Fangataham-bavaka

21. Rajim ( 20/10/2005 04:50)
Mba hanampanhendrena sy fahalalana an'Atra ny tsirairay araka ny job 28/28
22. Rajim ( 20/10/2005 04:54)
Mba omeo fahendrena sy ny fahalalana an'Atra ny tsirairay (Job 28/28)
23. bichette ( 20/10/2005 06:53)
ari.malala > misaotra mahatsiaro ambavaka ahy :-*:-*:-*
mitondra ambavaka ny namana ato izay tsy mino an'Atra , izay voadona koa zavatra nataon'ny mpiara mivavaka taminy taloha ka lasa tsy te hierika izany mivavaka izany intsony lasa athé , mba ny Fanahy Masina hanazava ny sainizy ireo

sao dia tokony asiaka lohahevitra hoe : valimbavka tokoa ato :?:
24. jentilisa ( 20/10/2005 08:07)
Ho aminareo rehetra anie ny fiadanan'ny Tompo!
Hahita ny lalan'ny fivalozana anie ny mpamitaka rehetra. Hahita ny lalan'ny fahasoavana anie izay tena mitady anAndriamanitra!
25. dadabe ( 20/10/2005 16:01)
zay ahay vao nisy sahy nivavaka ampahibe maso ,sisan'izay dia titre daholo .merci jentilisa a
26. diamondra27 ( 24/10/2005 12:18)
vavaka ho an'i zay mbola tsy mahalala an'i Jesosy sy tsy nandray azy tao ampony, mba ho Jesosy irery ihany no hitantana ny fianany

de ho an'izay nihemotra ihany koa mba hiverina

ary ho an'izay mbola manara dia Azy mba haharitra hatr@ farany
27. bichette ( 24/10/2005 13:19)
jentilisa > naona kosa no tonga dé wé hahita lalan'ny fivalozana ny mpamitaka rehtra ? tsy aleo ve atao hoe : "andao hivavaka ho an'ny mpamitaka mba hiovàny ?" satria lasa manozona indray
28. Herimiafina ( 24/10/2005 22:59)
Miavvaka mba hisokafan'ny fon'ny olona rehetra eto antany tsy ankanavaka ho amin'ny fitiavana.(l)
29. dadabe ( 25/10/2005 11:19)
ekena ,ary aoka mba tsy hifanaratsy sy tsy hifanakina mba hifanoro @ lalana marina
30. estine ( 26/10/2005 08:16)
ndao hivavavaka ho an'ny FJKM SY NY FPVM Mba ho toy ny tao ninive fahiny
@ ora zay mahaka ny tsirairay ,ze mitovy ora de afaka miaraka ry jentilisa
31. jentilisa ( 26/10/2005 08:40)
zah ange ry bichette tonga dia nivavaka araka ny tenin'i dadabe e! dia lasa toy ny manozona indray ve aho? :roll:
Mivavaka ho an'ny mpino enjehina...mba tsy ho fiangonana persecuteur ny fjkm...
Mamela ny helokay! fa mpanota izahay! Aza avela ho andevon'ota amin'ny alalan'ny vola izahay...Omeo anay ny fo mahay miantra sy mahalala fa misy ny mijaly mety ho vokatr'izay nataoko!
Henoy ny vavakay.
32. bichette ( 26/10/2005 12:35)
jentilisa < lay teninao hoe
Hahita ny lalan'ny fivalozana anie ny mpamitaka rehetra
io
33. dadabe ( 26/10/2005 13:21)
jentilisa > asiko hira kely eny anelanelany
Tompo oo ..henoy zahay...miantso Anao..mba ekeo ny vavakay...mitalaaho...

tohizo indray aza ny ranombavaka e:D
34. xxx ( 26/10/2005 16:49)
ilay vavaka miaraka @ ora mitovy mety koa tsy atao GMT fa manjary samy hafa fa hoe ohatra @ 9 na @ 10 alina dia samy mivavaka ny vavaka itambarana dia ny fisaorana @ zvtr rehetra, sy fifonana ary rainay any andanitra dia samy manohy ny vavaky avy avy eo.
35. estine ( 27/10/2005 07:42)
ok 'zany ry xxx go 'zany^:^^:^^:^^:^^:^
36. xxx ( 27/10/2005 09:09)
xxx fa raha atao GMT nefa manin kay dé à la mem heure o meme moment
37. jentilisa ( 28/10/2005 09:34)
Fa raha ora GMT dia ny maraina no mety na ny hariva. Izany hoe anelanelan'ny 5 ora ka hatramin'ny 7 ora.
Eto Dago izany dia amin'ny valo ka hatramin'ny folo ora eo ho eo!

bichette> tahaka ny ratsy be ve io teniko io?
38. dadabe ( 28/10/2005 14:24)
fa maninona koa aza no averin'i estine imbetsaka le izy :-@

jentilisa > mety io r'ise fa tohizo ny vavaka a :D
39. Angie ( 31/10/2005 08:22)
Hivavaka amin'Andriamanitra mba hitombo fahendrena isika rehetra na ara-tsaina, ara-batana ary ara-panahy, ary mba hahay hanetrin-tena
Mba hijoro vavolombelona hatrany eo @ fiainantsika.
Mba hitohy hatrany ny fifankatiavana (na virtoaly na tsia)
40. bichette ( 31/10/2005 10:26)
jentilisa ilay hoe "Hahita ny lalan'ny fivalozana anie ny mpamitaka rehetra" tena tsy tiko ozona zany amiko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1988