Dia tsy maintsy hosivanina indray ve?
1. hery
(
20/10/2005 07:51)
Ny fampidirana ny zavatra rehetra eto amin'ny takelaky ny serasera.org dia napetraka hatrany amin'ny fahendren'ny namana.
Nasiana ny karajia... navela halalaka aloha. Dia indreny ny namana sasany (tsy ampy fialamboly?) fa nanomboka niteny ratsy sy nigafigafy. Dia voatery nasiana mpandrindra "masiaka be" ao amin'ny karajia.org
Nasiana ny forum... hidinihana sy hifampiresahana. Dia nony ela, indreny indray ny namana sasany (tsy ampy seksa?) nanao resaka vetaveta be :-). Dia voatery natokana ho an'ny olondehibe ihany ny dinika sasany. Dia voatery nosivanin'ny mpandrindra "masika be" ihany koa... ary voatery natao hoe ny mpikambana ihany no afaka manoratra hafatra.
Nasiana "Tsikera" indray ny sary. Noheverina hoe fiderana ny hatsaran-tarehin'ny namana mametraka sary, na filazana aminy izay madilana tokony hotetenina... fa toa lasa fanaratsiana sy fidirana amin'ny vie privée-n'ny sasany indray no ataon'ny namana sasany (very fialamboly? :-))
Dia nasiana koa ny "ohabolana" hanangonana ohabolana be dia be. Dia niala any indray ny namana sasany (lany ohabolana?) nametraka izao karazana ohabo... rehetra izao :-)
Dia tsy maintsy hosivanina foana ve isika gasy vao tsy hanao zavatra mba tsaratsara? Tsy maintsy hosivanina indray izany ny Tsikera amin'ny sary? Tsy maintsy hosivanina indray izany ny ohabolana?
Tsy mba afaka hiaina am-pilaminana ao anatin'ny fahafahana mihitsy ve fa raha vao malalaka kely dia mibirioka?
Raha izany dia aza gaga raha lazain'ny vazaha hoe mbola tsy mivoatra isika.

novalian'i Veloo ny 24/10/2005 20:11
2. pika
(
20/10/2005 09:29)
indrisy izay ny ankamaroan'ny gasy e mbola tavela ao ilay vokatry ny fanjanahina sy ny adin'ny fiainana hoy ny sasany
anjarantsika tsi11 no mandinika
anjarantsika tsi11 no mandinika
3. lolabe
(
20/10/2005 09:30)
Tena marina izany lazain'i Hery izany, efa mba niteny teto ihany ny tenanay indray andro izay nisy resaka tena mamoafady be natao tato @ forum, mba nilaza ny tenanay fa natao hifampitaizana ity takelaka ity, fa tsy tokony entina any @ ratsy, kanefa de nahazo vava ratsy ihany ny tenanay tamin'izay fotoana izay fa rehefa tsy mazaka de tsy tokony hiditra ato amin'ity forum ity fa any @ takelaka hafa any, de nangina ny tenanay, de nanao izay tiany atao ry zalahy sy ry zavavy malaza mpakafy io seksa io. Tena mbola ela isika vao hivoatra hiatsara, aza ny ataon'ny firenena tandrefana no hianarana fa mba hianaro ny ataon'ny firenena Tatsinanana
4. ratole
(
20/10/2005 10:23)
Mino aho fa nahazo tombotsoa t@ fisian'ity site ity daholo ny namana rehetra ka nahoana re no dia anaovana ny tsy mety toy izao.
Tokony mba samy hitandrina isika e! efa misy dinika natokana ho an'olondehibe dia miangavy antsika mba handefa any ny resaka sexe.
Mandratsy endrika antsika gasy anie izao zavatra izao e! Asa na mba fantatsika na hodina tsy fantatra na hoe zara aza misy an'ity hanalana azy. Mino aho fa raha site fiteny hafa ity tsy nisy sahy nanao izany.
Sosokevitra ny ahy ry Hery sy ny ekipany :
1)raha vao hitanareo fa mivaona @ tsy tokony ho izy ny resaka atao dia fafao avy hatrany iny hafatra iny mba ho anatra ho an'ny rehetra ary asio fanamarihana hoe "nofafana fa tsy tokony haseho eto @ ity dinika" ity.
2) asiana taratasy fanekena ho an'ny namana rehetra. Raha vao mandika io ny namana iray dia andefasana fampitandremana. Raha mbola manao dia aleo esorina tsy ho mpikambana aloha.
Mampahery an'i Hery sy ny ekipany hatrany @ asa izay efa nataonareo sy mbola hataonareo na dia eo aza ny zavamisy. Atao ahoana moa fa "Ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha" vao maika moa ny olombelona manantsaina lavitra noho izany.
Mahereza e!

5. radriana
(
20/10/2005 10:38)
Marina izay hevitr'i Ratole izay , fa ilay olona matetika manana pseudo be dia be ary manome info lainga ka na dia esorina aza izy dia mamorona hafa indray, ka ny mampazoto azy ireo koa ny fahitako azy dia misy mandray anjara @ famaliana ilay resaka foana ka dia faly izy, fa maninona raha tsy mamaly ntsony ny namana sasany dia ho hita eo indray ?
Misy mpandray anjara foana koa aiza izy no tsy hamorona sizé foana

6. velosoa
(
20/10/2005 14:07)
Dia mba mahagaga ihany ny toe-tsain'ny olona sasany. Efa mba vehivavy sy lehilahy lehibe daholo angamba ny namana, dia tsy afaka ny hifehy tena fa dia ho fehezina ohatra ny zaza ve ê ! Marina fa tanora angamba no betsaka kanefa mba efa tokony mba ho tonga saina daholo. Raha tsy izany dia mbola ho ela vao mba hanana zavatra tsara sy androso isika.
7. pika
(
20/10/2005 14:21)
ny matetika manao ireny anie dia ireo tsy sahy mitonona ps fa manafin'endrika ao @ xxx e
8. akamatiana
(
20/10/2005 20:06)
Tena mahagaga sy mahavariana wa ry hery ô! hihhih sô kou lou ty zah de anisany kle ? nefa toa tsia k , asany nefa , teneno zah ra misy tsy mety ataoko ato an , kouny hery an :-D:-D
9. ravakamalala
(
20/10/2005 21:25)
Saonjo iray lohasaha io ry hery ka tsy ilaozan izay mamarara a!
Misy foana ny tsy mahay mankasitraka sy ny tsy mahay miaina tsotra izao. :roll:
Vahaolana eritreretiko dia aza asiana intsony ilay fanafenana pseudo (xxx), ary sivanina foana izay mamoa fady, omena fampitandremana ary esorina rehefa tsy mety ny ataony.
rizareo mbola afaka miafina ao anatin ny xxx anie dia mivalampatra be koa izy miteniteny foana e!
tsy maintsy fehezina sy teriterena ohatran izany foana isika vao mba hanana zvtra tsara. :cry:

10. ndrena
(
21/10/2005 15:24)
Tokony hisongadina ny maha malagasy antsika .Tia fihavanana ary ny toe-tsaina koa arak'izany tsy tikony hirefarefa @ tany.Tokony hahatsapa tena ny tsirairay satria ataoko fa betsaka ny tombotsoa tovozina sy azo avy @ fisian'ity serasera ity.
Mampahery ny mpandrindra hatrany e!
Mampahery ny mpandrindra hatrany e!
12. fasaly
(
24/10/2005 09:29)
izaho aloha mpandray anjara amizay miseho eo, ary mamaly tokoa rehefa mibolila ny sizé na matotra fa zà tsy miafina ambadiky ny xxx!
toa ankafiziko daholo zay sizé mivoaka kou! de ho diso ve amin'izany????:wink: