Jesoa sy ny fomban-drazana

1. LazaRandri ( 17/10/2005 02:48)
Fomban-drazana ve sa Tenin'Andriamanitra no narahin'i Kristy? Ahoana ny fandraisanao ny tantara ao amin'i Marka 7 ?

5 Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tànana tsy misasa izy?

6 Fa Jesoa nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: "Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy.
...
8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra hianareo ka mitana ny fanaon'ny olona.
...
13 ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo
2. cutie ( 17/10/2005 03:10)
tsy azoko le izy :roll:
3. Herimiafina ( 17/10/2005 03:16)
Vakio alou zany le Marka 7.
4. cutie ( 17/10/2005 03:17)
za tsy manana baiboly koa lol
5. Herimiafina ( 17/10/2005 03:21)
ooooh, ry tonaka e, Sao de tsy mivavaka? hehehehe:-D
6. cutie ( 17/10/2005 03:37)
an3
7. Herimiafina ( 17/10/2005 03:44)
Jereo amin,ny net fa mety misy baiboly online ao. 8)
8. cutie ( 17/10/2005 03:46)
mba lazao eto le ao @ marka 7 zany we
sa efa io ambony io le izy lolllllllllll
9. Herimiafina ( 17/10/2005 03:49)
Io ambony io le fait fa le contexte ao anaty Marka7.8)
10. cutie ( 17/10/2005 03:53)
de mba hazavao aza fa za tsy maharaka
11. Herimiafina ( 17/10/2005 04:04)
Za kou mbola vao manazava amin'ny tenako izao fa tsy maharaka ileiry, hehehehe:-D:-D:-D:-D
12. xxx ( 17/10/2005 08:11)
eto kosa angamba aloha tsy hoe tsy nanaraka ny fomban-drazana JK fa ireo Fariseo sy mpanora-dalàna no fatra pitsikilo ny zavatra ataony. Ny fahalàlako azy tsy nanohitra velively ny fomban-dràzana Izy fa izay resaka tsy fanasan-tànana alohan'ny sakafo no lesoka sendra hitan'ireo de rafitra nitsikera. Ny fomban-drazana eto angah moa iray ihany (lalàn'i Mosesy?)? be dia be
13. pika ( 17/10/2005 08:14)
aza mandray sombontsobiny ihany rehefa mamaky fa vakio tsara daholo aloha izay angamba no mety
io fomba io no matetika entin'ny secte rehefa mitory teny izay heverina fa hanakianana sy izay mifanaraka aminy ihany no asongadina
jereko aloha io any an-trano a Mk 7
14. estine ( 17/10/2005 08:37)
tonga de lazao ny hevitrao ry laza randria a omeo any kaisara izay any kaisara ary omeo an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra,
15. mandrindra ( 17/10/2005 08:46)
Marka ra8 no haiko fa tsy Marka 7 izany. :D
16. xxx ( 17/10/2005 08:50)
Marka Exception kou tonga de choc choc be hihihi
17. LazaRandri ( 17/10/2005 10:55)
ary ny MarkaLioka otsinna ny kapoaka? :D
18. xxx ( 17/10/2005 11:05)
manaraha ny fomban-drazana daholo nareo ry ireto a, zany hono tsy mampivoatra ity gasikara ity. kely ny rakitra arotsaka ho an'Andrianampoinimerina sy ry Andriamisara avy, alefaso e:-D:-D:-D
19. LazaRandri ( 17/10/2005 13:07)
Mahafinaritra fa toa samy handalina ny Baiboly jiaby isika raha izao no mitohy, sa ahoana ry Cutie? :)

Fanazavana an'io ao amin'ny Matio 15:1-2 ho an'izay manana Life Aplication Bible.
Mba azonareo zaraina ve? :)
20. routa ( 17/10/2005 14:42)
tsy manao fombandrazana Jesosy ny nanitsy an' io fomba 2io no nahatezitra ny jiosy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0397