Iza moa andriamanitra ?

1. mandrindra ( 17/10/2005 13:46)
Ho anareo mpino, mba hazavao hoe iza marina moa izy io !!
Inona ny heriny, ary hatraiza ny fetrany?
Izy marina ve no mahafehy izao tontolo izao, raha eny amin'ny fomba ahoana?
Inona no andrasany aminareo mpanompony, ary inona no antenainareo aminy?
novalian'i balite06 ny 28/11/2005 12:42
2. xxx ( 17/10/2005 13:56)
dia miresaka amin'ny tsy mino marina, iza no nanao izao tontolo izao ? misy mahay manao anana na kininina ve ? misy mahay mitàna ny aina tsy handeha ve ? Avy aiza io saina sy hery mahay mamoron-javatra io ? A/tra no niandohan'ny zavatra rehetra ary izy no iafaran'izao rehetra izao.Voly varin'Atra ny olombelona izay tiany alaina no alainy izay tiany ajanona ajanony.
3. xxx ( 17/10/2005 14:01)
mandrindra vakio fotsiny ny baiboly dia fantatrao hoe iza A/tra.azo antoka fa ao daholo ny valinni fanontaninao
4. routa ( 17/10/2005 14:44)
otrany hoe miverina @ kilasy voalohany zany @fianarana baiboly e!:)
5. ramhors ( 17/10/2005 14:45)
Maka fotoana mangina ianao dia diniho ny fiainanao manontolo,ny lasa, ny @ izao fotoana izao, ny ho avy izay mifono mistery. Tsy mba mahalasa saina anaoa ve ny mieritreritra ny fahagagana miseho eo @ fiainanao isan'andro. Iza no mandahatra an'izany? Manontany ianao hoe @ fomba ahoana no hifehezany an'izao tontolo izao. Izay no maha-Andriamanitra Azy, mistery ary tsy takatry ny saintsika olombelona ny heriny. Ny andrasany amintsika mpanompony? isika rehetra dia mpanompony avokoa, fa samy manana ny lalana tiany hoentina hanompoana Azy. Manome fahalalahana antsika Izy, ka hanjaranao ny mifidy ny lalana tokony hizoranao, na hizotra mankany aminy na lalan-kafa. tena marina ny an'ilay namana etsy ambony, vakio ny baiboly dia hazava aminao. Izay kely mba fantatro fotsiny no nambarako, hifampizarana.
6. Veloo ( 17/10/2005 17:03)
routa a mila miverina any @ kilasy voalohany mihitsy izy ka...
7. zefalah ( 17/10/2005 17:44)
Andriamanitra dia tsy takatriny saina,ary tsy azo takarina satria mampiova ny finoana.
fa kosa jereo reo zavatra rehetra manodidina anao dia ho ainao hoe iza moa Andriamanitra.
ny zavatra rehetra dia tsy nisy fahatany...ny seza tsy nisy ra tsisy nanamboatra..ny vary tsy ho hisy velively raha tsisy mpamboly...ka ra ny vary aza toizany..maika fa ny tany amandanitra? sy ny fanahy sy ny vatana,ary reo tao ao anatinao?
moa ve nusy fotsiny @zao reo? TSIA
moa nisy ny zavatra dia nisy ny mpanao azy.
fa kosa tsy tratran'ny sai-sika hoe iza izy,ary aiza ary atraiza ny fetrany..ny fetrany dia tsy manampahataperana...
8. boubounezy ( 17/10/2005 18:30)
sambatra ny mino nefa tsy mahita


zefalah:

Andriamanitra dia tsy takatriny saina,ary tsy azo takarina satria mampiova ny finoana.
fa kosa jereo reo zavatra rehetra manodidina anao dia ho ainao hoe iza moa Andriamanitra.
ny zavatra rehetra dia tsy nisy fahatany...ny seza tsy nisy ra tsisy nanamboatra..ny vary tsy ho hisy velively raha tsisy mpamboly...ka ra ny vary aza toizany..maika fa ny tany amandanitra? sy ny fanahy sy ny vatana,ary reo tao ao anatinao?
moa ve nusy fotsiny @zao reo? TSIA
moa nisy ny zavatra dia nisy ny mpanao azy.
fa kosa tsy tratran'ny sai-sika hoe iza izy,ary aiza ary atraiza ny fetrany..ny fetrany dia tsy manampahataperana...




9. vale ( 17/10/2005 20:56)
mandrindra> amiko aloha dia A/tra no nanao an'izao tontolo izao! Ny heriny dia lehibe! Ny endrasany amin'ny mpino dia fifankatiavana, fanajana an'azy...sy marobe tsy ho voatanisako fa mamaky mihintsy ianao baiboly angamba!!!
10. miarina ( 17/10/2005 21:28)
Si j'étais à ta place je me demanderai pkoi je vis pkoi je mort
11. pika ( 18/10/2005 05:53)
ny olona ts11 dia tsy maintsy manana ny ataony hoe Atrany izay heveriny fa mahery indrindra sy azo hitokisana
ka ilay Atra ny kristianina no tianao ho fatatra dia ny tsara vakio ny baiboly: izy ilay nahary izao tontolo izao ..... ary nandresy ny fahafatesana t@ fitsanganana ny maty......mbola ho avy indray hitsara ny velona sy ny maty .....
12. jentilisa ( 18/10/2005 08:04)
Hazavao tsara ary ny zavatra ambarantsika rehefa fantatsika fa tsy mpino no miresaka amintsika. Aza terentsika izy hamaky ny baiboly rehefa mieritreritra izy fa lainga no ambara ao. Ahoana no ataontsika mba handresen-dahatra azy. Tonga dia valio eto raha mety re!
Ohatra: satria ve ny olona fini dia ataontsika hoe infini Andriamanitra? satria ve isika malemy dia ataontsika hoe mahery Andriamanitra? Izany hoe raha amin'ny ankapobeny. Izay mifanohitra amin'ny zavatra vitan'olombelona ve no antsoina hoe Andriamanitra? Isika tsy dia mahalala zavatra ve ohatra dia lazaintsika fa mahay ny zavatra rehetra Izy? Anjarantsika ny mieritreritra sy mandinika tsara alohan'ny hamaliana fa aza manao tsianjery araka izay atao!
13. marozevo ( 18/10/2005 22:49)
miarina > Tsy ampy angamba ny teny malagasy ka teny Frantsay no ampiasaina. Raha marina moa ilay grammaire koa haninona. Mba mampiasa concordance de temps nefa mivaralila. Ataovy amin'ny teny Malagasy fa io ihany no tena hivoahan'ny hevitra e. Geste lany andro ny hoe raha miteny vazaha dia olo-mandroso.
14. routa ( 19/10/2005 04:26)
oadray!inona ary tyyy!
15. jentilisa ( 19/10/2005 06:55)
Fa ny pourquoi aloha toa tsy mahavaha olana e! raha izaho manokana dia hoe inona no anjara andraikitro rehefa napetraka teto an-tany aho?
16. mandrindra ( 19/10/2005 12:57)
routa sy veloo, mba hazavao ary izay nampianarina anareo tany amin'ny kilasy voalohany. :D
Misaotra an'i jentlisa namaritra mazava kokoa ny resaka.
Variana ihany aho mamaky ny valintenin'ny tsirairay satria toy ny mamerina aty amiko ny fanontaniana daholo ianareo. Mahagaga ahy izany satria raha mino anie ianareo dia tokony hanana fehikevitra mafonja entinareo hanazavana an'izany e. Ny zavatra inoanareo ve dia tsy ianareo no hitondra fanazavana fa ny hafa ?
17. mandrindra ( 19/10/2005 12:58)
jentilisa:

Fa ny pourquoi aloha toa tsy mahavaha olana e! raha izaho manokana dia hoe inona no anjara andraikitro rehefa napetraka teto an-tany aho?

Marina izany ry jentilisa raha filozofia amin'ny akapobeny no jerena. Saingy ny manitikitika ahy eto dia hoe inona marina no mahatonga ny zanak'olombelona mirona any amin'andriamanitra ?

18. routa ( 19/10/2005 16:28)
ny fahalalako azy zavatra hainao le izy fa tsy ahiko mitsapa ve hianao hoe atraiza ny finoan'ny zanakolombelona .Ny hoe tany @ kilasy voalohany kilasy volohany aho no nianatra an 'ireo tany no nianarako ny hoe iza no namorona ny tany sy ny sisa rahatra ireo dezay
19. jentilisa ( 20/10/2005 08:32)
Ataoko fa tsy sahy manontany na mihevitra izay tena tokony hovaliana ny olona. Mikaroka ny hevitra efa nabosaky ny hafa fa tsy sahy manan-kevitra manokana. Tahotra sao dia lavin'ny maro an'isa ny hevitra ka ariana na enjehina noho izay hevitra izay.
Tsy sahy misaina ny olona nefa raha mino an'Andriamanitra tokoa dia tokony hahalala fa efa fanomezana lehibe tsy manam-paharoa izany saina izany.
Apetraka amin'Andriamanitra ny zavatra rehefa tsy hay ny mamaly azy na mitondra azy. Toy ny hoe tena ambony be izany Andriamanitra izany.
Rehefa tena jerena any amin'ny Genesisy dia misy filazana any fa efa mitovy ( tahaka ny iray amintsika hoy ny soratra) amin'Andriamanitra ny olombelona (ka esorina ny hazon'aina ny tohiny moa).
KOa raha efa mitovy amin'Andriamanitra (tahaka ny iray amintsika) ny olombelona, nahoana no mbola mitady vaha-olana amin'Andriamanitra?
20. ari.malala ( 20/10/2005 11:49)
Ho anareo mpino, mba hazavao hoe iza marina moa izy io !!


Andriamanitra no nanao izao rehetra izao ary isan\'izany isika olombelona, nataony mitovy endrika Aminy isika ary nony nanota sy nivadika Taminy dia tsy navelany t@zao fa \"nomeny ny Zanany Lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fianana mandrakizay\".


Inona ny heriny, ary hatraiza ny fetrany?


Ny heriny? tsy hain\'ny saina eritreretina. Ny fetrany? Tsy manam-piandohana ary tsy manam-piafarana Andriamanitra, satria efa teo hatr@ Taloha sy ho mandrakizay.


Izy marina ve no mahafehy izao tontolo izao, raha eny amin\'ny fomba ahoana?


Eny Izy no mahafehy an\'izao tontolo izao satria Azy izao tontolo izao. @ fomba ahoana? @ fomba tsy takatry ny sainao satria ny fiheviny tsy fihevitsika.



Inona no andrasany aminareo mpanompony, ary inona no antenainareo aminy?


Ny andrasany @tsika mpanompony dia ny anarahantsika nydidiny, \"Didy vaovao no omeko anareo dia ny ifankatiavanareo toy ny nitiavako anareo\"

Tsy haiko, nahafa-po an\'i Mandrindra v ny valinteny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2984