitra azy ( ny ahy herbes de provence no mahazatra ahy )
Handrarao menaka oliva @ izay ary farano @ rano eran'ny vera de atsofoy ao @ lafaoro mafana ho masaka
9. Veloo ( 20/10/2005 14:05)
azo atsofoka hanaovana sambosa ko :-D
poireau sy ovy mmmmmmmm
10. fasaly ( 20/10/2005 14:24)
ovy natono kou tsara be ! ho hanina miaraka amy beurre na mayo hummmm
11. mamzelkely ( 20/10/2005 15:14)
ovy andrahona am odiny de aveo sauter-na miaraka am persil ko milay be mits....:miam:
12. Samoana ( 20/10/2005 15:32)
Ary iza no mahay ny resety "mitsok'ovy" fa efa ela ihany nandrenesako azy io e ?!!
13. fasaly ( 20/10/2005 16:21)
izao iny re-è mitsok'ovy in!
ataovy masaka mamay be le ovy de tonga de arapaka ka vao midonaka be ao ambava iny izy no havoaka injay de tsotsofy aloha. de arapaka njya de izay foana manja-pahatapitra ny ovy ray vilia = mitsok'ovy
14. diamondra27 ( 20/10/2005 19:04)
ny fahafantarako le oe mitsokovy de le olona voadoana mafy fa tsy nahazo ny niriny de lasa fiteny oe mpitsokovy, tahaka ny hoe "mitazona labozia" ny sasany manao ny ataony de enao mpijery fotsiny
15. diamondra27 ( 20/10/2005 19:06)
ovy atao salade koa mety sady tsara be: salade niçoise,iza no mahay recette n'io? merci d'avance
16. vale ( 20/10/2005 22:41)
samoina> mitady resety mitsok'ovy ianao, ataovy mamay be ny ovy de tsofy mafy be!!!samy mahay an'io daoly kosa angamba sa?!!!
diamondra27> voasy ny ovy(lanjany zay tina!) tetiteteho hahazo forme "carreés" madinidinika ! na misy koa moa efa vita jereo eny @ rayon surgelé! endaso ny oignon 1 (voatetika an! hihihi) , asio poti-kena (zay tianao) rehefa somary mendy dia asio curry 1 sotro, d arotsay ny ovy! asio rano ( anjaranao ny mametra azy: tsy lasopy anefa fa aoka marihana an!)andrahoy 20 à30mn!
Asio poivre , azonao asiana persil voatetika koa raha tianao! Vita aky an!
17. diamondra27 ( 21/10/2005 09:04)
misaotra anareo namaly ny sosokevitra
18. mumu ( 21/10/2005 12:25)
purée de pomme de terre
19. fasaly ( 21/10/2005 16:53)
ovy hatao hors d'oeuvre fampiarahina amy composé toy ireny eny amy pavillon analakely ireny.
20. chipie1 ( 21/10/2005 18:18)
frites
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1362