Fangataham-bavaka

1. LazaRandri ( 18/10/2005 23:51)
Mihaino sy mamaly vavaka Andriamanitra. Koa andao ary isika tsirairay samy hifampitondra amim-bavaka, sy hizara izay vavaka tiany atao. Azonao atao ny milaza rehefa nivaly ilay vavaka, azonao tazomina ho anao samirery koa anefa saingy aza hadino ny misaotra ny Tompo.

Arosoy aza ny fangataham-bavaka fa aza misalasala ry zareo a :)

novalian'i jentilisa ny 31/10/2005 14:22
2. LazaRandri ( 18/10/2005 23:55)
Atomboko:
mangataka vavaka aho ho an'ireo Kristianina maro enjehina maneran-tany, na amin'ny firenena silamo na demokratika na jadona dia ahitana azy ireny avokoa.
3. routa ( 19/10/2005 04:06)
zaho mangata-bavaka ho an i firenena malagasy sy ny mpitondra an-tsika ary ny mpiaramiasa aminy ary ny vahoaka rehetra eto madagasikara .De mangatam-bavaka koa aho ho ahy ento amim-bavaka ny tenako mba ahazo tanjaka sy hery ary fahasalamana ary ny fianaran 'ny ankizy ko .De misaotra an i Jesosy kristy aho ny @ zay valim-bavaka de misaotra an'izay nivavaka rehetra ko e!:)
4. estine ( 19/10/2005 07:00)
ny sujet-ko: mitady travail de vacance fa tena mila chiffres ry 'reto a !

-maninona moa raha mifanao fotoana oh: @9 alina miara mivavaka tsika na @ 5 maraina.'zay mety @nareo lou mety amiko fona e!
5. jentilisa ( 19/10/2005 07:03)
@ 9 ora any @ firenena misy ny tsirairay sa @ 9 ora GMT?
6. majakely ( 19/10/2005 07:51)
Betsaka loatra ny zavatra tiako holazaina amim-bavaka ka tsy haiko intsony hoe inona no hanomboana azy!!
7. ari.malala ( 19/10/2005 08:11)
misaotra an'i Lazarandri fa efa ela h no nanana io eritreritra io :)

Mivavaka hoan'ny namana rehetra eto mba samy hahita ze tadiaviny sy mahasoa azy aby ny tsirairay, d mangataka @nareo ko mba hivavaka hoahy hiverenan'ny fahasalamako soa aman-tsara, d misaotra sahady an'ireo zay hivavaka ho ahy e! :)
8. jentilisa ( 19/10/2005 08:28)
Manareta soa ny marary!
9. ravakamalala ( 19/10/2005 09:07)
Miombom bavaka amin i ari.malala amin ny fahasalamany. Minoa fa mamaly vavaka Andriamanitra
10. Mitiasoa ( 19/10/2005 09:18)
Mivavaha isika ho an'ireo rehetra maniry ny hanan-janaka nefa tsy mahazo,ary koa ireo manana maro nefa sahirana @ famelomana azy ireo
11. rvoulah ( 19/10/2005 09:24)
tsara de tsara tokoa ny votoantin'ity dinika iray ity!
ny ahy indray de mba mangataka fiombonambavaka amitsika momba ny fianarana , ary ny fandaminan'Andriamanitra ny fiainana!
mivavaka koa mba tsy ho mora kivy sy ketraka !
12. tia2005 ( 19/10/2005 10:42)
tsara ilay lohahevitra! mangataka aho mba hahazo fahasalamana sy hatanjaka ny mamanay ary mba hifanampy ny gasy mba hivoaka amin'izao fahantrana lavareny tsy maintsy hioarana izao!
13. stephane197 ( 19/10/2005 11:15)
mba tsy hitady seza fa tena hikatsaka izay hampandroso an'i Madagasikara ny mpanao politika ary hifanampy handresena ny mpanjakazaka sy ny fahantrana.
14. ari.malala ( 19/10/2005 11:31)
ho an'i bichette koa izay tojo olana, mba ny Fanahy Masina no hankahery azy sy hanazava ny sainy d hatanjaka izy
15. Samoana ( 19/10/2005 12:52)
Mba hiverina hanjaka eo anivon'ny Malagasy indray anie ny fihavanana fa tsy ho resim-bola lava !!
Manaraka izay, mivavaka hatrany mba hiverina velona soa aman-tsara any an-tanindrazana avokoa ireo tapaka sy namana, havana an-tany lavitra maniry izany indray andro any.
16. dadabe ( 19/10/2005 15:29)
tandremo tsara aza ny vavaka atao mba ho tena any amin'ilay Andriamanitra tena izy
(l)
17. routa ( 19/10/2005 16:07)
zay kou lou e!:)
18. Noslid ( 19/10/2005 19:44)
Andao hitondra am-bavaka ireo tanora marobe tsy an'asa, ireo mijaly noho ny aretina isan-karazany fa indrindra ny SIDA, ireo atositosiky ny fiarahamonina noho ny hevitra na ny fomba fiainana tsy mitovy, ireo rehetra mijaly mafy noho ny ady sy ny fahantrana eran'izao tontolo izao ary hivavaka ho anao mamaky io mba ho tahian'ny Tompo amin'izay rehetra mahasoa ny fiainanao. Amen
19. marozevo ( 20/10/2005 00:07)
Ndao koa hivavaka ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany.
20. routa ( 20/10/2005 04:07)
asiana fandinihantenan'ny tsiray 2kou lou e! fa raha dinihina efa makany @fahasimbana mihitsy ao tontolo zao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1473