Fetran'ny taonan'ny namana
1. hery
(
18/10/2005 07:38)
Mba fitsapana ny hevitry ny tsirairay ato fotsiny ihany. Marina fa efa misy ny resaka izay natokana manokana ho an'ny olon-dehibe ato amin'ny serasera. Fa amin'ny dinika hafa sy ny namana serasera amin'ny ankapobeny tokony hisy famerana ara-taona ve ny namana mamangy ny serasera? dia firy taona no eritreretinareo?
Hatramin'izao mantsy, tahaka ny takelaka hafa natao ho an'ny rehetra dia 13 taona no fetra farany ambany ho an'ny afaka mamangy ity takelaka ity. Antonony ve io?
Ary raha misy tokony ho ferana dia ny takelaka aiza ary firy taona no hamerana azy?

novalian'i naritsimba ny 21/10/2005 07:28
2. ratole
(
18/10/2005 08:45)
Marina ny hevitrao. Ny olana anefa dia tsy marina ireo taona ataon'ny sasany ao. Ohatra ve dia mitombina raha olona 5 taona no ao ? Hitako izany taloha. Angamba raha latsaky ny 13 taona voalaza io dia antonony mihitsy. Eo @ fidirana ho namana no tokony hasiana test kely. Raha vao latsaky ny 13 taona dia tsy voaray ho mpikambana.
Sa ahoana hoy ianareo ?
Sa ahoana hoy ianareo ?
3. fiaritiana
(
18/10/2005 11:17)
nefa ahoana no ahafantarana marina hoe latsaky ny 13 na mihoatra? sa scannena ny karapanondro?
4. vale
(
18/10/2005 12:49)
Hery> manahoana! raha ny fieritreretako koa aloha dia antonony io 13 taona io! raha latsak'izay kosa heveriko fa tsy mety !
5. Herimiafina
(
18/10/2005 13:33)
Hitako tsara be daholo nefa le takelaka rehetra.
Aleo atao 14 taona no taona farany miditra ato, ze antitra mampianatra ze mbola tanora. siora.

6. Samoana
(
18/10/2005 13:56)
Antonony io Visa B io e !:)
Anjaran'ny Ray aman-dreny isan-tokantrano na ny mpiandraikitra any @ trano filalaovana internety ny fanaraha-maso ny kilonga mitady hivoana e !
Ny anay efa manana adiresy manokana ho an-jaza tsy ahafahany "manonjanonja" eny rehetra eny ny ankizy ! Tonga dia mandefa hafatra @ adiresinay lehibe (automatique) ny hebergeur mangataka " autorisation parentale" raha mahatsikaritra fihetsika tsy ara-dalàna !

7. tafita
(
18/10/2005 19:23)
ratole:
Marina ny hevitrao. Ny olana anefa dia tsy marina ireo taona ataon'ny sasany ao. Ohatra ve dia mitombina raha olona 5 taona no ao ? Hitako izany taloha. Angamba raha latsaky ny 13 taona voalaza io dia antonony mihitsy. Eo @ fidirana ho namana no tokony hasiana test kely. Raha vao latsaky ny 13 taona dia tsy voaray ho mpikambana.
Sa ahoana hoy ianareo ?
De ahoan izany fa ne anay les enfants 13-.14 ans no tena raisin'ny anay ny miresaka aminy e .....
8. pika
(
19/10/2005 05:34)
mety io tsy latsaky ny 13 taona io
marina fa misy ny manova taona fa mattika @fomba fiteny sy fanoratana dia azo vinavinaina ihany ny taonany

9. estine
(
19/10/2005 06:51)
tsara ihany aloha no mametraka fetrantaona,mba afahana miaro tena ra hoavy 'zay tsy mety,fa de ankinina tanteraka @'zareo eny @ cyber araka ny tenin'i samoana ny fijerena izay.
-isika koa anie tsy voatery hiresaka zava mamoafady(madio io) na resak'olondehibe ato ,azo atao anie ny manoratra izany any @hery ohatra de izy no mitsinjara izay any @email-tsika tsirairay.
-na ko papasipasy @e-mail ao@le we hanoratra ho an':?:
de 'zay:lol::lol::lol::lol:

10. naritsimba
(
19/10/2005 10:20)
Tsy haiko aloha hoe ahoana no hamaritana ny taona afaka mifditra ato.
Ny Internet dia efa ao anatin'ny fandaharam-pianarana ho an'ny ankabeazan'ny sekoly tsy miankina @ fanjakana, ary any @ ambaratonga voalohany dia efa misy mianatra azy, amiko izany dia anjaran'ny mpanabe sy ny ray aman-dreny no mandanjalanja ny zavatra atao'ny ankizy. Izany koa dia mitarika antsika tsy hanoratsora-poana fa mba atao fitaizana ny zavatra soratana.
Amiko izany dia tsy voafetra ny taona fa rehefa mahay mampiasa solosaina dia efa afaka miditra ho mpikambana.
Hevitro io an!

11. naritsimba
(
19/10/2005 12:46)
Ahoana moa no ahalalana hoe zao no taonan'ny olona iray miditra ho namana?
aoka ho fantatrareo fa tsy mifanatrika ange rehefa miditra eto fa rehefa kosa mifankahita izay vao fantatra hoe hay olona 10 taona ilay mitondra ny solon'anarana.
Noho izany dia sarotra ny hamerana ny taona.
Misaotra e!

12. velosoa
(
20/10/2005 14:10)
Tsara ilay hevitra hoe ferana ny taona ahafahana miditra ho namana. Ahoana anefa no ahalala fa tsy mandaiga ilay olona ? Marina ilay hoe ahoana no hamerana ny taona?
13. vegas
(
20/10/2005 17:52)
Miankina amin'ny tena hevitr'ilay oe namana ilay izy. Za manokana aloha dia tsy mahazo ny tena heviny. Namana ahoana mo izy ty? Ra namana iresahana, maninona mo ra mba mitady namana ny latsaky ny 13 taona? Azo atao tsara tsy itako ny olana. Fa raha hoe hitady namana ... hiarahana dia normalement 18 taona no miakatra no izy.
Amiko alou tsy itako ny olana raha mba mitady namana ny ankizy 9 taona na 11 taona. Namana io ko!!! :-P:-P